Eo afovoantsika ve i Kristy?
1. LazaDaddy
(
27/03/2007 02:18)
"Raha misy roa na telo no miara-mivavaka amin'ny anarako dia ho eo fovoany aho" hoy i Kristy. Ny ankabeazan'ny fotoam-pivavahana miaraka natrehako na notarihiko anefa dia tsy nahatsapako ny fisian'i Kristy teo anivonay mpiara-mivavaka.
Ny antony fantatro dia satria tsy miray fo ny olona matetika rehefa miara-mivavaka fa fangataham-bavaka avy amin'ny "rahalahy sy anabavy" no mahatonga azy mivavaka. Raha mbola tsy miainga avy ao anaty fo torotoro ilay vavaka fa "fiangaviana" dia mety tsy vokatry ny firaisana am-po.
Jereo anie ohatra i Paoly e: tsy mba nangataka vavaka t@ fiangonana Galatianina mihitsy izy satria fiangonana tsy nandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra io.
Izaho manokana dia tsy mangataka vavaka ary tsy mihatsaravelatsihy miara-mivavaka amin'olona aho raha tsy azoko antoka fa tsy miray fo amiko izy.

novalian'i prime ny 06/04/2007 10:05
2. ikaretsaka
(
27/03/2007 02:45)
dia tsy haiko ry laza! izay angamba no tsotra indrindra mahavaly azy!
tsy hay ilay hoe miray fo ve sa tsia satria tsy misy afaka hitsara "izay am-po tsy miloaka"
ka izay koa: tsy miangavy ny atao hoe mivavaka. nefa indrisy ba betsaka ny mieritreritra azy ho otran'io dia tsy mahazo ilay valimbavaka de lasa sosotra amin'ny tompo matetika!
Ny vavaka: tolona fa tsy sento ho'zy Ilay mompera iray izay

3. LazaDaddy
(
27/03/2007 03:15)
somary tsy nifandray tendro ny resaka teto. tsy ny mivavaka no nataoko hoe miangavy fa ny mahatonga ilay olona hivavaka.
Mety tsy tena avy @ fo no mahatonga olona iray hivavaka fa ny namany na olo-pantany miangavy azy hivavaka (io ilay fantatsika @ hoe : fangataham-bavaka)

4. ikaretsaka
(
27/03/2007 03:20)
raha amin'ny fo le izy ka miainga tokoa raha misolo olona hafa aza izy tsy maninona...
fa ....
fa ....
5. Fiffi
(
27/03/2007 05:09)
"LazaDaddy":nefa raha tena be ny finoana de tena eo tokoa izy....
Ny ankabeazan'ny fotoam-pivavahana miaraka natrehako na notarihiko anefa dia tsy nahatsapako ny fisian'i Kristy teo anivonay mpiara-mivavaka.
"LazaDaddy":tsy voatery hoe tsy maintsy miray fo kosa angamba ny olona tafavory vao azo lazaina hoe teo afovoany marina Jesoa.....satria Jesoa mahita zay ao am-pon'ny tsirairay
Ny antony fantatro dia satria tsy miray fo ny olona matetika rehefa miara-mivavaka
"LazaDaddy":heu...fa nga kosa de hoe fihatsarambelatsia ny hivavahana na de tsy azonao antoka aza le olona miara-mivavaka @ nao ?
Izaho manokana dia tsy mangataka vavaka ary tsy mihatsaravelatsihy miara-mivavaka amin'olona aho raha tsy azoko antoka fa tsy miray fo amiko izy.
Zany hoe @ fomba ahoana moh no ahafantarana fa tsy miray fo @ nao reo olona niara-nivavaka t@ nao ? na de hoe fantatrao aza ......raha zah no eo @ toeranao de tohizako hiany ny fivavahako satria Jesoa hiany no mahita zay ao am-po hoe tena mivavaka ve i ranona sy ranona....
6. LazaDaddy
(
27/03/2007 05:53)
fiffi> misy ny vavaka atao samy irery ary misy ny vavaka iarahana.
Izaho tsy niteny hoe tsy tohizako ny vavaka. Fa kosa tsy hiara-mivavaka @ olona tsy miray fo amiko aho raha azoko atao, sady tsy angataka vavaka aminy rahateo koa :). Ny antony dia io nomeko io: "tsy ho eo i Jesoa raha tsy miray fo ny mpiara-mivavaka". Izay no mahasamihafa ny vavaka atao samirery sy ny vavaka "iombonana" :)

7. pissoa
(
27/03/2007 07:03)
LazaDaddy:
"Raha misy roa na telo no miara-mivavaka amin'ny anarako dia ho eo fovoany aho" hoy i Kristy. Ny ankabeazan'ny fotoam-pivavahana miaraka natrehako na notarihiko anefa dia tsy nahatsapako ny fisian'i Kristy teo anivonay mpiara-mivavaka.
Ny antony fantatro dia satria tsy miray fo ny olona matetika rehefa miara-mivavaka fa fangataham-bavaka avy amin'ny "rahalahy sy anabavy" no mahatonga azy mivavaka. Raha mbola tsy miainga avy ao anaty fo torotoro ilay vavaka fa "fiangaviana" dia mety tsy vokatry ny firaisana am-po.
Jereo anie ohatra i Paoly e: tsy mba nangataka vavaka t@ fiangonana Galatianina mihitsy izy satria fiangonana tsy nandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra io.
Izaho manokana dia tsy mangataka vavaka ary tsy mihatsaravelatsihy miara-mivavaka amin'olona aho raha tsy azoko antoka fa tsy miray fo amiko izy.
Ny mety tsy hahatsapanao an'i Kristy eo anivon'ny mpivavaka koa dia satria ianao tsy mivavaka fa ilaozana mieritreritra hoe i Rakoto niangavian-dRabe no antony mahatonga azy eto. I Rasoa nantsoin-dRaketaka dia tonga eto ... Amiko na niangaviana na tsia, rehefa mivavaka dia mivavaka izay. Fa izaho moa no iza no afaka hitsara na handiso ny antony mampivavaka ny namako ? Tsy tokana ny endrika hiasan'ny Fanahy Masina, ary tsy miasa eo ambany fiadidiko Izy ; fa raha ny fiangavian'i Rabe no endrika nisehoany ka nahatonga an-dRakoto nivavaka, isaorako Andriamanitra namorona an-dRabe, ary isaorana i Rabe nahavita ny adidiny :-D:-D:-D
8. Fiffi
(
27/03/2007 07:05)
LazaDaddy:eny eh ! samy manana ny fombany ny tsirairay sy ny zavatra hataony mahatsara ny azy fa ozy zah hoe "tsy aleo ve miaraka mivavaka aminy hiany heu....eny na de hoe tsy mitovy @ fivavahanao na tsy miray fo @ nao aza ny hataony de mba HIVAVAHANA koh ry zareo mba hitovy @ nao ?
Fa kosa tsy hiara-mivavaka @ olona tsy miray fo amiko aho raha azoko atao, sady tsy angataka vavaka aminy rahateo koa :).
9. LazaDaddy
(
27/03/2007 07:14)
fiffi> Tsia ka! Tsy misy antony "hanariana" hery sy fotoana akory raha tsy misy ilay "firaisam-po" fa aleo avy hatrany dia mivavaka manokana. Tena misy dikany lehibe mihitsy io fa tsy hoe "miara-mivavaka dia samy manery tena eo daholo na dia tsy miray fo aza"
11. LazaDaddy
(
27/03/2007 07:36)
Fiffi:fa maninona moa no tsimaintsy "ry zareo" araka ny teninao no mila vavaka? Sao kosa dia mba isika, izaho, ianao? :)
marina ny anao....fa de hivavahana koh zany ry zareo mba...sa ?
12. prime
(
27/03/2007 07:40)
Izaho koa aloha mahita fahasarotana eo amin'ny lafiny pratika ny fiarahana mivavaka raha tsy misy fiombonana feno... eo tokoa no mahasamihafa ny miara-mivavaka sy ny mivavaka samirery... samy mety avokoa fa samy manana ny mahaizy azy...
Ilay fiombonana tena tokony hita faritra tanteraka ary tena iraisana fijery, finoana, fitiavana, fanantenana... mazava ho azy fa tonga dia tsapa ny fisian'io fiombonana io rehefa tena vonton'ny tenin'Andriamanitra ny tsirairay miatrika izany fiaraha-mivavaka izany... fa raha ny fomba fijeriko dia tsy maninona loatra ny fitondràna amam-bavaka ny namana na ny fianakaviana raha tena misy ilay fiombonana lazaiko eo amin''ireo mpiara-mivavaka voalaza, satria misy fotoana samy mba manana izay mahatery azy tsirairay avy any amin'ny tokantranony, ny fianakaviany, ny fiaraha-monina, ny fiangonana, ny firenena mihitsy aza... nefa dia ho sarotra mihitsy izany raha tsy ao ilay fiombonana...
Ilay fiombonana koa mantsy mitaky fanetren-tena sy fahatsorana ka ahafahana milaza ny am-po tsy miloaka amin'ny mpira-mivavaka manoloana eo, hizaràna izay soa sy tsara nefa koa amborahana izay mahatery rehetra... raha tsy tanteraka izany dia mitombina tokoa ilay mifampihatsaravelatsihy fotsiny ary izay no tena mahasarotra ny fiaraha-mivavaka...

13. Fiffi
(
27/03/2007 09:39)
LazaDaddy: heu...ireo olona nolazainao hoe tsy miray fo @ nao no tiako lazaina @ io an ! de ozy zah hoe hivavahana zany ry zareo mba hitovy....sa..? ianao , zah , na izay mivavaka no tokony hivavaka ho azy mba hitovizana ?
15. Rasiligaoma
(
27/03/2007 12:13)
LD> ka tsy JE intsony ange rehefa hoe miaraka mivavaka izany fa lasa NOUS e!
16. prime
(
27/03/2007 13:22)
cutie> Ilay fiombonana dia ilay "firaisam-po" feno sy fifampatokiana ary fifankatiavana eo amin'ireo mpiara-mivavaka ka tsy hifampihatsaram-belatsihy... ka ahafahana mizara izay ao am-po sy ao an-tsaina tsy ampihambahambàna...
Asa raha azonao ny tiako ambara... asa raha efa nanatrika vondrom-bavaka i cutie fa indray2,olona tsy fantatrao mihitsy izao no miara-mivavaka aminao ka amin'ny fomba ahoana moa (indray2 hoy aho) no izaranao ny fiainanao amin'ny olona tsy fantatrao, ary hitanao eny aminy fihetsiny sy ny endriny fa izy koa mba manana ny olany ka tsy vonona ny hifampizara aminao ny momba azy...? dia eo ilay olana no mipetraka raha ny fahazoako ity lazain'i LD ity...
Amin'ny vondrom-bavaka madinidinika dia efa sarotra maika moa fa eo anivon'ny fiangonana lehibe?

17. cutie
(
27/03/2007 13:25)
ka @fomba ahoan no ahafantarana we iry tsy mitovy amiko , de ty mitovy amiko
sa mitsara ety ivelany fotsiny ?:roll:
sa mitsara ety ivelany fotsiny ?:roll:
20. LazaDaddy
(
27/03/2007 13:38)
cutie> rehefa tsy jamba fa manokatra ny masom-panahy dia hita sy fantatra izany :wink: