absoute

21. ikaretsaka ( 10/05/2007 01:49)
hmmmmm ilay lazara 1 koa tsy adino:wink:

dia ahoana indray ilay tantaran'i sodoma sy gomora ilay hoe raha mbola misy .. raha mbola misy zao raha mbola misy zao... hatr@ farany?:wink:

dia tadidin'i laza koa ny tantaran'i Tabitha ao amin'ny Asa 9: 30 mahery... 35 36-41 ngamba izy iny!

Lazara (dahin'i Madelenina) natsangana t@ maty koa! (iny tsy averiko eto fa samy mahay ny nataon'i Jesoa aby angamba)

samy nivavaka ho an'ny maty i Jesoa sy Piera an!

Mbola nisy vahaolana... NY NIVAVAKA

Dia raha azo atao ny mivavaka ho an'ny olona maty hiverina eto an-tany... maninona no tsy azo atao ny mivavaka ho an'ny fanahiny?
22. LazaDaddy ( 10/05/2007 05:38)
ikaretsaka> fa iza no niteny tamin'ise fa lasa tany @ afobe toa an'ilay mpanankarena i Lazara sy i Tabitha. Sady mpino an'i Jesoa koa izy ireo na tamin'ny teny na tamin'ny asa. Ary i Jesoa no nilaza fa tsy maty izy fa natory :)

Tsy miteny aho hoe tsy azo atao ny mivavaka, tsia! Azo atao tsara ny mivavaka. Saingy tokony ho fantatra fa misy "vavaka" (tsy tena vavaka) tsy henoin'Andriamanitra: na ilay "mpivavaka" no tsy manao ny sitrapoNY, na ilay zavatra angatahina manohitra ny sitrapoNy.
23. LazaDaddy ( 10/05/2007 05:49)
1) Ny vavaka dia adidin'ny velona tokoa.
2) Tsy manan-kery @ "destiny" an'ny maty anefa izany raha ny kely mba haiko araka ny Tenin'Andriamanitra.

Hisy ny olona hifanatri-tava amin'i Jesoa mihitsy ary hiresaka aminy MIVANTANA saingy ho valiany hoe: "miala amiko ianareo mpanao ratsy!"
24. majesty ( 10/05/2007 08:00)
hoy Hery:

Na mivavaka ho an\'ny velona ianao, na mivavaka ho an\'ny maty, na mivavaka ho an\'ny saka sy ny akohonao (ohatra hoe mba tsy ho azon\'ny aretina), na mivavaka ho an\'ny voninkazonao (mba haniry tsara)... sns... dia tsy mahafaty antoka izany.

Ny mivavaka no anjarantsika na mbola velona ilay olona na efa maty. Anjaran\'Andriamanitra ny sisa.


Misy mahamarina azy ihany ireo voalazan\'i hery ireo,satria azo atao tsara ny mivavaka ho an\'ny mpiara-belona aminao,na ny fananao,na ny biby fiompy...sns fa eo amin\'ilay hoe mivavaka ho an\'ny maty no tiako asiana teny kely monja araka ny voasoratra hoe \"Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ary tsy manana valim-pitia intsony izy,fa hadino ny fahatsiarovana azy\"Mpitoriteny 9:5
Koa rehefa hivavaka ihany,tsy aleo mba ny velona no hivavahana :D


Misaotra an\'i Ikaretsaka nisahirana nanome ireo toko sy andininy ireo,mba hanamafisana ny maha-ara baiboly ny \"afo fandiovana\",fa malahelo aho milaza amin\'ise fa toa tsy mahalaza ny tena hevitr\'ilay afo fandiovana ilay izy,sa ny baiboliko ve no hafa? na ireo bokin\'ny bokin\'i Makabeo sy ny fahendrena ...sns efa nojereko sady ananako rahateo (satria ny ray aman-ndreniko dia Katôlika iringiriny)fa tsy mbola nahita an\'ilay hoe mivavaka ho an\'ny maty aho:D
25. xxx ( 10/05/2007 09:56)
Izaho efa mba niteny hoe aleo tsy iny Afo Fandiovana iny no hitarina fa efa resaka lava teto, fa ekena fotsiny eto hoe finonan'ny hafa, dia mbola misisika ihany ny sasany :-w:-w:-w:-w:-w

Majesty : tsy hitanao amin'ireo andalana nomen'i Ikaretsaka ireo tokoa ny teny hoe Afo Fandiovana satria tsy misoratra amin'ireo. Fa misy mahita soratra ao amin'ny Baiboly ve hoe "ordinateur", izaho tsy mahita. Fa misy ve ny "ordinateur", eny misy tokoa. Fehiny : tsy rehefa tsy hita ara-bakiteny ao amin'ny baiboly akory dia tsy ao ; ary tsy rehefa tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly dia tsy misy.

Tsy raisiko ny ampahan'ny Baiboly tsy hitambarana. Fa amin'ny hitambarana dia izao :

I Jesoa, araka ny tatitra nataon'i Matio dia niteny hoe
Matio 5:

25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina hianao.

26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

Diniho io 26 io ! tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandohanao ny variraiventy farany indrindra. Izany mandoha ireo "variraiventy" ireo ianao, ary rehefa voalohanao izy REHETRA dia afaka ao amin'ilay tranomaizina ianao. Io tranomaizina handalovana, handalovana satria hoy i Jesoa hoe alana ao ianao rehefa mahaloa ny variraiventy farany, io no antsoin'ny Katolika hoe "Afo Fandiovana".

Dia mbola misy fanoharana koa ao amin'ny faran'ny Matio 18
Matio 18:
34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.

35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

Dia jereo indray fa milaza izy hoe : nanolotra azy ny mpampijaly mandra-pandohany ny trosa rehetra. Izany hoe rehefa voalohany ny trosa rehetra, dia alana ao amin'ny mpampijaly izy. Ary i Jesoa ihany no miteny fa tahaka izany koa ny ataon'ny Ray amintsika amin'ny ratsy (sasany, fa tsy izy rehetra akory) ataontsika. Dia io "Fampijaliana" handalovana io no ataon'ny Katolika hoe "Afo Fandiovana".

Ny hevi-diso mikasika ny "Afo Fandiovana" sy ny fivavahana ho an'ny maty mandeha eto foana dia hoe ka tsy aleo manao ratsy raha izany fa efa misy hivavaka ho antsika ihany. DISO be. Ny olona ao amin'ny Afo Fandiovana dia olona voavonjy, izany hoe tsy nataon'Andriamantia ho any amin'ny helo, fa manadio ny lambany fotsiny. Eny, misy fahotana tsy handehanana any amin'ny helo, saingy tsy maitsy manadio ny tenantsika amin'ireny fahotana ireny isika vao mahita ny mangirana amin'ny tena fiainana. Resahin'i Jaona (1Jaona) ny Fahotana Mahafaty sy Fahotana Tsy Mahafaty. Ny Fahafatesana resahina eto dia ilay fahafatesana faharoa any amin'ny helo.

Tsy natao hinoanareo io, fa valin'ny fanontanian'i Niryna fotsiny : Ireo, dia mbola misy hafa mahatonga anay mino, fa tsy ho voazava eto daholo.
26. ari.malala ( 10/05/2007 14:31)
hery:

Tsy mahafaty antoka ny mivavaka :-) No sady tsy fahotana.

Na mivavaka ho an'ny velona ianao, na mivavaka ho an'ny maty, na mivavaka ho an'ny saka sy ny akohonao (ohatra hoe mba tsy ho azon'ny aretina), na mivavaka ho an'ny voninkazonao (mba haniry tsara)... sns... dia tsy mahafaty antoka izany.

Ny mivavaka no anjarantsika na mbola velona ilay olona na efa maty. Anjaran'Andriamanitra ny sisa.


Tsy io mintsy no valinteny nandrasako!:( somary diso fanantenana kely iany aho namaky ilay izy, satria toy ny mamaly bontana fotsiny ianao fa tsy mamaly ahy mivantana!:( Efa fantatro fa tsy fatiantoka ny mivavaka, no sady tsy fahotana rahateo, mivavaka ve moa ndeha ho fahotana? :)I Jesoa aza miteny hoe mivavaha mandrakariva! Na izany aza misaotra @ fandraisana anjara e!

27. ikaretsaka ( 10/05/2007 14:38)
ao @ ilay baiboly tsy hitambarana sy io nazavain'i XXX io ry majesty feno an!


Tsy natao hinoanareo io, fa valin'ny fanontaniana fotsiny : Ireo, dia mbola misy hafa mahatonga anay mino, fa tsy ho voazava eto daholo.


Dia any mihaona , raha samy ho any!
28. linarako2 ( 10/05/2007 15:42)
majesty sy lasadaddy> mitovy hevitra aminareo koa aho.
29. majesty ( 11/05/2007 07:40)
hoy ikaretsaka:

Dia any mihaona , raha samy ho any!


Sady le miaraka mankany mintsy no tanjona:D^:^^:^^:^

hoy i xxx:

Majesty : tsy hitanao amin'ireo andalana nomen'i Ikaretsaka ireo tokoa ny teny hoe Afo Fandiovana satria tsy misoratra amin'ireo. Fa misy mahita soratra ao amin'ny Baiboly ve hoe "ordinateur", izaho tsy mahita. Fa misy ve ny "ordinateur", eny misy tokoa


Hita ao amin'ny soratra masina ihany ny milaza an'ireny fahaizan'olombelona ireny ka,ohatra hoe hitombo ny fahalalan'ny olona sns
30. xxx ( 11/05/2007 08:41)
Hita ao amin'ny soratra masina ihany ny milaza an'ireny fahaizan'olombelona ireny ka,ohatra hoe hitombo ny fahalalan'ny olona sns

Tena hita ao amin'ny soratra masina tokoa ny afo fandiovana ka, ohatra hoe tranomaizina handalovana aorian'ny fitsarana :wink: Ary ambadika ny tohiny.
31. xxx ( 13/05/2007 08:41)
ari.malala:

hery:

Tsy mahafaty antoka ny mivavaka :-) No sady tsy fahotana.

Na mivavaka ho an'ny velona ianao, na mivavaka ho an'ny maty, na mivavaka ho an'ny saka sy ny akohonao (ohatra hoe mba tsy ho azon'ny aretina), na mivavaka ho an'ny voninkazonao (mba haniry tsara)... sns... dia tsy mahafaty antoka izany.

Ny mivavaka no anjarantsika na mbola velona ilay olona na efa maty. Anjaran'Andriamanitra ny sisa.


Tsy io mintsy no valinteny nandrasako!:( somary diso fanantenana kely iany aho namaky ilay izy, satria toy ny mamaly bontana fotsiny ianao fa tsy mamaly ahy mivantana!:( Efa fantatro fa tsy fatiantoka ny mivavaka, no sady tsy fahotana rahateo, mivavaka ve moa ndeha ho fahotana? :)I Jesoa aza miteny hoe mivavaha mandrakariva! Na izany aza misaotra @ fandraisana anjara e!





=D=D
32. majesty ( 14/05/2007 07:14)
hoy xxx:
Tena hita ao amin'ny soratra masina tokoa ny afo fandiovana ka, ohatra hoe tranomaizina handalovana aorian'ny fitsarana Ary ambadika ny tohiny



Efa manaraka amin'ny antsipiriany amin'ilay ary ambadika aho ka:D
33. ikaretsaka ( 14/05/2007 12:13)
dia i majesty mankaiza rehefa miidina any @ "fiainan-tsy hita"?
34. ari.malala ( 14/05/2007 12:51)
fa inona no itehafan'i xxx?
35. hery ( 14/05/2007 13:39)
Tsy io mintsy no valinteny nandrasako!


Izaho angamba izany no tsy namaly fanontaniana?

Hoy mantsy ianao hoe

d ts efa tara v izany vavaka sy firariantsoa izany satria ts t@ andro sy ora nahafatesany v le ol d efa nihaona t@ Atra e!


Dia io novalliako io hoe tsy tara. Azo atao tsara ny mivavaka ho an'ny maty. Tsy mamono antoka izany. Raha ohatra ianao ka tsy mahavita mivavaka ho an'ny velona satria nivavaka ho an'ny maty dia izay angamba no olana.

Averiko indray... ny anjarantsika dia ny mivavaka... an'Andriamanitra no mitsara na ilaina ny vavaka nataontsika na tsia.

Hors sujet ve zah amin'izany?

xxx => =D
36. majesty ( 15/05/2007 05:59)
hoy ikaretsaka:

dia i majesty mankaiza rehefa miidina any @ "fiainan-tsy hita"?



Ny azoko antoka aloha rehefa maty aho dia mankany am-pasana,dia raha anisan'ireo ho vonjena aho rehefa ho avy ny Tompo dia ao ihany koa no atsangana tahaka an'ireo olona santatry ny fananganana ny maty tamin'ny nitsanganan'i Jesosy t@ maty.

Mat 27:52 "Ary nisokatra ny fasana,ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana"

Dia ity ny teni-fikasana azo antoka ny amin'izany:
I Tes 4:16 "Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra,ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha":D:D
37. ikaretsaka ( 18/05/2007 21:24)
dia miandrasa ao am-pasana ao ary ko.
ary raha sanatria ka may voadotra na maty tsy hita faty ianao dia ahoana?

tsy azoko mihitsy anie nareo e e...
1)afo fandiovana tsy inoana..
2)ny fiainan-tsy hita tabatabaina... nefa ny fasana io "hita" be io!
38. majesty ( 21/05/2007 09:55)
"Ary ny ranomasina dia hamoaka ny maty ao anatiny,ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita hamoaka ny maty ao aminy,dia samy hotsaraina araka ny asany izy" Apok 20:13

Dia avereno apetraka amin'zay io fanontanian'ikaretsaka etsy ambony io,fa mino aho fa tonga dia voavaly avy hatrany :D (Vitan'Atra 'zany r'isé a,minoa fotsiny)
39. ikaretsaka ( 21/05/2007 15:05)
ka ilay fiainan-tsy hita mihitsy anie ry majesty no tsy azoko mihitsy ny fomba fandraisanareo azy e! ny sasany miteny fa tsisy izany e.. oy a oy e
ny an'ny katolika izao dia mazava: Afo fandiovana, lasa any izany aloha mandra-pa!
Ny nolazain'i Jaona dia io mazava tsara io
ny maty any anaty ranomasina lalina be any = tsy hita! (raha tsy hoe manana sous marins sy manao ankilentika any ianao!)
Sa ny anareo koa rehefa maty dia atsipy any andranomasina ny faty?:roll:
Raha izay dia manaiky aho!
40. majesty ( 22/05/2007 05:27)
Ikaretsaka:ka ilay fiainan-tsy hita resahana io anie ny fahafatesana e,satria rehefa maty ny olona dia maty tsy misy hoe ny sasany lasa niakatra any an-danitra dia ny sasany lasa nidina any ambanin'ny tany,fa dia mijanona fotsiny ao ampasana ao miandry ny fitsanganan-ko velona :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.111