HO AVY NY TOMPO. MIAMBENA.....

1. Fiffi ( 14/04/2007 14:51)

Tsy ho mora saingy afaka miomana. Mbola mitohy ihany ny fitanisana ny famantarana mialoha ny fotoana. Manomboka ao amin’ny tranon’Andriamanitra izany.

Inona avy no tokony hataon’ny olona ? Tena ilaina ny mahafantatra ny zava-mitranga mba hanavotana ny tena.

Ny Tompo tsy manao zavatra raha tsy efa nampiomana, noho izany dia anjaran’ny tsirairay ny mamantatra ny zava-miseho eo amin’ny tontolo manodidina azy. Tsy mampitahotra akory ny Tompo raha manambara ny zavatra hiseho fa mitarika antsika kosa tsy ho variana ary hahay handinika isan’andro ny zavatra miseho. Inona avy ireo hiseho ? Inona amin’ireo no efa miseho amin’izao vanin’andro izao ?
novalian'i rrgmt ny 12/05/2007 22:17
2. Fiffi ( 14/04/2007 14:53)

Avotra izay voafidy. Fanavotana lehibe ho an’ny mpino ny fisehoan’ny Zanak’olona eny amin’ny rahon’ny lanitra. Inona avy no hitranga ? Tsarovy fa na ny kely indrindra na lehibe indrindra dia tsy hisy hadino satria Ilay mahaisa ny volon-doha no hanangona ny Azy. Mba anisany ve ianao ?

Rahoviana ? Mazava ny Tenin’i Jesoa, tsy fantatra. Inona no asainy atao ? Ahoana no fiambenana atao ? Isan’andro dia ataovy ao an-tsaina foana hoe : “Sao anio no farany !” Amin’izay ianao tsy ho sahisahy hanota fa hiomana tsara.

Teny mamy : “Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.” Apokalypsy 16.15
3. ikaretsaka ( 14/04/2007 16:05)
fiffi.. marina

miandry fotsiny..dia vonona
fa na ny zanany aza tsy mahafantatra anefa

Tantara ny omaly, fanomezana ny androany, misitery ny ampitso
(E. Roosevelt)

\"fa aza manahy ny ampitso, raha tena mpino marina ianao, satria ny Ilay Ray mahafantatra sy nikarakara anao omaly sy androany ihany no hikarakara sy hitsimbina anao rahampitso sy amin\'ny andro rehetra ho avy, na Izy hiaro anao amin\'izany, na Izy hanome anao ny hery tsy hita pesipesenina hihantrehanao an\'izany.\"
St Francois de Sales
4. Fiffi ( 14/04/2007 16:18)
. Eny tsy ho menatra tokoa izay rehetra miandry ny fihavian’ny Tompo sy Andriamaniny. Fa mainka aza mampiteraka sy mampitombo ao anatiny ny faniriana lalina, ny hetaheta te ihaona amin’Ilay Mpamonjy Soa, dia Jesoa Zanaky ny Ray eo amin’ny hajany sy ny voninahiny.
Raha ho avy Izy dia handray ny olony ho amin’ny Fanjakany mandrakizay. Koa miandrandrà fa akaiky ny maraina !
Ry mino rehetra, esory ny toetra maizina, fa akaiky ny Mpanavotra antsika. Miareta tory, miandrandrà fa ho avy faingana Izy. Koa ahirato ny maso, sokafy ny fo sy ny fanahy, hahita sy handray an’Ilay Andriamanitra Tonga nofo mamangy sy miara-monina amin’ny olony.Ary eo am-piandrasana ny fahatongavany dia mitandrema, miambena, ka mivavaha.....
5. xxx ( 14/04/2007 19:14)
Tena marina mihitsy ny voalazanao fifa fa izany no tsy hikelezanay soroka ny @ filazana ny soratra masina mba hiomanan'ny olona sao izy dia ho voatsara miaraka @ ilay bibidia sy ilay vhv janga lehibe , de mahereza e!
6. cutie ( 14/04/2007 20:14)
Inona avy no tokony hataon’ny olona ? Tena ilaina ny mahafantatra ny zava-mitranga mba hanavotana ny tena.

ny tokony ataon'ny oul
mandray ny famonjena :lol:
7. rakaroka ( 15/04/2007 04:38)
Saika hiteny aho hoe mila mibebakasy miala @ ratsy fanao! Hay moa ka "minoa fotsiny an'i Jesoa" dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao" hoy ny torinteny izay!:lol::lol::lol:
8. ikaretsaka ( 15/04/2007 12:25)
de nisy toritenina Rangahy manao akanjo rebareba atao hoe Zanpol izay koa nefa nanao hoe

"Mizora @ Izay ... rehefa hitanao ny lalana sy fahamarinana, fa voahitsaka eo ianao ary tsy ho tonga any @ tanjona tianao aleha mihitsy raha mijanona eo fotsiny"

ny ankamaroantsika manko mahita ny lalana fa tsy mandeha fa mihainohaino eo fotsiny!
9. majesty ( 16/04/2007 05:55)
^:^^:^^:^
10. Fiffi ( 16/04/2007 11:15)
ikaretsaka:
ny ankamaroantsika manko mahita ny lalana fa tsy mandeha fa mihainohaino eo fotsiny!
indrisy fa misy dia misy io an ! fa mba mihezaka kosa hanaraka an'le lalan'ny fahazavana...


11. tsiafoi1 ( 16/04/2007 11:20)
Efa fantatra h@'ny fotoana niakarany tany an-danitra, fa mbola hiverina ny Tompo...Ny fotoana tsisy mahalala..., ny zava-dehibe dia hoe
MILA FIOMANANA VE IZANY??

Miandry PRESIDENT aza mila fiomanana, maika fa miandry an'ANDRIAMANITRA??
12. ikaretsaka ( 16/04/2007 12:45)
ka io anie ry tsiafoy tsy ohatran miandry president mihitsy e. samihafa be
rehefa president manko dia raisin'ny olona tahaka ilay ohatran'ilay taloha hoe mila manao akanjo menamena sy milahatra ao ankavia sy havanan'ny lalana. dia na tsy @ fo aza dia ahohahofa ny saina kely,

fa ity hafa mihitsy...
13. pissoa ( 16/04/2007 19:08)
Amiko manokana ... ny Kristianina dia tsy tokony mila hitanisana resaka momba ny farandro sns akory dia efa manaraka an'i Kristy. Ny fanarahana an'i Kristy dia miorina Finoana sy Fitiavana Azy fotsiny, fa tsy miroina amin'ny tahotra ny ho any amin'ny afo be ... Sao lasa Kristy raha misy patsa ilay Kristy ny hiafarany (efa izay no taratra amin'ny maromaro eto amin'ny serasera), izany hoe "Raha tsisy ny afobe dia eo Ianao raJesoa no raisina fa izahay tsy hanaraka Anao" !

Tsy izay i Kristy fa Andriamanitra, Zoky, ... ;)
14. ikaretsaka ( 16/04/2007 19:45)
mitovy hevitra..
pissoa:
ny Kristianina dia tsy tokony mila hitanisana resaka momba ny farandro sns akory dia efa manaraka an'i Kristy. Ny fanarahana an'i Kristy dia miorina Finoana sy Fitiavana Azy fotsiny, fa tsy miroina amin'ny tahotra ny ho any amin'ny afo be ... Sao lasa Kristy raha misy patsa ilay Kristy ny hiafarany (efa izay no taratra amin'ny maromaro eto amin'ny serasera), izany hoe "Raha tsisy ny afobe dia eo Ianao raJesoa no raisina fa izahay tsy hanaraka Anao" !


izay no nahagaga ahy nanoratra tato hoe
Tsy hahasarika olona ve sa misy effets be amin'ny olona raha mba ohatra ka ilay tenin'ny anjely t@ ndry Maria Madelenina hoe
"Mitady an'i Kristy ianareo? Tsy ato intsony Izy fa efa nitsanganko velona"
no soratana ao am-piangonana ?
:wink:
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m461ecc6932d47
15. cutie ( 17/04/2007 04:16)
: rakaroka [ Valio ] 15-04-2007 06:38:11
Lohateny : Re : HO AVY NY TOMPO. MIAMBENA.....
Saika hiteny aho hoe mila mibebakasy miala @ ratsy fanao! Hay moa ka "minoa fotsiny an'i Jesoa" dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao" hoy ny torinteny izay!

:-D:-D:-D:-D:-D
fahagagana lehibe io
16. cutie ( 17/04/2007 04:18)
izay no nahagaga ahy nanoratra tato hoe

Voalaza teo :
Tsy hahasarika olona ve sa misy effets be amin'ny olona raha mba ohatra ka ilay tenin'ny anjely t@ ndry Maria Madelenina hoe
"Mitady an'i Kristy ianareo? Tsy ato intsony Izy fa efa nitsanganko velona"
no soratana ao am-piangonana ?

ka tsy hahasarika oul mitsy ko ange zany e
tsy hahasarika ahy alou e :-D
17. majesty ( 17/04/2007 04:50)
Miorena tsara fotsiny eo aminy dia tsy ho tampoka aminao ny fiavian'i Kristy na atao hoe ho faty tampoka aza refaveo dia mahazo antoka foana e!:D:D
18. pissoa ( 17/04/2007 06:30)
mampime i majesty :-D:-D:-D
19. lapino ( 17/04/2007 09:28)
pissoa,

Milaza ve izany fa fahadisoana ny miresaka momba ny farandro ? Ary miresaka farandro ve midika fanantenana ny valim-pitia andrandraina sa fatahorana ny fahatezeran'Andriamanitra ? Aza matahotra miresaka an'izany e :wink:

Ilay hoe "Kristy raha misy patsa" ... kanefa ange dia tena misy dia misy tokoa e :wink: . Indrindra raha tsy amin'izao fiainana izao irery no anantenana Azy.

Ilay resaka fitiavana sy fatahorana ...

Tena marina fa : Ny fanarahana an'i Kristy dia miorina Finoana sy Fitiavana Azy (fa tsy fotsiny izay fa efa ngeza be).

Fa ny tahotra dia ho an'ireo izay manana antony hatahorana an'Andriamanitra : izay miaina anatin'ny fahotana. Fa raha efa sady miaina anatin'ny fahotana no tsy matahotra an'Andriamanitra akory, dia toa matahotra ho an'izany olona izany aho ...
20. diamondra27 ( 17/04/2007 10:29)
Jesus revient...bientôt
Ye de efa vonona ve ianao? ary izaho?

vavaka foana no atao e! miambina mba ho tratry ny farany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0501