Ny bokin'ny fiainana?

1. niryna ( 27/02/2007 07:58)
Inona no atao hoe "Bokin'ny Fiainana" na Book of life?

Inona no mety hitranga raha tsy voasoratra ao ny anaranao?

Ahoana no mahatonga ny anaranao ho voasoratra ao anatin' ny Bokin'ny Fiainana?

Raha voasoratra ao ny anaranao ,moa ve mety ho voafafa sa izay voasoratra dia voasoratra?

Ahoana no ahalalanao fa voasoratra ao ny anaranao?








novalian'i niryna ny 12/03/2007 04:14
2. sakaizakely ( 27/02/2007 09:54)
ko raha mi-bug ve ny serveur tsy ho voafafa daholo ny database manontolo. Zay no giravy ! Mila informatisiana mahay hanao ny maintenance
3. Mandefitra ( 27/02/2007 09:58)
Raha voasoratra ao ny anaranao ,moa ve mety ho voafafa sa izay voasoratra dia voasoratra?

Apokalypsy 3:5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
Inona no mety hitranga raha tsy voasoratra ao ny anaranao?

Apokalypsy 20:15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy
Ahoana no mahatonga ny anaranao ho voasoratra ao anatin' ny Bokin'ny Fiainana?

Apokalypsy 21:27 Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany

Inoako fa hanampy zay tsy feno ny namana indrindra ny valin ny fanontaniana roa manao hoe :
Inona no atao hoe "Bokin'ny Fiainana" na Book of life?

sy ny hoe
Ahoana no ahalalanao fa voasoratra ao ny anaranao?
4. sakaizakely ( 27/02/2007 10:07)
ka izy io ve boky sa pc ? Raha boky ve tsy mila tome bedabe, olona antapitrisany niaina teto antany izay ?
5. prime ( 27/02/2007 11:25)
sakaizakely> Deraina Andriamanitra ny amin\'ireo Teny notsongainao ireo...=D=D=D^:^
Bokin\'ny fiainana = Boky Masina any an-danitra mirakitra ny anaran\'ny olona rehetra (masina, tsy vetaveta, tsy mpnadainga) manaiky sy mino an\'i Kristy ary eken\'i Kristy...

Ahalalàna fa voasoratra ao ny anarana = tahaka ny ahalalàna fa voavonjy ny tena... (ny tena fanontaniana dia hoe voavonjy ianao sa tsia?)... ny ahafantarana ny olom-boavonjy dia araka ireo Teny mamy tsy mety mankaleo manao hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]\" Marka 16:16

\"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.\" Jaona 3:16

Koa amin\'izany dia :

\"...Minoa an\'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.\" Asan\'ny Apostoly 16:31
6. niryna ( 27/02/2007 13:29)
sakaizakely:

ko raha mi-bug ve ny serveur tsy ho voafafa daholo ny database manontolo. Zay no giravy ! Mila informatisiana mahay hanao ny maintenance

Mila anao ny firenena

7. niryna ( 27/02/2007 13:32)
sakaizakely:

ka izy io ve boky sa pc ? Raha boky ve tsy mila tome bedabe, olona antapitrisany niaina teto antany izay ?


Isika tsy mahita fa Andriamanitra anie manana anjely aman'alinalina e
8. niryna ( 27/02/2007 13:33)
sakaizakely:

ka izy io ve boky sa pc ? Raha boky ve tsy mila tome bedabe, olona antapitrisany niaina teto antany izay ?

izay tsy voasoratra ny anarany dia tsy ao anaty ilay boky.

9. Salut ( 27/02/2007 15:41)
Sakazaizakely:
Manontany anao aho: Efa renao ve hoe nijanona tsy nihodina tapoka ny tany fa manana problema Andriamanitra? Na hoe lany solika ny masoandro dia tsy mirehitra intsony? Hazavao koa hoe fahendrena na fahaizana manao ahoana no afahana mandamina ireo planeta maro misy. Samy amin'ny toerany avy ary samy manana ny zotrany avy.
Ny olona ry zandry no manana fetra ka mety hanadino na ho diso fa tsy Andriamanitra velively. Tsy takatry ny saina ny fahalalana ananany.
10. fijo ( 27/02/2007 21:44)
hoatry ny rediredy ityloahevitra ity.tsy manambany aho,fa tena manahirana be le izy.
boky dia iza avy no hosoratana ao?ny kristianina sa ny mpaninona ,sa ahoana?de azia no ahitana sy ahaizana ny anaran'ny olona eran'izao tontolo izao?sa dia valiana fotsiny indray eto hoe finoan aio ka dia izay fotsiny?
11. cutie ( 27/02/2007 23:54)
:-D:-D:-D:-D
12. Rasiligaoma ( 28/02/2007 05:38)
fijo> valiana hoe finoana io dia izay fotsiny!
fa marina ny anao .
fa ilay hoe iza no ho soratana sy tsy hosoratana dia... samy te hilaza hoe voasoratra ao daholo .. fa misy mba efa nahita ny anarany tao ve?
tsy ankandainga?
13. fijo ( 28/02/2007 06:08)
sa le bokim piainana dia boky momba ny fianinanao manokana????tsy mazava le resaka
14. Rasiligaoma ( 28/02/2007 06:15)
za koa tsy mahazo.. fa noheveriko ho iaho ihany no tsy comprendre
15. fijo ( 28/02/2007 06:31)
tsy maza va eeeeeeee
16. niryna ( 28/02/2007 06:40)
sakaizakely:

ka izy io ve boky sa pc ? Raha boky ve tsy mila tome bedabe, olona antapitrisany niaina teto antany izay ?

Ahoana no nanaovan'Atra izao tontolo izao tamin'ny voalohany izay tany karakaina tsy nisy na inona na inona.Tsy ampy ho ataony akory io raha zavatra maro sy mahatalanjona aza vitany.
Ahoana tokony re raha manao toy ireny fakantsary dia alefa ao anaty ordinateur ireny ny chips kely tonga dia mivoaka daholo ny anaran-tsika rehetra:roll:

17. niryna ( 28/02/2007 06:42)
Salut:

Sakazaizakely:
Manontany anao aho: Efa renao ve hoe nijanona tsy nihodina tapoka ny tany fa manana problema Andriamanitra? Na hoe lany solika ny masoandro dia tsy mirehitra intsony? Hazavao koa hoe fahendrena na fahaizana manao ahoana no afahana mandamina ireo planeta maro misy. Samy amin'ny toerany avy ary samy manana ny zotrany avy.
Ny olona ry zandry no manana fetra ka mety hanadino na ho diso fa tsy Andriamanitra velively. Tsy takatry ny saina ny fahalalana ananany.


Izay indrindra ary dia misaotra anao nanazava azy
18. Rasiligaoma ( 28/02/2007 06:44)
fa ilay hoe voasoratra any ve ny anarako aloha tsy haiko fa sarotra ny mihambo e..
na iza na iza koa inoako fa tsy mahay..
satria tsy nisy nahita ilay boky ts'inona
19. niryna ( 28/02/2007 07:07)
fijo:

hoatry ny rediredy ityloahevitra ity.tsy manambany aho,fa tena manahirana be le izy.
boky dia iza avy no hosoratana ao?ny kristianina sa ny mpaninona ,sa ahoana?de azia no ahitana sy ahaizana ny anaran'ny olona eran'izao tontolo izao?sa dia valiana fotsiny indray eto hoe finoan aio ka dia izay fotsiny?

Valiny:Raha kristiana ka mino an'Atra ianao dia ho voasoratra ao ny anaranao,raha milaza ho kristiana kanefa lalan-kafa no alehany dia tsy no mety ho valiny
Efesiana 5:5 fa fantatrareo marina fa tsy samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i kristy sy A/tra na ny mpijangajanga rehetra ,na ny olom-betaveta,na my olona mierina (mpanompo sampy izany)
Ho an'i fijo izay manizingizina ny tsy fahalalana na manaiky ampiasain'ny satana ataony tohatra fiakarana,izao no tadidio:izay rehetra manoro anao ny fahamarinana ato dia tsy hisy ho fatian-toka na ahazo tombo-tsoa.Tsy misy afaka hanery anao ny hino,saingy ny hanavotra ny olom-bery no tanjona fa Atra irery ihany no afaka hanova ny fonao.
Ny baiboly tsy tantara araka ny fieritreretanao azy fotsiny fa tena ihainana isan'andro.

Ho antsika izay efa nandray an'i kristy dia ity no fampaherezana.
Efesiana 5:6-9Aza mety hofitahin'ny olona amin'ny teny foana hianareo;fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Atra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo.Fa maizina hianareo fahiny,fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny,mandehana tahaka ny zanaky ny mazava fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.^:^

20. Rasiligaoma ( 28/02/2007 07:19)
za nandray an'i kristy.. fa za kosa aloha tsy handainga hoe voasoratra ao ny anarako na tsia na hoe voasoratra ao ve i nyrina sa tsia.. satria na izaho na ianao samy tsy mbla nahita ilay boky
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2478