HARENA SAROBIDY

1. rrgmt ( 28/04/2007 02:45)
http://www.baiboly.org
:D
novalian'i rrgmt ny 11/06/2007 21:28
2. niryna ( 28/04/2007 04:12)
rrgmt a
Mba afaka velabelarinao kely ve ny tianao ho resahina na ny fanontaniana tianao ho valiana raha tsy mahadiso:P
3. Fiffi ( 28/04/2007 16:13)
rrgmt: de mba inona hono no mba azonao lazaina am io ?
4. Rasiligaoma ( 29/04/2007 13:23)
tsy azo fa velabelaro hahafahanay mamakafaka azy
5. rrgmt ( 29/04/2007 13:53)
Ny Baiboly ho an' ny kristiana marina, mifoha fa tsy matory na mandeha ara-pahazarana dia fiainany, sarobidy ary sakafo ivelomany isan'andro, lasa besoin satria mitady foana ny fanahiny. Tsy ny famakiana fotsiny anefa fa ny fiainana izany, ny fankatoavana izay ambaran'ny Teny ary dia hahtsapa ny asan'i Jesosy Kristy eo amin'ny fiainany izy ka manjary tsy menatra ny manambara izany, ny mizara izany mba hahatsapan'ny hafa izany koa !
6. Rasiligaoma ( 29/04/2007 17:47)
Arakarak'ilay Kristianina "marina" io ry rrgmt a. Ny iraisana amin'ny maha kristianina aloha dia ilay hoe samy manaiky an'i kristy ho "Tompo sy Andriamanitra":

Samihafa be anefa io "fomba fanaikena sy fandraisana " io fa tsy voatery ho ferana amin'ny baiboly ihany.

-Misy mandray an'i Kristy araka ny teniny fotsiny: io ilay hoe baiboly...

-Misy mandray an'i Kristy araka ny Eokaristia :io ilay mandray ny vatan'i Kristy izy rehefa mamonjy lamesa ary mino fa ao am-pony i Jesoa , ary avaoziny isaky ny mamonjy lamesa izy. ankoatran'ilay famakiana baiboly.

-Misy ilay mandray an'i Kristy amin'ny alalan'ny zava-boahary, ilay mankalaza ny presence'ny herin'andriamanitra sy ny fahasoavany amin'ny alalan'ireo zavatra noharian'andriamanitra sy nomeny ho ampiasaintsika , (miatomboka @ fofon'aina, ny natiora, ny manodidina sns...)

Tsy misy maharatsy azy rehetra, marina daholo ireo rehetra ireo ary afaka mifameno tanteraka mihitsy , fa saingy matetika fotsiny no tsy tonga saina ireo olona @ fifamenoan' izy ireo!

Aza ferana amin'ny "ihany sy ny fotsiny " ny fandraisanao Azy... fa velaro @ zavatra rehetra!
7. rrgmt ( 30/04/2007 01:47)
Ny amin'ny Eokaristia aloha, iadian-kevitra satria toa hoe mandray Azy androany dia miala izany Izy, dia mandray Azy rahampitso dia mivoaka indray Izy.
Ny Eokaristia dia sakramenta famantarana hita maso (na katolika na protestanta samy manaiky izany),ny tsy hita maso kosa dia ny tena fanekena Azy,ary indray mandeha eo amin'ny fiainana,raha tena nanao izay dingana izay, dia fananana antoka fa manana ny fiainana mandrakizay. (Izay manana ny Zanaka manana ny fiainana, izay tsy manana ny Zanaka tsy manana ny fiainana fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra ao aminy satri mbola tsy nanaiky ny nandray ny Avotr'i Jesosy Kristy izy ( II Jaona 5:10/12)
Izay no fototra ara-tSoratra Masina kanefa voamarina eo amin'ny fiaiana izany.Nandainga aho taloha, lasa tsy tia lainga intsony. Nampirafy aho taloha, lasa tsy tia mampirafy intsony. Namitaka aho taloha, lasa olona atokisana.
Raha misy olona ao amin'i Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha (navelan'A/tra), indreo vaovao ireo II Kor 5:17. Tsy efa ampy aloha izay !!!!
8. Rasiligaoma ( 30/04/2007 03:01)
Ny amin'ny Eokaristia aloha, iadian-kevitra satria toa hoe mandray Azy androany dia miala izany Izy, dia mandray Azy rahampitso dia mivoaka indray Izy


Fanamarihana kely: samihafa ny Eokaristia amin'ny katolika sy ny propestan
Ny an'ny katolika dia hoe i Jesoa iny, fa ny propestan mbola mijanona hoe mofo iny
( tsy hidirako lalina io misitery io fa ara-pinoana lalina sy ara baiboly samy mitsipona sy mi interpreter izay tiany sy hitany fa marina ny tsirairay)

raha raisina arak'io fiheveranao io koa anie dia azo atao ho toy izany koa ny soratra masina r e! ny tiako lazaina dia : afaka miteny aminao koa aho hoe androany mamaky baiboly dia rehefa ampirimiko ny baiboly dia variana amin'ny asa mahazatra isan'andro dia adino hatreo..
nandray ilay teny aho dia tampoka teo fa variana aho dia any... adinoko!

fa miverina amin'ny eokaristia isika:tsy mivoaka izany Izy rehefa raisina am-po tokoa ka, satria Sakafom-panahy io.,

Amin'izay lasa relatif be ilay izy... misy mandray ny Zanaka araka ilay famantarana hita maso sy ahodin'ny vava dia ren'ny sofina (soratra sy teny ) dia misy mandray azy famatarana hita maso sy ren'ny lela sy henon'ny sofina :"vatan'i Kristy, amen" (sakafo)

fa ilay manaiky sy mandray azy no tena lafatra : fa marihiko fa tsy voatery ho @ endrika iray ihany "Izy" fa bedebe ny endrika navelany sy hisehoany eo anivontsika>\.

9. niryna ( 30/04/2007 06:04)
rrgmt:

Ny Baiboly ho an' ny kristiana marina, mifoha fa tsy matory na mandeha ara-pahazarana dia fiainany, sarobidy ary sakafo ivelomany isan'andro, lasa besoin satria mitady foana ny fanahiny.

Dia ampiko ihany koa hoe ao anatin'ny Jaona 4:14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy angetaheta mandrakizay
Koa ny Baiboly izany dia hafatra avy tamin'i Jesosy izay nilaza fa izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay(John 14:6).Ny finoana dia tsy miankina amin'ny fahaizana ara-pandrosoan-tsiansa
(scientific advance)fa ao anatin'ny baiboly no ahitana ny tantaram-piainana rehetra,ny fiadanana ary ny fiainana mandrakizay.(the story of life,of peace,of eternity)
Ny teny fampanantenana nomen'i Jesosy dia
-Tomoera amiko dia Izaho aminareo.Tahakany sampana tsy mahay mamoha ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka izy.,dia toy izany koa ianareo raha tsy miray amiko.satria nahalala ny tao anaty baiboly izany isika dia nahafantatra fa tsy afaka manao na inona na inona raha tsy miaraka aminy.
-Sambatra izay mamaky sy mihaino ity tenin'ny faminaniana ity ka mitandrina izay foasoratra ao aminy ,fa efa antomotra ny andro Apo 1:3
Ny hitoriana ny baiboly,ny hamakiana azy,ny hitadidiana azy,ny fianarana azy ary ny hilazana ny marina ka hampiarina azy amin'ny fiainana dia zavatra tokony ho ezahina ny hanaovana azy
Hatomboka amin'izay fahasoavana nomen'Atra amiko sy aminao ka hizarana ny hafa izany,ny fandraisana anjara eo amin'ny sehatry ny fivavahana na mampianatra,na manao adidy,na manampy ny olona ao na ivelan'ny fiangonana ka mizara izany ho an'ny hafa.
no anisany hilazana fa hiainana tanteraka ny fahalalana sy ny famakiana ny Baiboly.
10. majesty ( 30/04/2007 06:30)
"Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra,dia izay mino ny anarany" Jao 1:12

zay dia ampy :D
11. LazaDaddy ( 30/04/2007 07:42)
rrgmt> harena sarobidy tokoa ny Baiboly fa dia isaorana ianao nampahatsiahy, tsy harena akory aza fa Teny Fiainana :wink: araka ilay "tsy ny mofo ihany fa..."

vakio, ianaro, iaino isan'andro fa sakafo mahavelona io. Raha azo atao dia tadidio mihitsy @ izay tsy mila mamadibadika intsony rehefa mizara azy na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana :wink:

12. cristal ( 30/04/2007 08:32)
(l)(l)(l)Tena mahafinaritra ry zareo raha tahaka izao no ataontsika satria ny hany didy dia ny hoe mifampianara ianareo,torio zay hinoanareo,nefa misy ahitsy kely fotsiny ny mofo dia ny vantan'i KRISTY,ny dovay no RANY na à ny katolika na protestant(FJKM,FLM)fa ny fandraisana azy ohatra ny katolika tsy ny olona rehetra no misotro fa ny mopera ihany raha tsy hoe efa niova angaha,tsy ethique ny Finoana fa tena fiainana raha mino an'i JESOSY dia voasoratra hoe;NY ATAOKO NO ATAONY KOA,mampiavana,tia ny namany na hatramin'ny fahafatesana aza,mamela heloka...sns e!Fa ny hafany dia ny hoe,TANO MAFY ZAY ANANANAO MBA TSY HISY HAKA NY SATRO-BONINAHITRAO,rehefa mino dia mino fa tsy misy ny hoe minomino,rehefa mino dia voavela heloka sy voavonjy nefa voasoratra hoe,VOAVELA NY HELOKAO FA NY AMIN'NY MANARAKA AZA MANAO INTSONY,tsy mirehareha sy matoky tena ny mino fa manaiky fa i JESOSY no mitarika ny ataony rehetra,ary miambina dia ny mivavaka isan'ora farafahakeliny,mafy ny manaraka an'i KRISTY ka mila ny fanahy masina sy ny RAY satria ny hery tsy antsika mankataha mandrakariva,Veloma daholo!(l)(l)(l)
13. prime ( 30/04/2007 10:39)
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany amin'izany fampinarana mahaliana sy fizaràna ataonareo izany...^:^
14. Rasiligaoma ( 30/04/2007 12:47)
ny fandraisana azy ohatra ny katolika tsy ny olona rehetra no misotro fa ny mopera ihany raha tsy hoe efa niova angaha

,cristal> arakarak'ilay toerana misy ilay fiangonana io fisotroana io amin'ny katolika ka, misy mihinana ilay izy amin'ny forme 2

fa mba eritrereto
ny an'ny protestant saika isambolana vao mandray fa ny an'ny katolika isan'andro rehefa lamesa dia mandray foana
Raha hisotro divay daholo ny mpino rehetra, ataontsika hoe ny 6 000 amin'ny 10 000 mpivavaka ao @ Pere Pedro no vita komonio voalohany, dia raiso an'eritreritra hoe misy an'izany amin'ny fiangonana 50 manodidina an'Antananarivo isan'alahady
tena hamboly voaloboka aby ny hiafarantsika :wink:



LD> hitsimpona ary aho iny: "izaho no mofon'ny fiainana, mofo velona avy any an-danitra ary tena fisotro ny rako ary fihinana ny vatako"... (Jaona 6, 48-58):lol:
15. LazaDaddy ( 30/04/2007 12:57)
rrgmt> avy amin'ny fihainoana hono ny finoana, ary ny finoana avy amin'ny Tenin'Andriamanitra. Noho izany dia mamerina fankasitrahana anao mamporisika ny famakiana sy fianarana ary fiainana sy fampiharana ny Teniny.:-*
16. rrgmt ( 30/04/2007 15:04)
Ny adihevitra apetrako tsy ampidiriko amin'ny hoe mompera ihany no misotro divay (na dia lazain'ry zalahy sasany eto aza hoe, l'habit ne fait pas le moine, dia tsy mivavaka intsony izy). Aza ankinina amin'i mompera sy masera ny fanarahanao an'i Kristy fa fanapahan-kevitrao manokana ka aza atao vato misakana izany. Raha hitanao mivoana amin'ny fampianarany ny ataony teneno izy, fa raha manana ny Fanahin'i Kristy izy hihaino,raha tsy manana izy dia hanamari-teny, vita ny anajaranao.
Fanontaniana mipetraka amin.ny mpandray eokaristia na fanasan'ny Tompo na komimiona masina. Tandemo fa hoy Paoly Apostoly hoe mandray fanamelohana ianao raha fiaina tsy mendrika ny Filazantsara no andraianao izany. Mila olona matsapa niova fo aloha vao manao izany.Raha tsy izany loza.
Mila manana antoka aho hoe ato am-poko marina ve Kristy ka na aiza aho na aiza, na sarotra ny fiaina ka mihazakazaka foana, dia miarak amiko foana izy mampahery ahy raha reraka, mitantana ahy ka amin'izay tsy hoe mivavaka aho ny alahady na ny sabotsy, dia mangalatra akoho ny alatsinainy (manao fanao tsy mendrika ny kristiana, na dia tsy misy mahita aza.
Fiainana vaovao mihitsy ê! efa lasa ny zavatra taloha, tys miankina hoe dada sy neny kristiana dia izy automatique aho, fa resy lahatra manokana aho hoe mpanara-dia an'i Kristy (kristiana) Ampy izay aloha !:D
17. Rasiligaoma ( 30/04/2007 15:13)
araka ny fandraisana azy ao am-pon'ny olona marina io ry rrgmt izay ny tena important , na baiboly io na soratra masina na komonio na fanahy masina, na inona
i Paoly koa niteny hoe "miteny amintsika amin'ny alalan'ny zavatra maro koa i kristy sy andriamanitra"
aza ferana aza ferana!
na mopera ma pasitera na masera na komonio na fanahy masina, na soratra masina, aza ferana! raiso daholo fa ny vokany aminao no hitsarana azy. ary ny voa naniry tato amiko sy tao amiko tsy voatery haniry ao aminao!
18. rrgmt ( 30/04/2007 15:28)
Tsy nisy niteny aloha hoe amin'ny baiboly ihany Kristy no miteny fa afaka miteny na miasa amin'ny fomba maro Izy. Fa fantaro tsara aloha ny baiboly ho fototra maha-kristiana anao sy ho référence amin'izay zava-mitranga rehetra, raha tsy izany filosofian'ny olmbelona no mameno ny loha, Paoly ihany no niteny hoe tandremo sao voarebirebin'ireny.
Tsy ratsy ny filosofia, fa rehefa tsy manana base biblique dia lasa misavoana miaraka aminy koa ka tsy dia mahatsiaro hoe eto an-tany ange ity tongotro ity.
19. Rasiligaoma ( 30/04/2007 16:32)
tsy ny filozofia ange no resahina e. tsy nisy resaka filozofia mihitsy teo

dia maninona tsy hoe za mino ny ao @ toko faha zao an'ny bokin'i anona andininy faha izao, sy ny toko faha zao amin'ny bokin'ianona rehefa manao fiekem-pinoana?

ny trinity ohatra izao:
tsy misy mihitsy ao miteny hoe andriamanitra dia 3 no 1... nefa inoana?
20. rrgmt ( 30/04/2007 18:11)
Ny filosofia tiana horesahana eto dia ny fampianaran'olombelona izay mifototra par raison fotsiny, na mpivavaka aZa izy, fa tsy mifototra ara-tSoratra Masina, dia ny Baiboly izany.
Ny Baiboly, tsy tsaingotsaingohina ny fampiasa azy, raha araka ny hevitro, fa mifampiankina ny teny ao, tsy mifanohitra, izany hoe mila mandalina azy foana izany fa tsy hoe nihaino fampinarana indray na indroa aho dia iny foana no vohiziko amin'izay adihevitra rehetra resahana.
Ny fototra anefa dia Jesoa na Jesosy Kristy,(Christocentrisme), na inona na inona tantara na resaka manodidina ny baiboly.
Raha tsy resy lahatra hoe manana Azy marina ary manana antoka fa noafahany tamin'ny fahotana, zava-poana ihany ilay mivavaka, mandany fotoana mankany am-piangonana mandray kominio, lany fotoana fa tsy aleo manao zavatra hafa toy ny asa soa, fanampiana...Ho an'izay manana antoka ny maha-zanak'andriamanitra manana ny famonjen'i Kristy azy, dia tsy zava-poana ireny. Iza amin'ireo isika?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0652