Fanambadiana Kristianina

1. Mandefitra ( 02/03/2007 11:40)
Niaraka 10 taona teo le cousin ko sy le vadiny samy hafa finoana (samy ffkm) vao nivady.5 taona taorin'izay nisaraka, niteraka lahy kely iray efa mianatra, ary anisan'ny vavolombelona t@ mariazy ny tenako.
Tsy hodinihantsika ny antony nisarahany fa ndao samy hitondra ny heviny sy ny traikefa mba hampateza ny fanambadiana kristianina, satria "Zay nakamban'Andriamanitra,aoka tsy ho sarahin'olombelona"
Fanontaniana:
1/Hafiriana no tokony hifampizahana toetra vao tokony hivady?inn no mety ho vokany raha ela loatra?raha haingana loatra?
2/Inona no anjara-toeran ny vavolombelona manoloana ny adin'ny mpivady?
3/"ho nofo iray ihany izy roroa" ahoana ny hevitr 'io?
4/"Ny lahy no lohan'ny vavy tahaka an'iJesosy lohan'ny fiangonana" ahoana ny fifampitondran'ny mpivady eo anivon'ny tokantrano?
novalian'i paris10 ny 15/03/2007 20:38
2. prime ( 02/03/2007 13:14)
Ny azo ambara aloha dia tandindon'ny fiainana mandrakizay ny fanambadiana kristiana satria imbetsaka ny Tenin'Andriamanitra no manohatra ny fiangonana ho fofom-badin'i Kristy... ny firaisan'i Kristy amin'ny fiangonana ankehitriny dia mbola fiainana fanomanana ilay mandrakizay... io no tena fanambadiana mahairay ny mpivady dia ny firaisan'i Kristy amin'ny fiangonana any am-paradisa...
Hoy indrindra mantsy ny Apostoly Paoly amin'ny anaran'i jesosy:

"Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy." II Korintiana 11:2
...hatreo aoha...
3. Imahaka ( 02/03/2007 15:59)
1- Tsy misy fisarahana izany na misy inona na misy inona raha toa ka olona mahafantatra tsara ny finoany, satria sakramenta ny mariazy (ho an'ny katolika)
2- Ny fanakena ny mariazy ho sakramenta no antoka voalohany hampihena ny fisaraham-pnamabadiana
3- Manana namana FJKM aho ary efa in-telo izy no niditra nanao mariazy tao am-piangonana. Raha mbola manaiky hampanao mariazy imbetsaka ny pasitera maro dia mamporisika ny olona hatrany izany hisaraka refa misy blem.
4- Ohatra akaiky Rasoamanarivo: Nanaja ny hasin'ny fanambadiana, ary io hasin'ny fanambadiana io no tokony hodinihin'ireo tsy katolika , sy ireo katolika anarana.
5- Raha tianao ho voavaly tsara ireo fanotanianao ireo ry Mandefitra dia manantona ny sampana FIFAKRI eo anivon'ny fiangonana Katolika, sady tena pratik be io fa tsy mionona amin'izay voasoratra fotsiny.

4. jentilisa ( 02/03/2007 16:05)
Ny anajara toeran'ny vavolombelona dia ny mampiahavana araka izay azo atao indrindra rehefa misy ny olana. Izaho ohatra dia vavolombelona ihany tamin'ny mariazin'ny zandriko. Indray mandeha nisy olana goavana ( samy ffkm fa samihafa fiangonana ry zareo) teo amin'ny fifandraisan'ny mpivady. Inona no nataoko. Naveriko notantaraina tsara ny tantaram-pitiavan-dry zareo. Dia samy nieritreritra tany...dia nahay nifandefitra.

Goavana be anie ny toeran'io vavolombelona io fa tsy vitan'ny tendritendry fotsiny e!

Izaho aloha tsy katolika e! :°)
5. soanja ( 02/03/2007 17:16)
Mandefitra:

Niaraka 10 taona teo le cousin ko sy le vadiny samy hafa finoana (samy ffkm) vao nivady.5 taona taorin'izay nisaraka, niteraka lahy kely iray efa mianatra, ary anisan'ny vavolombelona t@ mariazy ny tenako.
Tsy hodinihantsika ny antony nisarahany fa ndao samy hitondra ny heviny sy ny traikefa mba hampateza ny fanambadiana kristianina, satria "Zay nakamban'Andriamanitra,aoka tsy ho sarahin'olombelona"
Fanontaniana:
1/Hafiriana no tokony hifampizahana toetra vao tokony hivady?inn no mety ho vokany raha ela loatra?raha haingana loatra?
2/Inona no anjara-toeran ny vavolombelona manoloana ny adin'ny mpivady?
3/"ho nofo iray ihany izy roroa" ahoana ny hevitr 'io?
4/"Ny lahy no lohan'ny vavy tahaka an'iJesosy lohan'ny fiangonana" ahoana ny fifampitondran'ny mpivady eo anivon'ny tokantrano?

Eto dia mitombina mihitsy ny hevitry ny Ntaolo hoe mila miray trano tsy latsaky ny enimbola ny ho mpivady izay vao miroso amin'ny Fanambadiana.
Ny mampalahelo anie dia ny zaza no victime fa ny mpivady mba mandray vokan'ny tsy fieritreretany.

Mahaiza mikatsaka ny tsara indrindra amin'ny fiainana. Aiza maika ny hanambady ry Tanora.

Diniho, fakafakao ary testeo tsara izay ho vadinao fa tsy hanenenao akory izany.

6. fijo ( 02/03/2007 20:30)
ny fanambadiana ,na kristianina io na jentilisa,dia mila zavatra mifehy azy,dia ny fifampatokisana sy ny fandeferana.ny fitiavana tsy resahiko eto satria samy manana ny fijeriny io.
ny asan'ny vavolombelona hoy ianao,??? aza miditra mihintsy raha mbola tsy misy ny fikasian tanana fa misy fomba fiteny hoe:"mpivady miady antoandro,mampiady fipipizana ny alina"ka enao raha miditra ao,dia ianao no mahazo resaka.
ny hoe tokony hiaraka hafiriana,io dia mbola voafehin'ireo efa no lazaiko ery ambony.fifampitokisana sy fifandeferana
7. linarako2 ( 03/03/2007 00:04)
fijo:

Eto vao mba misy hirika kely tsara azo alaina tahaka ianao fa tsy hanenjika ny mpivavaka foana

8. ikaretsaka ( 03/03/2007 00:11)
soanja:
eNy mampalahelo anie dia ny zaza no victime fa ny mpivady mba mandray vokan'ny tsy fieritreretany.

Mahaiza mikatsaka ny tsara indrindra amin'ny fiainana. Aiza maika ny hanambady ry Tanora.

Diniho, fakafakao ary testeo tsara izay ho vadinao fa tsy hanenenao akory izany.

io maimaika io ihany manko no tsy mampanidina ny akoho.. ary anaovan'ny kato ilay resaka ary!

fa io fisainana miteny fa sakramenta ny mariazy io aloha no tena ilaina indrindra raha te hitazona fanambadiana kristianina
fa tsy hoe tiako ianao dia handeha any las vegas hivady dia 3 andro aty aoriana misaraka (ohatran'ireny olo malaza ireny)
9. eritra ( 03/03/2007 00:49)
Lohahevitra tena mahaliana ity ary heveriko fa tsy ho vita indray mandeha satria maro loatra lay fanontaniana koa araka ny hevitro maninona raha raisina tsi11 ny fanontaniana amin'izay mazava tsara ny valiny.

Ny momba lay fanontaniana 1 :
1/Hafiriana no tokony hifampizahana toetra vao tokony hivady?inn no mety ho vokany raha ela loatra?raha haingana loatra

Heveriko fa tsy voafetra io fotoana io ary tsy azo ferana koa satria ny fitiavana tsy zavatra indray mipimaso ary tsy zavatra foronina na sary eritreretin'ny saina ihany koa fa Atra mihitsy no fitiavna noho izany mety ho fotoana fohy dia fohy nefa mety amantaona maro

Ity fanazavana ity angamba tena mahazava azy kokoa izay manambara ny dingana any amboalohany mihitsy ny amin'izay tokony ho vady araka ny Soratra Masina

www.bible-ouverte.ch/choix.htm#choix
10. fijo ( 03/03/2007 01:12)
linarako,tsy ny hoalainao tahaka no tanjoko akory,fa ny haneo ny hevitro.aoka izay hazava
11. niryna ( 03/03/2007 07:23)
[quote=Mandefitra]

Fanontaniana:
1/Hafiriana no tokony hifampizahana toetra vao tokony hivady?inn no mety ho vokany raha ela loatra?raha haingana loatra?

Arakaraky ny tsirairay io.Raha mpivavaka moa ny iray azy roa dia tokony hapetrany amin'A/tra ny ho aviny.Izy roa ihany koa no manana ny safidiny fa tsy mitovy.

2/Inona no anjara-toeran ny vavolombelona manoloana ny adin'ny mpivady?

Toa tsy misy azonao atao fa tsy safidinao no nahatonga ilay ady,safidinao fotsiny no nijoro ho mpanohana azy teo amin'ny fanambadiany.Raha manontany hevitra aminao izy na ny iray dia izay vao afaka hitsabaka ianao.

3/"ho nofo iray ihany izy roroa" ahoana ny hevitr 'io?

Izay nakamban'Atra aoka tsy ho sarahan'ny olombelona ka tafiditra amin'izany izy roa raha eo amin'ny fiainana kristiana no tenenina.Afaka misaraka izy mivady raha misy manitsaka ny iray io dia ao anaty baiboly.Ny mamono(ianao koa ve dia hanaiky ho darohany lava eo),sady ny teny manambara ny fifanomezana fanajana sy ny fifanomezana fahafaham-po ara-nofo ho azy mivady.
4/"Ny lahy no lohan'ny vavy tahaka an'iJesosy lohan'ny fiangonana" ahoana ny fifampitondran'ny mpivady eo anivon'ny tokantrano?

12. Fiffi ( 03/03/2007 17:28)
linarako2:

Eto vao mba misy hirika kely tsara azo alaina tahaka ianao fa tsy hanenjika ny mpivavaka foana
:roll::roll:

13. simplex ( 03/03/2007 19:45)
Refa avy nodihina ary ny hevitry ny maro teto d ity ny stratejia mety indrindra:

* tsy tokony hanao mariazy any ampiangonana ny mpivady.

* tsy tokony hiteraka ny mpivady.

* ny tsara indrindra ra azo atao d tsy tokony hivady ny mpivady.

^:^^:^8)
14. booboo ( 04/03/2007 12:23)
hihihi
15. ikaretsaka ( 04/03/2007 15:35)
zay zany ko!:roll:
16. niryna ( 05/03/2007 04:15)
simplex:

Refa avy nodihina ary ny hevitry ny maro teto d ity ny stratejia mety indrindra:

* tsy tokony hanao mariazy any ampiangonana ny mpivady.

* tsy tokony hiteraka ny mpivady.

* ny tsara indrindra ra azo atao d tsy tokony hivady ny mpivady.

^:^^:^8)

Ilay tsy tokony efa tokony kou.Efa nanambady ry zareo,efa naka vavolombelona ry zareo ary efa nivady kou

17. Mandefitra ( 05/03/2007 05:25)
Voalaza teo
Eto dia mitombina mihitsy ny hevitry ny Ntaolo hoe mila miray trano tsy latsaky ny enimbola ny ho mpivady izay vao miroso amin'ny Fanambadiana.

Tsy azo atao ve ny mifampizaha toetra na tsy miray trano aza?sarotra io mantsy indrindra ho an ny zazavavy,satria zara lasa fanandramana fotsiny izy eo.Fa ankoatry ny fifampitokisana sy ny fifandeferana voalazan i fijo, dia inoako fa ilaina ny fifampitaizana alohan'ny fanambadiana.Mamaritra tanjona sahady ho an'ny fiainan-koavy.(fa tsy variana mifandamoro)
18. Mandefitra ( 05/03/2007 05:30)
5- Raha tianao ho voavaly tsara ireo fanotanianao ireo ry Mandefitra dia manantona ny sampana FIFAKRI eo anivon'ny fiangonana Katolika, sady tena pratik be io fa tsy mionona amin'izay voasoratra fotsiny.

Ngamba tsy ny rehetra no afaka ho any,ary zay indrindra no hifanakalozantsika hevitra eto,hakan'ny tanora lesona,mba ho tena ny voninahitr'Andriamanitra no hamirapiratra eo nivon'ny tokantrano malagasy tsirairay avy.
19. Mandefitra ( 05/03/2007 05:36)
Hoy i Nirina
Toa tsy misy azonao atao fa tsy safidinao no nahatonga ilay ady,safidinao fotsiny no nijoro ho mpanohana azy teo amin'ny fanambadiany.Raha manontany hevitra aminao izy na ny iray dia izay vao afaka hitsabaka ianao.

Misy fahamarinany, indrindra fa isika gasy sarotiny @ fitsabahan'ny hafa ny tokantranony "ny tokantrano tsy ahahaka".Za zao efa any @ fitsarana ny raharaha vao niteny tamiko ilay cousin-ko.
20. Mandefitra ( 05/03/2007 05:46)
voalaza teo
tandindon'ny fiainana mandrakizay ny fanambadiana kristiana
sy ny hoe
sakramenta ny mariazy

Tsy tokony hanamasina ny fanambadiany any ampiangonana ny mpivady raha tsy mahatsapa ny mahamasina ny fanambadiana Kristianina, satria manjary manamavo an'Andriamanitra Tompon'ny fanamasinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2625