Baiboly Tokana, fiangonana maro

21. soanja ( 26/03/2007 14:01)
nikopol:

Baiboly Tokana, fiangonana maro ?

firy pejy moa ny baiboly ?


maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa. :D


22. kiranil ( 26/03/2007 14:38)
soanja> maromaro tsy voaisanao mahay manisa akory nefa ianao ihany no miteny atsy ambadika hoe "efa hay tsianjery daholo", sy "drindrangilo"..sns.. :lol:

**********************************

1- Tsy misy boky izay mamely mafy ny olombelona mbola ao anaty fahotana tanteraka sy manenjika ny faharatsiana rehetra (fijanganjagana, fitiavam-bola, fitiavan-tena, sns..) toy ny Baiboly na Soratra Masian eto an-tany.

2- Izay no tsy itiavan'ny olona maro ny mamaky azy satria mamely ny ratsy fanaony sy mahazatra azy, ka mahatonga azy hiteny hoe "tsy lafatra" sy "tsy ampy"..

3- Kanefa etsy andanin'izay rehetra izay dia tsy misy boky milaza ny tena Fitiavana ny olombelona rehetra sy mampianatra ny mpanaraka azy hitia sy hanaja ny olona rehetra miohatra ny Baiboly na Soratra Masina.

>>> Fitiavana no mibaiko ny Soratra Masina sy mibaiko ny mpanompony hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, na dia mamely ny faharatsiana rehetra manjaka eto an-tany aza izy.


>>> 1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.

2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.

3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.

4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,

5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,

6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,

7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.


PS: Na dia mety tsy ho tantintsika aza ny maheno ny soratra izay voalaza ao @ Baiboly izay Tenin'Andriamanitra satria mamely ny faharatsiana ananantsika olombelona, dia fantaro fa Fitiavana antsika olombelona mba hibebaka sy hiverina Aminy no tian'Andriamanitra hampitaina @ alalan'io Soratra MAsina io.


IJaona 4:10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.


Misaotra.
23. prime ( 26/03/2007 15:07)
kiranil> Efa fantatra anie ny tian'i Ikaretsaka ahatongavana e... ary tsy indray mandeha izy no mampiditra an'io fa mody ahodina sy aholankolana nefa mazava tsara ny tanjona... aminy dia ny katôlika ihany no fivavahana kristiana tokony hisy fa adala avokoa ireo nisitaka ireo noho ny fanarahana olona iray (Lotera io)... Moa tsy efa impiry i Lotera no voaompa atsy ambadika atsy... Mody ahodina hoe baiboly tokana (ka tokony fiangonana tokana ihany koa sisa no ijoroana)... toy ny te-hilaza hoe ny fiangonana katôlika ihany no marina... sahy miteny aza hoe 2000 arivo taona tao amin'ny fahadisoana fa rehefa niaiky heloka inona ny olana?... indrisy...

Tokana ihany ny marina dia Jesosy Kristy, Izy no ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay... araka ny voasoratra hoe :

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20
24. Rasiligaoma ( 26/03/2007 15:55)
ka ny valiny omenareo koa ange miolakolaka e:
Ary mino aho fa mpamaky baiboly daholo isika olona rehetra mandray anjara amin'ity resaka ity!

ny an'Ikaretsaka sy ry Pissoa sy ry Soanja sns... tsotra be ny fanontaniany.

1) AMPY ve hono ny baiboly hampitana ny hafatr'andriamanitra amin'ny Kristianina? nefa ilay baiboly tenany aza no miteny hoe tsy ampy izy ?

2)Ilay izy hoe Soratra Masina, tsy misy manda anie e! fa hoe ireo izay ao anatiny ireo ihany ve no soratra masina sy fitaovana hampitan'ny Ray , Jesoa Kristy, Fanahy masina ny hafatra ho an'ny olombelona? dia avadibadika eo?!

mantsy i Pissoa hoe :
Ny tena mahagaga ahy mahatonga ahy manoratra an'io foana (nefa tsisy mamaly ankoatra an'i Booboo tatsy ambadika) dia izao : Raha toy ny "Katolika" manaraka "traditions" sy ny fampianaram-pinoana no mizarazara dia tena rariny be ! Fa raha ireo mitonona hoe "Mampiasa Baiboly fotsiny" dia hafahafa ihany.
- Ilay Baiboly ve no mampisaraka sa
- MISY/FENO "hevitr'olombelona" ny arahina ao fa be resaka fotsiny ny sasany na manao tsianjery maimbo ny "Fampianarana" hoe "Baiboly ihany" ?



hamaly an'i Kiranil :

Mba vakio kely ito azafady indrindra, satria ianao dia toa manao teny fanaratsiana ka asa na efa tena nandinika tsara ianao vao niteny na tsia ::

18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tànana no nanomezany ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy

19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tànana.

20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.

21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany hianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.

22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.


Asa na izaho no tsy mahay mamaky teny intsony na ahoana fa:
TSY MISY RESAKA BAIBOLY EO NA 1 AZA fa resaka FANAHY MASINA SY FAMETRAHANA TANANA ( "SAKRAMENTA")

Prime: tsy misy manda ny maha Andriamanitra Marina sy ny fiainana mandrakizay Azy anie e!
______________________________________________

Fa ny fanontaniana dia hoe ahoana ny fomba fampitany hafatra ho antsika amin'izao vaninando hiainantsika izao?

Ry Ikaretsaka sy ry soanja sy ry Pissoa miteny hoe amin'ny alalan'ny Fanahy Masina noraisiny tamin'ny Sakramenta sy ny filazany am-pitiavana fa tsy ny fitanisainy baiboly!
25. Zina ( 26/03/2007 17:30)
prime [ Valio ] 26-03-2007 17:07:18
Lohateny : Re : Baiboly Tokana, fiangonana maro
kiranil> Efa fantatra anie ny tian'i Ikaretsaka ahatongavana e... ary tsy indray mandeha izy no mampiditra an'io fa mody ahodina sy aholankolana nefa mazava tsara ny tanjona... aminy dia ny katôlika ihany no fivavahana kristiana tokony hisy fa adala avokoa ireo nisitaka ireo noho ny fanarahana olona iray (Lotera io)... Moa tsy efa impiry i Lotera no voaompa atsy ambadika atsy... Mody ahodina hoe baiboly tokana (ka tokony fiangonana tokana ihany koa sisa no ijoroana)... toy ny te-hilaza hoe ny fiangonana katôlika ihany no marina... sahy miteny aza hoe 2000 arivo taona tao amin'ny fahadisoana fa rehefa niaiky heloka inona ny olana?... indrisy...

Tokana ihany ny marina dia Jesosy Kristy, Izy no ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay... araka ny voasoratra hoe :

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20


prime :-*=D=D^:^^:^
26. kiranil ( 26/03/2007 17:36)
Rasili>
Ary mino aho fa mpamaky baiboly daholo isika olona rehetra mandray anjara amin\'ity resaka ity!


Sao dia misy fahadisoana izany rasiligaoma satria tsy \"mpamaky baiboly\" izany daholo araky ny voalazanao ny mpandray anjara eto...

Ny olona sasany mandray anjara eto mantsy efa nilaza ampahibemaso eto fa \"boky mirakitra lainga sy anerie io boky io\", ny sasany milaza mazava fa ny tenany aza \"tsy mpamaky\" an\'io akory nefa izy hono kristiana jesuite, ny sasany moa milaza fa \"efa lany andro sy efa laniny tsianjery daholo hono ny ao\", ny sasany indray aza moa milaza fa izy aza \"tsy manana baiboly\" akory, nefa izy hono leo ny resaka baiboly baiboly io ..sns

kanefa ny voamariko dia miara miombon-kevitra daholo ireo olona ireo ary miara-manenjika ireo izay manaja ny Soratra Masina ho avy amin\'Andriamanitra Velona amin\'ny fanenjehany isan\'andro eto @ hoe \"mpitsimpona\", \"mpitanisa\", \"baibolista\", \"mpindrindrangilo\" sns..

Izay no nolazaiko hoe na izy ireo no marina 100% na ny Soratra Masina..

Asa na izaho no tsy mahay mamaky teny intsony na ahoana fa:
TSY MISY RESAKA BAIBOLY EO NA 1 AZA fa resaka FANAHY MASINA SY FAMETRAHANA TANANA


Vakio tsara ny zavatra voalazako fa ny resaka nataon\'i solitika hoe \"Baiboly=fangataham-bola\" no nanoratako io teny io hanazavana aminy fa ny Soratra Masina na Baiboly dia mampianatra fa ny tena fanomezana avy amin\'Andriamanitra dia tsy misy idiran\'ny vola mihintsy fa ny fivavahan-diso isan-karazany na dia milaza fa ao @ kristianisma aza no manao ny mifanohitra @ izany.


Matio 6:24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an\'Andriamanitra sy Mamôna (vola) hianareo.


Ry Ikaretsaka sy ry soanja sy ry Pissoa miteny hoe amin\'ny alalan\'ny Fanahy Masina noraisiny tamin\'ny Sakramenta sy ny filazany am-pitiavana


Ny fanontaniana mipetraka dia hoe inona no votoantin\'ny zavatra lazainy am-pitiavana izany??

Ny hitako hatramin\'izao mantsy dia fanenjehana ireo izay manaja ny Tenin\'Andriamanitra sy ny Soratra Masina ho ampy sy lafatra no ataony isan\'andro eto ka lazainy fa : \"mpitsimpona\", \"mpanao drindrangilo\", \"mpanao pli vava\", \"baibolista\", \"mpitanisa\", \"mpilaza lainga\", \"mpilaza zavatra efa lany andro\" , \"mpilaza dogma\"sns...

Fa ny azoko antoka kosa dia samy handray ny valin\'ny zavatra voalaza rehetra eto isika rehetra na io fanaratsiana na io fanajana.

Matio 12:36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin\'ny andro fitsarana noho ny amin\'ny teny foana rehetra izay ataony.


>>>>>>>>>>>>

Ny tiako tsimpihina manaraka koa dia izao ny fankatoavana ny tenin\'Andriamanitra no hanamarinana ny olona iray fa tsy ny fahainoina izany teny izany fotsiny.


\"Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankato, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin\'ny fitaratra izy\" Jakoba 1.



ohatra raha maheno ianao ny hoe :


\"Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao\" (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin\'ny finoana, izay torinay;

9 satria raha manaiky an\'i Jesosy ho Tompo amin\'ny vavanao hianao ary mino amin\'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin\'ny maty, dia hovonjena hianao.

10 Fa amin\'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin\'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

11 Fa hoy ny Soratra Masina: \"Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy\". Rom 10.


dia inona izany no tokony ho atao??

Misaotra.
27. pissoa ( 26/03/2007 17:59)
:-D:-D:-D

Lasa hafa be ilay dinika --- dia mazoto ery manoratra lava be nefa tsy mamaly fanontaniana akory ! Ny fanontanina nefa tsotra be (ny fanontaniko moa izany e ! )

Ny tena mahagaga ahy mahatonga ahy manoratra an'io foana (nefa tsisy mamaly ankoatra an'i Booboo tatsy ambadika) dia izao : Raha toy ny "Katolika" manaraka "traditions" sy ny fampianaram-pinoana no mizarazara dia tena rariny be ! Fa raha ireo mitonona hoe "Mampiasa Baiboly fotsiny" dia hafahafa ihany.
- Ilay Baiboly ve no mampisaraka sa
- MISY/FENO "hevitr'olombelona" ny arahina ao fa be resaka fotsiny ny sasany na manao tsianjery maimbo ny "Fampianarana" hoe "Baiboly ihany" ?


ny ahy tsy hoe ampy ve ny baiboly sa tsia - tsy hoe mamaky baiboly ve rakoto sa tsia - fa fotsiny hoe maninona no mampiasa "baiboly fotsiny" nefa misaratsaraka ?
28. kiranil ( 26/03/2007 21:09)
pissoa> aleoko aloha mazoto toy izay kamovavy e.. sa ny anareo mifanohitra @ zany?

Ny valin\'ny fanontanianao dia ataoko tsotra koa :: \"anontanio benoit..\" :lol:

vazivazy e..

fa izao no anazavako azy angamba mba ho tsotsotra koka...tsy misy ho azon\'ny olombelona izay tena sitrapon\'Andriamanitra voasoratra ao amin\'io Soratra Masina io, raha tsy tarihin\'ny Fanahy Masina izay nampanoratra azy izy.

Izany Fanahy Masina dia tsy ao @ olona rehetra (na dia milaza aza izy hoe kristianina katolika na protestanta sns...) fa ao @ izay manetry tena ka tsy miavonavona fa mitandrina sy mankato ny Tenin\'Andriamanitra izay efa reny.


\"Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankato, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin\'ny fitaratra izy\" Jakoba 1.


Misaotra.
29. xxx ( 26/03/2007 21:14)
22 Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankato, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;

24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.

25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.

26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
30. cutie ( 26/03/2007 21:17)
misaotra anareo :lol::lol::lol::lol:
31. Solitikabe ( 26/03/2007 22:38)
Dia asanareo rey olona, an
Na marina na tsy marina ny baiboly dia tsy azo lavina fa ampiasan'ny antokon'olona hanangonan-karena. Mayole, Vatican, Billy Graham, Daoda sy ny sisa tsy voatanisa.
Eny fa na dia taloha aza tsy naka vola ny mpianatra sy ny tariny.
Saingy izay tsy mahita izany dia mety minia mikipy, na voafitak'ilay fikipina. Misy ny fiteny hoe tsy misy olana tsy adino rehefa mikipy, ka ny torimaso no fahasambarana.
32. naughtyboy ( 26/03/2007 22:47)
misy toko ny usurpation @ io resaka baiboly io na reny fanjanahantany sy fampitombona ny toekareny reo tandrefana taonjato maro2 zay aza de milaza io nefa lay hafatra voalaza ao de tsy maty any ampo ny olona
zay nandray Azy noho zany tsy faty antoka daoly akory no nentiny baiboly.
33. ikaretsaka ( 27/03/2007 00:42)
Solitikabe:

Baiboly = Fitaritana akama = Fangataham-bola sy fananana tsy ilana fandaniam-bola be,
Mandrimandria hoy izy fa akako vola. Aza mitraka fa miankohofa, ary aza mijery fa mikipia. Dia heritrereto ny fiadanana mandrakizay, ary arotsay ny rakitra sy ny 10% ny harena raha misy. Izaho tsy mitatatra fa mitoriteny dia vita ny telovolana.
Ahahahahahahahahahahahhaha


dia mampalahelo ary tokony tsy odiana fanina fa dia misy manao an'io tokoa an:roll:
34. ikaretsaka ( 27/03/2007 00:53)
pissoa:
ny ahy tsy hoe ampy ve ny baiboly sa tsia - tsy hoe mamaky baiboly ve rakoto sa tsia - fa fotsiny hoe maninona no mampiasa "baiboly fotsiny" nefa misaratsaraka ?


efa tsy mianona @baiboly fotsiny intsony izy ireo fa manampy izay hevitry nytenany manokana.. saingy tsy azo tenitenenina:wink:
fa lasa "unconvenient truth"
35. LazaDaddy ( 27/03/2007 03:42)
ikaretsaka:
efa tsy mianona @baiboly fotsiny intsony izy ireo fa manampy izay hevitry nytenany manokana.. saingy tsy azo tenitenenina
Misaotra an'Ikaretsaka fa dia aleo tokoa "mifikitra @ Tenin'Andriamanitra voambara ao @ Baiboly" toy izay ampiana hevitr'olombelona:)

:arrow:Scripture alone, the Word that became flesh and dwelt among us.
36. ikaretsaka ( 27/03/2007 03:58)
Scripture alone, the Word that became flesh and dwelt among us


could "The Word that became flesh and dwelt among us" be contained in a book?
is He still dwelling or Has he dwelt?


izay no tsy azo dia hametrahana fanontaniana

pissoa:
Raha toy ny "Katolika" manaraka "traditions" sy ny fampianaram-pinoana no mizarazara dia tena rariny be ! Fa raha ireo mitonona hoe "Mampiasa Baiboly fotsiny" dia hafahafa ihany.

- Ilay Baiboly ve no mampisaraka sa
- MISY/FENO "hevitr'olombelona" ny arahina ao fa be resaka fotsiny ny sasany na manao tsianjery maimbo ny "Fampianarana" hoe "Baiboly ihany" ?


eo tsika zao.. azon'i laza?
37. LazaDaddy ( 27/03/2007 04:05)
Baiboly Tokana, fiangonana maro


1) Ny Tena Baiboly mirakitra ny Tenin'Andriamanitra dia tokana.

2) Ny "baiboly" ampiasain'ny fiangonana samihafa dia samihafa tokoa fa TSY TOKANA.
Ohatra
Ny an'ny Katolika sy Temoin de Jehovah misy an'izany "Apocrypha" izany, ny an'ny "Mormon" misy an'izany "Lost Gospel" izany... Ny Baibolin'ny fiangonana sasany milaza fa "Fanambaran'i masindahy Joany" ny Apokalipsy, ny hafa kosa milaza fa "Fanambaran'i Jesosy Kristy ny Apokalipsy.

3) Tsy mila azavaina fa raha samihafa toy izany ny "baiboly" dia tsy mahagaga raha maro "karazana" ny fiangonana.
38. LazaDaddy ( 27/03/2007 04:13)
Raha toy ny "Katolika" manaraka "traditions" sy ny fampianaram-pinoana no mizarazara dia tena rariny be
Tsy izay ve no nampizarazara azy io sy nampisintaka ny zana-piangonana isan-karazany niala tao? Ary na ireo mijanona ao koa aza dia misy tsy fitoviana goavana ("fanamasinana" fanambadian'ny mpifanelaka, fanambadian'ny pretra, sns...)

39. pissoa ( 27/03/2007 06:44)
LD : ny katolika hoa, raha misy fisaratsarahana aza na tsy fitoviana hevitra dia tsy mahagaga ahy mihitsy ... ny an'ny Katolika efa ataony mazava fa tsy "Baiboly ihany" izany ny azy !

LazaDaddy:

1) Ny Tena Baiboly mirakitra ny Tenin'Andriamanitra dia tokana.

2) Ny "baiboly" ampiasain'ny fiangonana samihafa dia samihafa tokoa fa TSY TOKANA.
Ohatra
Ny an'ny Katolika sy Temoin de Jehovah misy an'izany "Apocrypha" izany, ny an'ny "Mormon" misy an'izany "Lost Gospel" izany... Ny Baibolin'ny fiangonana sasany milaza fa "Fanambaran'i masindahy Joany" ny Apokalipsy, ny hafa kosa milaza fa "Fanambaran'i Jesosy Kristy ny Apokalipsy.

3) Tsy mila azavaina fa raha samihafa toy izany ny "baiboly" dia tsy mahagaga raha maro "karazana" ny fiangonana.


Izany hoe misy tsy Tenin'Andriamanitra akory izany no ampiasain'ireny fiangonana be da be ireny fa be lainga amiko fotsiny nareo reo rehefa miresaka eto ?! Satria samy milaza ho tena mampiasa baiboly tsisy fangarona daolo, ary manizingizina fa Baiboly = Tenin'Andriamanitra tsy hanampiana tsy hanalana. :-D:-D:-D

Mba fanontaniko amin'i LD fa i LD nilaza anaram-piangonana be da be ary samy alehany : Tena tenin'Andriamanitra daholo ve no miasa ao amin'izy rehetra araka io fanazavanao io sa "hevitr'olombelona" araka ny fiantsoanao ny finoan'ny Katolika ? :-D:-D:-D

Kiranil : raha mazoto amin'ny zavatra tsisy ilavana azy dia aleo ihany tsy mazoto ka :wink::-D:-D:-D
40. LazaDaddy ( 27/03/2007 07:09)
pisoa:
ny katolika hoa, raha misy fisaratsarahana aza na tsy fitoviana hevitra dia tsy mahagaga ahy mihitsy ... ny an'ny Katolika efa ataony mazava fa tsy "Baiboly ihany" izany ny azy
1) Ny mahatonga ilay fizarazarana resahinao dia avy ao amin'ilay fiangonana reniny, ka tsy tokony ahagaga anao koa izany raha mitohy ankehitriny :)

2)ireny fiangonana be dia be ireny dia fiangonana iray tao @ fiangonana Katolika no nizarazara. Matoa nisy ny fizarazarana dia nisy tsy fitovian-pijery tao ary ny fahasamihafan'ny Baiboly anisan'izany. Noho izany aloha dia diso ilay lohahevitra hoe "Baiboly tokana" satria dia samy manana ny "baiboliny" araka io nambarako etsy ambony io.
pisoa:
"hevitr'olombelona" araka ny fiantsoanao ny finoan'ny Katolika ?
izaho aloha tsy nilaza izany fa miampanga lainga ianao eto, na mety tsy azonao ny nambarako, kanefa tsy hitanako alahelo aminao akory izany sanatria :)
Ny nambarako ary hamafisiko dia izao: "avy amin'olombelona ny doctrine"



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6143