Fitadiavana kil..fitorianteny.. fiangonana

1. ikaretsaka ( 13/04/2007 00:18)
Hono ho'a: indrindra ho an'ny mpitory teny sy ny shepherd, sy ny mpitana fiangonana rehetra mopera pastera (na sekte izy na tsia) sns sns

@ izao vanin'andro aorianan'ny paka izao:

tena tsy mahatarika olona tokoa ve raha tsy voatery atao mahatsiaro tena ho tompon'antoka ( "feel guilty) foana izy ireo? fa tsy hoe mifalia fa tafatsangana ny Tompo ?

Tsy hahasarika olona ve sa misy effets be amin'ny olona raha mba ohatra ilay tenin'ny anjely t@ ndry Maria Madelenina hoe "Mitady an'i Kristy ianareo? Tsy ato intsony Izy fa efa nitsanganko velona"
no soratana ao am-piangonana ?
2. Zina ( 13/04/2007 00:47)
tena tsy mahatarika olona tokoa ve raha tsy voatery atao mahatsiaro tena ho tompon'antoka ( "feel guilty) foana izy ireo? fa tsy hoe mifalia fa tafatsangana ny Tompo ?


raha io no ampiasaina dia tsy ho hety mihitsy. No sady tsy tokony ho izany mihitsy. Ny zavatra (amiko) tena tokony lazaina amin'ny olona dia I jesosy tonga tety an-tany nisolo antsika teo @ azo-fijaliana ary mamela ny helon-tsika foana izy rehefa manaiky azy sy mino azy.
The Christ's ABC is Accept, Believe and Claim it.:wink:

Ary io dia tsy forcena mihitsy ny olona, ianao milaza fotsiny dia avy eo anjarany sisa no mieritreritra.
3. cutie ( 13/04/2007 00:57)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 13-04-2007 02:18:49
Lohateny : Fitadiavana kil..fitorianteny.. fiangonana
Hono ho'a: indrindra ho an'ny mpitory teny sy ny shepherd, sy ny mpitana fiangonana rehetra mopera pastera (na sekte izy na tsia) sns sns

@ izao vanin'andro aorianan'ny paka izao:

tena tsy mahatarika olona tokoa ve raha tsy voatery atao mahatsiaro tena ho tompon'antoka ( "feel guilty) foana izy ireo? fa tsy hoe mifalia fa tafatsangana ny Tompo ?

Tsy hahasarika olona ve sa misy effets be amin'ny olona raha mba ohatra ilay tenin'ny anjely t@ ndry Maria Madelenina hoe "Mitady an'i Kristy ianareo? Tsy ato intsony Izy fa efa nitsanganko velona"
no soratana ao am-piangonana ?

tsy azoazon'i Ikaretsaka nga le navaliko iny :-D
4. ikaretsaka ( 13/04/2007 01:09)
ka ny tsy azoko dia ilay hoe tsy maintsy le hoe lakroa sy izy nofantsihana foana ve no voatery ho voizina?
fa tsy hoe izy nitsangan-ko velona ohatra?
na izy eo anivontsika (imanoela=eo anivontsika andriamanitra)
5. cutie ( 13/04/2007 01:10)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 13-04-2007 03:09:07
Lohateny : Re : Fitadiavana kil..fitorianteny.. fiangonana
ka ny tsy azoko dia ilay hoe tsy maintsy le hoe lakroa sy izy nofantsihana foana ve no voatery ho voizina?

satria isika mpanota koa , de tsy maintsy miainga @ zay le izy:wink:
6. cutie ( 13/04/2007 01:15)
ny fahitako azy alou
le Izy nidina tety an-tany =fitavan'Atra no dikan'iny
Fa le izy nitsanngana t@ maty = zay vao voavela ny heloky ny mpanota :lol:
7. soanja ( 13/04/2007 02:13)
ikaretsaka:

Hono ho'a: indrindra ho an'ny mpitory teny sy ny shepherd, sy ny mpitana fiangonana rehetra mopera pastera (na sekte izy na tsia) sns sns

@ izao vanin'andro aorianan'ny paka izao:

tena tsy mahatarika olona tokoa ve raha tsy voatery atao mahatsiaro tena ho tompon'antoka ( "feel guilty) foana izy ireo? fa tsy hoe mifalia fa tafatsangana ny Tompo ?

Tsy hahasarika olona ve sa misy effets be amin'ny olona raha mba ohatra ilay tenin'ny anjely t@ ndry Maria Madelenina hoe "Mitady an'i Kristy ianareo? Tsy ato intsony Izy fa efa nitsanganko velona"
no soratana ao am-piangonana ?


Efa nisy nanao fandinihana an'io hevitrao io ry Ikaretsaka ary tena nahita mihitsy fa ny olombelona dia olon'ny fo sy saina ary mora kivy, mora ketraka.
Ka efa nahafantatra ry zareo fa raha vao ao no kitihana dia be ny hanaraka satria tsy ampy fahatokisan-tena mantsy ny ankamaroan'olombelona ary fanapepoana vao afaka hahita ny lalana sy hiarina.
Tsy fantatrao angaha ry IKA le hoe Do not under estimate the power of cheese!
Zany hoe mihevitra isika fa zavatra toy izany ve de handaitra fa tena mandaitra tokoa an!
Raha tsy izany va ry Ika mbola hisy sy misy ny hilaza azy fa Jesoa velona eto an-tany izy de tsy voaisa ny mino sy mpanaraka. Nefa hita fa fosika.
Tsy mahavariana intsony izany amiko fa zavamisy ary ekena ny fisiany.
Miankina amin'ny tsirairay no hany fomba hampisokatra ny masony, fa ny fampianarana ihany no azonao atolotra ny hafa.
IKA> Alefaso eto ndraika moa le blog-nao iny amzay mba hiparitaka ny fampianarana. Misaotra mialoha!:wink:


8. ikaretsaka ( 13/04/2007 02:53)
http://ikaretsaka.blaogy.com/
9. kiranil ( 13/04/2007 04:31)
Raha tsy mpanota sy tsy misy ota isika olombelona tsy nidina tety an-tany mihintsy Jesosy Kristy izay Andriamanitra tona nofo, hanaisotra izany fahotantsika izany. Tsy hoe nitsangana t@ maty fotsiny no tokony ho lazaina; fa ny tena nahatongavany dia ny ho faty eo @ toerantsika noho ny fahotana vitantsika.


Indro ny Zanak\'ondrin\'Andriamanitra, izay manaisotra [na mitondra] ny fahotan\'izao tontolo izao! Jaona 1:29


Ka izay ilay hoe ::: na mino izany Fitiavana izany ianao na tsy mino. Tsy misy eo anelanelany io. Mino ianao dia voavonjy (\"minoa an\'i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao\"), tsy mino ianao dia mitoetra ao @ fahatezeran\'Andriamanitra satria mpanota mbola tsy voavela heloka.

Jaona 3:36 izay mino ny zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran\'Andriamanitra no mitoetra eo aminy


Rehefa nojereko ilay bilaogin\'ingahy Ikaretsaka dia izao no santionany izay vohiziny ao (izay tsy mifototra @ Tenin\'Andriamanitra fa toa tenin\'olona no betsaka)::

tsy izaho mihitsy ny hanizingizina aminy vao manomboka ny toriteny hoe : isika dia mpanota, io otanao io antony nahatonga na\'Andriamanitra nandefa ny zanany sns....


Kanefa Jesosy Kristy, izay Andriamanitra, dia mampianatra ny mifanohitra @ izany voalaza izany, Satria Izy no nilaza fa tonga tety an-tany Izy mba hiantso ny mpanota mba hibebaka, ary hanana fanentrentena raha hanantona an\'Andriamanitra. Izany hoe miaiky fa mpanota, ary mino sy mangataka ny famelankeloka avy amin\'Andriamanitra;

http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=18&andininy=10-14&dika=
ao @ Lioka 18:10-14 ny tantaran\'ilay fariseo niavonavona, sy ilay mpamory hetra (izay nihaiky ny fahotana vitany sy nangataka famelankeloka)


Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5



Misaotra.
10. sitlo ( 13/04/2007 05:26)
marina izany ry kiranil tonta ah :-D
11. rakaroka ( 13/04/2007 05:43)
ikaretsaka:

ka ny tsy azoko dia ilay hoe tsy maintsy le hoe lakroa sy izy nofantsihana foana ve no voatery ho voizina?
fa tsy hoe izy nitsangan-ko velona ohatra?
na izy eo anivontsika (imanoela=eo anivontsika andriamanitra)


Miombona "fijery" TANTERAKA @ Ika aho. Ny Pire dé arary ny zavatra voizina ny fitodiky ny saina sy ny fiainana manontolo! 'Za perso aloh dia tsy marisika
hanabe ny zanako anaty "sehatra" manisy tampi-maso
toa itony e! Betsaka ny lafin-javatra azo "voizina sy natao hoheverina na ao @ baiboly ihany aza no nahoana aho no hi-se limite @ resa-paty fotsiny!
Angamba marina sy mety aminareo fa tsy mitombina amiko ilay fijery tahaka itony!::?:?

12. nathie86 ( 13/04/2007 07:42)
marina ny an'ny saoanja hoe ny olona ra tsy atao mahatsapa hoe nijaly ane izy nohon'ny faotantsika de tspany mintsy zany. Mila tairina ny olona mba hiverina indray izay ngamba no antony.
13. rakaroka ( 13/04/2007 08:47)
nathie86:

marina ny an'ny saoanja hoe ny olona ra tsy atao mahatsapa hoe nijaly ane izy nohon'ny faotantsika de tspany mintsy zany. Mila tairina ny olona mba hiverina indray izay ngamba no antony.


Marina ihany izany ho an'ny sasany fa tsy ho an'ny rehetra: tahaka izany rehefa manao "tantara" ny malagasy ohatra dia tsy maintsy asiana ilay mampitsetsetra, mahaontsa e::cry:dia babo ny rehetra,
fa raha mijery ny "manga" Japonais sy fitaizana @ izao fotoana aho, mahazo kil koa rizareo fa tsy ny "aspect" fitanondrehana loatra no vohiziny an, ny "contrairen"'izany mihitsy
14. rakaroka ( 13/04/2007 08:58)
Ny ahy ny tsy voako @ "lavage de cerveau" miompana @ "fahafatesany" lasa be ny négligeance @ "comportement"ny antsoina hoe "mpino maro satria hoe efa eo Ra-Jesoa hamonjy,
dia tsy mi-controle, tsy mahatsapa-tena intsony ny tratran'ilay "lavage" avy eo. Hadinony tanteraka aza
ny "sens"n'ny "fibebahana",ny sens de résponsabilité miandry azy , ny rôle-ny, ny "ezaka miandry", sns... satria "gratis" lé famonjena.Tena notsorina loatra tsy araka ny fampianaran'i Jesoa en perso mihitsy lé izy ka!....Lasa variana miondrika sy mitsetsetra @ fahafatesana sy ny fahotana dia "hadino" na "naifika" noho izany mihitsy ny misy manodidina sy izay tokony atrehina maro!Indrisy!!!:cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
15. nathie86 ( 13/04/2007 09:10)
ka ny fo torotoro sy mangorakoraka anie tsy mba ataon'ANDRIAMANITRA tsinotsinona e:)
16. prime ( 13/04/2007 10:38)
ika:
tena tsy mahatarika olona tokoa ve raha tsy voatery atao mahatsiaro tena ho tompon'antoka ( "feel guilty) foana izy ireo? fa tsy hoe mifalia fa tafatsangana ny Tompo ?
Tsy hahasarika olona ve sa misy effets be amin'ny olona raha mba ohatra ilay tenin'ny anjely t@ ndry Maria Madelenina hoe "Mitady an'i Kristy ianareo? Tsy ato intsony Izy fa efa nitsanganko velona"
no soratana ao am-piangonana ?
... Ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy misy lanjany fa loza aza raha toa ka mbola mitoetra ny ota... aoka tsy ho adino fa tsy ny olona ho voavonjy ihany no hitsangana any am-parany fa ny olona ho very koa... ny fitsanganana amin'ny maty dia natao ho an'ny olona rehetra, na ny ho any amin'ny fanjakàn'ny lanitra na ny ho any amin'ny helo...

Ka raha ny fitsanganana amin'ny maty fotsiny no handeha hotoriana dia takona ny asam-pamonjena vitan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana izay mampitoetra sy mampanan-danja kokoa ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty...

Ny fanekena sy fiaikena heloka ka handraisana ny famelan-keloka amin'ny fanasàn'ny ràn'i Kristy ary firaisana ho faty miaraka Aminy no antoky ny famonjena ka iraisana fitsanganana maty Aminy ihany koa ho any amin'ny famonjena... fa raha fitsanganana amin'ny maty fotsiny dia tsy ampy mba tsy ilazàna mihitsy aza hoe loza raha tsy miaraka amin'ny nahafatesan'i Kristy...
17. ikaretsaka ( 13/04/2007 12:17)
... Ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy misy lanjany fa loza aza raha toa ka mbola mitoetra ny ota... aoka tsy ho adino fa tsy ny olona ho voavonjy ihany no hitsangana any am-parany fa ny olona ho very koa... ny fitsanganana amin'ny maty dia natao ho an'ny olona rehetra, na ny ho any amin'ny fanjakàn'ny lanitra na ny ho any amin'ny helo...


marina!
saingy izao ..
Betsaka ny fiangonana no mametra ilay tantaram-pamonjena hatreo @ zoma masina.
Dia betsaka koa aza no tsy nahalala akory hoe inona ny ankalazaina @ paka fa lazainy fa ny fijalian'i Jesoa "fotsiny" hono!

Ekena daholo anie le hoe meloka isika sy ny sisa..sy hoe ny maty Razezo noho isika..

fa na iza na iza anie ka extremiste be afaka mamantsika ny tenany sy manao sucide eo amin'ny lakroa aby dia miteny hoe maty nohon'ny fahotanareo aby dia samy afaka misandoka ho mesia aby e... rehefa tratran'ny indoctrination be ohatran'ireny mpanapoaka tena silamo ireny!!

saingy tsy misy tafatsangana t@ andro fahatelo izy ireny
18. nathie86 ( 13/04/2007 12:37)
zay lou eh
19. ikaretsaka ( 13/04/2007 12:46)
mitovy fa tsy sahala ange ny hoe:

hanapoaka tena amin'ny bomba aho nohon'ny heloka sy ny ataon'ny 'infideles' sy ny hoe handatsaka ny rako aho fa nanota sy be heloka ianareo

RAHA tsy nisy ny fitsanganana amin'ny maty (any tanteraka izy no tsy mitovy)

ilay 1 nanapoaka tena bomba maty izy de tany... fa ilay 1 nofatsihina nitsangan-ko velona.
fa Samy latsaka ny rany an! nohon'ny "heloka"
20. rakaroka ( 13/04/2007 13:42)
Ary marina koa ny hoe: "maro ny "sacrifice"na ny sacrifié ny fiainany noho ny hafa8O8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2449