Inona no tombotsoa azoko sy ianao!!!
21. niryna
(
14/03/2007 15:04)
booboo:
Zà manokana tsy mamela zany klou e lé oul ara sady tsy nifona/mifona no tsy mangataka ny famelako ny raha nataony koa inona no havelako eo ?
Hafa tsy hoe angaha mifona ry zareo/lé oul....
Misy fahamarinany ilay izy kanefa raha arahana ny fahotana nahazo ny oul ary Jesosy no namela ny rehetra dia tokony izay ihany koa satria ao anaty baiboly io ahoana moa no ahafahantsika mangataka famelana an'Atra tsy hitantsika kanefa ny olona hitamaso aza tsy avelantsika?Asa aloha e
22. niryna
(
14/03/2007 15:11)
booboo:
Prime > ekeko. hihihi mbola tsy mety mahay klou zà mandrak'ity fa mbola mianatra mihitsy :°)
Tena marina izany booboo a ary tena midera ny hamoram-panahinao aho nilaza ny marina.Ny ahy efa natoroko ny hafa ny antony nanalako ny hatezerako fahiny mbola tsy nanana namana aho dia soratra no ataoko ary dia mamboraka ny alaheloko ao aho ary dia toy ireny miresaka ilay olona ireny mihitsy,maivana ny fiainako avy eo ary dia mianatra mamela aho ,ny fahoriana nahazo indrindra raha mafy be ilay izy dia tsy ho voafafa mihitsy fa saingy ny famelana ilay olona dia manamaivana ny hatezeranao ilay olona.Arahina ny fifonana fa mety ho diso koa aho nahatonga ilay ady ohatra ary dia mangataka an'Atra hamela ilay olona ary miteny hoe mamela azy fa tsy fantany izay nataony:roll::cry::P.Tena maivana toin'ireny avy nilomano dia nitsingevana fotsiny rehefa nivoaka tao anaty rano.Andramo ange e,mila mianatra daholo isika ka ,izaho koa mbola mianatra foana hatramin'izao.
23. niryna
(
14/03/2007 15:22)
Fanambinana:
Lainga, fitaka, fankahalana: ireo no iveloman-drafijo voaporofo izany eto amin'ny serasera. Jereo:
1 - Moa mba misy marina ve ny fanohanan-keviny? Jereo io resaka kardinaly io, ohatra iray io.
2 - Raha mba miteny dia tsy misy afatsy fihatsina ny hafa amin'ny zavatra tsy marina tsy misy porofo
3 - Jereo koa io zavatra lazainy eto io: porofo fa olona tia gidragidra sy lian'ady.
Raha lazaina fa mitsara aho tsy olana fa izay no marina hitako. Disoy aho fa tsy maninona. Ok
Fanambinana a,sarotra be aloha ny hitsara olona amiko e,mety tsara ho ahy nefa ratsy amin'ny hafa.Nisy zavatra nitranga tamin'ny fiainany hafa ohatra dia afaka mamboraka izany izy noho ny fitrangany.Mandainga a, izy irery ihany no mahalala izany,mihatsy,mahafantatra ny zavatra tenenina daholo isika fa lehibe.Ny ahy aloha raha izaho no anontaniana dia misy lesoka daholo ny olona izay miteny eto na tsara ataonao na ratsy indrindra indrindra.Fehiny,mamafy voa foana aho ary maty iny ary avy eo mitsimoka indray ka izay fitsimohany izay dia anjaran'ny olona nandray na tsy nandray.Mila mifamela fotsiny amiko ka izay nataon'ilay olona na izay nataoko tamin'ilay olona dia mila mifamela.Tena nahatonga saina ahy nieritreritra ny helo izay fijaliana nahazo ireo olona maro tsy nangataka famelan-keloka na tsy namela olona alohany ahafatesany.Anjarantsika tsirairay no mamita ny adidy ary mampahafantatra ny havana ,ny sakaiza,ny manodidina fa misy ny Heaven ary misy koa ny Hell.Tsy maty ny fanahintsika fa na miaraka amin'i Jesosy isika rehefa maty na very any amin'ny afo ny fanahy ka hijaly mandra-pahatongan'ny fitsarana.Asa aloha e ,tsy aleo ve dieny mbola velona hifamela toy izay isaky ny misy maty ao amin'ny fianakaviana vao mihombina kely indray aloha:roll::?:
24. Fanambinana
(
14/03/2007 17:43)
Nyrina: misaotra anao saingy fataro fa tsy misy famelan-keloka raha tsy misy fieken-keloka.
26. niryna
(
15/03/2007 06:37)
Fanambinana:
Nyrina: misaotra anao saingy fataro fa tsy misy famelan-keloka raha tsy misy fieken-keloka.
Dia ahoana izany,mifona aho fanambinana fa tsy hanao intsony, fa raha mbola manao dia kapohina:roll:.Na ny zanaky ny tena aza dia efa nampianarina ny mahalala mifona rehefa manao zavatra tsy mety.
Io no tokony ihainantsika tsirairay ka,izao mbola velona izao dia miaiky ny fahotana satria hoy ny teny hoe raha miaiky ny fahotantsika isika dia tsara sy marina izy,ary izy hamela ny fahotantsika.
27. niryna
(
15/03/2007 06:46)
fijo:
niryna,faly aho avy eo ka.efa nahavaly aho tsinona
fijo a nahavaly faty ve? Dia nakaiza ilay izy avy eo:roll:noentina nanaraka any anaty paosy ho enta-mavesatra ve sa dia nataonao maivana toy ny takotra fotsiny dia samy vita sa mbola mitohy indray?
Dia eo no manomboka ilay fisainana mivoana.
Nanana ny mahaizy azy teo amin'ny fiangonana ity ramatoa iray ary tratrany nampirafy ity vadiny,nangataka fifonana taminy ilay rangahy kanefa tsy nety izy.Ny setriny?Vao maika izy lasa nivadika nasiaka,niavonavona ary niafara ny famonoana ity vadiny sy ny sakaizany,tsy mandry ny eritreriny fa toa tsy nisy dikany ilay valifaty ary dia ny ainy no nalainy koa.Ho an'ny mpino,mazava ho azy fa tonga dia lasa any amin'ny afobe ny fanahiny ary dia ho ampijalian'ny devoly mandra-pahatonga ny fitsarana izay :roll::?:.Arakaraky ny hamaliana faty no mampitatra ny saina hanao zavatra hafa ihany koa:cry:
28. prime
(
15/03/2007 09:46)
Tsy mora tokoa ny famelàna heloka ary marina mihitsy ny fanamarihan'i Fanambinana hoe mbola sarotra noho izany aza ny miaiky heloka...
29. Fanambinana
(
15/03/2007 14:44)
Fijo: mpandainga sy mpanendrikendrika ary mpanalabaraka olona ialahy. Tranon-dainga, io ny porofo.
Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.
1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.
Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.
1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.
32. prime
(
16/03/2007 13:51)
Hoy ilay Mpitandrina iray izay, Pasitera Raveloson Eugène, rehefa manameloka olona ianao, dia manondro olona amin'ny fanondro mihitsy no dikan'izany... nefa tsarovy fa raha manondro olona ny fanondronao ianao hoy izy, ny telo ambiny manondro ny tenanao ary ny ankihibenao manondro olona tsy fidiny ankavanana na ankavia manao hoe : ary ianao mba ahoana?...:wink:
33. niryna
(
17/03/2007 05:38)
prime:
Hoy ilay Mpitandrina iray izay, Pasitera Raveloson Eugène, rehefa manameloka olona ianao, dia manondro olona amin'ny fanondro mihitsy no dikan'izany... nefa tsarovy fa raha manondro olona ny fanondronao ianao hoy izy, ny telo ambiny manondro ny tenanao ary ny ankihibenao manondro olona tsy fidiny ankavanana na ankavia manao hoe : ary ianao mba ahoana?...:wink:
Eto indray izao isika dia nahita teny kely hoe aza manameloka ka afaka mitsipona teny kely ao anaty baiboly "Aza mitsara mba tsy ho tsaraina"
Ary ny "golden rules" hoe Mat 7:12 :Koa amin'izany na inona na inona no tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany;fa izany no lalana sy mpaminany.
Ikaretsaka> Dia izay ilay teneninao hoe mitsimpona teny,satria tsy maitsy mitady teny mifanandrify ny lazaina ny olona mba ahafahana manamarina ny teny izay voalaza ao anaty baiboly.
Toy ireny olona milalao game nintendo ireny e! Aiza no nahalalany hoe mandaka aho ,na mitifitra ,na manisy totondry raha tsy efa namaky ilay information fanazavana amin'ilay boky kely nividianana ilay kilalao ary dia nahafantatra fa hoe avy na havanana?
