Nikemo

1. ikaretsaka ( 19/04/2007 02:52)
misy hira katolika izay (mahaiza misaotra sy mankasitraka ny lohateniny)

dia any amin'ny andininy faharoa misy manao hoe:
". . . na teo ny orambaratra sy ny tselatra , na teo ny andro sarotra sy ny haizina,
tsy nisy nikemo fa teo lalandava ny Tompo"


Fiteny avy aiza kay io dia midika hoe maninona?
Misaotra
novalian'i sonwin ny 20/04/2007 08:18
2. sonwin ( 19/04/2007 08:03)
tsy misy miala eo izany e, tsy misy mihemotra, tsy misy miala pà, tsy kivy fa miroso hatrany,....

Fiteny malagasy ofisialy no fahafantarako an'io fa tsy misy hoe avy aiza.

asa anefa...
3. lanto ( 19/04/2007 09:54)
mety hoe iray tarika ve ny ny "nikemo" sy "nitakemotra" ?
4. sonwin ( 20/04/2007 08:18)
mety ho iray tarika ihany angamba
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1885