mampatahotra

1. sakaizakely ( 13/03/2007 09:58)
Inona no zavatra efa nitranga taminareo ka tena nampatahotra sy nampivarahontsana anareo tokoa ?

novalian'i niryna ny 16/03/2007 20:40
2. jhouhlambout ( 13/03/2007 10:02)
Tamin'ny zà voan'ny accident tômôbil, dé efa saika maty..... :(
3. sakaizakely ( 13/03/2007 10:07)
jhouhla> arahabaina tsy maty fo aman'aina izany !
4. salmo1 ( 13/03/2007 10:25)
zah nanofy nenjehany Liona
5. sonwin ( 13/03/2007 10:52)
Fony aho nijery fitaratra voalohany, efa nitsoaka mihitsy vao niverina indray, kay ny sariko am fitaratra mihitsy no mampatahotra :^)
6. apache ( 13/03/2007 11:42)
tam-za nanonofy niaraka tamin'i Claudia Shiffer
7. sakaizakely ( 13/03/2007 12:15)
15 taona aho tamin'izay. Niaraka t@ ilay namako be izay midoladola eny andalana eny. Teo ampividianana bonbons coco dia nisy mpangataka lahikely nanatona anay nanao hoe "noana aho!". Ny masony midiridiry be mila hivoaka sady mena be hoatry ny feno ra. Sady natahotra aho no ontsa koa nahita azy de nomeko bonbon anankiray izy. Le namako tsy nanome. Tsy haiko raha io no nampisy ny tohiny ilay tantara na tsia.

Fa ny antoandron'io ihany, nony hody any antrano aho dia tazako vao lavitra ilay zazalahy kely izay angamba ataoko fa mitovitovy taona tamiko koa tamin'izany. Nijorojoro tsy lavitra ny tranonay. Naterin'ilay namako moa aho fa natahotra. Nony hivoaka indray aho ny tolakandro dia tazako indray ilay ankizy. Toy izany foana nandritry ny 3-4 andro. Fa izaho moa matetika tsy irery fa misy miaradalana foana dia toy ny tsy nasiako eritreritra ilay izy.

Indray hariva, sendra nivoaka daholo ny olona tao antrano. Izaho moa tsy dia tia mivoaka fa mamaky boky no asako dia tsy nety nanaraka ny ankizy nivoaka aho fa nijanona namaky boky. Izaho sy ilay mpanampy kilasimandry izay irery sisa tao antrano.

Marihiko fa any amorontsiraka (vakansy) no mitranga ny tantara. Ny trano any tsy mba mihidy izany fa mikatompotsiny ny varavarankazo raha toa ka mihidy aza.

Efa t@ 9 alina tany angamba, tazako misy olona mitsangana eo anoloan'ny varavarana tsy lavitra ny fandriana misy ahy. Ny andro maizina be fa tazako ihany ilay masony le mivoaramena be iny fotsiny dia fantatro avy hatrany hoe ilay mpangataka kely iry io. Niantsoantso an'ilay mpanampy aho kinanjo inona fa kay ni-découche izy dia honjohonjoko izaho samirery no tao antrano. Ilay zazalahy am'zay nga nihetsika akory na natahotra kely akory fa vao maika aza za no nidiridiriny sady tsy mi-py mintsy ny masony. Ataoko hoe naharitra 5 minitra teo izany. Izy tsy niteny na a aza.

Soa ihany fa sendra nody tampoka ilay dadatoako naheno ahy niantso vonjy dia nihazakazaka avy any. Izay vao niodina lasa ilay ankizy. Notantaraiko an'i dadatoa teo ny zavatra nitranga, dia hoy izy hoe tsy olona izany no hitanao fa avelo, fa raha olona dia ho nifanena tamiko ; satria tokoa tsy nisy segondra vitsy ny nandehanany no niditra ny efitrano dadatoa. Tsy avelo izany hoy aho fa efa andro vitsivitsy izay no tazako matetika izy io. Tsy nety nino ahy dadatoa.

Nony kelikely dia lasa izy nivoaka teo andavarangana nifoka sigara. Somary nanalavitra kely ny varavaran'ny efitrano nisy ahy @ fofontsigara, dia iny eny fa nivoaka tao @ niafenany ilay zazalahy fa kay niafina tao andavarangana tao ihany saingy ny andro moa maizina be sady tsy mba misy jiro ka tsy nahitana n'inon'inona. Nenjehan'i dadatoa fa tsy tratrany. Niverina tao antrano izy dia izay vao nino ahy.

Ny ampitso marainan'iny dia nohafarana tsara ny mpanampy hanaramaso tsara ny trano. Izaho mbola varimbariana mamaky boky. Ataoko angamba fa t@ 9 maraina tamin'izay. Niverina nody avy tany ampiasana ilay dadatoako (tsy dia lavitry ny trano ny fiasany) dia nentiny nivoaka aho. Nisy fiarana zandary teo anarabe dia hitako teo ilay zazalahy nentindry zareo. Hay tratran'i dadatoa nitilitily ny trano avy tery anaty ravinala tsy lavitry ny trano tery ilay zazalahy ; dia niantsoany zandary.

Ny tena nampihoronkoditra ahy nandritry ny fotoana maromaro dia ilay izy nidiridiry be nijery ahy ilay alina iny, sy ny fahafantarana taty aoriana fa efa andro vitsivitsy izay no nanarahany ahy, ary tena nandrasany hivoaka daholo ny tao antrano izay izy vao niditra.

Hatr@ izao mieritreritra io tantara io aho dia mbola mivarahontsana foana.

Efa mba sendra an'izany ve nareo ?
8. vale ( 13/03/2007 12:42)
kayyy, mampatahotra koa izy izany, ..fa sao de avelo tokoa anefa, satria inona ny antony hanarahany lava anefa indry tsara fanahy t@? mahalasa saina ihany:wink:

any amorontsiraka any manko anie, misy ireny olona efa maty ireny dia velona tampoka koa, mampatahotra be koa ny mijery andry zareo avy eo, ka sao de anisany?

...ny zavatra tena nampatahotra ahy dia zaho nanonofy angatra, nanonofy hoe nijanona t@ fiara niaraka t@ zokiko lahy aho, de nisy trano lehibe irony (chateau) teo akaiky teo, lay efa tena antitra be ireny lay izy, de nakanaka rivotra moa izany ny nijanonanay dahy teo, de avy eo aho nanantona niditra lay tanàna , de nony tonga teo alohaloha kely aho dia nahita vehivavy (vazaha ilay izy, botabota, tokony 19 any ho any, na latsaka kely..de manao akanjo maintsy beuu..ny masony goaka be, tsisy n'inon'inona:^), mbola matahotra foana aho na hatramin'zao aza:twisted::) fa ohatra ny mbola vao omaly za no nanonofy lay izy fa tsy afaka ato an-dohako mihintsy:twisted::twisted::{:{:wink:
9. vale ( 13/03/2007 12:48)
tokony 19 taona fa azafady;-)
10. booboo ( 13/03/2007 14:28)
:{:{:{:{:{:{:{
11. vale ( 13/03/2007 14:40)
booboo: :P tsy te hieritreritra an'io mihintsy aho fa hoatra ny hitako foana lay izy, nanakana be anah, dia lay masony koa, brrrr..
12. sakaizakely ( 13/03/2007 16:32)
Vale>

misy tokoa nofy tena mampatahotra an ! ratsy be koa le nofindry. Brrrrrrrr Nendry aza moa nofy ihany.

Nena indray zavatra tena niainako nefa mino aho fa tsy lolo izany satria hitako t@ antoandro koa ilay izy fa tsy alina fotsiny.

Ilay masony menamena be indray, mety conjonctivite chronique no nahavoa azy, mety tsy mahatsabo tena. Ny nahagaga ahy fotsiny dia ilay masony tsy nipy mihitsy nefa raha toa ka conjonctivite tokony mangirifiry dia mikipikipy matetika ny masony.

Izy koa tsy niteny fa nidiridiry fotsiny, sady tena hitako fa natoky be ny tenany, matoa tsy mihetsika izy dia fantany tsara fa tsy nisy olona afaka namonjy ahy tao antrano.

Ankoatran'io tantara io dia nisy tranga vitsivitsy nihatra tamiko koa tamin'io toerana io fa @ manaraka indray ;-)
13. ikaretsaka ( 13/03/2007 17:11)
ilay ianao coma na tsy mahatsiaro tena koa dia ilay any anatin'ny subconscience anao any efa mahita ilay hoe aty ny lalana mankany ankoatra de aty ny miverina eto an-tany ..

de le misy hery 2 mifampisintona ny tananao ohatran'ilay ataon'ny ankizy kely kilalao amin'ny "avy mangataka" ireny de ny 1 ao @ ankavia de ny 1 ao @ havanana

dia nivotsotra ilay hery ilay hoe "any ankoatra" de ohatran'ny latsaka anaty lavaka miodikodina be izay ianao .. dia manomboka henokenonao @ zay le feona dokotera sy infirmiera ilay mifandrombaka mamelona anao! sy ny olona miantso anao eo @ manodidina...

fa gravy an
14. booboo ( 13/03/2007 17:38)
:{:{:{:{
15. ikaretsaka ( 13/03/2007 17:49)
fa @ iny hono raha tsy maheno le feona doko sns ianao de ...aaaaaaany enao zay eeee
16. karinah ( 13/03/2007 18:06)
Ikaretsaka: @ iny hono ny fanahy tena any ho any mihintsy, dia miverina izy rhf enao taitra iny, zah aloh tsy mbola sendran'zany e, toa tsy tiko na ny mieritreritra azy aza:P
17. booboo ( 13/03/2007 20:34)
Mitantara nofy Vale fa misy nofy iraika zay koa mampitahotra anà sady tsy matiko lolo mihitsy.

Niresaka tamiko hono ilay namako be efa maty izay. Tsisy raha tadidiko aby ny resany fa tadidiko fotsiny hoe nananatra anà izy.
Talohan'ny nahatapaka tampoka lé nofiko dia nisy raha nolazainy nifarana t@ hoe " @ 20 mai " nolazainy.

Tondé taitra zà t@ zay. Nezahiko notadidiana aby ny raha nitranga t@ fiainako 20 mai hatrizay fa tsisy raha manakory, nalaliniko ny isa 20 fa bof, ny volana mai fa re-bof ...tena nofy tsy mitovy @ fanofisako matetika io nofy io fa tena hafa beeeeeeeeeee mihitsy...izay no mampitahotra anà

renin'TT ouz ny ato an-trano hihihihihi
18. sitlo ( 13/03/2007 20:41)
ary i sakaizakely ity angamba mpanao gazety eh
19. xxx ( 13/03/2007 20:49)
ary i sakaizakely ity angamba mpanao gazety eh


tsisy atao fa vhv miandry vazà ao ambovo ry lety ry lety a !
:-D
20. Stretch ( 13/03/2007 20:58)
ary enao ko ngamba mpanao gazety an !

Mpandefa : sitlo [ Valio ] 08-02-2007 03:27:23
Lohateny : Re : aimer : c'est agir!(Victor Hugo)
Misy frantsay izay, tsy tadidiko ny anarany. Fa isaky ny sabotsy maraina amin'ny 10 izy mampianatra momba ny olombelona teny amin'ny julf Faravohitra.

Tsy dia gaga firy aho manaky ilay link nomen-dRakaroka satria efa malaza io. Anaky 5 (farafahakeliny) ny centre d'energy ao amin'ny olombelona. Ny sex no lehibe indrindra. (ohatra fotsiny, adiny firy ianao mandeha an-tongotra nefa tsy vizaka, nefa firy minitra ny nanaovana firaisana ara-nofo dia vizaka).
Raha vitanao ny mamindra ampahany amin'ny energie sexuelle-nao any amin'ny toerana hafa dia tsara. Ny nolazain'io link nomenao io ohatra dia hoe afindra any amin'ny loha (centre d'energy hafa koa io, manandrama manao calcul mental lava be dia ho hitanao fa ho vizaka ianao avy eo) ilay izy.

Ny nolazain'ilay frantsay taminay dia hoe: rehefa vizaka ny toerana iray dia amindrao energy any. (fa tsy natorony akory hoe ahoana ny famindrana azy . io link io koa ary tsy manoro, "abstinence" hono. lol)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2446