Baiboly Tokana, fiangonana maro

41. ndrena ( 27/03/2007 07:21)
Tokana ny baiboly ary inoana fa tenin'Andriamanitra raha tena Kristiana marian no mamaky azy.NY mahatonga ny fiangonana mareo dia ny tsy fitoviankevitra eo @izay lazain'A/tra.Raha ny herin'ny tena sy ny fianarana izay norantovina fotsiny mantsy no enitna hijerena an'io baibvoly io dia mivoana @ izay tian'A/tra hambara izany.Ka eo @ io fiverenana @ fanaovana tanteraka ny sitrapon'A/tra io no mahatonga ny fijoroan'ny fiangonana maro izay antsoina hoe "Secte" @ izao fotoana izao.Misy ny secte tsara ary tsy laviona fa misy koa ireo mùivoana araka ny fanazavana teo aloha io.Ny tena Fiangonana marina mantsy dia tsy maintsy mahatsapa ny fiainan'ny mpino t@ andron'ny &apostoly:fifankatiavana;heri'ny Fanahy masina,fahamasinana,fitoriana ny tenin'A/tra.....sy izay mifanaraka @ izay.Koa aza ny fampianaran'ny fiangonana re no entina eto fa aoka izay tian'A/tra hambara sy hohita eo @ fiainantsiak no hatao a!Ny doctrine n'n,y fiangonana koa samy manana ny azy noho io antony io.Fa ny hitsarana azy dia hoe hamarinin'A/tra ve izany @ alalan'ny teniny dia ny baiboly.Tandremo sao hiharan'ilay tenin'i Jesosy ao @ Apokalypsy manao hoe:izay manampy ity tenin'ny faminaniana ity dia ampian'A/tra koa ny loza voasoratra ao ho azy ary koa raha misy manaisotra ny tenin'ny faminaniana dia hesorin'A/tra koa ny anjarany ao @ hazon'aina.Ampy ary feno mantsy ny tenin'A/tra ary tsy azo tovonana fampianaran'ny fiagonana na fampianaran'olombelona.
42. LazaDaddy ( 27/03/2007 07:28)
ndrena> hoy aho hoe:

1) Ny Baiboly mirakitra ny Tenin'Andriamanitra dia tena TOKANA.

2) fa ny "baiboly" ampiasain'ny fiangonana samihafa dia samihafa tokoa fa TSY TOKANA.

Ohatra
Ny an'ny Katolika sy Temoin de Jehovah misy an'izany "Apocrypha" izany, ny an'ny "Mormon" misy an'izany "Lost Gospel" izany... Ny Baibolin'ny fiangonana sasany milaza fa "Fanambaran'i masindahy Joany" ny Apokalipsy, ny hafa kosa milaza fa "Fanambaran'i Jesosy Kristy ny Apokalipsy.
43. pissoa ( 27/03/2007 08:06)
LD :

1) Ny mahatonga ilay fizarazarana resahinao dia avy ao amin'ilay fiangonana reniny, ka tsy tokony ahagaga anao koa izany raha mitohy ankehitriny

:-D:-D:-D
Raha mbola nihazona ilay "Tsy Baiboly ihany" ireo niala tao an-dreniny, dia ie - avy amin'ny reniny ny fizarazaran-dry zareo toy io. Fa rehefa nitsipaka ny reniny kosa, ka milaza tsy mtisahatra fa "Baiboly ihany" dia tsy avy ao amin'ny reniny intsony izany ka ... raha tsy hoe mandainga miteny an'io "Baiboly ihany" io fotsiny, nefa kay tsy io akory :-D:-D:-D

izaho aloha tsy nilaza izany fa miampanga lainga ianao eto, na mety tsy azonao ny nambarako, kanefa tsy hitanako alahelo aminao akory izany sanatria
Ny nambarako ary hamafisiko dia izao: "avy amin'olombelona ny doctrine"

OK - sorry raha diso ny fandraisako azy ! Fa valio amin'izay le fantaniana ary e ... ahitsiko kely :

Mba fanontaniko amin'i LD fa i LD nilaza anaram-piangonana be da be ary samy alehany : Tena tenin'Andriamanitra daholo ve no miasa ao amin'izy rehetra araka io fanazavanao io sa misy/feno "hevitr'olombelona" ? :-D:-D:-D
44. prime ( 27/03/2007 10:35)
pissoa:
Fa hatramizao mbola tsy azoko ihany ilay mampisaratsaraka nefa mampiasa "baiboly" FOTSINY daholo ! Sa baiboly samy hafa ? Misy mivavaka Asabotsy, misy Alahady. Misy manao Batisa ankizy kely, misy miziriziry fa olon-db ihany ... Sao be resaka daholo fotsiny mantsy hoe "Tenin'Andriamanitra" ihany fa rehefa atao ny fandinihana dia tsy ny baiboly izany akory no tena arahina fa ny fahazahoan'ilay pasitera nanangana fiangonana ny baiboly ! Hevitr'olombelona ny fiantsoanareo azy eto amin'ny forum (saingy za tsy tia mampiasa an'io teny io )
... Tsy ny fampiasàna baiboly no mampisaraka fa ilay rain'ny mpampisaraka efa niasa hatramin'izay, eny fa na teo anivon'ny fiangonana aza, dia i satàna... (hatrany @ Adama sy Eva dia izany no lohan'asany dia ny hampisaraka ny olona amin'Andriamanitra), ilay rain'ny lainga tsy mitsahatra ny miasa... ary tsy voatery hoe ilay misitaka foana no fitaovan'i satàna fa mety ilay nisitahana ihany koa, ataony mihamafy fo manamarin-tena... (fa raha nisy ny tena nanenjika an'i Kristy dia ny fariseo sy ny sadoseo ary ny mpanora-dalàna, nefa ireo no fikambanam-pivavahana nisy tamin'ny fotoan'andro ary nihevitra ho mijoro tsara tao amin'ny lalàn'i Mosesy...) indrisy nefa...
45. Rasiligaoma ( 27/03/2007 11:58)
LazaDaddy:



1) Ny Tena Baiboly mirakitra ny Tenin'Andriamanitra dia tokana.

2) Ny "baiboly" ampiasain'ny fiangonana samihafa dia samihafa tokoa fa TSY TOKANA.
Ohatra
Ny an'ny Katolika sy Temoin de Jehovah misy an'izany "Apocrypha" izany, ny an'ny "Mormon" misy an'izany "Lost Gospel" izany... Ny Baibolin'ny fiangonana sasany milaza fa "Fanambaran'i masindahy Joany" ny Apokalipsy, ny hafa kosa milaza fa "Fanambaran'i Jesosy Kristy ny Apokalipsy.

3) Tsy mila azavaina fa raha samihafa toy izany ny "baiboly" dia tsy mahagaga raha maro "karazana" ny fiangonana.


Izao ary:
izay fiangonana rehetra nampiasa baiboly TSY TOKANA toa tsy nisaratsaraka be, fa hoe Katolika izy die katolika izy izay, Mormons izy dia Mormons izy izay,

Fa izay nampiasa TOKANA dia betsaka sy mizarazara : FJKM e, Loteranina e, Tanin'anandranoe, Pokalipsia e, Batista Voalohany, faharoa, fahatelo e, Adventista e , Methodista voalohany sy faharoa e, Church of christ amin'izao sy international e, Foyer evanjelika e,


Dia miverina @ ilay tenin'i Ramatoa Pissoa sy I Seforera Karetsaka hoe raha ny TSY TOKANA no mizara dia mba logique ihany

nefa ireto tokana no hoe mizarazara..... fa ahoana ary?
46. LazaDaddy ( 27/03/2007 13:58)
Rasiligaoma:
izay fiangonana rehetra nampiasa baiboly TSY TOKANA toa tsy nisaratsaraka be, fa hoe Katolika izy die katolika izy izay, Mormons izy dia Mormons izy izay,

Fa izay nampiasa TOKANA dia betsaka sy mizarazara : FJKM e, Loteranina e, Tanin'anandranoe, Pokalipsia e, Batista Voalohany, faharoa, fahatelo e, Adventista e , Methodista voalohany sy faharoa e, Church of christ amin'izao sy international e, Foyer evanjelika e,
Tsy azoko ny tianao ambara fa raha ny tianao anontaniana angamba dia mitovyamin'izao:

Samy misy "Apocrypha" ny Baibolin'ny Katolika sy Temoin de Jehovah kanefa maninona no misaraka ireo "fiangonana" ireo? Sa iray ihany izy ireo?
47. ikaretsaka ( 27/03/2007 14:44)
Laza: modiana tsy azo nefa azo sy mazava be izao..you an! :wink:


Fanamarihana kely: samy mampiasa apocryphes izy 2 ireo: Ny kato sy ny TJ.. fa samihafa koa ny apocryphes ampiasainy... mbola latsaka lavitra be nohon'ny ampiasain'ny kato ny ampiasain'ny TJ

Fa ny tiana hahatongavana foana anie de tsotra e: aleo indray paraphrasena ny an-dry Rasiligaoma sy ry pissoa fa ny masonao moa anarany no efa 4 nefa tsy hainao ihany ny mamaky tsara azy..(asa maninona angaha) (vazivazy 1 andalana e)

ireny nampiasa tsy tokana tokoa fa hatramin'izao aloha tsy nisy mihitsy hoe ..katolika 1st sy katolika second fa katolika izy de katolika.. nefa raha ny tokony ho izy dia izireo izay mampiasa tsy tokana no tokony hoe hisaraka be
tsy nisy koa hoe TJ 1 na TJ 2



fa ilay mampiasa tokana: no ooooooay eeee.. misaraka atsy misampana aroa...
fa dia ahoana ary?
izay no nanokafako ity lohahevitra ity

dia ny eritreritro dia hoe .. sao lahy mampiasa samihafa koa fa tsy ankiteniteny?
48. LazaDaddy ( 28/03/2007 00:07)
noheveriko fa misy ny hoe katolika grika orthodox sy katolika romanina (tsy orthodox) sy ny anglikanina, sa tena misy ireo? Kanefa ireo toa mampiasa baiboly mitovy ihany koa?
49. ikaretsaka ( 28/03/2007 00:34)
de normal sy understandable anie ny azy hoa raha misy an zay eee.. satria ny azy efa fantatra fa tsy tokana ...

fa ilay tokana no tsy normal... efa tokana nefa misaraka! :roll:
50. Solitikabe ( 28/03/2007 04:17)
Ka tsy olona iray ry karetsaka no mitory ny baiboly an. Fa olona samy hafa loha ka tsy mahagaga raha misy misaraka an.
Olona roa aza no manorina tokatrano iray nefa misaraka koa maika fa olona 1000 tapitr'isa no mampiasa ny baiboly iray.
51. pissoa ( 28/03/2007 06:22)
LD : :-D:-D:-D
Efa hoe tsy mahagaga raha ny olona tsy manaraka ny "Baiboly ihany" no misaraka ... fa ireo mampiasa "Baiboly ihany" nefa no hita tena maniry beeee no tsy azo :):-D:-D:-D

ary zah tsy novaliany tsony an :-P
pissoa:
Mba fanontaniko amin'i LD fa i LD nilaza anaram-piangonana be da be ary samy alehany : Tena tenin'Andriamanitra daholo ve no miasa ao amin'izy rehetra araka io fanazavanao io sa misy/feno "hevitr'olombelona" ?


(Efa mazava angamba ny tiako ambara e --- )
52. Rasiligaoma ( 28/03/2007 12:23)
Pissoa: ka mbola tsy hainy aloha ny mamaly azy "izao", na hainy ihany fa tsy te hilaza ny marina izy
io ilay hoe " Verité derangeante" e!
BOF!
53. ikaretsaka ( 31/03/2007 22:48)
Mba fanontaniko amin'i LD fa i LD nilaza anaram-piangonana be da be ary samy alehany : Tena tenin'Andriamanitra daholo ve no miasa ao amin'izy rehetra araka io fanazavanao io sa misy/feno "hevitr'olombelona" ?


mbola tsy voavaly o!
54. prime ( 03/04/2007 07:53)
ikaretsaka: Hono ho aho, raha tokana ny katô, satria izay no tianao tsipihina, ahoana no misy ny ny katô ortodoksa, manana ny papany... raha tokana ny katô naninona no nisy papa roa, telo indray nitondra tamin'ny fotoana iray dia nifanenjika ho papa sy anti-papa??? nefa baiboly tokana ihany koa no nampiasaina...
55. tsiafoi1 ( 03/04/2007 12:19)
Eto ampiasana moa ka tsisy baiboly. Omeko manaraka ihany anefa ny verset. Fa indro ilay tenin'ny mpaminany Isaia manao hoe : "Amin'izany fotoana izany dia hisy vehivavy fito, hiazona lehilahy iray, ka hiteny hoe : Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny fitafianay ihany no hotafinay, fa raha azo atao, dia tonony amin'ny anaranao izahay mba ho afa-tondromaso"

Faminaniana io. Ny VEHIVAVY dia tandidon'ny FIANGONANA ao anaty Soratra Masina, ary ny isa FITO dia maneho FAHAMAROANA na FAHAFENOANA.

Raha adika tsotra, dia hisy FIANGONANA MARO, izay hotononina amin'ny anaran'i JESOA KRISTY daholo izy ireo, saingy izay tian'izy ireo hatao ihany no hataony, izay tiany hotafiana ihany no hisalorany, fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fahafenoany

Fa iray ny TOMPO, iray no ANDRIAMANITRA, iray ny MPANALALANA dia JEOSA KRISTY. Tsy tokony hisy ny karazam-pivavahana, fa tokony IRAY IHANY NY FINOANA raha ny BAIBOLY NO ARAHINA ANTSAKANY SY ANDAVANY.
AOKA HO MAILO FA LOSIFERA SY NY ANJELINY DIA FETSY KA MIAFINA ANY AMBADIK'IRENY KARAZAM-PIVAVAHANA IRENY!!!
56. fijo ( 04/04/2007 22:42)
izao ry zareo an,mampiady ary natao hampiady sy hiadivana io resaka finoana io,ka mba hatsaharo fa ratsy io.
57. ikaretsaka ( 04/04/2007 23:52)
prime:

ikaretsaka: Hono ho aho, raha tokana ny katô, satria izay no tianao tsipihina, ahoana no misy ny ny katô ortodoksa, manana ny papany... raha tokana ny katô naninona no nisy papa roa, telo indray nitondra tamin'ny fotoana iray dia nifanenjika ho papa sy anti-papa??? nefa baiboly tokana ihany koa no nampiasaina...


fa isao izy ireo miaraka @ zanaky ny prot e
de jereo hoe ia ro betsaka
58. prime ( 06/04/2007 09:52)
ikaretsaka> Ka ny resaka etoana anie raha ny fahafantarako azy tsy fanamarinam-piangonana hoe iza no betsaka dia ireny izany diso na hoe iza no vitsy dia ireny izany no marina fa hoe "ahoana re no mahatonga ny fiangonana misarantsaraka?..." sa ts'izany moa? sa efa misy hevitra tiana ahatongavana?...

Izany no nahatonga ahy niteny hoe, "...Tsy ny fampiasàna baiboly no mampisaraka fa ilay rain'ny mpampisaraka efa niasa hatramin'izay, eny fa na teo anivon'ny fiangonana aza, dia i satàna... (hatrany @ Adama sy Eva dia izany no lohan'asany dia ny hampisaraka ny olona amin'Andriamanitra), ilay rain'ny lainga tsy mitsahatra ny miasa... ary tsy voatery hoe ilay misitaka foana no fitaovan'i satàna fa mety ilay nisitahana ihany koa, ataony mihamafy fo manamarin-tena... (fa raha nisy ny tena nanenjika an'i Kristy dia ny fariseo sy ny sadoseo ary ny mpanora-dalàna, nefa ireo no fikambanam-pivavahana nisy tamin'ny fotoan'andro ary nihevitra ho mijoro tsara tao amin'ny lalàn'i Mosesy...) ary mampiasa olona maro satàna amin'izany... indrisy..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3445