kianjaben'ny mahamasina t@ asabotsy/alahady

1. pimaso ( 07/05/2007 13:01)
Fa feno olona kosa aloa tao e!
faly i pasitera


indro kely hoy ny mpandrafitra :
inona ny hidiran-drakevoka @ sabatiste
sa mitady kil suppl?
dia témoin, jesosy mam,
dia boudiste indray ny manaraka sa silamo?

Tsy tsara mifandray @ FFKM intsony le zalahy iny, satria mitady hanao fitaovana ny mpivavaka fotsiny


dinio ihany ...
;-)
;-)
;-)
novalian'i Zina ny 30/05/2007 18:24
2. Rasiligaoma ( 07/05/2007 14:55)
mba tantarao misimisy sy mazavazava kokoa hoe ry pimaso fa lavitra aminay ny kianjaben'i mahamasina?
azafady
3. xxx ( 07/05/2007 17:43)
Efa hatrany amin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena farany teo no nanomboka nitsidika ny fiangonana ivelan’ny FFKM ny filoha Ravalomanana (tetsy amin’ny foiben’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano). Afak’omaly, izany hoe ny sabotsy lasa teo ingahirainy, dia nanatrika ny fotoam-pivavahana lehibe izay notontosain’ny fiangonana Advantista eto Madagasikara, izay natao tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. « Faly aho fa vahoaka matahotra an’Andriamanitra ny vahoakako », hoy ingahy filoha.

Vao omaly ny omaly dia ny pastora Mailhol no niakatra savaravina, fandaharana isan’alahadin’ny RNM. Akory ny hatairan’ny maro satria tsy fahita loatra izany. Fa misy inona ? Rehefa mahazo alalana miantsehatra ao amin’ity fandaharan’ny onjam-peom-panjakana ity mantsy ny mpanao pôlitika iray dia ao antony. Tsy ao mihitsy no hiseho handaroka fanjakana na hanao teny mivantambatana. Porofon’izany dia somary nalefa-pitenenana izany ny pastora ary vao tany am-piandohana ny pastora dia efa nametraka mazava fa tsy mpanohitra. Niaiky ny tenany fa nisokatra amin’ny fiangonana hafa ny fanjakana entin’ny filoha, ary nambarany noho izany fa mety hivelatra bebe kokoa ny FFKM amin’izao fandehany izao.

Anaovan’ny fitondrana Ravalomanana pi-maso ireo fiangonana voalaza ho « Sekta ». Tadiavina araka izany ny hirika hanoloana ny fiangonana katôlika, izay tsy vitan’ny fiangonana goavana fa manana mpino betsaka tokoa ao amin’ity FFKM. Niaraha-nahita moa ireny fomba fijerin’ny Arseveka Odon Razanakolona ny raharaham-pirenena tao ho ao ireny sy ny fironan-kevitry ny katôlika tamin’ny ankapobeny.

Ho henjana ihany anefa ny raharaha satria ny pastora Mailhol dia efa nitonona hatrany am-piandohana fa ho filoham-pirenena amin’ny taona 2013 araka ny faminaniana voarainy. Asa, hivadika ve ny rasa, sa efa voaomana dieny mialoha ny raharaha satria ny filoha Ravalomanana farany teo efa nilaza fa tsy voatery hiditra hofidiana amin’ny fotoam-piasana aorian’ity 5 taona ankehitriny ity intsony.
4. niryna ( 08/05/2007 06:07)
:roll: dia ahoana ny fandehan'ny teo Mahamasina:8O
5. majesty ( 08/05/2007 14:32)
fa mpimaso angah tany?

Amin'ny maha filoham-pirenena (satria izy no Ray aman-dreny ben'ity firenen-tsika ity)no sady rahateo nofidiana ho Ray Mpiahy an'io hetsika io no antony nanasana azy ho tonga teny Mahamasina fa tsy izy akory no nitono-tena ho eny,(fa izay pôlitika koboniny any an-tsainy aloha no saro-pantarina:?:)

hoy niryna:

dia ahoana ny fandehan'ny teo Mahamasina:


Azo lazaina aloha hoe nahafinaritra e,ary inoana ho toy izay foana satria mandritra ny herinandro no hanaovana io hetsika io:D
6. ikaretsaka ( 08/05/2007 15:22)
ka mba tantarao fa zahay tsy mahalala e.. iza no naharesy, inona ny nitranga...
manoatra nohon'ny mitantara baolina koa izato nareo ka tsy ny vokatra no avy dia lazaina fa ny lokon'ny godasin'ny olona sy ny maillots sy ny vidin'ny coupe!
7. xxx ( 08/05/2007 15:31)
no sady rahateo nofidiana ho Ray Mpiahy an'io hetsika io

:-w:-w:-w
8. niryna ( 08/05/2007 16:04)
majesty > Dia miandry ny tatitra avy any aminao izany izahay a.Misaotra mialoha e ary dia mahereza hatrany.
9. niryna ( 08/05/2007 16:06)
ikaretsaka:

ka mba tantarao fa zahay tsy mahalala e.. iza no naharesy, inona ny nitranga...
manoatra nohon'ny mitantara baolina koa izato nareo ka tsy ny vokatra no avy dia lazaina fa ny lokon'ny godasin'ny olona sy ny maillots sy ny vidin'ny coupe!



=))=)) andao ianao no atao arbitre k'ty8-)
10. tynah ( 08/05/2007 17:05)
d mivavaka ve ao antin'izay herin'andro zay sa hoe in no hatao? d eo am kianja be ve? potika ndray zany ny bozaka koh! d rah avy ny orana? tsy naleo natao tao am palais? sady ao tsy mandoha vola raha vao resaka fivavahana.
11. ikaretsaka ( 08/05/2007 18:00)
niryna> tsy mahavita hiazakazaka eo kosa za le
fa nareo ange hoa tsy azoko mihitsy e...
tena manoatra nohon'ny panao gazety momban'ny lamaody mitantara baolina mihitsy dia tsy ny baolina no tantaraina fa ny akanjo nanaovan'ilay olona...
ny mpihaino ato te hahalala tatitra hoe inona marina ny natao dia inona no nitranga...

rehefa ohatran'izany rangahy ny fanahinareo dia aza aderadera ato kle
12. majesty ( 09/05/2007 05:25)
Hoy niryna:
majesty > Dia miandry ny tatitra avy any aminao izany izahay a.Misaotra mialoha e ary dia mahereza hatrany.


Misaotra e,

Marobe ny olona tonga tao Mahamasina fa efa nanahirana hatramin'ny fitadiavana izay itoerana aza ary anisan'ny antony tsy nanaovana azy tao amin'ny palais izany;kanefa hoy ny filoha izay hoe: "tsy ny hamaroan'ny olona akory no zava-dehibe fa ny fahafahana mitory ny filazantsara amin'izy ireo";dinidinika ara-tsoratra masina no atao sy mbola hatao (satria mbola ao anatin'ny fotoana hanaovana izany indrindra ny eny Mahamasina mandritra ity herinandro ity)ary misy loha-hevitra isan-karazany ny ho dinihina amin'izany,ka ny tanjona dia ny mba hanandratan'ny tsirairay an'i Kristy eo amin'ny fiainana an-davan'andro,mba ho tena fiainana ilay hoe manandratra an'i Kristy fa tsy fahalalana fotsiny.


Hoy tinah:
d mivavaka ve ao antin'izay herin'andro zay sa hoe in no hatao? d eo am kianja be ve? potika ndray zany ny bozaka koh! d rah avy ny orana? tsy naleo natao tao am palais? sady ao tsy mandoha vola raha vao resaka fivavahana.



Teny amin'ny gradin sy teny @ tribune ny olona fa tsy teo amin'ny kianja filalaovam-baolina dia aza matahotra isé fa tsy voahitsaka akory ny bozaka tao na singany iray aza:D
Ny toetr'andro indray dia isaorana ny ao ambony fa mbola tamin'ny asabotsy efa nirava ny fotoana teny Mahamasina vao nirotsaka ny orana,ary omaly herikerika kely fotsiny fa nisava avy eo.
Eo amin'ny resaka fandoavam-bola indray,tsy mampaninona izay vola aloha amin'ny hofan'ny toerana fa ny zava-dehibe dia ny hoe afaka mizara ny vaovao mahafaly ho an'ny mpiara-belona aminao ianao.
13. niryna ( 09/05/2007 06:47)
ikaretsaka:

niryna> tsy mahavita hiazakazaka eo kosa za le
fa nareo ange hoa tsy azoko mihitsy e...
tena manoatra nohon'ny panao gazety momban'ny lamaody mitantara baolina mihitsy dia tsy ny baolina no tantaraina fa ny akanjo nanaovan'ilay olona...
ny mpihaino ato te hahalala tatitra hoe inona marina ny natao dia inona no nitranga...

rehefa ohatran'izany rangahy ny fanahinareo dia aza aderadera ato kle

aiza kosa e mifona ary raha izany no nieritreretan'ika azy.Ianao mitanisa ilay godasy sy ny sisa no nampihomehy ahy dia nahatonga ahy nanao kivazivazy hoe andao atao arbitre.Fantatro ika matoa aho sa nanao vazivazy taminao :P

14. pimaso ( 09/05/2007 13:31)
Tsotra be ny anay e!
Aza hafangaro intsony ny Fivavahana sy ny Politika fa mankaleo,
izay indrindra, tsy mahazo rariny intsony @ katolika dia mitady fika hafa,
vao miala @ papa eo koa dia bye bye e!
ho hita eo e!
mivavaha tsara ry mahamasina a!
15. sonwin ( 09/05/2007 15:47)
ary aza adino ilay mi-pimaso e ;-)
16. Zina ( 09/05/2007 20:21)
oy i pimaso
Aza hafangaro intsony ny Fivavahana sy ny Politika


Io dia ho otran'izao foana na aiza na aiza :wink:
17. niryna ( 10/05/2007 07:06)
pimaso:

Tsotra be ny anay e!
Aza hafangaro intsony ny Fivavahana sy ny Politika fa mankaleo,
izay indrindra, tsy mahazo rariny intsony @ katolika dia mitady fika hafa,
vao miala @ papa eo koa dia bye bye e!
ho hita eo e!
mivavaha tsara ry mahamasina a!

Tsy mazava ny tianao ho tenenina:roll:

18. majesty ( 10/05/2007 08:14)
hoy pimaso:
Tsotra be ny anay e!
Aza hafangaro intsony ny Fivavahana sy ny Politika fa mankaleo,
izay indrindra, tsy mahazo rariny intsony @ katolika dia mitady fika hafa,
vao miala @ papa eo koa dia bye bye e!
ho hita eo e!
mivavaha tsara ry mahamasina a!


Miombon-kevitra amin'ise tanteraka,satria amiko ary na ny soratra masina aza no jerena dia tsy afaka miaraka ny pôlitika sy ny fivavahana,ary tsy mahagaga raha nahita olana foana ny ffkm noho ny fidirany t@ io sehatra io ary ankehitriny ry zareo vao te hihataka kanefa indrisy efa somary tara,satria na ny pasitora na ny môpera ao aza dia efa saika mpanao pôlitika avokoa.Dia misaotra betsaka amin'ilay courage
19. pimaso ( 10/05/2007 12:00)
majesty > Misaotra anao,
tena efa mila hankaleo mihitsy izy ity,
fa efa hatramin'ny fanjanahan-tany, dia natao fitaovana hanalemen-tsaina ny fivavahana : "la bible avant le canon" vakio io boky io fa intéressant,
Tena nasiaka i "Ranavalona faha II" fa tena manana vision stratégique avo lenta be izy, t@ io fivavahana kristianina io,
za tsy contre ny eglizy velively , fa le hevitra ambadika entina hamitaham-bahoaka foana tena mba tsy levon'ny votabiako marina e!
aleo tena pays laic fa tsy maninona mihitsy
vita tompoko!
;-)
;-)
;-)
20. linarako2 ( 10/05/2007 15:37)
Raha samy misy lanonana ihany ve tsy aleo ny olona hivavaka sy hivory hitady izay mety ahitana fianarana ny soratra masina .Ny aty amintsika anie izao mivorivory manao lanonana miaraka ny fiarahana ny kaiamba sy ny botakely8-)8-)8-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3267