lafo loatra ny couche

1. tslem ( 09/03/2007 09:13)
isaky ny adiny firy kay moa ny zazakely no tokony hatondrotra?
répondu par Fiffi le 25/03/2007 07:56
2. Fiffi ( 09/03/2007 09:47)
solohina couche ve zany akia ?
3. kanto10 ( 09/03/2007 09:50)
ny ahy in4 rehefa journée de in2 na in3 rehefa alina raha tsy hoe marary kibo an fa izy vao 2mois 1/2
4. Fiffi ( 09/03/2007 10:00)
norme tsara ny anao zany an !
5. kanto10 ( 09/03/2007 10:04)
hitako koa aloha hoe tsy manday be zany e
6. tslem ( 09/03/2007 10:06)
an,an,an, tsy hoe soloina fa atondrotra(am pot) kah! amizay zany lé zaza tsy manao pipi culote tsony dia mba mihena ny isan'ny couche ampiasaina "fait propre" ouz ny vazaha, tena tsy haiko ve zany aza ny manazava an lé izy ? :roll:
7. linarako2 ( 09/03/2007 10:41)
tslem:

an,an,an, tsy hoe soloina fa atondrotra(am pot) kah! amizay zany lé zaza tsy manao pipi culote tsony dia mba mihena ny isan'ny couche ampiasaina "fait propre" ouz ny vazaha, tena tsy haiko ve zany aza ny manazava an lé izy ? :roll:

Na sivy volana aza dia efa ilaina zarina makeo amin'ny pot manao feo ianao psss:lol: dia lasa io,mamorona feo manena mamoaka ilay mivaingana indray dia tonga koa io.
Toy ny lehibe misy maraina sy hariva,tadidio fotsiny ny fivoahany dia iny tazomina :roll:hanaovana ilay mivaingana:P

8. tslem ( 09/03/2007 12:02)
manao feo ianao psss,.....mamorona feo manena mamoaka ilay mivaingana

zany tokoa ve? andraso oe andramana ary e, misaotra indrindra e
9. sakaizakely ( 09/03/2007 12:26)
Maro feondakolosy izy ity ka samy manao izay fantany ny RaD. Misy ireo miteny hoe andrasana rehefa mahay miteny ilay zaza dia izy no milaza rehefa te hanao na tsy mbola. Lazaina koa mantsy fa tsy mbola manana contrôle ny sphincter ny zaza raha tsy efa mahay miaka-midina tohatra (stature debout fa tsy mandady), zany hoe vers 2 ans.

Ka raha toa miandry an'izay, dia ilay zaza ihany no milaza ny filàny, ka mety ho im-10 isanandro, na latsaka, na mahery, arakaraky ny fangatahany.

Ho an'ny zaza mbola tsy mahay miteny izany dia sarotra ny mamantatra azy. Apetraka ambony pot matetika fotsiny dia ho fantany ny dikany any afara. Fa tsy azo bedesina izy raha ohatra ka tsy manao @ pot fa anaty ankanjo, satria elabe io vao hainy.
10. tisera ( 09/03/2007 18:47)
ny tena tsapako @ io aloha dia arakaraky ny hanaovana ilay izy aloha no mahatonga ilay zaza mihamadio aloha ihany koa ; fa rehefa mihazatra ny atondrotra sy ny mpanondrotra dia samy mahalala hoe : isaky ny adiny 1 na adiny 2 no atao etc... fa matetika aloha ny zaza any dago madio aloha satria misy vao 7-9 mois dia efa afaka tsy ampanaovina couche ao an-trano fa rehefa mivoaka ihany vao manao dia atondrotra foana moa raha sendra manao an-kilaoty aza ilay zaza dia mahare hoe lena izy dia sorena fa ilay manao couche tsy mahare ilay lena ! ny zanako sy ny zanak'anadahiko izao mitovitovy fa ny azy tena tsy ampy 2 taona akory dia efa madio : mbola tsy niteny miresaka mazava fa dia mahay hoe pipiss sy kakou... fa ny aty eoropa na ny pédiatre aza tsy dia maika @ io fa hoe mandeha ho azy io sns... hany ka matetika efa handray 3 taona mbola mipipi kilaoty sy ampanaovina couche foana!
11. fijo ( 09/03/2007 21:04)
fa firy taona aloha le zaza eto?
12. sitlo ( 09/03/2007 21:47)
za aloha tsy manao couche intsony fa tena lafo loatra ilay izy eh
13. sakaizakely ( 09/03/2007 21:56)
sitlo> aleo alefa direkta anaty pataloha :-D :-D :-D
14. tslem ( 10/03/2007 08:27)
misaotra antsika retra retra fa mety hanampy ihany ny hv sasany :wink:

fijo >>> ao am sary ao ilay zaza e, fantampataro ao oe firy taona izy io

sitlo >>> fa ra mora v d nanao kouss twa :-D:-D:-D, zah ngamba hanao vôlôntera hividy ho an sitlo ra zany
15. sakaizakely ( 10/03/2007 10:13)
Mampte hanaikitra ny takolany ry Tslem :-*

Ataoko angamba fa efa azo atondrotra am'zay raha mazoto toi.
Ny antsika any Dago tokoa lasa aloha be. Maninn angaha rehefa tonga aty lasa kenakenaina be ny ankizy hitako elabe daholo na firesaka na tsy fanaovana taty intsony.8-)
16. Samoana ( 10/03/2007 10:48)
efa azo atondrotra io barbie kely io tslem a:wink: !
Aza terena loatra fa ento tsimoramora. Ohatra rehefa mifoha maraina sy alohan'ny hatoriana izy ataovy ambony pot de asehoy fa na ianareo lehibe aza mipipi koa @ ireo fotoana ireo( le atondrotra tazomina mety tsy dia azoazony satria tsy maintsy mba omena confiance kely izy hizotra @ fahaleovan-tenany ).
Dia masahia mampanao slipy azy tsindraindray ahatsapany fa tsy mampahazo aina ny manao an-kilaoty. Aza entina an-trerona mihintsy fa am-pitiavana hatrany. Dia mahareta sy minoa fotsiny ihany e:wink: !

Hoy ranamana efa teo no niala:-D
17. sakaizakely ( 10/03/2007 11:01)
Ntsôlané é ! Mahafinaritra ery ny filazan'i Samoana azy. Tena hita hoe efa teo no niala marina an ! Firy taona ny an'i Samoana izao ?

Ny ahy andrasako été indray fa mbola mangatsiaka aloha hatr@zao.
18. Samoana ( 10/03/2007 11:05)
skzkly/ 15/12/6 :D
19. sakaizakely ( 10/03/2007 11:11)
Dain ! Ty mandainga ozy ny fitenenana. Ataoko ity fa mbola zeune kely nge ity Samoana ity. Sa sao dia manao cure de jouvence ary ? Inona no secret-n'i toi ;-) ;-) ;-)
20. soanja ( 11/03/2007 15:07)
Amiko aloha dia tokony tsy hampanaovina diapers (couchem-bazaha io) ny zaza fa tantin-jaza toy ny any Mada taloha ireny ihany.
Amin'izay izy mahatsapa fa lena refa nipipy. Naturel ny fatsapana (feels wet) ary mampivoatra ny sainy izany satria misy ny fipipizana ary tokony ho lena izy noho izany. Ny diaper mantsy mitroka ilay fahalenana na ny pipy dia zara raha mahatsapa ny zaza fa lena izy ary matetika tsy miraharaha mihitsy aza. Ny mikaka indray dia indraindray aza lasa fahazarana le mikaka ao anatin'iny de tsy te hipetraka amin'i pot mihitsy. Saina daholo ny tiako resahina amin'io.
Mety asabe ho an'ny RAD ny manasa lamban-jaza matetika /mandio trano saingy manome fanabeazana ara-boajanahary ny zanakao ianao.
Raha zatra mi-observe ianao hoe isaky ny adiny firy ny zanakao no mipipy na mikaka dia iny fotoana iny izy anontaniana hoe te hipipy ve ianao sady miteny efa fotoana akaiky izao. Amin'izay izy mahatsapa ilay fahatsapany ao anaty (fahafenoan'i tatavia) na mbola tsy nipipy aza izy. Dia apetraka eo. Fa tsy hoe isaky ny izao dia apetraka ny zaza satria tsy mitovy ny zaza rehetra ary tsy manampy azy ilay forcer-na le zavatra fa vao maika miady izy satria izy mbola tsy mahatsapa ka.
Ary farany avy aty amiko dia ireny diapers ireny dia vita amin'ny zavamaniry indrindra ny hazo. Manampy kokoa ny tontolo iainana ianao raha tsy mampiasa ireny satria tsy be ny ala very.
Misaotra namaky hatramin'ny farany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2906