Fisolokiana Lehibe ny kristianisma!

1. tsimiandravola ( 19/03/2007 21:21)
Annnée 1520: Déclaration du pape Léon X (1475 à 1521) : "On sait de temps immémorial combien cette fable de Jésus-Christ a été profitable à nous et à nos proches." [Quantum nobis nostrisque ea de Christo fabula profuerit, satis est omnibus seculis notum.] La haute hiérarchie catholique de l'époque ne croit pas en l'histoire du Christ mais utilise cette légende pour convertir les masses.

Io dia nalaiko tato http://www.bible.chez-alice.fr/

Mba handresenao lahatra ny tenanao mpino dia diniho ary fakafakao tsara koa ity: :lol:

Le grand nettoyage

Les chrétiens ont eu presque 2000 ans pour "nettoyer" l'histoire...

2000 ans de mensonges.
novalian'i Fiffi ny 24/03/2007 19:21
2. piste ( 19/03/2007 22:23)
Dia forony koa ny hafa fa mbola tsy ampy io.
3. tsimiandravola ( 19/03/2007 22:40)
piste:

Dia forony koa ny hafa fa mbola tsy ampy io.

Ilay hoe "mbola tsy ampy io" tsy maninona fa ilay hoe "forony koa ny hafa" no valiako kely:
Izaho anie tsy namorona e!Ny efa nosoratan'ny olona fotsiny no alefako eto e.
Ohatra fotsiny izao http://www.christianisme.ch/christianisme.htm
Dia hoy aho fotsiny hoe: "lahy ve ianareo e!"??? Raha lahy ianareo dia aza kanosa fa sinkino ny lamba dia fantaro daholo ny arguments n'ny mpanohitra fa aza mamaky "en diagonale".

Ny ahy aloha dia nahatsapa mihitsy aho fa ny an'ny mpanohitra no marina,dia resy lahatra aho dia niaiky.Nefa ve aho tsy ho lazain'ny mpino indray fa "marivo salosana"! Na hoe "tsy manan-kazon-damosina"!Raha izay no avalinareo ahy dia mamelà ahy ianareo hilaza fa ianareo no tena "malemy valahana"!:lol:
Mbola tsy amin'izany aloha isika izao fa mahereza!(l)

4. LazaDaddy ( 19/03/2007 22:54)
tsimiandravola>

1) Tsy ny tenin'ny Leon X akory (raha niteny an'io izy) no manambara ny marina momba an'i Kristy, na dia inoan'ny maro ho "infaillible" aza izy. Ny Tenin'Andriamanitra ao @ BAiboly dia ampy mahalaza Azy tanteraka fa tsy izay avy amin'olona.

2) Raha misy olona tena Kristianina dia tsy handresy lahatra anao velively satria fantany fa tsy anjarany izany fa anjaran'ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahy Masin'Andriamanitra koa dia tsy hanery anao noho ny fitiavany anao.

3) Ny andraikitry ny Kristianina dia mampahafantatra @ fomba mendrika araka ny Fanahy, sy mivavaka ho an'izay tsy mahalala :-*

Andraikitra hoy aho satria adidy io fa tsy safidy.
5. cutie ( 19/03/2007 22:58)
Raha misy olona tena Kristianina dia tsy handresy lahatra anao velively satria fantany fa tsy anjarany izany fa anjaran'ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahy Masin'Andriamanitra koa dia tsy hanery anao noho ny fitiavany anao.

3) Ny andraikitry ny Kristianina dia mampahafantatra @ fomba mendrika araka ny Fanahy, sy mivavaka ho an'izay tsy mahalala

Andraikitra hoy aho satria adidy io fa tsy safidy.

mba nitovy hevitra t@ LD t@ iny :lol:
6. tsimiandravola ( 19/03/2007 23:25)
Ny Tenin'Andriamanitra ao @ BAiboly dia ampy mahalaza Azy tanteraka fa tsy izay avy amin'olona

Ny tenin'Andriamanitra ...ao amin'ny baiboly...

Ka eo ange ilay resaka ê:Na ny baiboly ,na ny Andriamanitra voalaza fa nanoratra azy dia "remis en question".Noho izany sujet de discussion ireo fa tsy argument fanohanan-kevitra.Dia eritrereto amin'izany ange ny fahasahiranana amin'ny firesahana amin'ny mpino e!Io no atao hoe "raisonnement circulaire": Marina ny voalazan'ny baiboly satria hoy ny baiboly hoe marina ny voasoratra ao amin'ny baiboly.
Dia io ange ilay lazaiko hoe mba nandia fianarana ihany leiretsy fa aza sanàna ah!

7. cutie ( 19/03/2007 23:26)
:-D:-D:-D:-D:-D
8. LazaDaddy ( 19/03/2007 23:27)
=)) ny fomba firesak'i tsimiandravola dia toy ny miteny izy fa ny rohy arosony tsy "remis en question" =))
9. piste ( 19/03/2007 23:33)
Tsotra ilay izy ry Tsimiandra, ialahy dia "tsy mpino" mpanara-damaody. Mpanara-damaody satria manaraka izay lainga rehetra afafin'ny olona izao. Angah izy ity rehefa hita @ sit dia marina avokoa. firifiry ny lainga momba ny tantaran'i M/ka hitako @ sit.
Ary io sit hitanao io dia an'ny athée ka tsy mahagaga ny fironan'ny heviny. Raha mba nianatra ihany anefa dia tsy mianona @ information iray fa manadihady tsara. Ka mba jereo koa re ny Doc. Catholique momba io. Sa efa tsy mpino inareo dia izay argument mahametimety anareo no tadiavina. Dia mazotoa rangah. Izay ange no averiko matetika eto é. Mba anontanio tsara ny tenan'ialahy raha tena tsy mino marina ingahy, ary inona ny antony. Hita fa tsy zakanareo ny mipetraka any Frantsa any. Hanaraka adalam-bazaha rehetra io satria izay no atao hoe fivoarana. Pauvre!
Raha tena vonona hifandahatra amiko ianao dia ny hevitrao no andrasako fa aza mitady ny any an-kafa fa tsy voafehinao akory.
10. tsimiandravola ( 19/03/2007 23:44)
Inona ary ny lamaody? AT sa agnostique,sa "sans religion"...?
Ny hevitro dia tsy manaraka be fahatany izay voasoratry ny hafa fa manana ny ahy manokana=amiko ,mety misy ihany angamba ny Dieu,fa tsy i Jehova na i Jesoa na i Mahome na i Boudah mihitsy...Ataoko fa tsy izany mihitsy no filazan'ny AT ka ilazanao ahy ho mpanara-damaody.Ny an'ny gasy no tena lamaody satria ny kristianisma dia miroborobo fatratra any amin'ny ankabeazan'ny tany mahantra .Izany no lamaody amiko.
11. ikaretsaka ( 19/03/2007 23:47)
tsimiandravola> mety koa ange hoe ingahy ihany no dieu an'ingahy e! mandra-piovan'ingahy hevitra!
12. rabilabila ( 20/03/2007 00:00)
Voalaza etsy ambony:
"Ny andraikitry ny Kristianina dia mampahafantatra @ fomba mendrika araka ny Fanahy"

Ny fampiasàna ireto teny ireto :"fomba mendrika araka ny fanahy " dia fanehoana indrindra ny maha-ambony anareo miohatra amin'ny sasany ( na finoana hafa ,na ny tsy mpino , na ny mpandàla ny fomban-drazana ),ary tsipahiko tanteraka .
Tsy "monopole"n'ny kristianina ny fahendrena .Ny olombelona izay ao anatin'ny sokajin'ny mammifères supérieurs dia manana atidoha sy bon-sens fa tsy nila noraràna ,na nampitahorina tsy hahazo ny fanjakan'ny lanitra ,na koa nozonina vao tsy nanao an'itsy sy iry .
Raha ny tantara aza no zohiana dia saiky nalaina tahaka daholo tamin'ny tantaran'i josoa rehefa nandimby an'i Mosesy izy ho any Kanana ( Fandringanana tsy misy hantra ny zaza amam-behivavy sy izay manan'aina rehetra ao anatin'izay tany nodiaviny ary izany rehetra izany noho ny inona ? conquête des territoires , fangalàna harena.......

-Deotoronomia 20:16 Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.

-Jéremia 48:10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


-Josoa 6:21 Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky.

Voalaza etsy ambony koa:

"....Ny Tenin'Andriamanitra ao @ BAiboly dia ampy mahalaza Azy tanteraka fa tsy izay avy amin'olona."...

Ka izao no voalaza ao rehefa tonga i Jesosy :

Lioka 19:27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty, ka vonoy eto anatrehako .

-Lioka 19:44 ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.

- Matio 10:34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

-Lioka12:49 Tonga hanipy afo ety ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?

Ireo dia santionan'ny boky novakian-ndry LeonX,ireo namihàtra ny "génocide" na tany Rwanda ,Ireo mpivavaka maro nitondra an'i Hitler teo amin'ny pouvoir ary ninia-nikipy tamin'ny famonoana ny Jiosy , ny Tziganes , ny sembana ara-tsaina , ny homosexuels....,i Bush sns....
Ka na dia izay fotsiny aza dia miala tsiny aho fa hanohitra hatrany toutes formes de prosélytisme ,tsy hoe sanatria mitazona ny fahamarinana aho ,tsia , fa saingy kosa te hanome fomba fieritreretana hafa mba tsy ho jamban'ny dogmes (kabary tsy valiana ary tsy maitsy ekena ).

13. piste ( 20/03/2007 00:03)
O rakoto ò, ataoko fa talohan'ny nidiran'ny fivavahana kristianina dia nino an'Andriamanitra ny razantsika, ka tsy zava-baovao io tompoko fa efa tao ò. Aiza ary ianareo izany.
Ary betsaka ireo fahendren-drazana no mifanaraka tsara @ valeurs chrétiennes, rah tsy hiteny afa-tsy ny fankamamiana ny Fihavanana aho, ka tsy mahagaga raha miroborobo ilay izy.
Midika izany fa " l'homme, par nature, est un etre religieux". Tsy azo vonoina ao @ olona io hetaheta an'Andriamanitra io satria voajanahary ao aminy. FA samy manana ny fanehoany azy fotsiny.
Satria isika moa nomenan'Andriamanitra fahafahana (liberté) dia afaka mandà Azy ianao, tsy misy an-tery io.
Ary zavatra tsy misy aminao izany anie tokony tsy resahinao eto akory é. Matoa ianao manohitra Azy dia misy ihany izany Izy.
14. ikaretsaka ( 20/03/2007 00:06)
ka izay ange no itenenako hoe tsy credible le izy e
15. rabilabila ( 20/03/2007 00:26)
Mba voavakinareo tsara ve aloha ny resako ?

Ny tsipahiko dia ny fanaovanareo ny tenanareo ho ambonin'ny hafa ,na iza na iza io hafa io.
Izay manana fahendrena dia soa ho azy sy ny mpiara-belona izany ,fa tsy ianareo no détenteur n'ny fomba mendrika ka mila mampianatra ny hafa .

Ny tsipahiko dia ny fitompoanareo teny fatratra hoe :ianareo no mitazona ny fahamarinana.

Tsy fomban'ny "tsy mpino " ny mitady crédibilités fa miala tsiny aho,efa nolazaiko tetsy ambony fa tsipahiko rehefa prosélytisme satria amiko io fomba io dia "insulte à l'intelligence ".
Fa raha te-hiresaka crédibilités isika dia crédible kokoa amiko ny zavatra rehetra novokari'ny siansa mihoatra ny tantaran'i Noé , na koa i Maria virjiny .

16. rabilabila ( 20/03/2007 00:32)
Hofaranako amin'ity ny resako,fehezan-teny izay namaranako adihevitra teny rehetra teny:


" L'athéisme n'est pas une guerre contre les "pauvres chretiens" ,c'est un combat libérateur contre le dogmatisme donc pour la connaissance ,contre l'ignorance , contre l'illusion (le lendemain qui chante...)......"
17. cutie ( 20/03/2007 00:46)
rabilabila a
manohana tanteraka ny aty e :lol::lol::lol::lol::lol:
18. soanja ( 20/03/2007 04:52)
rabilabila:

Voalaza etsy ambony:
"Ny andraikitry ny Kristianina dia mampahafantatra @ fomba mendrika araka ny Fanahy"

Ny fampiasàna ireto teny ireto :"fomba mendrika araka ny fanahy " dia fanehoana indrindra ny maha-ambony anareo miohatra amin'ny sasany ( na finoana hafa ,na ny tsy mpino , na ny mpandàla ny fomban-drazana ),ary tsipahiko tanteraka .
Tsy "monopole"n'ny kristianina ny fahendrena .Ny olombelona izay ao anatin'ny sokajin'ny mammifères supérieurs dia manana atidoha sy bon-sens fa tsy nila noraràna ,na nampitahorina tsy hahazo ny fanjakan'ny lanitra ,na koa nozonina vao tsy nanao an'itsy sy iry .
Raha ny tantara aza no zohiana dia saiky nalaina tahaka daholo tamin'ny tantaran'i josoa rehefa nandimby an'i Mosesy izy ho any Kanana ( Fandringanana tsy misy hantra ny zaza amam-behivavy sy izay manan'aina rehetra ao anatin'izay tany nodiaviny ary izany rehetra izany noho ny inona ? conquête des territoires , fangalàna harena.......

-Deotoronomia 20:16 Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.

-Jéremia 48:10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


-Josoa 6:21 Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky.

Voalaza etsy ambony koa:

"....Ny Tenin'Andriamanitra ao @ BAiboly dia ampy mahalaza Azy tanteraka fa tsy izay avy amin'olona."...

Ka izao no voalaza ao rehefa tonga i Jesosy :

Lioka 19:27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty, ka vonoy eto anatrehako .

-Lioka 19:44 ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.

- Matio 10:34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

-Lioka12:49 Tonga hanipy afo ety ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?

Ireo dia santionan'ny boky novakian-ndry LeonX,ireo namihàtra ny "génocide" na tany Rwanda ,Ireo mpivavaka maro nitondra an'i Hitler teo amin'ny pouvoir ary ninia-nikipy tamin'ny famonoana ny Jiosy , ny Tziganes , ny sembana ara-tsaina , ny homosexuels....,i Bush sns....
Ka na dia izay fotsiny aza dia miala tsiny aho fa hanohitra hatrany toutes formes de prosélytisme ,tsy hoe sanatria mitazona ny fahamarinana aho ,tsia , fa saingy kosa te hanome fomba fieritreretana hafa mba tsy ho jamban'ny dogmes (kabary tsy valiana ary tsy maitsy ekena ).




Voalazanao dia voalazanao rabilabila a. Io no antony tsy andraisako ny baiboly ho 100% fahamarinana saingy KOSA tena misy ao anatin'i baiboly ny tenin'Andriamanitra.

Tsy manaiky ny Dogme aho e. Izay no mampitovy antsika ary ny asa ataonao voalazanao amin'ny farany io koa no asako SAINGY amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra manoloana ny fiainana sy izay voasoratra ka mifanaraka ny ao anaty no "fitaovana goavana" (arahin'asa) no entiko hampafantarana fa misy IZY ary mahery.


19. niryna ( 20/03/2007 06:03)
Fa maninona moa no atao hoe misoloky kanefa aza ny olona hampianarina ny hanao ny tsara lalandava? Tsy voatery hijery ny baiboly ianao vao mahay manao ny tsara na fantatrao fa tsy mety.Io dia hiraisan'ny rehetra na mpino na tsy mpino.Ny tsy hitovizany amin'ny olona tsy mpino dia ny kristiana manana fanantenana (hope) ary ny tsy mino kosa dia manana fanankianana satria mivoaka miditra ,tsy manana fahatokisana ka mitsakatsaka manontany ireo karazana fanontaniana.Izany dia porofo iray fa mahafantatra ny fisiany saingy mitady ny fahagagana vao mino.Raha izaho no tsy mino izany tonga aho dia mipetraka toa ny lamban'ny ikala adala,tsy mivaky loha hanontany.Satria ianao sady tsy mangatsiaka no tsy mafana dia kibokibon'ny marina ka manontany tena.Izahay mino,mahafantatra ny fahasoavana betsaka dia betsaka ary efa nolazaina fa mitoria ny filazantsara ho an'ny rehetra ary dia manantanteraka izany tokoa.Ny hanaraka dia tsy anjaranay fa rehefa tonga ny herin'ny fanahy masina dia hiova ihany ianao.Firifiry tokoa ireo mpanenjika ny fivavahana no voahantso satria tsy tonga hitady ny marina Jesosy fa tonga kosa hamonjy ny mpanonta.
Heverinao fa adala daholo izany ny rehetra raha izany?Efa aman-jatony maro no nanao fikarohana ny handrava ny tempoly ny satana fa tsy aharodana velively,mety misy ary maro no olona voatariny fa tsy aharitra mandrakizay ny fahefany fa misy fetrany.
20. naritsimba ( 20/03/2007 08:48)
Ny finoanao no mahavonjy anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1795