Baiboly Tokana, fiangonana maro

1. ikaretsaka ( 25/03/2007 11:53)
Sendra nitsipalopalotra teny ny masoko
(azafady re raha nitsimpona ry pissoa an)

pissoa tatsy ambadika tatsy:
Fa hatramizao mbola tsy azoko ihany ilay mampisaratsaraka nefa mampiasa "baiboly" FOTSINY daholo ! Sa baiboly samy hafa ? Misy mivavaka Asabotsy, misy Alahady. Misy manao Batisa ankizy kely, misy miziriziry fa olon-db ihany ... Sao be resaka daholo fotsiny mantsy hoe "Tenin'Andriamanitra" ihany fa rehefa atao ny fandinihana dia tsy ny baiboly izany akory no tena arahina fa ny fahazahoan'ilay pasitera nanangana fiangonana ny baiboly ! Hevitr'olombelona ny fiantsoanareo azy eto amin'ny forum (saingy za tsy tia mampiasa an'io teny io )


Nisy fotoana i Soanja koa efa niteny an'io ...
dia lasa ny saina..... fa ahoana tokoa?
novalian'i prime ny 06/04/2007 09:52
2. diamondra27 ( 25/03/2007 11:58)
raha manomboka mi-douter ny baiboly = tenin'Andriamanitra= Soratra Masina de le satana sy devoly zay no manomboka miasa.Prends garde

fiangonana maro?

???

3. ikaretsaka ( 25/03/2007 11:59)
ny tiako hahatongavana dia hoe ny "sola scriptura" ve tsy vao mainka nampisaraka izany?
4. ikaretsaka ( 25/03/2007 12:07)
tsy midouter aho fa lasa saina ..
5. kiranil ( 25/03/2007 15:27)
Ny tian\'Ikaretsaka ahatongavana izany raha azoko tsara dia ny hoe aza mamaky baiboly fa tsy lafatra io, tahaka ny lazain\'i tsimiandravola atsy ambadika hoe boky feno \"anerie\" io.
Ikaretsaka koa mantsy milaza atsy @ dinika ao ambadika milaza fa izy \"tsy mpamaky baiboly\".

Ny fivavahana tarihin\'i papa na ny katolika izany, ary ao anatin\'izany ny fikambanana \"jesuite\" misy an\'Ikaretsaka dia manana fombafomba sy fampianarana maro izay mifanohitra tanteraka amin\'ny baiboly tahaka ny \"afo fandiovana na purgatory\", \"rozery\"..sns.. http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/catholic_heresies-a_list.htm,

ka t@ 1229 (konsilin\'ny valensia) dia natao anisan\'ireo boky voarara tsy azo ho vakian\'ireo mpanaraka fivavahana katolika ny baiboly,

\"Bible forbidden and placed on index of forbidden books --
by Council of Valencia 1229 A.D.\"

***************

Ny mampitovy ny tsy mino an\'Andriamanitra tahaka an\'i tsimiandra sy fijo sy ireo milaza azy ho kristianina toa an\'ingahy ikaretsaka izay manokatra ny adihevitra eto dia ny tsy famakiana sy ny tsy fanekena ny zavatra voasoratra ao @ Soratra Masina ho teny avy amin\'Andriamanitra.

Izay ilay lazaiko foana hoe na ianareo tsy mpamaky sy tsy mpanaja ny voasoratra ao, no marina 100% na Andriamanitra izay nampanoratra azy t@ alalan\'ny tsindrimandriny.
Fa raha ny Soratra Masina aloha no jerena dia mahasoa avokoa ny voasoratra ao::

IITimoty 3:16 Izay soratra rehetra nomen\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin\'ny fahamarinana,



FANAMARIHINA :: Amiko tsy ny hoe fandehanana mankany @ fiangonana katolika akory no hoe mahavery ny fanahin\'olona, satria dia misy olona tena novonjen\'Andriamanitra tokoa ao (izay vitsy), fa ny mahavery kosa dia ny fandavana ny famonjena \'maimaimpoana\' (rom 3) nomen\'i Jesosy Kristy, ka ny fampianarana katolika dia mampianatra ny mifanohitra @izany hany ka misy idiran\'ny vola naloha fahavelony no hamonjena ny fanahin\'olona iray. sns...

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/can_a_christian_be_a_catholic.htm ny manazava bebe kokoa ny tiako lazaina ho any mahzao teny anglisy.

Misaotra.
6. kiranil ( 25/03/2007 15:31)
http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/catholic_heresies-a_list.htm

ilay rohy etsy ambony.
7. Fiffi ( 25/03/2007 17:11)
ikaretsaka:
tsy midouter aho fa lasa saina ..
heu....de aza alefa lavitra ny saina fa Andriamanitra de Iray hiany.....


8. ikaretsaka ( 25/03/2007 17:58)
kiranil:
Ny tian\'Ikaretsaka ahatongavana izany raha azoko tsara dia ny hoe aza mamaky baiboly fa tsy lafatra io, tahaka ny lazain\'i tsimiandravola atsy ambadika hoe boky feno \"anerie\" io.
Ikaretsaka koa mantsy milaza atsy @ dinika ao ambadika milaza fa izy \"tsy mpamaky baiboly\".


Diso:
Ny tiako ahatongavana dia hoe \"aza mihonona amin\'ny baiboly ihany fotsiny rehefa hitady an\'Andriamanitra, sy ny teniny \". Ny maha samihafa kely ahy sy ry soanja sy ireo lazainareo fa \"tsy mpivavaka\" lazainao dia izaho manao hoe ilaina ny baiboly ary misy tenin\'Andriamanitra tokoa ao , saingy tsy ampy ary tsy voafehin\'ny ny baiboly ny hilazana sy hitadiavana an\'andriamanitra!
ny baiboly tenany mihitsy aza dia miteny an\'izany ary amin\'ny faran\'ny toko faha 25 ary

Diso koa:
Ny resaka afo fandiovana dia voalazan\'ny soratra masina tokoa ary ao anaty baiboly katolika dia mivelatra be momba azy: saingy nesorina ilay boky sy nanombinana ary nofoanan\'i lotera sy ny namany ao anaty baiboly protestanta! ampitovio fotsiny ny isan\'ny boky ! ary efa resaka be teto sy efa voazava momba an\'io! fa mety tara masinina i kiranil.. rehefa manam-potoana aho tadiaviko ilay thread

Dia io Hafatr\'i Paoly amin\'n\'i Timoty nalainao io ihany no averiko..

Ilay soratra/teny rehetra nomen\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra ve dia ho voafetra amin\'izay ao anaty Baiboly ihany? Voafetra amin\'ny 2000 pejy ve ny resak\'Andriamanitra sy ny teniny amin\'olona? Tsy manome intsony izany , tsy miteny intsony izany Andriamanitra amin\'izao isika miteny izao?

Ny kaonsilin\'i Valencia dia taonjato faha 13, ary tamin\'iznay andro izany dia mbola tao anatin\'izany aby ny kristianina rehetra.... samy nanaiky aby.
ary tsy mbola nisy katolika sy protestant t@ izany Ramose!

reformiste (protestant), ny contre reformiste (ny jesuites sy ny congregations bedebe niforona niaraka taminy ) , Dia taty @ taonjato faha 16 vao nisy..

ary ny tantara mandroso fa tsy miverina, noho izany efa tsy mitombina intsony ity porofo nomenao!
9. cutie ( 25/03/2007 20:11)
Diso:
Ny tiako ahatongavana dia hoe "aza mihonona amin'ny baiboly ihany fotsiny rehefa hitady an'Andriamanitra, sy ny teniny ". Ny maha samihafa kely ahy sy ry soanja sy ireo lazainareo fa "tsy mpivavaka" lazainao dia izaho manao hoe ilaina ny baiboly ary misy tenin'Andriamanitra tokoa ao , saingy tsy ampy ary tsy voafehin'ny ny baiboly ny hilazana sy hitadiavana an'andriamanitra!

namaste :lol::lol::lol:
10. pissoa ( 25/03/2007 20:46)
Kiranil > Hihihi, io njay ny rohy prefere an'i Kiranil :-D:-D:-D

Zao alou e ! Hevitro le nadikan'i Ika teto, dia tsy misy hifandraisany amin'ny famakiana Baiboly io ry Kiranil. Ianao ihany aza no efa milaza fa tamin'ny taona 1229 ny nisy an'io tsy mahazo mamaky baiboly io. Raha ny fahalalako tsotsotra nefa dia efa taona 2007 isika izao, ary 2007 - 1229 = 778 (sa moa tsy zany :oops: ).

Aza raisina an-tendrony fa mazava be ny tenin'i Ika anie e : Fa ahoana tokoa ?

Ny tena mahagaga ahy mahatonga ahy manoratra an'io foana (nefa tsisy mamaly ankoatra an'i Booboo tatsy ambadika) dia izao : Raha toy ny "Katolika" manaraka "traditions" sy ny fampianaram-pinoana no mizarazara dia tena rariny be ! Fa raha ireo mitonona hoe "Mampiasa Baiboly fotsiny" dia hafahafa ihany.
- Ilay Baiboly ve no mampisaraka sa
- MISY/FENO "hevitr'olombelona" ny arahina ao fa be resaka fotsiny ny sasany na manao tsianjery maimbo ny "Fampianarana" hoe "Baiboly ihany" ? :-D:-D:-D

(PS : Ny olona eto amin'ny forum nefa miteny foana fa tsy ny Baiboly izany no mampisaraka - Donc ... )
11. soanja ( 26/03/2007 00:09)
ikaretsaka:

kiranil:
Ny tian\'Ikaretsaka ahatongavana izany raha azoko tsara dia ny hoe aza mamaky baiboly fa tsy lafatra io, tahaka ny lazain\'i tsimiandravola atsy ambadika hoe boky feno \"anerie\" io.
Ikaretsaka koa mantsy milaza atsy @ dinika ao ambadika milaza fa izy \"tsy mpamaky baiboly\".


Diso:
Ny tiako ahatongavana dia hoe \"aza mihonona amin\'ny baiboly ihany fotsiny rehefa hitady an\'Andriamanitra, sy ny teniny \". Ny maha samihafa kely ahy sy ry soanja sy ireo lazainareo fa \"tsy mpivavaka\" lazainao dia izaho manao hoe ilaina ny baiboly ary misy tenin\'Andriamanitra tokoa ao , saingy tsy ampy ary tsy voafehin\'ny ny baiboly ny hilazana sy hitadiavana an\'andriamanitra!
ny baiboly tenany mihitsy aza dia miteny an\'izany ary amin\'ny faran\'ny toko faha 25 ary

Diso koa:
Ny resaka afo fandiovana dia voalazan\'ny soratra masina tokoa ary ao anaty baiboly katolika dia mivelatra be momba azy: saingy nesorina ilay boky sy nanombinana ary nofoanan\'i lotera sy ny namany ao anaty baiboly protestanta! ampitovio fotsiny ny isan\'ny boky ! ary efa resaka be teto sy efa voazava momba an\'io! fa mety tara masinina i kiranil.. rehefa manam-potoana aho tadiaviko ilay thread

Dia io Hafatr\'i Paoly amin\'n\'i Timoty nalainao io ihany no averiko..

Ilay soratra/teny rehetra nomen\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra ve dia ho voafetra amin\'izay ao anaty Baiboly ihany? Voafetra amin\'ny 2000 pejy ve ny resak\'Andriamanitra sy ny teniny amin\'olona? Tsy manome intsony izany , tsy miteny intsony izany Andriamanitra amin\'izao isika miteny izao?

Ny kaonsilin\'i Valencia dia taonjato faha 13, ary tamin\'iznay andro izany dia mbola tao anatin\'izany aby ny kristianina rehetra.... samy nanaiky aby.
ary tsy mbola nisy katolika sy protestant t@ izany Ramose!

reformiste (protestant), ny contre reformiste (ny jesuites sy ny congregations bedebe niforona niaraka taminy ) , Dia taty @ taonjato faha 16 vao nisy..

ary ny tantara mandroso fa tsy miverina, noho izany efa tsy mitombina intsony ity porofo nomenao!


Namaste hatrany!

Hirotsaka aminao sy hanome hery anao lalandava anie ny fanahin'Izy Tompo. :-*:-*:-*:-*


12. Solitikabe ( 26/03/2007 01:07)
Baiboly = Fitaritana akama = Fangataham-bola sy fanana tsy ilana fandaniam-bola be,
Mandrimandria hoy izy fa akako vola. Aza mitraka fa miankohofa, ary aza mijery fa mikipia. Dia heritrereto ny fiadanana mandrakizay, ary arotsay ny rakitra sy ny 10% ny harena raha misy. Izaho tsy mitatatra fa mitoriteny dia vita ny telovolana.
Ahahahahahahahahahahahhaha
13. cutie ( 26/03/2007 01:12)
:-D:-D:-D:-D
14. ikaretsaka ( 26/03/2007 02:29)
fanamarihana kely:
Ny \"contre\" sy ny \"anti\" dia samihafa an!
15. soanja ( 26/03/2007 03:47)
Solitikabe:

Baiboly = Fitaritana akama = Fangataham-bola sy fanana tsy ilana fandaniam-bola be,
Mandrimandria hoy izy fa akako vola. Aza mitraka fa miankohofa, ary aza mijery fa mikipia. Dia heritrereto ny fiadanana mandrakizay, ary arotsay ny rakitra sy ny 10% ny harena raha misy. Izaho tsy mitatatra fa mitoriteny dia vita ny telovolana.
Ahahahahahahahahahahahhaha


Mahita raha tarognina agnareo ka!


16. Fiffi ( 26/03/2007 05:36)
mahagaga hiany ny zavatra lazain'ny hafa an ! heu...saingy izay aza no fiheritreretany sy fandraisany ka atao ahoana ?
17. kiranil ( 26/03/2007 05:41)
Solitikabe> Miarahaba. Mba vakio kely ito azafady indrindra, satria ianao dia toa manao teny fanaratsiana ka asa na efa tena nandinika tsara ianao vao niteny na tsia ::

18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan\'ny Apostoly tànana no nanomezany ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy

19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tànana.

20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin\'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan\'Andriamanitra.

21 Tsy manana anjara na raharaha amin\'izany zavatra izany hianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan\'Andriamanitra.

22 Koa mibebaha amin\'izao haratsianao izao, ka mangataha amin\'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin\'ny fonao.

ASA 8

********************

1- Izaho aloha dia tsy mitovy hevitra @ Ikaretsaka, Cutie, soanja, pissoa, solitika. satria amiko::

Ny Soratra Masina dia hajaiko sy raisiko ho ampy sy marina, izay nampanoratin\'Andriamanitra.

Io teny io ambony io izao mampianatra fa maimaimpoana ny fanomezana sy ny famonjena rehetra avy amin\'Andriamanitra fa tsy azo vidiana vola, na vidiana @ asa soa sns..

Ireo fivavahana maro (anisan\'izany ny katolika) izay misy @ izao fotoana izao dia TSY mampianatra io \"maimaimpoana\" io, fa entin\'ny fitiavam-bola fotsiny ny mpitarika azy. ka mampianatra fa mila vidiambola na fanaovana asa soa...sns ny famonjena ny fanahin\'olona.

Rom 3:23-24 anisan\'ireo teny milaza mazava tsara fa maimaimpoana ny fanamarinana avy amin\'Andriamanitra ho an\'ireo izany mino Azy.

\"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin\'Andriamanitra,
nefa hamarinina maimaimpoana amin\'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin\'i Kristy Jesosy,\"


********************

Aleoko ho diso eo anatrehan\'Andriamanitra @ fanajana ny Soratra Masina ho teny lafatra sy ampy avy Aminy,
Toy izay hilaza io Soratra Masina io ho \"Tsy Ampy sy Tsy Lafatra\" satria raha raisina aza hoe \"tsy lafatra\" io tenin\'Andriamanitra io, dia tsy misy atahorana velively, fa raha toa aza ka tena Tenin\'Andriamanitra Masina ny voalaza rehetra ao kanefa aratsianaeo @ hoe \"tsy ampy sy tsy lafatra sy \"anerie\", dia inona no vokatry izay?


*********************

Farany dia izao: tsy ataoko mahagaga mihintsy raha mitovy hevitra ny olona \"tsy mpamaky ny baiboly\" toa an\'dry Ikaretsaka, sy ny \"tsy manana baiboly akory\" toa an\'i cutie, sy ny milaza ny tenany fa \"efa mahay tsianjery ny baiboly\" toa an\'i soanja.. mety ho avy eo koa izao tsimandravola sy ny fankahalany tanteraka ny baiboly hanatevi-daharana anareo fa aza taitra.. :lol:

Am manaraka indray e..

Misaotra
18. nikopol ( 26/03/2007 08:38)
Baiboly Tokana, fiangonana maro ?

firy pejy moa ny baiboly ?
19. simplex ( 26/03/2007 09:09)
:-D:-D
20. simplex ( 26/03/2007 09:11)
hanangana kou za :°)
mibanjina ny pejy faha 0 an'ny baiboly ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3897