Ny finoana

21. naughtyboy ( 05/03/2007 13:11)
ny fijeriko ny finoana de fahatokisana tsy misy fepetra ary malalaka,zay mifototra @ fitiavana tsy misy fisalasalana.Io no mahatonga ny olona matetika misalasala,avy eo tsy mahatoky ary farany tsy mino
de mivoaka ho azy ny fanontaniana oe asehoy ary ny porofo fa tsy mino aho ra tsy mahita.
Misy foana ny sedra mazava ho azy hanamafy na handrava io.Zvdehibe le oe mahita amintsika nefa dia
fahasoavana hananantsika zay miresaka eto le fitaovana 1 antsoina hoe maso zay misy karazany 2
- maso ivelany zay mampifandray antsika sy ny tontolo ivelany
- maso anaty zay mampifandray antsika sy ny tontolony fanahy tsy hita maso (masompanahy)
Reo ohatra reo de nananako andrana ny fisiany ka sahiko ny mino fa fahasoavana sy harena reo no isaorako an\\\'Andriamanitra zay nahary azy ireo
22. naritsimba ( 06/03/2007 06:08)
Ho ahy aloha matoa manaiky aho ny hanao zavatra iray dia ho tanteraka izay ary tsy maintsy ao ilay finoana.
Tsy misy olona ka tsy manampinoana eo am-panatanterahana ny zavatra izay ataony, raha tsy eo ny finoana.
Isika aza alaim-panahy fa tsy finoana rehefa tsy mino an'i Jesoa Kristy, finoana daholo no anaovantsika ny zavatra rehetra fa saingy ny toe-tsaintsika tsirairay no mampiseho hoe: finoana avy aiza, na finoana hanaovana ny tsara sa ny ratsy.

Mazotoa daholo.
23. prime ( 06/03/2007 15:11)
Mbola fitiavan'Andriamanitra sy famindrapony no mbola anomezany ny famonjena amin'ny finoana... araka ny voasoratra hoe :

"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;" Efesiana 2:8

Ary ny finoana dia efa niainga hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao ka raisina amin'ny fanetren-tena araka ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy manao hoe :

"Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao." Hebreo 11:3
24. fijo ( 07/03/2007 06:36)
tywa an,za tsy mialona ka,malahelo anareo fotsiny aho.
prime an,izay kosa tsy hinoako ka
25. prime ( 07/03/2007 12:59)
fijo> Mazava...
Ka ianao koa nefa mampalahelo anay dia ahoana izany? hifampalahelo fotsiny eto ve fa tsy hifanoro hevitra?
26. Rasiligaoma ( 07/03/2007 14:12)
mifampalehona de mifampivavaha de mifampitsimbina

fa ny voalohany indrindra sia ny ...MIFANKATIAVA
27. Zina ( 07/03/2007 16:07)
prime [ Valio ] 07-03-2007 13:59:23
Lohateny : Re : Ny finoana
fijo> Mazava...
Ka ianao koa nefa mampalahelo anay dia ahoana izany? hifampalahelo fotsiny eto ve fa tsy hifanoro hevitra?


Marina ny anao

Fivavaha no an'ny rehetra no ataon-tsika:wink:
28. xxx ( 07/03/2007 21:11)
prime:

fijo> Mazava...
Ka ianao koa nefa mampalahelo anay dia ahoana izany? hifampalahelo fotsiny eto ve fa tsy hifanoro hevitra?


Izy malahelo antsika,isika koa malahelo azy,andao ny marimaritra no atao.Mino fotsiny ihany dia hovonjena i fijo sy ny ankohonany.Amin'ny finoana izay notovozinao fahiny.
29. Zina ( 07/03/2007 21:36)
Izy malahelo antsika,isika koa malahelo azy,andao ny marimaritra no atao.Mino fotsiny ihany dia hovonjena i fijo sy ny ankohonany.Amin'ny finoana izay notovozinao fahiny.


Yep!
30. fijo ( 07/03/2007 23:32)
an an,ka za kosa tsy hino izany ka.raha tsy mahita na mahatsapa ny asany aho tsy hino e
31. Zina ( 07/03/2007 23:47)
Fijo a,
Mianara miantra Mino lesy a :wink:

raha tsy mahita na mahatsapa ny asany aho tsy hino e

inona no tianao lazaina eto kay?
32. Zina ( 07/03/2007 23:48)
Zut!
mianatra no tiako lazaina etsy ambony etsy
33. niryna ( 12/03/2007 04:31)
fijo:

an an,ka za kosa tsy hino izany ka.raha tsy mahita na mahatsapa ny asany aho tsy hino e

Dia ahoana tokoa izany ry fijo:?:Dia ahoana fotsiny izany,mifoha ,miasa, miverina mody, mijery serasera eny anelanelany eny dia matory dia ahoana dia tsy mieritreritra hoe ahoana tokony moa izany? Dia tsy mbola nisy tokony ve ianao niantso na nisy fisaorana na ireny olona miteny ho azy ireny hoe Andriamanitro:roll:

34. prime ( 12/03/2007 14:08)
fijo> Inona no tena tsy inoanao izany voalazan'ny tenin'Andriamanitra izany?

ianao:
an an,ka za kosa tsy hino izany ka.raha tsy mahita na mahatsapa ny asany aho tsy hino e
... Ny zavatra hita maso rehetra io fotsiny dia efa porofo mivaingana, vokatry ny asany avokoa... tsy misy manam-pahefàna amin'ny zavatra misy na dia iray aza isika, eny fa na dia ny aina aza...
35. LazaDaddy ( 13/03/2007 03:45)
raha tsy mahita na mahatsapa ny asany aho tsy hino e
fa avy aiza ny maso hijerena sy ny tanana hitsapana an'izany asany izany? :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3734