Fanambadiana Kristianina

41. ikaretsaka ( 12/03/2007 19:18)
ka tokony manohy nanoratra foana kosa ry prime.. na nanao konsily , na panphlet na notes fara faharatsiny mba hahatonga ilay izy hifandraika @ toetr'andro. otran reny ataon'ny eveka gasy reny e
satria misy mahamarina ny tenin'i fijo io ihany
42. prime ( 13/03/2007 11:56)
Ka ny nanoratra taty aoriana aza anie maro e... ny konsily, ny panfle, ny \"minute\", ny \"bulles\"... ry Lotera sy ry Calvino nanoratra boky maro ihany koa... eny fa na ankehitriny aza dia mbola maro no manoratra...

Ary ireny fandinihana rehetra voasoratra ireny dia manaporofo tsara mihitsy fa tsy lany andro ny baiboly... ary tsy ho lany andro rahateo...

Ny fanavaozana rehetra atao dia tsy misy maharatsy azy fa izay indrindra no tsara itarafana azy hatrany raha mifanaraka amin\'ny Tenin\'Andriamanitra na tsia(voalazan\'ny baiboly)...

Ny asa fikarohana rehetra misy dia tena ilaina fa mila \"balises\" ireny... ka tsy ny kolon-tsaina misy sy ny sivilizasiôna akory no \"balises\" fa izay voalazan\'ny Tenin\'Andriamanitra...
43. ikaretsaka ( 13/03/2007 15:38)
dia tokony atao amin'izay le izy hoe hoy ny baiboly SY araka ny consily na ny kanonina na ny pamplet faha zao.....

manaraka toetr'andro tsara izy @ izay

prime:

Ka ny nanoratra taty aoriana aza anie maro e... ny konsily, ny panfle, ny \"minute\", ny \"bulles\"... ry Lotera sy ry Calvino nanoratra boky maro ihany koa... eny fa na ankehitriny aza dia mbola maro no manoratra...

Ary ireny fandinihana rehetra voasoratra ireny dia manaporofo tsara mihitsy fa tsy lany andro ny baiboly... ary tsy ho lany andro rahateo...

Ny fanavaozana rehetra atao dia tsy misy maharatsy azy fa izay indrindra no tsara itarafana azy hatrany raha mifanaraka amin\'ny Tenin\'Andriamanitra na tsia(voalazan\'ny baiboly)...

Ny asa fikarohana rehetra misy dia tena ilaina fa mila \"balises\" ireny... ka tsy ny kolon-tsaina misy sy ny sivilizasiôna akory no \"balises\" fa izay voalazan\'ny Tenin\'Andriamanitra...



44. fijo ( 14/03/2007 00:08)
hoy soanja:"Izay no mahasarotra ny mamaky azy satria na samy manoratra eo aza izy apostoly dia samihafa ny tranga soratany nefa zavatra iray no resahiny.
mibaribary eo izao ,fa ny baiboly dia tsy tenin'andriamanitra fa tantara ntstongaina."

hoy prime" Tsia kosa e... vanim-potoana samihafa avokoa no nanoratana ny boky tsirairay avy ao anaty baiboly... fotoana samy nanana ny sivilizasiôna nolalovany avy... isaky ny sivilizasiôna nolalovan'ny mpanoratra tsirairay avy dia mivaingana isaky ny boky tsirairay ny antony, ny olona na ny vondron'olona nanoratana, ny tanjona, ny nampanoratra, ny tontolo nisehoan'ny tranga tsirairay avy...
ekeko fa vaninandro samy hafa ireo,saingy aza hadino fa efa taty aorian aelabe anie ny vehivavy vao nahazo zo tany amin'iny faritra inye.ary zo mbola tsikaritra aza fa tsy tena zo feno
45. prime ( 14/03/2007 12:43)
Ikaretsaka> Ekena ny voalazanao, fa eo indrindra no tiana marihana hoe : ny hahafahana mbola mitaratra ireny asam-pikarohana ireny raha avy amin'Andriamanitra marina dia ny Tenin'Andriamanitra ihany voalazan'ny baiboly...

Mety tsy hahazava azy tsara angamba fa ny tian-kambara dia izao : raha oharina amin'ny lalàna misy eo amin'ny firenena dia ny voasoratra ao amin'ny baiboly no "constitution"n'Andriamanitra, ny fampiharana azy dia misy lalàna hafa miseho araka ny fiaraha-monina kristiana, "loi organique", "décret", "arrêté", "note", "circulaire", "interprétations", "lois d'applications" maro... ny ahafantarana fa manaraka ny fahamarinana ireny lalàna sy voasoratra ireny dia ny "constitution" no "bases"... amin'Andriamanitra dia ny baiboly no nomena ho io "base"io...

Ka na kanôna na boky na inona dia mbola tarafina hatrany @ baiboly aloha raha araka an'Andriamanitra no voalaza na tsia... izay no tian-kambara...

Raha voamarina ara-baiboly dia tsy misy olana mahitsy ny manonona hoe araka ny kanôna faha...
46. ikaretsaka ( 14/03/2007 20:34)
tsy voatery ka..
ny ity zao tsy hoe ao @ soratra masina de ao daholo http://fr.wikipedia.org/wiki/Exercices_spirituels
47. fijo ( 15/03/2007 00:16)
prime,ka ny voasoratra ao anaty baiboly aza anie samy hafa ny zavatra lazainin'ny mpianany,nefa zavatra iray no resahanye..iza no mamorona ireo.
48. Mandefitra ( 15/03/2007 11:54)
fijo,na samy hafa aza ny fomba nanehoan'ny mpianatra azy, tsy nifanohitra velively.
Misaotra antsika rehetra nandray anjara, antenaina fa nisy lesona azon'zay mivonona ho @ fanambadiana kristianina sy zay efa ao anatiny rahateo notsoahina tao anatin'ny dinika.Ny azo hanohizana azy, sady efa nampiseho ankarihary ny fiangonana misy azy ny ankabetsahany (za flm ra mbola tsy voalaza), de le hoe ahoana raha samy hafa finoana ny mpivady na samy kristianina aza: aleo ho tsorina hoe, ny iray katolika, ny iray protestanta?
49. Fanambinana ( 15/03/2007 18:27)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
50. paris10 ( 15/03/2007 20:38)
fa inona kay no idiran'dinika nalefan'i Fanambinana ato @ dinika ty?le ho an'i Fijo io zany?
Imahaka:mahagaga ahy zany lazainao oe olona natao mariazy in-3 tao ampiangonana izany!!!!!!!!
t@ zahay nianatra ho mpandray ny fanasan'ny Tompo dia :indray mandeha ihany ny mpivady no atao mariazy ao ampiangonana,raha misaraka na misy olana ao @ tokatrano dia tsy mahazo mandray ireo;satria ny fisaraham-panambadiana anisan'ny "fijangajangana",didy navoakan'ny FFKM ary ampiarin'ny FJKM.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2994