sekta [ ]

41. niryna ( 24/04/2007 12:52)
Bjr daholo isika rehetra.Tena nahaliana ahy ity sujet sekta ity.Efa ela aho no nanontany izany dikany izany koa dia hisaorana ny rehetra nanazava an'io.
Raha amiko manokana aloha dia tsy ny anaran'ny fiangonana no tokony ho hindraindraina na ny fanomezana anaran'olona ka hilazana azy ho izy na tsy izy ilay olona.Manindrona olona izany amiko ary tsy misy tombotsoa mihitsy satria samy te-hianatra sy andalina ny soratra masina daholo isika angamba.Tsy misy afaka hitsara olona isika na iray aza satria tsy antsika ny fitsarana.
Amiko rehefa mino sy matoky izaho sy ianao na isika fa Jesosy no mpanavotra antsika dia efa tena zava-dehibe izay,rehefa mahatoky azy isika fa Izy no lalana sy fahamarinana ary tsy misy afaka mankany amin'ny ray raha tsy amin'ny alalany izay voasoratra ao anaty baiboly dia tokony izay no arahina.
niryna.
42. ikaretsaka ( 24/04/2007 18:52)
bjr niryna:-* tongasoa
fa ny tokony natao anie dia hoe tsy hoe leo an'i papa/ pasitera/mopera/eveka sy tsy haiko aby aho (zahay) dia hanangana fiangonana (sekte) vaovao hafa e. Fa kosa hoe raha sanatria ka misy raha tsy milamina sy tsy manjary ao, tsy azoazo, dia jerena miadana, alamina , ifandeferana. miara misalay mitady ny marimaritra iraisana momba ilay probleme
fa ny an'ny sasany resaka tsisy fotony akory dia hoe handeha zahay dia hanao ny anay manokana..
ny sasany dia resaka bizinesy ze hahazoana vola fotsiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.333