Asandrato Kristy

1. majesty ( 30/04/2007 06:25)
"Ary izaho raha asandratra hiala amin'ny tany,dia hitaona ny olona rehetra hanatona ahy" jao 12:32


Io no loha-hevitra lehibe entin'ilay fitoriana ny filazantsara izay atao eo amin'ny kianja ben'i Mahamasina,manomboka ny Asabotsy 5 Avril(manomboka amin'ny 9ora maraina)sy ny 6 Avril ka hatramin'ny 12 Avril 2007 (isan-kariva manomboka amin'ny 5ora ka hatramin'ny 7ora),izay ho tarihin'ny mpitandrina malagasy iray.Koa anasana antsika rehetra izay afaka mba hanatrika,ary ireo izay tsy afaka dia angatahina mba hitondra am-bavaka an'izao asa fitoriana eto amin'ny tanindrazan-tsika izao,

Misaotra antsika rehetra sahady
novalian'i prime ny 29/05/2007 14:04
2. Fiffi ( 30/04/2007 06:31)
(volana avril ? efa lasa zany io an !)



3. majesty ( 30/04/2007 06:55)
oops,azafady volana May izao io ka:)
4. cristal ( 30/04/2007 08:39)
(l)(l)(l)Tsara be,ny fanentanana,fa raha lasa niakatra tokoa i Kristy dia nampanantena ny fiaviany indray ka tsy namela antsika olombelona ho irery fa nampidina ny Fanahy Masina izy,ary nampanantena koa hoe hanamboatra fitoerana ho antsika,koa aoka,fa voasoratra hoe,izay manamavo an'Andriamanitra dia ho hamavoany koa,RAY=ZANAKA=FANAHY MASINA,maztoa ary e!(l)(l)(l)
5. prime ( 30/04/2007 10:00)
majesty> Io ve ilay hetsika JKM sa hafa?...
6. tsiafoi1 ( 30/04/2007 10:29)
05 Mai 2007 @'ny 9 ora maraina
de 06 mai ka h@'ny 12 mai 2007 isan-kariva @'ny 17h ka hatramin'ny 19h moa zany le izy?

Toriteny be fotsiny moa zany izy io?
7. majesty ( 30/04/2007 11:42)
Hoy prime

majesty> Io ve ilay hetsika JKM sa hafa?...


mety hafa angamba fa ilay JKM,inona no tena heviny raha tsy mahadiso.


Hoy i tsiafoy:
05 Mai 2007 @'ny 9 ora maraina
de 06 mai ka h@'ny 12 mai 2007 isan-kariva @'ny 17h ka hatramin'ny 19h moa zany le izy?

Toriteny be fotsiny moa zany izy io?


Raha ny fahazoako ny tori-teny dia tsy azo valiana fa izay lazain'ny mpitori-teny eo ihany fa amin'ity afaka manoratra taratasy dia azo valiana izay fanontaniana na fanamarihana :D
8. prime ( 30/04/2007 12:37)
JKM = Jesoa Kristy ho an'i Madagasikara...

"Opérations d'évangélisation" goavam-be mandritra ny dimy taona io ary mety hitohy ataon'ny FJKM manerana an'i Madagasikara manontolo... efa mandeha foana ny fiofanana sy ny fanapariahana ankehitriny ary efa misy manomboka sahady isan-tsinôda sy isam-paritra...
9. rakaroka ( 01/05/2007 05:15)
prime:

JKM = Jesoa Kristy ho an'i Madagasikara...

"Opérations d'évangélisation" goavam-be mandritra ny dimy taona io ary mety hitohy ataon'ny FJKM manerana an'i Madagasikara manontolo... efa mandeha foana ny fiofanana sy ny fanapariahana ankehitriny ary efa misy manomboka sahady isan-tsinôda sy isam-paritra...


Dia fanina indray aho @ ity lohahevitrareo: mba marina mafy e: ilazao izay nipoiran'ny lohahevitra
io na inn fari-pahalalany fa "tsy mety" ilay lohahevitra!":^):^):^):
10. rakaroka ( 01/05/2007 06:12)
Ka raha ho anay mpitazana avy aty ivelany dia vao miha manetry ilay "Kristy" ilay lohahevitra. ary mahatsikaiky aza:-D:-D:-D: ataon-drizareo ho "possession"-ny tahaka ny hoe "anay" koa i Mcar
fa tsy anareo. Dia mety ve izany, ary heverin-drizareo fa hanaiky izany koa ve ilay "Kristy"?...
Dia mitory tanteraka "FAHATEREN-TSAINA"
11. Rasiligaoma ( 01/05/2007 12:48)
samia mamisavisa!:-/
12. rakaroka ( 01/05/2007 15:57)
Rasiligaoma:

samia mamisavisa!:-/


:-w:-w:-w:roll::roll::roll:
teny Malagasy mazava anie no voasoratra eo ambony hoe:
Kristy ho an'i Madagasikara, ka tsy hitako loatra izay hovisavisaina @ izany intsony... raha hoe
i Madagasikara ho an'i Kristy dia hafa ny hevitr'izay!
13. xxx ( 01/05/2007 20:00)
Rakaroka : ny maha an'i Madagasikara an'i Kristy dia tsy misakana velively ny maha an'i Lafrantsa na US na China na izay mila Azy koa. Ny possession an'i Kristy koa dia tsy zavatra ratsy, raha tsy isika ny manaratsy azy ! Ratsy ve ny "manana" an'i Kristy eo amin'ny fiainana ?!
14. cutie ( 01/05/2007 20:02)
Kristy ho an'i Madagasikara

Madagasikara ho an'i Kristy
15. rakaroka ( 02/05/2007 04:11)
[quote=xxx]
Rakaroka : ny maha an'i Madagasikara an'i Kristy dia tsy misakana velively ny maha an'i Lafrantsa na US na China na izay mila Azy koa
.

Bien sur tsy manakana fa "mametra ny fihevitra sy fijery!sy fisaina doa avy eo fiaina dia mampahantra" ary izany no mahatonga ny ankamaroan'ny "gasy ho fohy saina" na @ fomba firesaka aza satria voafetran'ireo karazana "fariseo" tamin'ny karazana "bornes" betsaka ny fisainany: tsy gaga mihitsy aho raha vao misy anarana hafa tononina dia ampy hampitsangam-bolo izany !anefa "Grave Bbbe ilay izy eo @ développement culturel satria "tsy bagages
"fiable" hoenti-miatrika ny fiainana!Donk karazana poizina raha ny marina!

Ny possession an'i Kristy koa dia tsy zavatra ratsy, raha tsy isika ny manaratsy azy ! Ratsy ve ny "manana" an'i Kristy eo amin'ny fiainana ?!
[/quote
]

Hoe ratsy ny manana an'i Kristy?...:roll::roll::-w

Izany hoe raha faha lesona "sekoly alahady" na
zaza tsy ampy saina aho no ametrahanao io fanontanianao io
no hamaly anao "eny" na "tsia" fotsiny ihany fa hazavaiko misimy kokoa etsy ambany!
16. rakaroka ( 02/05/2007 04:26)
Ny mpihazakazaka tsy ahalala ny vrai "potentiel"-ny
raha toa mihazakazaka irery izy: heveriny fa mahery mandeha BBbe tsy misy toa izany izy. Fa raha tena te
ahafantatra fa tsy misy toa izany dia mba mila mpihazakazaka hafa koa halahatra "aminy". Tahaka izany nilaiko ny "nihevitra" ireo karazana fivavahana hafa satria sady tsy nazava tamiko loatra , no tsy ilay "amboloiko" tao anaty loatra no
niarahana tamin'ny "mpiara-nivavaka" fahiny".
Ary teo no nahalalako ny fihevitry ny "hafa" ilay
fivavahana nisy teo aloha: Ny "fiheveran-drizareo hoy
izy dia an-drizareo ihany Atra, ary natao ho an-drizareo ihany: Ny "famonjena" dia rizareo ihany no ho voavonjy, ny zanak'Atra dia rizareo ihany fa ny hafa zanak'i Satana sns...Ny fihevitra dia rizareo ihany no manana ny marina fa "diso" sy fihevitr'olombrlona daholo ny sisa sns...
vokatr'ilay "possession" .
17. rakaroka ( 02/05/2007 04:39)
Izaho mihevitra fa "fahendrena" indrindra no "intelligence" rahateo ny "safidy" izay "loha-hevitra " mba "universel" , tahaka ny an-dry "Amma"
ohatra ny "monde entier sans limitation" no heverina dia misokatra ho azy koa ny tsy an-kanavaka. Fa raha ity "thème" ity ve no fantatr'ireo "vazaha" "touriste" fotsiny aza.
"Critique" sy fialana avy hatrany ny setriny , ary izany no mahatonga ny "analyses" maro fa "dérive" ny fivavahana any saiky ho an-drizareo aty!
18. rakaroka ( 02/05/2007 04:51)
Valiny "tsotra" io omeko anao io teo ambony,
fa raha ny "vrai enseignement" mitombina amiko dia tsy natao ho possession'izatsy na izary mihitsy un "Christ":
"Toujours il est venu pour tout le monde sans distinction sans limitation " . Donk tsy hitako mihitsy ny hidiran'ny idée de possession @ izany!:wink:
19. Rasiligaoma ( 02/05/2007 05:44)
ikaretsaka:
mivoaha ivelan'ny borne nefa mijoroa amin'izay inoanao

coexist
20. majesty ( 02/05/2007 06:18)
Hoy rakaroka:

Dia fanina indray aho @ ity lohahevitrareo: mba marina mafy e: ilazao izay nipoiran'ny lohahevitra
io na inn fari-pahalalany fa "tsy mety" ilay lohahevitra!":



Mety mora azonao ihany angamba io loha-hevitra io rehefa averimberina matetika ny fanazavana azy satria anisan'ny mahavoa anareo "Intello" itony dia saika efa misy hevitra mibahana ao an-tsaina ao ka tsy mora ampitàna hevitra mihitsy:D,dia manjary ilay fahalalana be azon'ise mahatonga an'ise ho borné tanteraka:D

Ary mety ho izany angamba no nahatonga an'i Jesosy nifidy an'ndry petera sy ny namany ho mpianatra na dia tsy nanana fari-pahaizana loatra aza afa tsy ny fanjonoana satria ireny no mora iaraha-miasa:D

tsiky dia ampy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0463