absoute

1. ari.malala ( 08/05/2007 14:25)
Mba nahalasa ny fisainako hoa, rehefa le manao absoute iny, d misy anle vavaka hoe "hitsena anao anie ny anjely ka hitondra anao any amparadisa sns", d ts efa tara v izany vavaka sy firariantsoa izany satria ts t@ andro sy ora nahafatesany v le ol d efa nihaona t@ Atra e! d mila miandry anle fotoana fanaovana absoute iny v vao irariana hotsenaindry Abrahama sy ry Lazara sy ny anjely sns? ts hoe ts mino za, fa mba fanontaniana nihodinkodina tao antsaikoo tao foana, fa vao avy nanatrika absoute ndray za tam maraina d io fa tadidiko le izy d apetrako eto!
répondu par majesty le 22/05/2007 05:27
2. ikaretsaka ( 08/05/2007 14:46)
ka izay le izy ry ari ko..

ilay maty efa tsy hay aloha hoe ny anjely sa ny devoly no naka azy teo..:-D
dia mba tara i mompera, mety teo ihany izy talohan'ny nialan'ilay maty aina, nanao ny sacramentan'ny onction ... fa mba tzy aleonao aza alohan'ny handevenana azy toy izay amin'ilay izy voalevina izay vao mandeha ny absoute

ohatranao mamangy fahoriana koa io... misy 5 andro taty aoriana vao ireny fa manao rodobe aby..le olona efa afa pahoriana sy efa voalevina ny maty.. zay kao ny olona tsy tratra antso vao... mamangy @ fahoriana!

Misitery misitery, fa izay ny finoana, fanekena ny misitery sy ny tsy takatry ny saina!
tsy hita e:wink:
3. majesty ( 08/05/2007 14:58)
Satria resaka finoana moa izy ity dia mamélà ahy haka andinin-tsoratra masina iray:"Hoy Jesosy taminy:aza manendry ahy,fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray aho" Jaona 20:17
Teny nolazain'i Jesosy tamin'i Maria io rehefa tonga tany am-pasana Maria tao aorian'ny nitsanganany tamin'ny maty,noho izany:
1)raha Jesosy aza tamin'izy maty tsy niakatra nakany amin'ny Ray,koa isika indray no ho any.
2)raha tonga dia miakatra makany amin'ny Ray ny maty dia tsy misy ilàna intsony ny fitsanganan-ko velona.
3)Ny absoute izany dia tokony ho fotoana indrindra hampaherezana ny havana sy ny namana izay vao nodonam-pahoriana,ka itondrana azy ireo ambavaka,fa tsy ho fivavahana atao amin'ilay maty akory.:D
4. xxx ( 08/05/2007 15:22)
Toy ny misy fifanoherana ny tenin'i Majesty :
1)raha Jesosy aza tamin'izy maty tsy niakatra nakany amin'ny Ray,koa isika indray no ho any.
2)raha tonga dia miakatra makany amin'ny Ray ny maty dia tsy misy ilàna intsony ny fitsanganan-ko velona.


3)Ny absoute izany dia tokony ho fotoana indrindra hampaherezana ny havana sy ny namana izay vao nodonam-pahoriana,ka itondrana azy ireo ambavaka,fa tsy ho fivavahana atao amin'ilay maty akory.

sao tokony hoe rehefa fantatra fa tonga dia mankany amin'ny Ray ny maty no tsy mila mivavaka ho azy intsony isika ! Raha tsy tonga dia mankany izy mantsy, dia misy mba sens ny vavaka atao. Ankoatra izay, mivavaka ho an'ny maty no atao rehefa amin'ny absoute fa tsy vavaka amin'ilay maty.
Amin'ny finoana Katolika dia misy ny afo fandiovana. Efa noresahina teto ka angamba tsy hiverenana, fa hajao fotsiny ho an'izay tsy mino an'io. Fa ho valin'ny fanontanian'i Ari.malala dia mety isan'ny hanaovana io vavaka io koa angamba ny fisian'ny afo fandiovana.
Ankoatra izay, raha toa moa ka tonga dia mankany amin'ny Ray tokoa ilay maty, dia heveriko tsy tokony misy olana na "tara" aza ny vavaka atao ! Ho hadisoanao ve ohatra raha mbola mangataka mba ho afaka CEPE ny zanakao na dia efa nivaly aza ny fanadinana, fa ianao tsy nahafantatra izany ? Dia raiso toy izay ilay izy.
5. ikaretsaka ( 08/05/2007 15:26)
Ankoatra izay, mivavaka ho an'ny maty no atao rehefa amin'ny absoute fa tsy vavaka amin'ilay maty.

io indray ilay mot kely fotsiny no esorina sy ovaina.. (efa lazaiko teto foana) dia mampiova zavatra BBBBeeee
dia ilay finoana mihitsy avy eo lasa bornE sy mivaona!
6. ari.malala ( 08/05/2007 15:37)
ikaretsaka:

ka izay le izy ry ari ko..

ilay maty efa tsy hay aloha hoe ny anjely sa ny devoly no naka azy teo..:-D



:-D:-D:-D
7. ikaretsaka ( 08/05/2007 15:45)
:oops:ka zany ko.. sa ianao mahay?:cry:
8. niryna ( 08/05/2007 16:09)
ikaretsaka:

Ankoatra izay, mivavaka ho an'ny maty no atao rehefa amin'ny absoute fa tsy vavaka amin'ilay maty.

io indray ilay mot kely fotsiny no esorina sy ovaina.. (efa lazaiko teto foana) dia mampiova zavatra BBBBeeee
dia ilay finoana mihitsy avy eo lasa bornE sy mivaona!



=))=))
9. niryna ( 08/05/2007 16:22)
Samy manana ny fisainany sy ny finoany moa isika eto ka tsy misy afaka ho resy lahatra mihitsy fa samy manana ny zavatra noraisina avy.Raha amiko manokana aloha dia tsy misy afaka mivavaka ny olona efa maty izany intsony isika,raha izany dia mitombona ny ataon'ireo olona rehetra milaza ny hoe aleo aho aloha anao fiainana fa rehefa avy eo aho ve tsy hibebaka.Natao hanamboarana ny sain'ilay manam-pahoriana fotsiny ny vavaka atao aorian'ny fahafatesan'ilay olona.Sady mba fahatsiarovana ny zavatra vitany teto an-tany.Eny e! Atra irery ihany no mahalala na miaraka aminy ilay olona na tsia.Ny vatana no maty fa ny fanahintsika dia velona mandrakizay ka izany no mahatonga ny teny hoe ny fahafatesana no tambin'ny ota.Raha mpanota izany isika ka tsy nibebaka talohan'ny fahafatesan-tsika na tsy nanolon-tena ho an'ny tompo dia izay ilay fahafatesana na very ny fanahintsika noho ny ota.Sy ny hoe raha mino Azy ianao dia ho velona mandrakizay(spiritual) io fa tsy (physical) a.Ka ny vatana no any am-pasana ary dia ho levona sy hiverina ho vovoka indray .
Mampalahelo indraindray raha tsy nahazo sy nihaino ary tsy nanaiky an'i Jesosy ho mpanavotra azy izy tamin'ny fahavelomany satria tsy misy na iray aza afaka hanavotra ny fanahintsika intsony rehefa maty isika.:cry::cry:
10. majesty ( 09/05/2007 05:08)
Ankoatra izay, mivavaka ho an'ny maty no atao rehefa amin'ny absoute fa tsy vavaka amin'ilay maty.


Ilay hoe mivavaka ho an'ny maty,izy @ fahavelomany no tokony ho entina ambavaka fa tsy izy efa maty satria ny maty tsy afaka ny hisafidy intsony fa vita hatreo ny anjarany.
Mikasika an'ilay afo fandiovana indray tsy dia idirako lalina satria tsy haiko loatra ny niavian'izy io no tsy voasoratra ao anaty baiboly rahateo dia aleoko mangina.
11. niryna ( 09/05/2007 06:51)
Ahoana tokony io filazan'ny finoana sasany hoe afo fandiovana?Aiza amin'ny baiboly no milaza an'io?
12. sonwin ( 09/05/2007 08:16)
ari.malala> tsy misy tara izany ny amin'io ka.Raiso ohatra fotsiny ny fanaovana lamesa ho an'ireo efa nodimandry.Na efa taona maro aty aoriana aza dia mbola angatahina ihany ny hamonjena ny fanahiny.
Ao amin'ny fiekem-pinoana ilay hoe "fiombonan'ny olomasina" ny misteryn'io. Ny olomasina eto dia ny vahoakan'Andriamanitra tsy ankanavaka (ny maty sy ny velona), ka araka izay fiombonana izay dia ny velona mivavaka ho an'ny maty ary ny maty efa voavoanjy (toa ireo Saint et Sainte)mivavaka ho an'ny velona. Ary tsy voefatran'ny fotoana izay fiombonana izay, tsy misy tara, tsy misy lasa aloha satria...katolika(manerana ny tany,manerana ny fotoana rehetra,...tsy misy fetra).
13. sariaka ( 09/05/2007 09:29)
marina io voalazan'i sonwin io. Ny anampiako azy dia ilay teny hoe hitsena anao--- io dia firariana ilay fiainan-ko avy eo an-kavanan'ny Ray amin'ny andro hananganana ny maty rehetra ka tsy misy tara izany, ary ny vavaka ho an'ny lasa any an-koatra dia azo atao foana an-koatry ny fanolorana lamesa ao amin'ny fomba katolika...
14. hery ( 09/05/2007 09:59)
Tsy mahafaty antoka ny mivavaka :-) No sady tsy fahotana.

Na mivavaka ho an'ny velona ianao, na mivavaka ho an'ny maty, na mivavaka ho an'ny saka sy ny akohonao (ohatra hoe mba tsy ho azon'ny aretina), na mivavaka ho an'ny voninkazonao (mba haniry tsara)... sns... dia tsy mahafaty antoka izany.

Ny mivavaka no anjarantsika na mbola velona ilay olona na efa maty. Anjaran'Andriamanitra ny sisa.
15. tywa68 ( 09/05/2007 11:11)
sowin, sariaka ary hery : =D ilay tonga dia mitsara aloha dia tsy afaka hivavaka izany e :lol:

16. ikaretsaka ( 09/05/2007 12:26)
niryna:

Ahoana tokony io filazan'ny finoana sasany hoe afo fandiovana?Aiza amin'ny baiboly no milaza an'io?



Ps 66:12
Ecc 12:14
Is 4:4
Is 6:5-7
Mic 7:8-9
Mal 3:1-4
2 Maccabees 12:39-45
Mt 5:25-6 / Lk 12:58-9
Mt 12:32
Lk 16:19-31 (cf. Eph 4:8-10; 1 Pet 3:19-20)
1 Cor 3:11-15
2 Cor 5:10
2 Cor 7:1
Phil 2:10-11
1 Thess 3:13
1 Thess 4:7
2 Tim 1:16-18
Heb 12:14
Heb 12:29
Rev 5:3,13
Rev 21:27

le fivavahana ho an'ny maty dia ao @ maccabees boky faha 2 feno... saingy nesorin'i lotera sy kalvino fa nanimba ilay zavatra tiany ho voizina ..:roll:
17. ari.malala ( 09/05/2007 13:07)
merci fa mazava tsara e:)
18. ikaretsaka ( 09/05/2007 19:35)
hery:

Tsy mahafaty antoka ny mivavaka :-) No sady tsy fahotana.

Na mivavaka ho an'ny velona ianao, na mivavaka ho an'ny maty, na mivavaka ho an'ny saka sy ny akohonao (ohatra hoe mba tsy ho azon'ny aretina), na mivavaka ho an'ny voninkazonao (mba haniry tsara)... sns... dia tsy mahafaty antoka izany.

Ny mivavaka no anjarantsika na mbola velona ilay olona na efa maty. Anjaran'Andriamanitra ny sisa.


=D
ary Ilay olona maty ireny tokoa moa ahoana?
"mitahy"?

19. Zina ( 09/05/2007 20:14)
oy majesty
Ilay hoe mivavaka ho an'ny maty,izy @ fahavelomany no tokony ho entina ambavaka fa tsy izy efa maty satria ny maty tsy afaka ny hisafidy intsony fa vita hatreo ny anjarany.


marina mihitsy izany:wink:
20. LazaDaddy ( 10/05/2007 00:41)
Izao fotsiny ihany no hevitro:

Tsarovy ilay tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanankarena. TSY fanoharana iny fa tantara nisy notantarain'i Jesoa. Naniry mafy dia mafy, nitalaho, sy niangavy mafy ny hampitoniana ny fanaitainany tao @ afobe ilay "mpanankarena" ary niangavy an'i Abrahama haniraka an'i Lazarosy ampitandrina ny fianakaviany mbola velona sainy indrisy fa TSY nahita vahaolana intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2922