Aretina mahazo ny olona ny rera-dava,misento am-po...???

1. niryna ( 08/03/2007 08:51)
Mety tsy ho voatandrina indraindray fa misy aretina izay noheverina fa toa mandeha ho azy kanefa mila fitsaboana.Tafiditra amin'izany ny adin-tsaina mitambatambatra ka mahatonga ny olona iray ohatra tsy hanana fifaliana,mitebiteby lava, taitaitra lava ary reradava.Izay zavatra tiany natao fahiny dia tsy ataony intsony,tsy manana fifaliana fa toa manome hatezerana azy daholo izay jereny na lalovany.Tsy manana fifaliana intsony na ny marina dia hoe tsy mivaky loha,kanefa tena mivaky loha tokoa.Tsy manana fanantenana ary tsy manana fahafinaretana ara-nofo na ara-tsaina.
Ireo rehetra ireo no mitambatra tsikelikely dia lasa mitarika aretina ngeza sady goavana eo amin'ny fiainana.
Stresser madinidinika-tonga any amin'ny fo na emotion (ireo olona tsy manana fanantenana fa very )ary lasa any amin'ny saina na (mentale) ireo izany no mety hiteraka ny depression.Mila vonjena haingana ny olona voan'io ary isika fianakaviana na namana aman-tsakaiza no fanafody haingana indrindra.
novalian'i niryna ny 13/03/2007 04:34
2. niryna ( 08/03/2007 09:01)
inona no mety hitranga ka ahafantarana an'io zavatra io?
Tsy mahakojakoja vatana fa matory manao akanjo iray ao anaty fotoana maro na tsy mandro mihitsy.Mora tezitra ka raha misy zavatra mifanaraka ny tenenina dia tonga dia miharo-tena.
Taitra lava ary mitebiteby lava,tsy tia ny zavatra fanaony taloha ary tsy manana fifaliana na fanantenana
3. niryna ( 08/03/2007 09:04)
Tsy misy mahafaly azy daholo izay ataony rehetra ary ny manodidina azy no fahavalony voalohany,tsy ampy tori-maso na matory lavabe.Tia mipetraka ao anaty maizina ary satriny foana hatory ao anaty maizina.Tsy tia miresaka aman'olona fa tazominy ho azy daholo ilay olana misy eo aminy.
4. niryna ( 08/03/2007 09:13)
Noho ireo zavatra mitranga aminy ireo dia lasa rera-dava ilay olona
Inona no antony nahatonga an'io?
Noho ny faharerahana lava ,diabeta,cancer,ary ny aretina azo avy amin'ny fo dia mitarika ilay depression.
Misy chemical tafiditra izany any anaty saina ary io no poizina mifona manimba ilay olona.
Raha tsy voatandrina dia miafara amin'ny fifamoizam-po ilay olona.Toy ny adala ny fijerin'ny olona azy ety ivelany ary misy aza raha hoentina tsaboina izy dia tsy mety mody fa mitokona ao amin'ny dokotera:roll:Mila olona manampy sy manohana izy.
Hoy ilay vavy iray izay tezitra mafy aho hoy izy ka nobataiko ny kodoronay navoakako tany ivelany,nony maraina ny andro tsy tafaveriko irery ilay izy fa niantso ny vadiko aho hibata ilay kidoro.Tsy tompon'ny tenany ilay olona rehefa tena mihetsika io.
5. salmo1 ( 08/03/2007 09:16)
niryna: tsy mahay miara-monina am hafa ny olona toy izany. ka zay mintsy kou no mahatonga ny vaza europea hiavonavona aminy. De oe: racismo, racismo... nefa izy ihany no tsy mahay miaraka.
6. niryna ( 08/03/2007 09:25)
Inona no antony niteraka io aretina io?
-Very asa na voaroaka amin'ny asa,maty vady na zanaka na olona akaiky,ny karazana aretina izay tonga tsy nampoizina ka tsy mahazaka ilay onjany.Tsy manana asa,olana eo an-tokan-trano(fisarahana sns)
Dia ahoana izany?
-ny tsy fahampiana tori-maso, ny tsy fanaovana fanantanjahan-tena,na manao fa diso be loatra,ny siramamy be loatra dia antony ihany koa.Tsy fahampiana rano, sakafo,vokatry ny tsy fitiavana ny tena dia mitady zavatra harapaka foana ary dia mitombo andro aman'alina ny lanja satria izay no heveriko fa mahafaly ny foko.
Iza avy no mety ho voan'io?
Ny rehetra ka tafiditra amin'izany ihany koa ny ankizy ary mitovy ihany koa ny fiantraikany sy ny fitrangany
7. niryna ( 08/03/2007 09:37)
Marina io teneninao io salmo a!
Ny bevohoka:ho an'ny sasany dia fifaliana izany hoe miandry voka izany.Ho an'ny hafa kosa dia nisy potraka teo amin'ny fiainana ohatra,na tsy manambady ohatra ,na tsy mankasitraka ilay mahazo azy ny fianakaviany dia io no olona mety ho voan'io aretina io.
Torimaso:Ho an'ny olona izay voan'io dia tsy dia tsara ny misotro toaka aorian'ny enina hariva.Alohan'ny hatory,toy izany ihany koa ny fisotroana zavatra misy caffeine toy ny cafe, chocolat,coca-cola snsn,fadiana ny tsy misakafo maraina,
Tsy ampy torimaso dia mihezaka ny matory lava
Mihezaka ny mihinana voankazo maro karazany sy legumes
Manao fanantanjahantena 4/semaines
Raha ny asanao no tena manome laginina anao ka tsy ahitanao fifaliana raha misy ka mety dia ny mitady hafa no tsara.Tsaratsara kokoa kely karama manana fifaliana toy izay be karama hamotika ny aiko:roll:
Isika rehetra no tena fanafodiny manampy ny namana voan'io satria mila olona mitia azy izy na inona na inona no mitranga,mila olona azony antoka izy,ary mila hoentina any amin'ny dokotera izy fa matetika tsy tompon'ny tenany izy ireny,

8. xxx ( 08/03/2007 09:42)
ary toa miteny irery ato niryna?=))=))=))
9. niryna ( 08/03/2007 09:44)
Ny dokotera ihany no manome fanafody azy io ary mila taperina tanteraka ilay fanafody ka omeny famarana mahery aloha ilay olona dia esorina tsikelikely koa mba hapio izy tsy ho variana na manadino ny fanafodiny.
Hafatra farany.Zavatra hitako sy nitranga ny olona fantatro io ary tena maro ny olona no mety ho voan'io.
Raha sendra olona tsotra fontsiny izao moa no mifanena aminao ka miresaka satria efa nisy iray toa izany hitako dia mba vonjeo izy.Indraindray izy tsy tompon'ny teneny fa izaho kosa aloha dia nampiditra azy an-trano ary dia nomeko sakafo foana ka tena tamana izy.Rehefa mitsidika azy aho dia mitondra famantaranandro ary mametra ny ora satria tsy avelany mody mihitsy na dimy ora aza efa notazominy tao an-tranony mitantara ny tahotra sy ny fomba tiany hatao.
10. salmo1 ( 08/03/2007 09:46)
niryna: lava lôtra izy zany :-D
11. xxx ( 08/03/2007 09:47)
niryna:
Ny dokotera ihany no manome fanafody azy
=))=))=)) ary toa lasa dokotera indray sady miteny irery ato?


12. niryna ( 08/03/2007 09:53)
Esory lavitra ny zavatra fa fantatrao fa mety handratra na ho sotroiny
Mino izay teneniny fa misy milaza fa te-hisotro poizina,te-hamono tena hianjera eo ambaravarankely.Ary dia tena vitany tokoa izany.Hitako sy ny zanako vao folo taona ity.Tsy nahazaka ny onjam-piainana rangahy ary nanao complet sy kiravaty izy ary io teny io foana hono no teneniny ary dia nilatsaka teny ambaravarankely rihana faha 19 ilay olona.Vaky ny karan-dohany(menaka fotsifotsy toy ny lard ireny) ary maty sur-place teo.Ahoana ny fisainan-jaza 10 taona mahita izany? ilay olona nahita ny fitotonany no tsy nahatena nanao baikomoana teo.
Ny ahy nataoko satria efa olona roa no hitako voan'io akoatry ny mihaino azy dia notaritiko moramora mikasika ny fivavahana izy ary dia lasa niafara ny vavaka sy famakiana baiboly izahay.Io no tena zava-dehibe ho an'ny mpino,na tsy mino aza ianao dia fantaro fa misy Atra izay zavatra tsy vitan-tsika vitany sy ataony tanteraka daholo.
(l)niryna
13. salmo1 ( 08/03/2007 09:56)
niryna! ¿como estas? :-D
14. niryna ( 08/03/2007 09:57)
Tsy miteny irery aho,eny manoratra irery aho raha izany no tian'i xxx.
-Izaho,ianao no mety hanavotra ilay olona
-Eny satria aretina io dia mila fitsaboana ka ny dokotera no manome ny fanafody.
-ny fivavahana koa dia anisany iray manasitrana ny aretina miaraka ny fanafodin'ny dokotera.
olona roa no hitako voan'io ary niaraka ny vavaka foana izahay.Tsy indray andro fa isan'andro nandritra ny fotoana lava.:lol:
15. salmo1 ( 08/03/2007 10:08)
Jueves 8 de Marzo dia de la mujer


Arabaina enao niryna:-*
16. vahatra22 ( 08/03/2007 11:41)
le izy koa indraindray décalcification! za refa rera-dava izay d mahatsapa tena hoe midécalcifié! d savolaina mihitsy ary! fa le izy ko lo samy manana ny fisehony @ ol tsirairay e! arakaraky ny toe-batan' le ol!:):):):)
17. xxx ( 08/03/2007 12:21)
niryna:

Tsy miteny irery aho,eny manoratra irery aho raha izany no tian'i xxx.
-Izaho,ianao no mety hanavotra ilay olona
-Eny satria aretina io dia mila fitsaboana ka ny dokotera no manome ny fanafody.
-ny fivavahana koa dia anisany iray manasitrana ny aretina miaraka ny fanafodin'ny dokotera.
olona roa no hitako voan'io ary niaraka ny vavaka foana izahay.Tsy indray andro fa isan'andro nandritra ny fotoana lava.:lol:



Fa tsy io anie no no ndeha ho tenenina foana @ olona e! la réligion est l'opium du peuple. Raha hitorianao io olona io dia vao maika hamono tena fanindroany kôzy e!Aza mamoina ny olona fa avelao izy hiaina fa Andramanitra anie tsy olona triste toa anao io e! Fifaliana Izy fa tsy be saina sy be vava toa izao!!!
18. soanja ( 08/03/2007 16:24)
niryna:

Mety tsy ho voatandrina indraindray fa misy aretina izay noheverina fa toa mandeha ho azy kanefa mila fitsaboana.Tafiditra amin'izany ny adin-tsaina mitambatambatra ka mahatonga ny olona iray ohatra tsy hanana fifaliana,mitebiteby lava, taitaitra lava ary reradava.Izay zavatra tiany natao fahiny dia tsy ataony intsony,tsy manana fifaliana fa toa manome hatezerana azy daholo izay jereny na lalovany.Tsy manana fifaliana intsony na ny marina dia hoe tsy mivaky loha,kanefa tena mivaky loha tokoa.Tsy manana fanantenana ary tsy manana fahafinaretana ara-nofo na ara-tsaina.
Ireo rehetra ireo no mitambatra tsikelikely dia lasa mitarika aretina ngeza sady goavana eo amin'ny fiainana.
Stresser madinidinika-tonga any amin'ny fo na emotion (ireo olona tsy manana fanantenana fa very )ary lasa any amin'ny saina na (mentale) ireo izany no mety hiteraka ny depression.Mila vonjena haingana ny olona voan'io ary isika fianakaviana na namana aman-tsakaiza no fanafody haingana indrindra.



Raha vao mamaky andalana vitsivitsy fotsiny aho dia mahita fa mety manana problema na Thyroid le olona.
Mila asaina mankany amin'ny doketra ahaingana izy tester-na ny thyroid-ny raha mbola miodina tsara na tsia.

Io ihany aloha jerena de raha tsy io dia miverana eto indray e.

19. ikaretsaka ( 08/03/2007 16:54)
rahoviana mihitsy ary aho no mba ho voalohany:^)
soanja foana no misisika avy any:wink: ao fa ladies first aza eeeeeee
vao saika hiteny aho hoe mila jerena ny thyroid dia nenao ndray no lasa aloha
20. xxx ( 08/03/2007 17:32)
lava loatra ry dokotera a ! ho faty ihany mandrampamaky ny diagnos =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5045