ny siansa

1. soanja ( 22/03/2007 00:14)
"Hatramin'izay dia nisy ny aizina sy ny alina. De hoy Andriamanitra hoe Misia i Newton, de nisy ny mazava".

Ekenao ve io sa tsia?
novalian'i soanja ny 01/04/2007 00:28
2. ikaretsaka ( 22/03/2007 00:41)
Za aloha tsy manaiky e
asa na amin'izaho "old school" ngamba fa ilay izy aza efa "new"ton ko
3. xxx ( 22/03/2007 00:42)
Ary aiza ny andro? sa natory foana ve talohan'ny nahatongavan'ingahy Newton??

De hoy Andriamanitra hoe Misia i Newton, de nisy ny mazava".


dia midika hoe Newton=Mazava.

nefa Newton efa maty===> tokony tsy hisy mazava tsony zany.

Fehiny:: Tsy azoko ny tena tanjon'ny mpanokatra ny adi-hevitra.. hilaza ve hoe olona sy ny siansa-ny no nitondra ny mazava??

4. LazaDaddy ( 22/03/2007 01:46)
soanja:
De hoy Andriamanitra hoe Misia i Newton, de nisy ny mazava".


"Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona." Ezekiela 22:28
5. Fiffi ( 22/03/2007 06:11)
Newton no tsy azoko.....
6. prime ( 22/03/2007 06:20)
soanja> Tsy ekeko io...:-D:-D

Hoy i Kristy :

\"Ary Jesosy niteny tamin\'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan\'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin\'ny maizina, fa hanana ny fahazavan\'aina.\" Jaona 8:12... io no ekeko...

Ny siansa dia siansa, Andriamanitra dia Andriamanitra... sa ahoana hoy ianao?
7. rakaroka ( 22/03/2007 06:41)
Ny famaritana ny hoe "Mazava" mihitsy no samy manana ny hiheverany izany! Tandremo fa ny "mazava" amin'ny sasany mety ho 'aizina amin'ny hafa!:roll::?::idea::wink:
8. prime ( 22/03/2007 07:00)
rakaroka> Ekena... fa eto soanja manoritra manokana ny herin'ny siansa izay anaovany sary avy amin'ny Tenin'Andriamanitra... ka raha ny Tenin'Andriamanitra no raisina dia tokana ihany no tena mazava na dia samy manana ny andraisany azy avy aza...
9. rakaroka ( 22/03/2007 08:48)
Ny fanombohan-tenin'i Soanja eto anie dia hoe "hatramin'izay dia nisy ny maizina sy ny alina. Ka ny sarin'ny mazava dia ny "contrasten'izany no" ...miako voalohany ao an-tsaina hoe mbola tsy ni"fonctionne"
ve t@ izany ny système solaire, ny tany mihodina sns
nahatonga ny "effet" hoe alina,sns.
Ary na niteny aza izy hoe misy "Mazava" ,mbola misy foana anie ny haizina sy ny alina ka ny alina izany tsy Atra na i Newton no nanao izany?...:roll::roll::?:
10. prime ( 22/03/2007 10:14)
rakaroka> Miharo zavatra lalina kokoa noho izany no tian'i soanja entina raha ny fahitako azy... Aoka izy no hanitsy raha toa ka diso izao filazako azy izao, manao hoe i Newton no nitondra fahazavàna hafa noho izay noeritreretin'ny olona rehetra sy ny baiboly... ao anatin'izany ny fahazavàna ara-tsiansa (lumière), ny fahazavan-tsaina (raison), ny fahazavam-po (pureté...), ny fahazavam-panahy (spiritualité...)

Rehefa tena halalinina nefa izany dia mihamanakaiky ny vohin-kevitra vohizin'i Newton sy ny fikambanany izay tsy zoviana amin'ny olona rehetra dia ny francmaçonnerie...

Izay no mahatonga ahy mamerina amin'ny hoe, i Kristy irery no fahazavàna marina, sady voamarina ara-tsoratra masina no sady Izy tenany mihitsy no nilaza izany...

Ka tsy resaka loatra système solaire angamba no tian'i soanja ahatongavana... nefa raha izany tokoa moa dia ialàko tsiny fa aleo hiverina amiko ireo fanamarihana ireo...
11. Imahaka ( 22/03/2007 10:31)
prime:

soanja> Tsy ekeko io...:-D:-D

Hoy i Kristy :

\"Ary Jesosy niteny tamin\'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan\'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin\'ny maizina, fa hanana ny fahazavan\'aina.\" Jaona 8:12... io no ekeko...

Ny siansa dia siansa, Andriamanitra dia Andriamanitra... sa ahoana hoy ianao?


Andriamanitra anefa siantifika ihany koa

12. booboo ( 22/03/2007 11:35)
-fa inn lé maizina, alina ary mazava resahina kay ?
-fa maninona no Newton no noraisina ho réf. fa tsy manam-pahaizana hafa talohany ohatra ?


Fehiny:: Tsy azoko ny tena tanjon'ny mpanokatra ny adi-hevitra..


Mba asio indices hafa bebe kokoa eeeeeeeee
13. rakaroka ( 22/03/2007 12:24)
Ka marina mihitsy hoe "vague" Bbbe ny fiheverana ny hazavana. Araho tsara izao:
"Ry havana malala : hiara hamaky ny tenin'ny siratra masina isika: izany dia ho hitanreo ao @ Genesisy 1:
"Ary Atra nanao hoe Misia ny mazava...dia nisy ny mazava..." hitan'Atra fa tsara izany, ary ny mazava nataony hoe "ANDRO" dia avy eo ilay izy ovaina indray
araka ny filazantsaran'i Jaona fa "Jesoa ny fahazavana: VERY tanteraka izahay amin'izay tian-ko ho lazaina marina...Lazao izay tena marina e:roll:8O:idea::wink:
14. rakaroka ( 22/03/2007 12:36)
Raha hiresaka "mazava" izany @ olona izao: ny jiro mirehitra, ny masoandro , ny fahalalana koa angamba,sns...Izay samy "tsy diso" aby izany ka manahirana no hitory hoe tsy "mazava" fa Kristy ihany no azo antsoina hoe "mazava" tant que tsy tsapany akory ny existencen'ilay Kristy! Tsy hita izay handraisana ilay "fiheverana" @ izay fotoana fa mbola mila hazavaina indray na dia nofaritana aza fa
izany no "Mazava"::roll::roll::idea::wink:
15. Zina ( 22/03/2007 14:51)
Hatramin'izay dia nisy ny aizina sy ny alina. De hoy Andriamanitra hoe Misia i Newton, de nisy ny mazava".


Misia ve Newton dia lasa mazava no nisy fa tsy i Newton????
entre pa aloha e ilay Newton ve olona sa zavatra?
Isaac Newton mantsy no mba fantatro hihihi

Izay rehefa tsy mifanaraka amin'ny tenin'Andrimanitra dia TSY mba ekoko mihitsy...

16. rakaroka ( 22/03/2007 15:05)
Eny tokoa wà , ka tsy ry "Ampère" "Volt" "Pascal"..
nahita ny éléc ireny ve no tokony "cité-na koa?...
Ry BillGate koa aza,...Heu...ry Hery Websera tsy hadino:lol::lol:...
satria raha tsy nisy izany tsy voazava toa izao ny hevitra maizina rehetra knou:8O8O:roll::-D:-D
17. soanja ( 22/03/2007 15:16)
Asiako fanamarihana kely fa raha nisy ny alina dia nisy ny andro maraina misy masoandro. Tsy izay!
18. Zina ( 22/03/2007 15:20)
soanja ie, niteny fotsiny Andriamanitra dia nisy ireo.
fa ilay Newton no mba tiako azavain-njy kely raha tsy maha-diso fa tsy aiko retsy a :wink:
19. soanja ( 22/03/2007 15:25)
aleo alo jerena daholo zay hevitra dia hilaza ny hevitro aho ka. Efa kely anie sisa dia ho hazava le izy e. :D
20. rakaroka ( 22/03/2007 15:30)
Raha itodihana ny "sujet" dia tahaka ny miteny hoe
nitondra hazavana ny fikarohana nataon'ingahy Newton!
Ié misy "théorie" nazavainy kosa aloha : Heu...tsy nazava izany teo aloha fa nampazava ny fikarohana nataony t@ io domaine io! ka "contrairen'ny "ignorance" koa hoe "azo"=MAZAVA:
mitombina izany!:idea::idea::wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1286