Fitadiavana kil..fitorianteny.. fiangonana

21. lapino ( 13/04/2007 14:12)
Ika > ny tokony sy tsy tokony dia izay itarihan'ny Fanahy Masina an'ireny mpitondra fiangonana ireny. Fa ny tokony voalohany aloha, dia tokony raha samy tokony ny hoe manana ny Fanahy Masina mitoetra aminy ireny mpitondra fiangonana ireny.

Amin'izay, dia tsy isika no tokony hanoro hevitra azy ireny alohan'ny Fanahy Masina. Satria ny Fanahy Masina no tena mahalala ny zavatra tokony hotoriana amin'ny fiangonana samy any amin'ny misy azy any avy.

- ka raha tarihin'ny Fanahy Masina hitory amin'ny olona izy hoe : "Meloka ianareo fa Mibebaha", "Mankany amin'ny fahaverezana ny lalanareo, fa ialao", dia aleo izay no hotoriany
- raha tarihin'ny Fanahy Masina hitory ny famelan-keloka noho ny Ra nalatsaka tamin'ny namonoana an'i Jesosy izy, dia aleo izay no toriany
- raha tarihin'ny Fanahy Masina hitory ny fiainana mandrakizay izy, aorian'ny fitsanganana amin'ny maty izay i Jesosy no Lahimatoany, dia aleo izay no toriany
... :)
22. ikaretsaka ( 13/04/2007 14:33)
maro tokoa!
23. ikaretsaka ( 14/04/2007 03:29)
rakaroka:
Ny ahy ny tsy voako @ "lavage de cerveau" miompana @ "fahafatesany" lasa be ny négligeance @ "comportement"ny antsoina hoe "mpino maro satria hoe efa eo Ra-Jesoa hamonjy,
dia tsy mi-controle, tsy mahatsapa-tena intsony ny tratran'ilay "lavage" avy eo. Hadinony tanteraka aza
ny "sens"n'ny "fibebahana",ny sens de résponsabilité miandry azy , ny rôle-ny, ny "ezaka miandry", sns... satria "gratis" lé famonjena.Tena notsorina loatra tsy araka ny fampianaran'i Jesoa en perso mihitsy lé izy ka!....Lasa variana miondrika sy mitsetsetra @ fahafatesana sy ny fahotana dia "hadino" na "naifika" noho izany mihitsy ny misy manodidina sy izay tokony atrehina maro!Indrisy!!!


kiranil> azafady!!! tsy niteny mihitsy i Jesoa t@ ny mpianany voalohany (izy roalahy mpianatr'i Zan Batista sy i Rapiera hoe meloka nareo de mibebaha dia avia manaraka ahy fa manaraah ahy fotsiny ho'zy ... ary tsy niteny t@ ndrapiera mihitsy izy na nanda azy intelo aza i rapiera hoe meloka ianao ry piera !...
24. prime ( 16/04/2007 14:12)
Ika> Miala tsiny fa mandray io voalazanao io... Izy tsy miteny hoe meloka ianao fa nampibaribary kosa ny fahamasinany sy ny fahamarinany Izy Andriamanitra sy ny fahotàn'ny olombelona isaky ny misy tranga...

Mitovy tanteraka ny zavatra nataon'ny mpianatra 10, sy Petera ary Jodasy tamin'ny fotoana nisamborana an'i Kristy satria samy namadika izy ireo, saingy ny iray tamin'ireo 12 lahy ireo tsy nibebaka ary dia tratran'ny ozona...

I Petera dia aoka tsy hadino fa nanenina mafy ary nibebaka tamin'ny nataony satria nahita ny fahamarinan'ny tenin'i Kristy fa izy milaza ho tia an'i Kristy indrindra no handà Azy in-3... raha nisy ny mpamadika mivantana tena hita mivandravandra dia izany nataon'i Petera izany... saingy nahatsiaro niverina tamin'Andriamanitra izy ary nihazona ny finoany hatramin'ny farany ary nahatonga azy nohomboana ihany koa...
25. ikaretsaka ( 16/04/2007 14:33)
prime> nanenina mafy Rapiera... fa JAMAIS i Razezo niteny taminy hoe meloka ianao ry Piera ka mibebaha! 8)fotsiny lery de kopy

momba an-Rajodasy : azo atao hoe nibebaka izy.. saingy tara loatra, nony hitany manko hoe nohelohina Razezo dia natsipiny ny vola dia lasa izy.. ary nony hitany hoe tsy avotra tsotry izy de nanantontena! izay no tena erreur-ny.
26. prime ( 17/04/2007 13:30)
Ikaretsaka> Misy tsy azonao mihitsy raha izany ny mahasamihafa ny atao hoe "manenina", "mifona", "mibebaka"...

Raha tsy azonao ireo dia tsy ho azonao mihitsy koa ny mahasamihafa ny zavatra niseho teo amin'ny mpianatra tamin'io fotoana io...

I Petera sy ny mpianatra 10 sady nanenina no nifona no nibebaka (na dia nandositra tany an-davabato aza)... i Jodasy nanenina fa sady tsy nifona no tsy nibebaka...

Raha nibebaka Jodasy dia mitovy tanteraka tamin'ny nahazo an'i Petera no zava-niseho... mifanohitra mihitsy ny lazainao etoana manao hoe "nibebaka... hitany tsy avotra intsony..."

Tsy misy mihitsy ao amin'ny soratra masina na dia kely aza niteny hoe nibebaka Jodasy no sady tsy misy mihitsy rahateo olona nibebaka ka tsy voavonjy... ny olona tsy voavonjy dia na tsy mino fotsiny na efa mba nanenina ihany, mety nifona ihany koa fa tsy nibebaka... izay no tena mahazava-dehibe mihitsy ny fibebahana fa tsy "teny" amin'ny vava sy fahalalàna ara-tsaina fotsiny fa tena misy fakany lalina miaraka amin'ny asan'ny Fanahy Masina...

Maro no efa nanenina, nifona fa tena vitsy izany hoe mibebaka izany...
27. ikaretsaka ( 17/04/2007 13:43)
tsy nifona sy nibebaka i piera tamin'ny avy nanda an'i jesoa in 3 ka.. na mety tsy hitako indray no nisy an'izany!
tsy niteny t@ jesosy sy andiamanitra mihitsy izy hoe mpanota aho fa avelao ny heloko fa hoe "tahak'izay za tsy niteniteny foana tahak'izany"

tsy hitako koa iznay petera sy ny mpianatra nisitrika tany andavabato izany
28. ikaretsaka ( 19/04/2007 03:27)
prime> sa aiza ao no misy an'i piera nibebaka nanao hoe .."nifona aho jesosy fa avelao ny fahotako fa mpanota aho" ?
aiza ao no misy an'i jesosy niteny hoe "zay ny anao ry piera"..nony avy nanda in 3 izy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2223