Fanambadiana Kristianina

21. prime ( 05/03/2007 13:15)
Mandefitra> Mitovy hevitra tanteraka aminao aho...

Ny fifampizahàna toetra dia tsy misy fetrany amin\'ny fotoana fa saingy tsaratsara lavitra ny mifampizaha toetra fotoana elaela kokoa, aman-taonany vitsy2 maro2 mihitsy aza satria amin\'izay dia sady ho fantatra tsara ny toetran\'ny andaniny raha mety amin\'ny tena no sady voazaha toetra tsara ny fitiavana raha maharitra sy tena matanjaka na taitaitra fotsiny am-boalohany ihany...

Ny Tenin\'Andriamanitra amin\'io lafiny iray io dia tsy mametra fotoana fa mampitoetra fahendrena kosa mitondra ho amin\'ny fanantenana araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;\" Romana 5:4
22. ikaretsaka ( 05/03/2007 13:58)
zazahao ao e..hadihadio fa tsy misy tsara ohatran'izay
23. prime ( 06/03/2007 14:40)
Mikasika ny vavolombelona indray raha ny fahafantarako azy dia, solon-tena manamarina \"tranga\" iray... ka raha ny vavolombelon\'ny fanambadiana no tiana resahina dia misy karazany efatra :

  1. vavolombelona 01 : ireo nanamarina ka nanaiky an-tsoratra teo anivon\'ny fanjakàna sy ny fianakaviana (soratra \"mairie\")
  2. vavolombelona 02 : ireo nanamarina ka nanaiky an-tsoratra teo anivon\'ny fiangonana (soratra voarakitra ao am-piangonana)
  3. vavolombelona 03 : ireo nanamarina ka nanaiky teo anoloan\'Andriamanitra (ny fiangonana manontolo)
  4. vavolombelona 04 : izy mivady


...Amin\'izany rehetra izany dia samy manana ny lanjany sy ny andraikiny avy raha misy ny olana, raha ny fahitàko azy... izany hoe arakarak\'ilay havesatr\'ilay olana no andraisan\'ny tsirairay andraikitra...

Izy mivady no voalohany... isan\'ambaratongany ireo vavolombelona rehetra miezaka mandray andraikitra mba tsy haharava ilay tokantrano... (izay aloha ny fahafantarako azy fa dia maro moa ny tranga ka isaky ny zava-mitranga dia arakarak\'izay koa ny andraikitry ny vavolombelona tsirairay)....

..Amiko manokana dia ny vavolombelona 02 sy 03 ireo dia anisan\'ny manana andraikitra goavana satria sady vavolombelona eo imason\'Andriamanitra izany hoe mijoro manatrika an\'Andriamanitra manamarina ny zava-misy no sady vavolombelona eo amin\'izy mivady amin\'ny anaran\'Andriamanitra manamarina ny Tenin\'Andriamanitra amin\'izy mivady...
24. fijo ( 07/03/2007 06:11)
ka io tsy mila hoe tsimaintsy mpino vao hety izany,fa rehefa tanteraka ireo."fitiavana,fifandeferana,fifampitokisan"dia mety izay.
25. niryna ( 07/03/2007 07:22)
fijo:

ka io tsy mila hoe tsimaintsy mpino vao hety izany,fa rehefa tanteraka ireo."fitiavana,fifandeferana,fifampitokisan"dia mety izay.

Fijo misy fahamarinany ny anao.Resaka fivavahana no eto ka izany no mahatonga miteny ny andraikitry ny vavolombelona.Toy ireny reny na ray amin'ny batisa ireny,manana andraikitr an'ilay zaza io olona io

26. prime ( 07/03/2007 12:18)
fijo> Ka ilay lohahevitra anie hoe \"fanambadiana Kristiana\" fa tsy hoe fifankatiavan\'ny mpivady na mpifankatia e...
27. Mandefitra ( 07/03/2007 12:32)
Raha ny fahatsiarovako fony niofana de hoe ny fanambadiana Kristianina dia mampiseho ny endrik'Andriamanitra ilay Mpahary, ary adidin ny vavolombelona ny mitaratra sy mampatsiahy hoe mbola io endrik'Androamanitra io ve no tazana eo anivon'ilay tokan-trano ... sao efa naka ny endrik i Satana...
28. prime ( 07/03/2007 13:00)
mandefitra> =D
29. Rasiligaoma ( 07/03/2007 13:55)
izay! endri'andriananahary ny tokatrano.. izay no nampianarina fony vao niofana mariazy kristianina
30. tywa68 ( 07/03/2007 14:19)
Mandefitra:

Niaraka 10 taona teo le cousin ko sy le vadiny samy hafa finoana (samy ffkm) vao nivady.5 taona taorin'izay nisaraka, niteraka lahy kely iray efa mianatra, ary anisan'ny vavolombelona t@ mariazy ny tenako.
Tsy hodinihantsika ny antony nisarahany fa ndao samy hitondra ny heviny sy ny traikefa mba hampateza ny fanambadiana kristianina, satria "Zay nakamban'Andriamanitra,aoka tsy ho sarahin'olombelona"
Fanontaniana:
1/Hafiriana no tokony hifampizahana toetra vao tokony hivady?inn no mety ho vokany raha ela loatra?raha haingana loatra?
2/Inona no anjara-toeran ny vavolombelona manoloana ny adin'ny mpivady?
3/"ho nofo iray ihany izy roroa" ahoana ny hevitr 'io?
4/"Ny lahy no lohan'ny vavy tahaka an'iJesosy lohan'ny fiangonana" ahoana ny fifampitondran'ny mpivady eo anivon'ny tokantrano?


Mandefitra : efa voalazanao ny maha-fanambadiana kristiana azy !
Ny toetra sy fihetsika dia efa anatin'izany fa tsy hoe miova satria efa 10 na 15 taona niaraka sns ... Rehef misy tsy mety d miresaka fa tsy samy manao ny lohany ... Tsy azo asorina an-tsaina izany ny maha-sakramenta ny mariazy, sy ny toky nifanomezana teo @ alitara ! na dia sendra ny tolona tsy omby tratra aza indrindra moa ka misy ankizy.
Tsy mila atao hoe itsy ny lohany, fa manjary lasa inona izany ilay iray ? :-D



31. xxx ( 07/03/2007 21:02)
Mandefitra:

Raha ny fahatsiarovako fony niofana de hoe ny fanambadiana Kristianina dia mampiseho ny endrik'Andriamanitra ilay Mpahary, ary adidin ny vavolombelona ny mitaratra sy mampatsiahy hoe mbola io endrik'Androamanitra io ve no tazana eo anivon'ilay tokan-trano ... sao efa naka ny endrik i Satana...

Mahafanta-javatra mihitsy i mandefitra izany

32. fijo ( 07/03/2007 23:19)
prime,ekeko fa resaka fanambadian akristianina no resaka eto,fa milaza aho hoe:"tsy voatery hovoafaritra ao anatin'izay io"
33. Rasiligaoma ( 08/03/2007 00:22)
ny mampahonena anie le manao marisika sy dedaka be .. avy eo nefa....
karazan'ny afo mololo
nefa kristianina hono
34. prime ( 08/03/2007 15:00)
tywa68> Tena ny Tenin\'Andriamanitra mihitsy kosa aloha no mametraka ny lahy ho Lohan\'ny vavy toa an\'i Kristy Lohan\'ny Fiangonana e...:lol: fa tsy hoe ny lahy no te_hanandran-tena fotsiny ho azy...
fijo> Ekena...
rasiligaoma> Ny afomololo angaha moa ilay midedaka be dia mora maty fa tsy ny afokasoka?:lol:
35. fijo ( 09/03/2007 00:51)
prime;aza hadino ,fa tamin'izany andro izany"fotoana nanoratana ireo soratra ita ao anaty baiboly ireo,dia mbola fiarahamonia tsy nanome zo ny vehivavy no nisy.izany hoe ny lahy no nanapakevitra ny rehetra.ka aza gaga raha izay no ita soritra ao anaty baiboly.ary io dia porofo fa olombelona ihany no nanoratra io boky io,fa tsy tenin'andriamanitra izany akory
36. ikaretsaka ( 09/03/2007 15:38)
io ange ilay voalazan'ilay hira hoe
"dedadedaka ery nifanolotra peratra indray andro izay"
37. soanja ( 11/03/2007 14:01)
Marina io resak'i Ika eo ambony io fa maika ny hanome peratra fotsiny fa tsy mijery hoe inona moa no antony nanaovako ity Mariazy ity.

Fijo> Marina mihitsy io teninao io fa natao ho an'i Jiosy tamin'izany fotoana izany ny soratra sasany ao amin'i baiboly ary efa misy tokoa ny lany andro sady tsy tenin'Andriamanitra fa hevitr'ilay mpanoratra.
Izay no mahasarotra ny mamaky azy satria na samy manoratra eo aza izy apostoly dia samihafa ny tranga soratany nefa zavatra iray no resahiny.

Tsy lafatra isika olombelona saingy manan-tsaina kosa handinika sy hamakafaka ary hanantanteraka izay takian'ilay Fanahy ao anaty ka mahatsapa fa izay no fifandraisana goavana indrindra azonao atao hanalavorariana ny tenin'Andriamanitra taminao.
Alohan'n Mariazy dia tsara raha efa nandalina sy namakafaka ny atao hoe Mariazy ny olona iray ary tokony hahatsapa ny mahazavadehibe izany.

Ny ahy tena tsy zakako ny mieritreritra fa hiroso amin'ny Mariazy ny mpisipa roa ohatra satria efa bevohoka ravehivavy. De ahoana izany? fa maninona no tsy eritreretina ilay mariazy alohan'ny hanatsofoana ilay zavatra iny fa rehefa bevohoka? De avy eo refa teraka, vita mariazy efa ela dia iny foana no atao kitoza sintomina iadiana hoe "zah anie tsy te hanambady anao fa ianao bevohoka dia voatery aho e."
Ka refa manatsofoka an'iny eo ianao angaha nisy ni-forcer anao teo fa matoa anao nanatsofoka dia vonona hizaka ny manaraka dia ny fitaizana sy ny fikarkarana tokatrano ary fananganana ho avy sambatra amin'iny olona hiraisanao iny.

Ny fanabeazana ihany no hitako solution aminzany; zany hoe ilaina ny manabe ny zazalahy handray andraikitra amin'ny zavatra nataony, ny atao hoe firaisana dia mamokatra zazakely tokoa ary mahatsapa fa zavadehibe ny teny nomena. Izany mamorona zaza izany dia toy ny mamorona Andriamanitra vaovao na fanahy vaovao tonga eto an-tany. Moa razazavavy tokony hahatsapa fa tempolin'Andriamanitra ny vatany ary manan-kasina sy manan-tsafidy ka tokony handinika fa ny ambodia dia tsy hanafosafo anao fotsiny fa hiviravira koa refa izay.


38. ikaretsaka ( 12/03/2007 03:10)
soanja:
Ny ahy tena tsy zakako ny mieritreritra fa hiroso amin'ny Mariazy ny mpisipa roa ohatra satria efa bevohoka ravehivavy. De ahoana izany? fa maninona no tsy eritreretina ilay mariazy alohan'ny hanatsofoana ilay zavatra iny fa rehefa bevohoka? De avy eo refa teraka, vita mariazy efa ela dia iny foana no atao kitoza sintomina iadiana hoe "zah anie tsy te hanambady anao fa ianao bevohoka dia voatery aho e."


ayayay... io koa aloha tenagravy nefa bobaka ny manao an'io @ zao fotoana an:cry:
39. soanja ( 12/03/2007 10:43)
ikaretsaka:

soanja:
Ny ahy tena tsy zakako ny mieritreritra fa hiroso amin'ny Mariazy ny mpisipa roa ohatra satria efa bevohoka ravehivavy. De ahoana izany? fa maninona no tsy eritreretina ilay mariazy alohan'ny hanatsofoana ilay zavatra iny fa rehefa bevohoka? De avy eo refa teraka, vita mariazy efa ela dia iny foana no atao kitoza sintomina iadiana hoe "zah anie tsy te hanambady anao fa ianao bevohoka dia voatery aho e."


ayayay... io koa aloha tenagravy nefa bobaka ny manao an'io @ zao fotoana an:cry:


Raha betsaka no mitranga io amin'izao fotoana ry Ika dia tokony hametra-panontaniana ny Mpanabe rehetra hoe aiza ny lesoka. Mampalahelo tokoa izany!
Raisina toy ny inona tokoa moa ny Marizay raha io no mateti-pintranga?

Voa omaly taty aminay dia nisy ny fivoriana atao hoe: Pure By Choice! Izany hoe mitazona ny mahavirjiny mandra-panambady.
Sarotra be io amiko fa aleoko aza miditra amin'io toy izay hiteratera-poana.
Ry zavavy isany. Tsy te hilaza akory aho hoe aza miray fa ny firaisana dia zavatra anisan'ny planina nanamboaran'Andriamniatra antsika koa, fa saingy omany tsara ny vatana sy ny saina ary ny fanahy vao manao an'io satria ny tovolahy mantsy ny hanalefahana ny manavesatra azy no zavadehibe ao antsainy matetika. Ka raha tsy mahatsapa ianao fa mifandray izany fahatokisana sy fifankatiavana izany dia aleo aza mifampitsikitsiky ihany dia samy miala. Iny tsinona tsy mahafaty mihtsy na mangidihidy ao aza ny fitiavana/filana te hiray.


40. prime ( 12/03/2007 12:53)
fijo:
prime;aza hadino ,fa tamin'izany andro izany"fotoana nanoratana ireo soratra ita ao anaty baiboly ireo,dia mbola fiarahamonia tsy nanome zo ny vehivavy no nisy.izany hoe ny lahy no nanapakevitra ny rehetra.ka aza gaga raha izay no ita soritra ao anaty baiboly.ary io dia porofo fa olombelona ihany no nanoratra io boky io,fa tsy tenin'andriamanitra izany akory
... Tsia kosa e... vanim-potoana samihafa avokoa no nanoratana ny boky tsirairay avy ao anaty baiboly... fotoana samy nanana ny sivilizasiôna nolalovany avy... isaky ny sivilizasiôna nolalovan'ny mpanoratra tsirairay avy dia mivaingana isaky ny boky tsirairay ny antony, ny olona na ny vondron'olona nanoratana, ny tanjona, ny nampanoratra, ny tontolo nisehoan'ny tranga tsirairay avy...

Ny tiako hahatongavana dia tsotra, tsy ho an'ny jiosy ihany no nanoratana ny boky ao amin'ny baiboly fa arakaraka ny tranga misy ary taty amin'ireo boky faramparany aza (epistily, faminaniana...) dia mazava tsara fa famonjena mitodika amin'izao tontolo izao mihitsy no fototra fa tsy ho an'antokon'olona vitsy2 maro2... amin'ireo tsy sivilizasiôna "paternaliste" avokoa na "masculiniste" avokoa no iresahina fa maro dia maro...

Ny amin'ny maha-Tenin'Andriamanitra ny voalazan'ny baiboly na tsia dia finoan'ny tsirairay sisa fa ny mitoetra dia i Kristy mihitsy no voasoratra fa ilay Teny tonga nofo ary fototra ambaranan'ny soratra masina...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1203