INONA NY LALAM PAMONJENA AHAZOANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY

41. ikaretsaka ( 03/05/2007 15:38)
prime > dia mandehana amin'izay @ lalana fa tsy variana miteny hoe iny ny lalana..
mandeha ianao dia mahita ny ataonao ny olona dia hanaraka ho azy.

io mitovy @ ilay hoe olona mpisotro toaka ireny no mitoriory any @ namany hoe aza misotro toaka fa ratsy io .. hafahafa ihany .. fa raha kosa ka hitan'ny namany mpisotro toaka izy na tsy miteny sy nitory aza hoe niala @ toaka dia niova famindra.. dia tonga saina ho azy ireto namany, nahita ny nataony, dia hanaraka kokoa !
andramo ange e
42. niryna ( 04/05/2007 21:07)
xxx:

6 milliards no isan'ny mponin'ny tany. Ataoko fa 2 milliards @ ireo no Kristianina, izany hoe mino an'i Kristy. Dia ny 4 milliards izany mankaiza hoy ianareo ?


Ka izany indrindra no mahatonga ny fitoriana ny filazan-tsara noho ireo olona marobe mbola tsy nandray an'i Jesosy.Raha tsy mahalala moa izy dia ny asany no hitsarana azy,raha mahalala izy dia efa azy ho azy ny hanaraka na tsia.

43. ikaretsaka ( 04/05/2007 23:15)
dia hifampisintosintona eo foana ve?
44. xxx ( 05/05/2007 00:54)
Kanefa tsy voatery ho kristianina izy ireo, fa misy ny Silamo, ny Bouddhisme,Hindouisme sy ny maro tsy voatanisa. Ary izy ireo koa dia resy lahatra @ finoany ary manantena ny fiainana ho avy. Ary mieritreritra ny hitory sy hampiely ny finoany koa.
Dia ahoana ary izany ?
45. niryna ( 06/05/2007 06:38)
ikaretsaka:

dia hifampisintosintona eo foana ve?


ie
46. niryna ( 06/05/2007 06:48)
xxx:

Kanefa tsy voatery ho kristianina izy ireo, fa misy ny Silamo, ny Bouddhisme,Hindouisme sy ny maro tsy voatanisa. Ary izy ireo koa dia resy lahatra @ finoany ary manantena ny fiainana ho avy. Ary mieritreritra ny hitory sy hampiely ny finoany koa.
Dia ahoana ary izany ?

Dia raisina antanan-droa na efatra ato amin'ny sehatry ny fivavahana izy mba ahafantaran'ny hafa ny finoany koa fa vao maika tsara .
Na inona finoana dia ahitana mpivavaka tsara fanahy na ratsy toetra daholo,ny maha samihafa azy dia ny olona kristiana dia manana fanantenana (hope) fa Jesosy kristy no Mpamonjy azy ary mbola hiverina Izy.Ny Silamo,ny Bouddhisme tsy nahenoko hoe mbola hiverina Allah na Bouddha na ireo olona izay hinoany :roll::?:na ho avy indray an8O:D

47. ikaretsaka ( 06/05/2007 16:47)
niryna:

hoy=ikaretsaka
dia hifampisintosintona eo foana ve?

hoy nirina
ie



Dia izany ve no handaniana andro kosa, za kosa tsy pour loatra an'ilay hoe efa manana ny fivavahany ANY ilay olona dia sitominao na mivantana na ankolaka hanaraka ny anao: izay ilay "sekte mitady kil" amiko

na samy kristianina izao aza dia ilay hoe taomina mankany amin'ny fiangonanao ny avy atsy amin'ny fiangonana atsy . tsy mety ireny amiko: mandany andro fotsiny no sady variana miady ny anjaran'olona, ary voalaza io hoe rehefa i Petera no nahazo azy dia tsy tokony ho any intsony i Appollo,

Rehefa te hitory dia any amin'i "ireo tsy mahalala, na ireo minia tsy mino" no mandeha.





48. prime ( 15/05/2007 14:54)
ikaretsaka:
prime > dia mandehana amin'izay @ lalana fa tsy variana miteny hoe iny ny lalana..
mandeha ianao dia mahita ny ataonao ny olona dia hanaraka ho azy.
...:-D Tsy mbola mandeha amin'ilay lalana angaha ny fahitànao ahy?:lol:
ikaretsaka:
io mitovy @ ilay hoe olona mpisotro toaka ireny no mitoriory any @ namany hoe aza misotro toaka fa ratsy io .. hafahafa ihany .. fa raha kosa ka hitan'ny namany mpisotro toaka izy na tsy miteny sy nitory aza hoe niala @ toaka dia niova famindra.. dia tonga saina ho azy ireto namany, nahita ny nataony, dia hanaraka kokoa !
andramo ange e
...:-D Mitovy amin'ny mpisotro toaka mitory tsy hisotro toaka angaha nny fahitànao ahy?:lol:

Inona no important? ny fanandramako ny resahinao sa i Kristy no tsara sy mahavoavonjy?:)
49. ikaretsaka ( 21/05/2007 06:27)
Tsy mbola mandeha amin'ilay lalana angaha ny fahitànao ahy?

hmmmmm matetika variana mijery ny any afara dia manadino ny mamindra!:wink:...

Mitovy amin'ny mpisotro toaka mitory tsy hisotro toaka angaha nny fahitànao ahy?

Indraindray!

Inona no important? ny fanandramako ny resahinao sa i Kristy no tsara sy mahavoavonjy?

Ny fanandramanao ny resahiko momba ny fitoriana an'i krisry no important:-D
50. booboo ( 21/05/2007 15:33)
Mampihomehy koa nareo :-D:-D. Samy mitory nareo fa @ fomba samihafa fotsiny :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.1586