Ny bokin'ny fiainana?

21. tywa68 ( 28/02/2007 08:11)
prime:

sakaizakely> Deraina Andriamanitra ny amin'ireo Teny notsongainao ireo...=D=D=D^:^
Bokin'ny fiainana = Boky Masina any an-danitra mirakitra ny anaran'ny olona rehetra (masina, tsy vetaveta, tsy mpnadainga) manaiky sy mino an'i Kristy ary eken'i Kristy...

Ahalalàna fa voasoratra ao ny anarana = tahaka ny ahalalàna fa voavonjy ny tena... (ny tena fanontaniana dia hoe voavonjy ianao sa tsia?)... ny ahafantarana ny olom-boavonjy dia araka ireo Teny mamy tsy mety mankaleo manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy :

"[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]" Marka 16:16

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16

Koa amin'izany dia :

"...Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao." Asan'ny Apostoly 16:31


=D=D=D
22. ikaretsaka ( 28/02/2007 14:59)
efa mazava ilay "bokin'ny fiainana"
fa ny sujet manaraka dia heo voasoratra any ve ianao sa tsy voasoratra..

rasily> ianao ity tompoko!
23. fijo ( 28/02/2007 22:34)
niryna an,tsy misy izany satana izany fa aza miteniteny foana e.
de ny silamo ve mba voasoratra ao koa ry niryna kely?
24. ikaretsaka ( 01/03/2007 01:40)
tena za aloha tsy handainga sy hihambo fa za tena TSY HAIKO raha voasoratra ao na tsia.. satria tsy mbola hitako ilay boky
25. fijo ( 01/03/2007 05:21)
o letia an,boky tsy misy ve ho hitan'ialahy e.
26. niryna ( 01/03/2007 06:24)
Rasiligaoma:

fijo> valiana hoe finoana io dia izay fotsiny!
fa marina ny anao .
fa ilay hoe iza no ho soratana sy tsy hosoratana dia... samy te hilaza hoe voasoratra ao daholo .. fa misy mba efa nahita ny anarany tao ve?
tsy ankandainga?

Aiza ny finoan'i rasili izany?Ahoana no nanaovan'Atra izao rehetra izao?Moa va ho sarotra aminy izany?Inona no zavatra ho sarotra aminy?With God everything is possible.Tsy misy izay tsy vitan'Atra.

27. niryna ( 01/03/2007 06:26)
fijo:

hoatry ny rediredy ityloahevitra ity.tsy manambany aho,fa tena manahirana be le izy.
boky dia iza avy no hosoratana ao?ny kristianina sa ny mpaninona ,sa ahoana?de azia no ahitana sy ahaizana ny anaran'ny olona eran'izao tontolo izao?sa dia valiana fotsiny indray eto hoe finoan aio ka dia izay fotsiny?

Ianao ihany no mamoaka ny ao am-ponao,mihevitra ny tenanao ho ambony.Tadidio fa tsy ny fahaizana akory no ahalalana ny tenin'ATra:roll:.Izay mino azy ihany ary tsy ho hitan'ny siantista mihitsy io satria finoana tsy hita-mano(faith is something that you believe without seeing.)

28. niryna ( 01/03/2007 06:31)
Rasiligaoma:

za nandray an'i kristy.. fa za kosa aloha tsy handainga hoe voasoratra ao ny anarako na tsia na hoe voasoratra ao ve i nyrina sa tsia.. satria na izaho na ianao samy tsy mbla nahita ilay boky



:roll:Tsy mahatoky ny tenenao izany ianao.Rehefa mino azy ianao dia ho voasoratra ny anaranao.Misy ny "gomme"?Inona no ilana an'io?Manao fahadisoana dia fafana ilay fahadisoana.Toy izany ihany koa ireo izay olona nino kanefa niverin-dalana na (backsliders )na (fornicator)ireo izay tsy mpino sns dia ho voafafa ny anarany .:cry:
29. niryna ( 01/03/2007 06:39)
ikaretsaka:

efa mazava ilay "bokin'ny fiainana"
fa ny sujet manaraka dia heo voasoratra any ve ianao sa tsy voasoratra..

rasily> ianao ity tompoko!

Eny raha mino sy manaiky ianao fa izy no tomponao.
Ahoana no ahavoasoratra ny anaranao ao.Mino Azy,mahatokisa Azy,Izy no mpamonjinao(your Saviour)
Fa ahoana? Satria tsy ny anaran'ny rehetra no hovoasoratra ao:roll:

30. niryna ( 01/03/2007 06:48)
fijo:

sa le bokim piainana dia boky momba ny fianinanao manokana????tsy mazava le resaka

Tsy hazava aminao mihitsy raha tsy mihaiky ianao fa mpanota ary manenjika an'i Jesosy ka mangataka famelan-keloka aminy satria manao an'Atra tsy misy ka mitsambiki-mikipy.Eny ho voasoratra ny anaranao raha manana finoana azy na dia kely toy ny ranonando mitete aza ianao:P.Fijo a namako ianao ato,aleo tsy miteniteny foana ary raha tsy mbola nahita fahasoavana taminy ianao dia mihezaha manisa no soa azonao.Avy taiza ireny?Ianao irery ihany no mahalala azy.Ny fahaizana amam-pahalalana izay noratovinao?Moa ve afaka manemotra ny andro ihainanao ianao?Tsia ny valiny.Jereo ny vitsika kely izy kanefa na ny lalana mody any amin'ny lavany aza hitany,na ny andro fahavaratra na lohataona aza fantany.Na ny masonao misy rano tsy mety ritra aza,tsy misy mahavariana anao ve izany?Satria ny maizina dia ho maizina raha tsy mitady fahazavana ka tsy afaka ahita ny fahazavana ianao raha tsy mitady azy.

31. niryna ( 01/03/2007 07:48)
Rasiligaoma:

za koa tsy mahazo.. fa noheveriko ho iaho ihany no tsy comprendre

Raha mazoto mihaino ianao dia hohazavaiko aminao.Alohan'ny rehetra anefa dia mivavaha amin'i Jesosy hanampy anao mba homeny ny Fanahy Masina ianao ahalala ny boky volamena dia ny baiboly izany.Inona indray koa izany boky volamena izany:roll:Sarobidy ary tsy voavidy vola,manana hasina mihoatra ny volamena ary tiavina tsara noho ny fitiavana volamena.Mamy dia mamy noho ny tantely.Io baiboly io no boky faran'izay sarobidy amiko indrindra ka izany no antsoiko azy hoe boky volamena.
Efa niresaka ny atao hoe inona no dikan'ny bokin'ny fiainana ny namana teo ambony.Hisaorako azy ireo manokana izany.Jereo ny fanazavan'i prime.
Ny Bokin'ny Fiainana
Apo 20:12Ary nahita ny maty aho ,na ny lehibe na ny kely nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana:ary novelarina ny boky:ary nisy boky iray koa novelarina ,dia ny Bokin'ny fiainana izany.
Daniela 7:10 [i]Ony afo no nivoaka sy nandeha teo anatrehany arivoarivo no nanompo Azy,ary analinalina no nitsangana teo anatrehany;nipetraka ny Mpitsara ary novelarina ny Boky.


Mety ho voavono na voafafa ve ny anarako? .
Eksodosy 32:33 "Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy;Na iza na iza nanota tamiko ,dia ho vonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.

Salamo 69:28Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany,..

Ho an'izay tsy mino azy
Jeremia 17:13Ry Jehovah Fanantenan'Israely o ho menatra izay rehetra nahafoy anao,ary ho soratana amin'ny vovoka izay miala aminao.Satria izy efa nahafoy an'i Jehovah Loharanon'ny velona.
Apokalypsy 13:8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany,dia izay tsy mananany anarany voasoratra eo amin'ny Bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry,..
Inona no tokony hataoko mba ho voasoratra ny anarako?
Apokalypsy 3:5Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ,ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny Bokin'ny Fiainana tokoa Aho,fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.

Efesiana 1:13Ao amin'ny koa hianareo rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana ,dia ny filazan-tsara famonjena anareo,eny ao amin'ny koa ianareo,rehefa nino,no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
[u]Ahoana no ahalalako fa voasoratra ny anarako?
Romana 8:16 Ny Fanahy dia milaza amintsika fa zanak'Atra isika.
@ Korint 1:22[i] Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika
32. cutie ( 02/03/2007 01:22)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 01-03-2007 02:40:39
Lohateny : Re : Ny bokin'ny fiainana?
tena za aloha tsy handainga sy hihambo fa za tena TSY HAIKO raha voasoratra ao na tsia.. satria tsy mbola hitako ilay boky

refa mino hono de voasoratra ao e
zany ve de sarotra e :-D:-D:-D:-D
minoa fotsiny ihany :lol::lol::lol::lol:
33. ikaretsaka ( 02/03/2007 03:36)
marina daholo ireo ry niryna..
fa na izany aza za aloha tsy "hihambo" mihitsy hoe voasoratra ao ny anarako e.

aleo izay toy izay ilay diso fanantenana kle... mba marina e..
fanadinana aza ianao ilay nandamin-tsaina hoe efa hoe tsy afaka nefa afaka tampoka no tsara noho ilay hoe manantena be ho afaka sy mahazo mention kanjo tsy voasoratra tao @ lisitry ny afaka ...
mainka fa zavatra important be ohatran'io
tsy haiko aloha fa ny ahy aleoko izay le

aleoko mampionona fo toy izay ilay manantena tsy misy!
34. fijo ( 02/03/2007 06:37)
izay mihintsy letsy e.sady boky tsy mbola nisy nahita ve letsy no hoantenaina le
35. Zina ( 02/03/2007 19:10)
oy i ikaretsaka:
fa na izany aza za aloha tsy "hihambo" mihitsy hoe voasoratra ao ny anarako e.

rehefa nanaiky hanaraka an'i jesosy ianao dia efa ao anatin'ny boky ny fiainana ny anaranao.

aleo izay toy izay ilay diso fanantenana kle... mba marina e..
satria manana doute be dia be tsika ary mahafantatra fa mpanota nefa tsy otran'ny oe tsy mino fa jesosy anie mamela atsikafoana...Ampantanjaho ny finoan-tsika an'i Jesosy izay mpamonjy antsika....

aleoko mampionona fo toy izay ilay manantena tsy misy!

Aza manaiky ho resin'ny Satana isika.

mahereza o...
Ny fivavahana no hanampy antsika
36. fijo ( 02/03/2007 23:22)
hanampy sa handany andro ny fivavahana?
37. linarako2 ( 03/03/2007 01:16)
fijo:

hanampy sa handany andro ny fivavahana?

Ho anao izay nino kanefa lasa tsy nino dia mandany andro manala ny hatezeranao ireo mino azy.Nangataka tamin'ny herin'ny tenanao ianao ka tsy nahazo na ahazo raha tsy miverin-dalana.Manampy satria nomen'Andriamanitra hery ny zanany hitory ny teniny ato,saingy tadiavinareo rehetra hokapaina.Lany mihitsy ny andronao ka na ny asanao aza dia angalaranao hisolokina hidirana ato,Toy izany koa ireo namanao,mangalatra amin'Andriamanitra ny ora tokony hiasana kanefa dia alainareo ato hanampotehina ny teniny.:-/

38. fijo ( 03/03/2007 01:27)
izahay rehetra iza?????????hay enao irery izany eto no manana ny marina?
39. niryna ( 12/03/2007 04:09)
fijo:

hanampy sa handany andro ny fivavahana?

fijo a raha taka ahy aloha dia manampy ahy ny fahalalako ny fanazavan'ny olona mikasika ny fivavahana e,raha ho lany andro ihany koa ve aho tsy izay ahitako fahafinaretan'ny fanahiko no vao maika tiako sy manamaivana ny olana mety mianjady madinidinika :roll:
40. niryna ( 12/03/2007 04:14)
ikaretsaka:

marina daholo ireo ry niryna..
fa na izany aza za aloha tsy "hihambo" mihitsy hoe voasoratra ao ny anarako e.

aleo izay toy izay ilay diso fanantenana kle... mba marina e..
fanadinana aza ianao ilay nandamin-tsaina hoe efa hoe tsy afaka nefa afaka tampoka no tsara noho ilay hoe manantena be ho afaka sy mahazo mention kanjo tsy voasoratra tao @ lisitry ny afaka ...
mainka fa zavatra important be ohatran'io
tsy haiko aloha fa ny ahy aleoko izay le

aleoko mampionona fo toy izay ilay manantena tsy misy!



Ika a ,please,don't say that.Just believe and you will receive.The word says until now,you never ask anything in my name,ask and you will received and your joy will fullfilled:P:P
Rehefa mino ianao sy manana fahatokisana dia izay ihany ho voavonjy ianao ary ny fananao izany no taratra hitan'ny fianakavianao dia mahatonga azy ireo koa hanana finoana ary dia hiaraka ho voavonjy daholo ianareo rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4571