Inona no tombotsoa azoko sy ianao!!!

1. niryna ( 13/03/2007 16:58)
Maninona tokoa ny olona sasany no tsy mety mamela mihitsy e8O.Raha tazomina ao am-po ao foana ny zavatra nataon'ny olona ahy na ianao dia inona no tombotsoa?
Mety tsy nahatadidy ilay nataony taminao intsony ilay olona na mety mody tsy mahatadidy.Inona izany ny fahasoavako hitazomako an'iny ao am-poko lava ao,hitadidy ny efa lasa,hamerimberina ny fahoriana efa nandalo?Mety misy fotoana ianao hiresaka iny olona iny ary hitantara ny fahoriana nandratra anao taminy,mety koa anefa tsy hiresaka iny olona iny intsony ianao koa ahoana no mbola tazomiko ato am-poko ihany.Sarotra be ve ny mifamela?(mamela ilay olona ianao ary mamela ny tenenao tsy mety namela)Eny sarotra ilay izy fa toy ireny mianatra miala sigara ireny ny olona ,izy ihany no manala azy,mety ny torohevitry ny olona manampy fa raha tsy manao izy dia tsy ho afaka.Toy izany ihany koa ny fianarana mamela raha tsy isika mihitsy no mianatra mamela ary mangataka amin'Atra ny hanome hery mba hamela olona dia ireny tenenin'ny namana ireny hoe marary mihitsy.
"tiava ny fahavalona".Afaka manala ny alahelo eto izany isika ka andao hizaha izay vahaolana tena mahatonga ahy sy ianao tsy hamela.Mety mamaly faty ny hafa ny sasany dia inona no tombotsoa raha izany,mety tezitra amin'ny hafa izy dia any amin'ny hafa izy no mamaly ilay hatezerana.Ny fanaovana izany ve maha afaka ilay valifaty dia ahoana avy eo:roll:
novalian'i niryna ny 17/03/2007 05:38
2. nikopol ( 13/03/2007 17:01)
ny tombotsoa dia maivamaivana ny fo rehefa mamaly faty. dia rehefa alohan'ny ho faty mibebaka kely dia avotra ihany
3. ambohimalaza ( 13/03/2007 17:20)
tena tsy solution kosa aloha le mamaly faty e! marina fa mivana ny fo kanefa tsy mety ny saina tsy misy afa tsy ny miresaka tsotra ihany sady madio ny saina ny fo afak'enta-mavesatra sa ahoana hoy nareo.
4. rakaroka ( 13/03/2007 17:23)
Ka misy karazan'olona tsy mahatsapa ny "tsy mety ataony" mihitsy anie, dia raha avelavela fotsiny: tsy hihitsy mihitsy fa "charge" be fotsiny: tahaka ny lahilahy mamolava ohatra! tsotra loatra anie lé hoe "avela ny helony" fa ilay "existance"-ny mihitsy
no manimba na ny tenany na ny vadiny, na ny zanany, na ny tontolo!...Déjà 'ngaha ny "santé"-ny hamela ny helony?:?::roll:
5. xxx ( 13/03/2007 21:01)
ny tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy ahahahih
6. Stretch ( 13/03/2007 21:03)
:roll: :roll:
7. fijo ( 13/03/2007 22:55)
za kosa aloha tsy manaiky ny saiko raha tsy voavaly ze natao ahy e.avy eo mifamela raha tiana.fa mamaly aloha
8. niryna ( 14/03/2007 06:02)
nikopol:

ny tombotsoa dia maivamaivana ny fo rehefa mamaly faty. dia rehefa alohan'ny ho faty mibebaka kely dia avotra ihany

Fa angaha mety ho fantatra hoe rahoviana no ho lasa?

9. niryna ( 14/03/2007 06:03)
rakaroka:

Ka misy karazan'olona tsy mahatsapa ny "tsy mety ataony" mihitsy anie, dia raha avelavela fotsiny: tsy hihitsy mihitsy fa "charge" be fotsiny: tahaka ny lahilahy mamolava ohatra! tsotra loatra anie lé hoe "avela ny helony" fa ilay "existance"-ny mihitsy
no manimba na ny tenany na ny vadiny, na ny zanany, na ny tontolo!...Déjà 'ngaha ny "santé"-ny hamela ny helony?:?::roll:

Dia ahoana no ataon'i rakorako amin'izany?

10. niryna ( 14/03/2007 06:04)
xxx:

ny tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy ahahahih



:cry::cry:
11. niryna ( 14/03/2007 06:07)
fijo:

za kosa aloha tsy manaiky ny saiko raha tsy voavaly ze natao ahy e.avy eo mifamela raha tiana.fa mamaly aloha

Mamali-faty izany i fijo?Dia ahoana ny mahazo anao rehefa avy namaly faty,nahatsapa hoe nahazo tombony ve sa lasa amin'izay ilay hatezerana noho ilay nataon'ny olona iny ka novalianao,sa e,e, mbola mankaleony ihany ny mahita ilay olona ary mitady hevitra hafa fa toa tsy nampiotsona azy ilay nataonao:roll:
12. prime ( 14/03/2007 06:56)
Ohatry ny "rouleau compresseur" io, rehefa tsy mety mamela ny hafa ny tena dia hisy olona koa tsy hamela mihitsy ny tena dia hifampitazona alahelo ka hisy ny andro iray tsy maintsy hifanenàna ary hifanazavàna, ary amin'izay dia lasa ady mihitsy no mety hiafaràna... raha vao lasa ady io dia efa miditra ny hafa, ny namana, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina haka ny antokotokony avy...

Vokany manao bal satàna sy ny forongony...
13. booboo ( 14/03/2007 09:04)
Zà manokana tsy mamela zany klou e lé oul ara sady tsy nifona/mifona no tsy mangataka ny famelako ny raha nataony koa inona no havelako eo ?

Hafa tsy hoe angaha mifona ry zareo/lé oul....

14. prime ( 14/03/2007 10:08)
booboo> Sarotra tokoa aloha ny famelàna heloka amin'izao fotsiny nefa dia Jesosy mihitsy no mampianatra hanao izany fa manjary toy ny mpihatsaravelatsihy ny mpino raha milaza ho manam-pitiavana nefa feno alahelo...
15. booboo ( 14/03/2007 11:04)
Prime > ekeko. hihihi mbola tsy mety mahay klou zà mandrak'ity fa mbola mianatra mihitsy :°)
16. prime ( 14/03/2007 13:03)
booboo> Izaho koa mbola mianatra kah...:)
17. Fanambinana ( 14/03/2007 13:57)
Lainga, fitaka, fankahalana: ireo no iveloman-drafijo voaporofo izany eto amin'ny serasera. Jereo:
1 - Moa mba misy marina ve ny fanohanan-keviny? Jereo io resaka kardinaly io, ohatra iray io.
2 - Raha mba miteny dia tsy misy afatsy fihatsina ny hafa amin'ny zavatra tsy marina tsy misy porofo
3 - Jereo koa io zavatra lazainy eto io: porofo fa olona tia gidragidra sy lian'ady.

Raha lazaina fa mitsara aho tsy olana fa izay no marina hitako. Disoy aho fa tsy maninona. Ok
18. jacy ( 14/03/2007 14:02)
na ny hevitro alo de tsotra e! hoy ny gasy hoe mandia tany tsy maitsy solafaka ary tsy misy ny tanteraka ny zavatra mety mahatohina ahy tsy hahatohina anao ary ny tsy mahatohina anao mety hankarary ahy ra misy zany ny fifandirana na teraka ny fanorisorenana tsy midika izany hoe fanahininao na avy amiko ary sarotra ny miaina ny vahaolana de ny fifandeferana ary ra misy manao ratsy anao ka velanao ny elony matetika izy no lasa akaiky anao avy eo ary tena azo atokisana tsy misy mahazaka alahelon'olona izany ka aleo tsy attiréna any aminao le izy fiainana efa sarotra izao koa ve moa
19. prime ( 14/03/2007 14:35)
jacy> =D
20. niryna ( 14/03/2007 15:02)
prime:

Ohatry ny "rouleau compresseur" io, rehefa tsy mety mamela ny hafa ny tena dia hisy olona koa tsy hamela mihitsy ny tena dia hifampitazona alahelo ka hisy ny andro iray tsy maintsy hifanenàna ary hifanazavàna, ary amin'izay dia lasa ady mihitsy no mety hiafaràna... raha vao lasa ady io dia efa miditra ny hafa, ny namana, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina haka ny antokotokony avy...

Vokany manao bal satàna sy ny forongony...


=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0452