kianjaben'ny mahamasina t@ asabotsy/alahady

41. prime ( 25/05/2007 13:21)
Tafita tokoa aloha ny hafatra t@ Asandrato Kristy na dia tsy tany aza ny tena...
42. Zina ( 25/05/2007 13:30)
prime:wink:
43. prime ( 29/05/2007 14:07)
Mikasika ny sabata dia adihevitra hafa mihitsy raha ny fahitako azy fa ny tena fototra dia ny hoe, "nandray marina an'i Kristy ve ny olona?"...
44. Zina ( 30/05/2007 00:12)
prime a marina ny anao
nandray marina an'i Kristy ve ny olona?"...

fa tena misy relation tres etroite ireo roa ireo.:wink:
45. majesty ( 30/05/2007 07:44)
prime:ka raha nandray an'i Kristy ny olona iray dia Kristy ihany izay mitondra ny fiainany no hanantateraka izany eo amin'ilay olona satria hoy izy hoe "hosoratako ao ampony ny lalàko ...".

Tsy mitombina mihitsy izany hoe olona nandray an'i Kristy izany ka lasa mpanompo sampy,na lasa mpijangajanga,na lasa mpangalatra sns fa izay rehetra ao amin'i Kristy dia olom-baovao dia anisany ianao:D
46. prime ( 30/05/2007 12:06)
majesty> manaiky tanteraka an\'izay voalazanao aho fa ilay famatorana ny famonjen\'i Kristy amin\'ny sabata no lazaiko hoe adihevitra hafa mihitsy... tsy hoe diso akory fa ilay fametrahana ny sabata ho manan-danja betsaka mihoatra noho ny lalàna hafa no tiako marihana...:)
zina> marina koa ny voalazanao fa tena misy \"lien étroit\" tsy azo sarahina ireo...
47. Zina ( 30/05/2007 18:24)
prime a mahafinaritra ny miresaka aminao.
Tena ita fa tena mitady ny fahamarinana ianao ary manontany tena oe ahona no hisian'ny famatorana ny famonjenin'i Kristy @ sabata?
Efa zavatra niseho betsaka aty aminay io question-nao io...Sarotra amin'ny olona ny manaiky oe tena important anie ny sabata. (nefa eken-ndry zareo ny didy hafa)
Asa ity raha havaly ny question-nao
mitandrina ny didy isika satria efa voavonjy (jesosy teo @ hazo fijalina) rehefa manaiky an'io dia efa voavonjy nefa isika mbola eto an-tany mbola feno fahotana ka mbola mitohy ny ady dia ny mijoro sy manaraka izay lazain'ny Baiboly..
Raha isika no miteny oe efa voavonjy isika nefa mbola mangalatra (ohatra).. ny relation-tsika amin'Andriamanitra lasa questionable (azafady fa tena very ny teny gasiko)..
torak'izany koa ny Sabata...izay ilay fijeriko an'io sabata io...amiko dia mitovy daholo ireo didy tsirairay ao @ didy folo ireo - marina fa tsy afaka manantanteraka an'ireo isika solafaka indraindray.. ka izay azo arahina dia hezahina doly...
ary marina io lazain'i Majesty io.
Tsy mitombina mihitsy izany hoe olona nandray an'i Kristy izany ka lasa mpanompo sampy,na lasa mpijangajanga,na lasa mpangalatra sns fa izay rehetra ao amin'i Kristy dia olom-baovao dia anisany ianao
.

Betsaka ny verset ao @ baiboly milaza ny momban'ny sabata, mila manao etudes tsara ny tena dikan'ireny.. nataoko ny conclusion-ko ny ahy izany an.. satria ny sabata dia ao @ didy folo dia arahiko... no sady jereo tsara anie e... io irery no nasian'i Andriamanitra oe Mahatsiarova... fa ahona ary???? satria fantany fa ho betsaka ny olona tsy hanaraka an'io satria avadik'i satana ilay izy... raha mijery ny histoire taloha ianao t@ andron'ny Augustin sa Justin izay no nanomboka novainy ny andro.. ity misy web http://www.sabbathtruth.com/ tsy voatery ianao hijery azy fa raha tena liana ahafantatra ny tena izy dia jereo.
Fanahy Masina anie hanoro anao ny lalana marina. Ity tsy misy idiran'ny fiangonana mihtsy. Ny tanjona dia mba ho voavonjy daholo isika :-*

ampio fanontaniana ndray prime an raha tsy mbola mazava...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0583