ny mpitory

1. fijo ( 01/03/2007 05:30)
za dia nianatra tao amin'ny sekoly "notre dame" tao mahajanga.i frere paul moa no mpamianatra anay tamin'izany.ary za dia navelany hivoaka isaky ny manao le fivavahana isamaraina.(satria tsy nafeniko azy fa za dia tsy mino)
izy dia tia miresaka amiko mihintsy,ary isaky ny miresaka izahay dia matetika io resaka finoana io no resakay.
fa indray andro izy nanontaniako hoe:"fa maninona aho no ekenao hivoaka sy hianatra ato nefa fantatrao fa tsy mino?"
dia hoy izy,raha ferana hoan'ny mpino ity sekoly ity tsy hisy hianatra ato.
lazaiko anao hozy,fa maro ny mopera na frera no tsy mino ny fisian'andriamanitra.
gaga be aho tamin'izay.fa noazavainy ahy,fa izy dia lezonera taloha,ary maro ry zalahy no tsy nahita aleha nony vita ny fotoana tany."taorian'ny adin'ny algeria hozy"ka dia maro izahay hozy no nanao frera,satria tsy te hijanona tao frantsa.nefa maro taminay no tsy mino an'andriamanitra fa dia asa io ka dia natao.
ary taty frantsa aho dia mbola nahare an'io koa tamina mopera .
novalian'i niryna ny 12/03/2007 04:23
2. naritsimba ( 01/03/2007 06:00)
fijo> tena marina izany, efa nisy fotoana niresahako an'io resaka io dia ny hoe: maro ireo olona milaza fa hiofana ho mopera sy masera na pasitera nefa hivoahana any ivelan'ny Madagasikara no mahamaika azy, atao ahoana fa tsy maintsy misy ny Jodasy mba hisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra ry Fijo a,
3. jentilisa ( 01/03/2007 06:15)
Atao ahoana moa fa izay mihitsy anie no tanjon'ny tsy mpino e! handrava araka izay azony atao ny finoan'ny sasany. Idirany sy tarihiny tsikelikely ny olona ho amin'ny tsi-finoana izay efa arahiny rahateo! nefa na misy aza izany tsy maintsy misy foana ny mpino sahy mijoro fa tsy natao hahakivy izany. Tsy olona rahateo no jerena fa Andriamanitra ihany!
4. hery ( 01/03/2007 08:46)
Misy tsy mompera na masera na pasitera kanefa mino kah.

Dia ireny olona ireny izany inona indray no antony inoany?

Ny Finoana dia fanehoana firaisana aina sy fitiavana an'Andriamanitra. Ary ny tena fitiavana dia maimaim-poana. Misy tia an'Andriamanitra fotsiny tsotra izao.
5. simplex ( 01/03/2007 09:25)

* ra misy ny mompera (na frera na masera) tsy mino akory ny zavatra toriany d tsy hiety akory ny fitoriany ra vao misy manotany izy. Tsy azo lavina anefa fa misy ny very finoana, ny tokony ataony voalohany d ny miresaka @ lehibeny voalohany, ny eveka hoan'ny mompera, superieur hoan'ny masera sy frera... Tsy manana ethiq mintsy izy ra izany avy tsy vitany.

* ra hanao fiainana avy nanao lezionera no tanjona tsy ny nanao frera na ny mopera ny lalana @ zany. Fihafiana sy fifampizarana @ mpiara-belona ny any fa tsy fanaovana fiainana akory. Mety diso lalana ny freran'i toi.

* firy ny isan'ny fake-frera sy masera sy mopera, izay tsy mino, ra oharina @ mino. Satria nahoana no 1% tsy mino no jerena fa ny 99% mino ambiny odiana tsy hita :roll:

* Ho an'la manokana izay tsy mino. Raisonement tsotsotra: na iza mino na iza tsy mino fa 1+1=2 d marina foana io. Ny tiako hahatongavana d izao, tsy mampiova ny voninahitr'A/tra akory ny fisian'ny tsy mpino azy. Ny Katolika manokana aloha tsy secta ka hoe ny ampitombo effectif ny tanjona lehibe indrindra fa anjarany ny mampafantatra ary safidy hoan'ny tsirairay sisa ny ambiny. K tsy manin na tsy mino aza i toi, mino zahay fa hino toi indray andro any ;-)
6. lapino ( 01/03/2007 09:43)
Ny maha pretra na eveka sns, dia titre na marika nomen'olombelona ety an-tany ihany. Fa :
- tsy afaka hitory ianao raha tsy manana ny Fanahy Masina
- tsy afaka hanana ny Fanahy anefa raha tsy mino akory

Noho izany dia mitandrema amin'ny mpitory izay iresahanareo!
7. Fiffi ( 01/03/2007 10:21)
fa @ fomba ahoana ry zareo no ahafahany motory raha tsy misy finoana izy ?

de tsy misy finoana nefa nadany andro , volana , taona nihanarana an'io fomba fitoriana io ?

8. hery ( 01/03/2007 11:35)
Mety mampiesona koa i fijo :-)
9. prime ( 01/03/2007 13:45)
fijo> Mampiresaka...:-D
fiffi> hélas...
lapino:
Ny maha pretra na eveka sns, dia titre na marika nomen\'olombelona ety an-tany ihany...
... O ry lapino a... na pretra na eveka, na pasitera na evanjelistra, na presbytera na mpiandry, na diakona..., raha tsy voahosotr\'Andriamanitra tsy tonga amin\'izany toerana izany... tsy marika omen\'olombelona izany fa tena fanamasinan\'Andriamanitra manokana ary anomezany ny fahefàna sy ny fanosorana feno amin\'izay asa miandry an\'izany olona izany eo amin\'ny sehatry ny fanompoana...

Ny amin\'ny finoana, ny fibebahana, ny nandraisana na tsia ny Fanahy Masina dia mbola hotsaraina amin\'izany rahateo izy raha tena nomena ka nandray na misandoka fotsiny ihany... aoka tsy ho adinontsika fa Jesosy no nifidy ny apostoly 12, nefa dia ireo indrindra no namadika azy t@ andro farany...
10. Fiffi ( 01/03/2007 19:13)
prime:

O ry lapino a... na pretra na eveka, na pasitera na evanjelistra, na presbytera na mpiandry, na diakona..., raha tsy voahosotr\'Andriamanitra tsy tonga amin\'izany toerana izany... tsy marika omen\'olombelona izany fa tena fanamasinan\'Andriamanitra manokana ary anomezany ny fahefàna sy ny fanosorana feno amin\'izay asa miandry an\'izany olona izany eo amin\'ny sehatry ny fanompoana...
prime: manaiky an'io nolazainao io zah fa tsy ny finoana hiany ve no nitarika an'le olona ho voahantso ?


11. fijo ( 01/03/2007 22:19)
hery ,tena zavatra nisy io ka.i frera paul fantam bahoaka tao mahajanga tao.ary tsy mba miholana izany rehefa miresaka.
za anie tsy mitsara ireo mpitory tsy mino e,asa ny azy
12. cutie ( 02/03/2007 00:42)
miobon-kevitra @fijo :-D:-D:-D:-D:-D
13. fijo ( 02/03/2007 06:28)
vola daholo io ka.ary tsy misy maharatsy izany
14. naritsimba ( 02/03/2007 06:40)
« Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe: » (Matio 22:1)
« Ny fanjakan\'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an\'ny zananilahy. » (Matio 22:2)
« Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin\'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo. » (Matio 22:3)
« Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin\'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa aty amin\'ny fampakaram-bady ianareo. » (Matio 22:4)
« Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin\'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin\'ny varony. » (Matio 22:5)
« Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy. » (Matio 22:6)
« Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany. » (Matio 22:7)
« Dia hoy izy tamin\'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika. » (Matio 22:8)
« Koa mankanesa ianareo any amin\'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin\'ny fampakaram-bady. » (Matio 22:9)
« Dia nivoaka ho any amin\'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. » (Matio 22:10)
« Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin\'ny fampakaram-bady. » (Matio 22:11)
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin\'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Matio 22:12)
« Ary dia hoy ny mpanjaka tamin\'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin\'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Matio 22:13)
« Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Matio 22:14)

Maro ry fijo no mianatra ho mpitondra fivavahana ho lasa pasitera na mopera na masera na diakona fa saingy vitsy no tena manao ny sitrapon\'Andrimanitra fa ny sitrapon\'ny tenany sy ny tombotsoany no tadiaviny.
Tsy mpiandry ondry izy ireny fa mihinana ny ondry no ataony.
15. Fiffi ( 02/03/2007 10:52)
naritsimba:

Maro ry fijo no mianatra ho mpitondra fivavahana ho lasa pasitera na mopera na masera na diakona fa saingy vitsy no tena manao ny sitrapon\'Andrimanitra fa ny sitrapon\'ny tenany sy ny tombotsoany no tadiaviny.
na izany aza ...olombelona tahaka ny olombelona rehetra izy ireny.....tsy misy ny olombelona tongalafatra....ka tsy hanomezan-tsiny azy...hivavahana no mety hatao ho azy.


16. naritsimba ( 02/03/2007 11:12)
fiffi> ka izy ireo ange ety ivelany dia efa fantatry ny olona ary izay no asany fa mpiandry ondry e, nefa dia mbola mihinana ny ondry ihany, izy tena tsy maintsy hitondra amim-bavaka indray ve no ho entina am-bavaka? raha izay mantsy dia tokony tsy nirotsaka nanao mpiandry ondry zy ireo.
17. eritra ( 02/03/2007 21:55)
Valinteny efa nolazaiko ity fa averiko indray :
Ny soratra masina aza efa niteny hoe "Any amparany any ny olona ho tia vola , tsy manaja izay masina sns "ary ambarany koa fa misy "hanao amiko hoe tsy efa naminany t@ Anaranao va izahay , namoaka demonia t@ anranao va izahay sns ... dia hoy Jesoa hoe tsy fantatro akory ianareo ùmiala amiko"

Tiako ambara : efa fantatra fa tsy zavcabaovao izany olona milaza ho mpitory ny filazantsara ;ho pretra; ho mpitandrina ; ho mpiandry sns sns kanefa tsy mino akory ny herin'ny Tompo izany.;;

Mety hoy ny sasany hoe izy aza tsy mino nefa mitory koa inn no hinoanay an'izany ?
fa hoy kosa indray aho hoe ny tsy finoany na dia nitory aza izy dia manamarina ny voalazan'ny SM
sy ny herin'ILay Tompon'ny Tompo sy MPanjakan'ny mpanjaka

Mirary soa
18. fijo ( 02/03/2007 22:56)
misy zavatra marina sy azo raisina io voalazan'i naritsimba io.ary hiainana tokoa amin'izao fotoana izao.
tsy miandry ondry ny sasany fa mihinanan ny ondry kely.
fa aza mba ny ondriko no handramana hoanina fa banga tanteraka vao gaga
19. linarako2 ( 03/03/2007 00:37)
fijo:

misy zavatra marina sy azo raisina io voalazan'i naritsimba io.ary hiainana tokoa amin'izao fotoana izao.
tsy miandry ondry ny sasany fa mihinanan ny ondry kely.
fa aza mba ny ondriko no handramana hoanina fa banga tanteraka vao gaga

Rehefa tsy ny ondrinao no iandrasany dia aza manenjika ianareo.Afafazo ny voa tsara ho anao mba handovan'ny taranaka amandimbinao

20. fijo ( 03/03/2007 01:19)
izao izany le kristianina tsy mijery hafatsy ny azy an.okay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2759