Ny finoana

1. Zina ( 01/03/2007 17:27)
Betsaka ny resaka itako ato ary ny rehetra dia milaza hoe: "Ny finoana ihany dia mahavita an’io" (ohatra)..- finoana, fianoana….Tsisy maha-ratsy anizan’izany akory tsara dia tsara mihitsy.

Ny finoana kosa anefa dia tsy miseo ho azy tampoka eny. Tsy rehefa avy nanana fiainana tsy mendrika ka taitra tamin’ iny dia tonga tampoka manomboka mino an’ Andriamanitra. Ny tena marina dia mianatra matoky an’Andriamanitra isika amin’ny famakiana ny Teniny, réclamer ses promesses, (miala tsiny fa tsy aiko ny mandika azy), ny mihaina ao @ ny finoana sy fankatoavana. Raha ataon-tsika ireo rehetra ireo miaraka amin’ny finiavana , fanetre-tena aminy dia ho haintsika ny mino azy na inona na inona izay zavatra mitranga eo @ fiainan-tsika.

Proverbes:
3.5 : Confie-toi en l'Éternel de tout ton coeur, Et ne t'appuie pas sur ta sagesse;
3.6 : Reconnais-le dans toutes tes voies, Et il aplanira tes sentiers.

James 2 : 22
Tu vois que la foi agissait avec ses oeuvres, et que par les oeuvres la foi fut rendue parfaite.

Miala tsiny fa tsy manana baiboly teny gasy ao eto ampela-tanako
Ny hevitrao ?
novalian'i LazaDaddy ny 13/03/2007 03:45
2. saho ( 01/03/2007 17:35)
Ínona no dikan'ny Proverbe? Tsy Ohabolana ve io
Ary ilay hoe James? James Bond 007 ve?

Rehefa mba te hifampiresaka na hitory filazantsara tompoko azafady indrindra dia mba miezaha ianao tompoko manome koa ny teny gasy ao anaty baiboly fa raha raisinao sy tianao azavana @ teny gasy tsara fa gasy daholo isika rehetra. Izaho dia tena tsy mahalala io James voalazanao io...

Azafady fa ohatrany miteny be aho kanefa aho tena liana be mihitsy
Mazotoa ao @ filazantsara, ny anao izao teny frantsay no hainao dia ny ahy dia teny allemand...raha jerena dia manao ny asan'ny apostoly koa isika eto satria miteny fiteny hafa maro...Ao @ Kristy daholo izany
Veloma
3. pissoa ( 01/03/2007 17:38)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=Asa&Toko=9
4. Zina ( 01/03/2007 17:38)
Ínona no dikan'ny Proverbe? Tsy Ohabolana ve io
Ary ilay hoe James? James Bond 007 ve?


ahahaha ie marina io
proverbes=ohabolana
james (teny anglisy reee a) jacques 2: 22

saho a,

marina ny anao tokony miezaka miteny gasy rano ray aho nefa indray2 dia tsy tafavoka mihitsy ny dikany @ teny gasy no sady tsy manana dictionera gasy ...:cry:
5. pissoa ( 01/03/2007 17:40)
jereo ny BAIBOLY.ORG rehefa maneho hevitra :lol:
6. Zina ( 01/03/2007 17:40)
Misaotra pissoa,:-*

nisy ihany ilay baiboly gasy izay fa tsy nety navoka intsony ilay izy. Ka efa nataoko ao @ inn dray izay ny dikan';ity (favorite) ilay izy:wink:
7. Fiffi ( 01/03/2007 18:33)
nefa hoy ny baiboly hoe

-5 Ary hoy ny Apostoly tamin' ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. 6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, dia azonareo lazaina amin' io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin' ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
8. fijo ( 01/03/2007 21:31)
tsianjery be fotsiny indray izy izany le
9. cutie ( 02/03/2007 00:33)
:-D:-D:-D:-D
10. fijo ( 02/03/2007 06:22)
miverimberina foana ny tsianjery e
11. Fiffi ( 02/03/2007 09:51)
ka io no voasoratra ao koh !
12. prime ( 02/03/2007 15:03)
zina> =D=D=D... misaotra

Dia hoy koa ny soratra masina :

\"Koa ny finoana dia avy amin\'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin\'ny tenin\'i Kristy.\" Romana 10:17

... ny finoana dia avy amin\'Izy Andriamanitra ihany fa tsy misy avy amin\'olombelona na dia kely aza ka sao hisy hirehareha ho mahita izany na manana izany avy amin\'ny herin\'ny tenany... mila angatahina izany...

Ny fitaizam-pinoana dia afaka miseho amin\'ny endrika maro fa ny tenin\'Andriamanitra kosa nefa dia hentitra ny amin\'ny herin\'ny asa vokatry ny finoana araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.\" Jakoba 2:17

\"Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.\" Jakoba 2:26

Ny finoana koa dia tsy miankina amin\'ny habetsahany fa miankina amin\'ny firaisan\'ny mpino tsirairay amin\'Andriamanitra toy io Teny notsongain\'i fiffi io...

Fa ny tena goavana ary mitoetra dia marina tokoa fa ny finoana no mahavonjy nefa dia Andriamanitra ihany no manorina ny Teniny amin\'ny fahamarinana manao hoe :

\"Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin\'ireo.\" I Korintiana 13:13... izany no mbola maneho ny asan\'ny fitiavana ho tena fototra amin\'ny fanarahana dia an\'i Kristy... tsy antoky ny famonjena, ekena tanteraka nefa tena fiainan\'ny mpino maneho ny vokatry ny asan\'ny finoana...

13. fijo ( 02/03/2007 22:38)
fiinoana marina ka dia hoe izay fotsiny dia minoa
14. linarako2 ( 03/03/2007 00:33)
fijo:

fiinoana marina ka dia hoe izay fotsiny dia minoa

Efa voasoratra io tompoko,izay rehetra mino dia ho tonga zanak'Andriamanitra.Izay rehetra tsy mino kosa dia ho ariana any amin'ny farihy mirehitra afo,any no hisy ny fitoamaniana sy ny fi........nify.Anjaranao ny mitadidy an'io fa efa nampianarin'i reninao ianao taloh a

15. fijo ( 03/03/2007 01:15)
raha misy afo any mety hotiako,satria mangatsiaka ny ririnina ka
16. niryna ( 03/03/2007 07:56)
Ny fahafantarako an'io dia mino aloha ianao,nandray azy tamin'ny fonao,ary dia midera sy mankalaza azy ka amin'ny asa no hanaovanao izany.Manatanteraka ny sitrapony.Mandehana mitory ny filazan-tsara fa ataoko ho mpianatro ianareo hoy Jesosy ary dia omeko fahefana mihoatra ianareo...ny mametra-tanana,manala ny fanahy ratsy,miteny amin'ny teny tsy fantatra.Finoana tsy arahana asa dia namany finoana maty.Izay no atao hoe finoana ianao ary dia arahana asa.Amin'ny fiainana dia mitory ny filazan-tsara ny namana ,ny manodidina,ny mpiara-miasa.Ahoana koa izany? Ny fihetsikao,ny fiteninao,ny fiakanjonao ireo dia taratra iray hanambaranao ny tenin'Atra sy ahalalany anao tokoa fa mpanara-dia an'i Jesosy ianao.Misy mantsy ny olona sasany mieritreritra hoe efa nanao izao aho na toy izao ka dia manantena fa voavonjy.Tsy azo hireharehana io.Fa finoana no nanavotana antsika,tsy avy amin'ny herintsika anefa izany hoy izy fa avy amin'Atra,tsy avy amin'ny asan-tsika ihany koa fa sao hisy olona hirehareha.Azo azavaina amin'ny fiainana andavan'andro ihany koa io.Izay zavatra ataonao dia ataovy amin'ny fo,tsy miandry ho dokafana,na mijery ny hafa manodidina anao.Tsy tokony himenomenona izany isika hoe i ranona kamo,miala-pa ,mialangalana,izaho irery ity no mongo manao raharaha..Misy ny lehibe mijery antsika ary tsy miandry azy hijery vao anao zavatra na asa tsara.A/tra no mahita izay ataontsika .Io koa no arahina ny hoe finoana tsy arahana asa namany maty.
17. tywa68 ( 03/03/2007 08:55)
fijo : aza mialona ny olona mamaky baiboly hoa ! d aza faly manohitra fotsiny fa efa manana chance aza isika hoe eto @ internet ilay izy.
Manaova ohatr'azy dia hahita ho zaraina koa enao :lol:
18. niryna ( 05/03/2007 04:39)
fijo:

tsianjery be fotsiny indray izy izany le



:cry::cry:
19. niryna ( 05/03/2007 04:41)
fijo:

raha misy afo any mety hotiako,satria mangatsiaka ny ririnina ka

Tsy eo ambaravarany akory dia efa kila sahady raha izany kou

20. niryna ( 05/03/2007 04:45)
tywa68:

fijo : aza mialona ny olona mamaky baiboly hoa ! d aza faly manohitra fotsiny fa efa manana chance aza isika hoe eto @ internet ilay izy.
Manaova ohatr'azy dia hahita ho zaraina koa enao :lol:


Tena mitombona tanteraka io,zara aza mba misy olona mizara ny tenin'Atra io anie ilay mofon'aina hiainantsika isan'andro e.Fijo noho izany efa teo no niala,mbola manana chance be ianao satria efa nomen'ny namana maro courage tato.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4466