Tery ny foko.Inona no antony?

1. niryna ( 25/04/2007 11:24)
Maro no olana mitranga amin'ny olona ary misy mahay mamaha ny olana,misy tsy mahita vahaolana.Dinika tamin'ny tanora ity ka inona no antony mety mahatery ny fon'ny tanora hoy ianareo?
Mba valio ary ka ho resahiko any amin'ny farany ny antony rehefa misy tsy mahita isika ary ny vokatra tsara mety ampiasaina amin'ny fiainanantsika.
(l)niryna
novalian'i niryna ny 19/05/2007 06:10
2. xxx ( 25/04/2007 19:09)
ny fo ve no tery ry nyrina ?
3. voara ( 25/04/2007 19:49)
hafahafa ndray zany akia ;mba azavao fa tsy haiko zany fo tery zany
4. niryna ( 26/04/2007 04:53)
xxx:

ny fo ve no tery ry nyrina ?

ie,misy zavatra tiany ho resahina na misy zavatra mampalahelo azy ireo ka tsy afaka ny hiresaka ny olona izy ary dia izay no antony iray mety mahatery ny fony

5. johnnyandri ( 26/04/2007 05:03)
Tsy ampy namana angamba izy analana ny fony. Tsy ampy olona iresahana angamba izy nefa manana olana betsaka na mandray am-po loatra ny zavatra miodina manodidina azy. Dia mivonto ny fony na misy rano. Mihalehibe angamba ny fony dia tsy ampy intsony ny faritra hitepoany dia manjary reny hoe TERY ny FONY. Izany ve???
6. niryna ( 26/04/2007 05:23)
johnnyandri:

Tsy ampy namana angamba izy analana ny fony. Tsy ampy olona iresahana angamba izy nefa manana olana betsaka na mandray am-po loatra ny zavatra miodina manodidina azy. Dia mivonto ny fony na misy rano. Mihalehibe angamba ny fony dia tsy ampy intsony ny faritra hitepoany dia manjary reny hoe TERY ny FONY. Izany ve???

Anisany misy fahamarinana io resahinao io.

7. watafon ( 26/04/2007 11:50)
anisan'ny antony anankiray araka ny eritreritro dia ny tontolo manodidina an'ilay tanora tsy ahafahany maneho sy mizara ny olana ananany.Ny tiako tenenina ohatra raha sendra irony RAR ao an-trano masiaka b ireny
8. niryna ( 26/04/2007 12:52)
watafon:

anisan'ny antony anankiray araka ny eritreritro dia ny tontolo manodidina an'ilay tanora tsy ahafahany maneho sy mizara ny olana ananany.Ny tiako tenenina ohatra raha sendra irony RAR ao an-trano masiaka b ireny


Io indrindra no olana mipetraka eo amin'ny tanora ka ilaina valiny amintsika
9. niryna ( 27/04/2007 05:40)
watafon:

anisan'ny antony anankiray araka ny eritreritro dia ny tontolo manodidina an'ilay tanora tsy ahafahany maneho sy mizara ny olana ananany.Ny tiako tenenina ohatra raha sendra irony RAR ao an-trano masiaka b ireny

Tsy mba afaka mifanatsafa ny ray na ny reny ny tanora matetika rehefa lehibe manana tokantrano vao mety nahita izany raha nisy fifandraisana kely tamin'ny reniny ohatra izy.Rehefa nanotaniako ny olana misy eo amin'ny tanora dia maro sy betsaka kanefa tsy voavaha ny olana.Ny tsy fahazoana manohitra ny tenin'ny rar ohatra dia efa olana.Tsy ho marina daholo ohatra ny hevitra avoakan'ny rar ary ny fanarahana izany dia miteraka disadisa eo amin'ny tanora,ny tsy hanekena ny teniny koa anefa dia vao maika manampy trotraka.
ohatra iray hoe ny fijaliana nianjady teo amin'ny fandaozan'ny ray ny tokan-trano ka nahatonga ny fisaraham-bazana teo amin'ny fianakaviana na ny fisarahana mihitsy dia valifaty iray tian'ny tanora hatao ho an'ny rainy.

10. voara ( 27/04/2007 11:55)
niryna :efa te_hamaky le sosokevitra holazainao aho raha tsy mahadiso
11. Zina ( 27/04/2007 17:23)
satria izy tsy manana confident. Ary ny RAD no tokony ho namany voalohany indrindra.:wink: mba ahazoany miresaka ny rehetra.
12. niryna ( 27/04/2007 18:58)
voara:

niryna :efa te_hamaky le sosokevitra holazainao aho raha tsy mahadiso

Inona tokony hoy isika ny mety mahatery ny fo?Maro ary misy kely azoko ho zaraina ho antsika.Ny zavatra nitranga tamin'ny fiainana sy ireo tanora maro izay mijaly dia hozarako anareo ny mahazo azy ireo.Tsy hitsikera olona aho sanatria fa hanampy ny namana no antony hiresahiko antsika.Hiaraha mahalala fa samy na mety nandalo adin-tsaina ny tsirairay.Misy mahazaka ary misy ny tsy mahita vaha olana.Ny tsy fahitana namana hiresahina dia anisany mankarary ka mahatonga ny fo ho tery.Ny antony?Mitazona alahelo,mitahiry valifaty,te hamaly ratsy ny ratsy kanefa tsy afaka hamaly izany amin'ilay olona nanisy ratsy azy na nanome alahelo azy.Iza avy izany?Olon-tiana namitaka,ray namotika ny tokan-trano,reny namono tena noho ny tsy fahazakana fahoriana ka sarotra ho an'ny zanaka ny hamela azy satria nitarika fangirifirina aminy izany.Ny vady lasa mpijangajanga vokatry ny tsy fisian'ny fampatokisana intsony sy noho ny fitadiavana ny ho tsara lava hatrany,vokatry ny tsy fisian'ny vola dia lasa mivaro-tena ilay reny,ny ray tsy nijery ireo zaza fa variana tany amin'ny vadikely tany ka rehefa lehibe izy ireo vao manantona azy izy.Maro ary anareo no manohy azy.

13. niryna ( 27/04/2007 19:10)
Ho tery foana ny fo raha tsy mitady zavatra hanasitranana ny fo isika.Inona ary no antony izany?Manana fankahalana ary manome ny tenany ho tsininy ilay izy.Tsy mamela ny tenany izany ilay olona fa mitazona ilay alahelo ao aminy.Ny fahaizana mamela olona na ny tenany no fanafody mahomby indrindra.Toy ireny nolazaiko ireny dia manorata ttsy ho anao irery ihany ka lazao daholo izay zavatra mampalahelo anao,maro no nanao an'io ary tena mahomby.Mianatra ny mamela ny tenenao izany ianao no tena hery lehibe hanampy anao.Ny tenenao no ilaina avela voalohany indrindra.Ahoana koa izany?Avelao ny lasa homban'ny lasa ka ny hoavinao no ho mbanjino.Mahaiza mamela olona fa aza mitazona alahelo intsony.Mitadiava namana azo antoka hitarainana sy hamborahana ny alahelo.Esory ny fo be torotoro,mianara mamela ny rainao fa tsy anao ny famaliana.Hivavaho sy mangataha amin'Atra ny hamela izay nanao ratsy taminao.Ianao ihany no mila manasitrana ny fonao ary ny fitomaniana no tena fanafody iray manala sy manamaivana ny alahelo sy ny hatezerana.MITOMANY,MIANATRA MAMELA NY TENANAO,NY OLONA NANOME ANAO ALAHELO,MIZARA NY OLANA AMIN'NY HAFA.Ireo dia fanalahidin'ny fo tery.Andramo anie e
14. tynah ( 27/04/2007 19:17)
refa tery ny fo d tena tsy zaka mintsy ary raha vao misy olona hitarainana na hitantarana ny manjo d ny ranomaso aloha no lasa voaloha zay vo lasa ny fitantarana, anisan'ny olona tery fo zah, ka raha io no mivoka tena tsy ho zakan'izay nampatery azy fa aleo aloha fa mbola tsy tonga ny fotoana.
15. niryna ( 27/04/2007 21:28)
tynah:

refa tery ny fo d tena tsy zaka mintsy ary raha vao misy olona hitarainana na hitantarana ny manjo d ny ranomaso aloha no lasa voaloha zay vo lasa ny fitantarana, anisan'ny olona tery fo zah, ka raha io no mivoka tena tsy ho zakan'izay nampatery azy fa aleo aloha fa mbola tsy tonga ny fotoana.

Tynah a aza tazomina izany ny zavatra mampijaly anao,izay lalany lalany fa aza mampijalitena.Nisy ankizy aza tena tsy nahazaka ny ratra nahazo azy mihitsy fa rehefa niresaka ny momba azy izy dia tena nibaboka izy fa nisy fahamaivanany ny tao anatiny.Mivadika poizina any anaty ati-doha anie ilay izy e ary izany no mahatonga ny ankizy mieritreritra ny hamono-tena.Efa nalefako ihany aloha ny teny hoe tsy mahavaha-olana ny famonoana tena fa vao maika ianao lasa any amin'ny afobe:evil:

16. watafon ( 28/04/2007 06:20)
niryna: tsy misy ampiana intsony ireo voalazanao ireo e ! raha vao tsy zaraina anie ny olana d miitatra e !
17. niryna ( 28/04/2007 13:28)
watafon:

niryna: tsy misy ampiana intsony ireo voalazanao ireo e ! raha vao tsy zaraina anie ny olana d miitatra e !

Misaotra nampahery ny hafa

18. mavokely ( 28/04/2007 13:35)
anisan'ny voan'io koa izaho ary misaotra an'i niryna manoro hevitra,be loatra anefa ny olana ka tena makarary mihitsy,mety ilay torohevitra hoe manoratra fa hafa mihitsy ilay miresaka ka mety koa ve nyrina raha hiresahana mivantana?misaotra ny fanampianao ny namana
19. niryna ( 28/04/2007 14:51)
mavokely:

anisan'ny voan'io koa izaho ary misaotra an'i niryna manoro hevitra,be loatra anefa ny olana ka tena makarary mihitsy,mety ilay torohevitra hoe manoratra fa hafa mihitsy ilay miresaka ka mety koa ve nyrina raha hiresahana mivantana?misaotra ny fanampianao ny namana

Misaotra anao tsy nisorona nitantara.Torohevitra nahavonjy ahy sy ny namana maro ireo ka izay no antony hizarako azy antsika ato.Alefaso ny soratrao fa vonona aho hanampy izay kely fantatro
niryna

20. bobone ( 03/05/2007 09:06)
NY fahitako azy de mety olana miainga ao @ tokoatranony, na fiaraha-monina misy azy na koa hoe tsy de manana namana hizarana ny manahirana izy .de lasa marary loha ! satria mikobona ao an-tsainy daholo izay rehetra olany ! izay koa anie no maha-tsara ity serasera ity e! (forum)fa manampy ny olona tsy ampy fitiavana namana , na sarikenatra na tsy be resaka tena sehatra iray manova olona , fa ny maharatsy azy fotsiny de natokana ho an\'izay mpikambana ihany na izay manambola satria raha hiditra cyber de vola izay raha tsy manana any an-tokatranony!
misaotra fa raha tena tia ny namanao ianao de manoro azy ny lalana tokony alehany ary tsy mora tezitra @ hevitra mandalo! fa misaina tsara hoe : ahona ny vokany tsara sa ratsy!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3821