hoavy kristi hitsara .......

1. fijo ( 23/02/2007 23:45)
ny mpino kritsianina dia mino ,fa hisy ny "fara andro"ary dia hoavy kritsy hitsara ny olona.
raisiko ary ilay hevitra tary ambadika tary.
isika rehetra dia mahalala fa io kristy io,dia taty aorian'i abrahama sy ry mosesy.izany hoe efa nisy ela be ny olombelona vao nitranga ity rangahy ity;
ka raha hoavy izy hitsara,araka ny finona kristianina.hitsara izay niaina teo alohany(alohan'ny nisiany koa ve izy?)
nefa izy aza nandika ny lalana nampitrak'ireo zokiny?????
novalian'i niryna ny 12/03/2007 03:38
2. xxx ( 24/02/2007 02:06)
Inona no antony ilazanao fa nandika lalana Jesosy tamin\'izy tety an-tany? sao dia t@ fandravana tsena nataony no anaovanao raisonnement? Tsy fantatrao anga fa ny tempolin\'Andriamanitra izay nataon\'ny olona t@ zany fotoana izany ho toerana fivarotana sy tsena fotsiny no antony nandravany izany, fa tsy hoe faly handrava fotsiny @ tsy antony.

Izy ary nanamafy izao: \"Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. \" Matio 5:17

Ary Jesosy Kristy irery ihany no nahatanteraka ny lalana rehetra, izy tsy nahitana fahotana na iray aza, kanefa nanaiky ho faty eo @ toeran\'ny mpanota rehetra.

Jesosy Kristy dia nametraka didy vaovao ho an\'ireo mino sy manaraka Azy dia ny lalan\'ny fitiavana izany.

\"Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin\'ny lalàna? Dia hoy Jesosy taminy: \"Tiava an\'i Jehovah Andriamanitrao amin\'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra\" ( Deo.6.5).
Izany no didy lehibe sady voalohany.
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: \"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao\" ( Lev.19.18).
Izany didy roa izany no ihantonan\'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.\" Matio 22

\"Ny fankahalana dia manetsika ady; fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.\"

\" Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin\'ireo.\" IKorintiana 13:13

\" Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an\'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.\" IJaona 4:10







3. xxx ( 24/02/2007 03:41)
"Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [na hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao." Jaona 3:17

Jesosy Kristy izay Andriamanitra dia tonga teto an-tany mba hamonjy izao tontolo izao t@ nafatesany noho ny fahotan'ny olombelona. ary efa nampafatarina ny olona izany @ alalan'ny teniny ahely eran-tany. Raha misy mandre izany teny izany ka tsy mbola mino fa Izy no ilay zanak'ondrin'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, dia ireny teny efa reny ireny ihany no hitsara azy amin'ny andro farany.

"Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany." Jaona 12

4. fijo ( 24/02/2007 06:04)
fa nahoana no izy tonga taty aoriana no hilaza fa hanao ny lalana rehetra??????
ry abrahama izany vongory ????? ry mosesy izany kadradraka??????ireo anefa olona tsy voaheloka,fa ity rangahy ity noelohana hofaty,ary nomboina niaraka tamin'ny jiolahy toa azy.
5. fijo ( 24/02/2007 06:05)
dia hitsara an'iza izy??????ny jiosy ve???nefa izy aza tsy nanaraka ny lalana jiosy.
ny kristianina ve?????izy aza tsy kristianina?????
ny silamo ve??????ireo tsy mila azy...
6. hertix ( 24/02/2007 07:03)
Mba hazavao ny tianao lazaina ry fijo @ hoe "nefa izy aza tsy nanaraka ny lalana jiosy".
7. xxx ( 24/02/2007 07:27)
1- Jesosy dia Andriamanitra tonga nofo t@ izy tety an-tany, ary io no antony namonoan\'ny Jiosy azy satria dia tsy tantin\'ny fariseo sy ny mpanora-dalana mpihatsara velatsihy t@ zany andro izany ny nitenenan\'i Jesosy io fahamarinana io.

\"Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin\'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin\'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
- Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.\" Jaona 10.


Izay no namonoan\'ny jiosy azy fa tsy io voalazan\'i andriamantoa fijo [izay toa entin\'ny fankahalana fotsiny]

2- Ny nanamarinana an\'i Abrahama dia ny finoany an\'Andriamanitra:

\"Ary abrahama nino an\'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany\" , ary natao hoe \"Sakaizan\'Andriamanitra\" izy. Jakoba 2:23

3- Jesosy dia efa nisy talohan\'i Abrahama, satria Andriamanitra Izy.


\"Ravoravo abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an\'i abrahama va? Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary abrahama, dia Izy Aho.\" JAONA 8


4- Vakio tsara ito dia jereo tsara hoe iza no hitsara ireo izay efa naheno fa Jesosy Kristy dia tonga ho faty noho ny fahotan\'izao tontolo izao (silamo, athe, agnostic, katolika, protestant, sns..). ary hamonjy ireo izay mino Azy., kanefa manda izany.

\"Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin\'ny andro farany.\" Jaona 12

5- baiboly.org sao mahasoa. (Soratra Masina amin\'ny teny gasy online)
8. xxx ( 24/02/2007 07:31)
Tsy hamaly anao 'aho,fa ireo fanazavan'ireo olona roa ambony ireo aza mbola dihifinao ihany,fantatro ny fironan-tsaina hanananao,nefa tsarovy fa any andro iray dia ho tsapanao ary ho fantatrao io KRISTY zanak'Andriamanitra velona ary hamonjy anao io.
Manasa anao aho, handalindalina kokoa momba ny Baiboly,"Dia tenin'Andriamanitra velona " ary mino aho fa ho fantatrao ny zava-miafin'ny TENIN'ANDRIAMANITRA
9. xxx ( 24/02/2007 07:32)
"Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" romana 5:8

"Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena." [afa-tsy ny anaran'i Jesosy Kristy] Asa 4:12.
10. jefra ( 24/02/2007 12:20)
fijo> Fa ny mpino kristianina koa dia mino ny misitery (ny katolika farafaharatsiny satria toa misy tsy itovizana ihany ilay Maria Virijiny sy ny hafa). Ny tsy voavaly rehetra toy ny Trinite ohatra dia atao ao.

Dia nampiana hoe "Ny fihevitro tsy fihevitrareo" (io azoko antoka fa ikambanana), dia tampina ny domy.

Ka na "mino fotsiny ihany" dia tsy mametra-panontaniana, na makany am opposition (:lol: tsy resaka Deba fa ny tsy mpino).
11. piste ( 24/02/2007 13:21)
Kay athée ilay fijo ity. Nefa Toa athée bontolo ilay izy fa tsy mba misy raisonnement mitombona tsara akory.
12. Salut ( 24/02/2007 16:12)
Fijo: Sarotra aminao ny hahazo izany ry namana raha toa ianao ka tsy mahita afatsy izay eo ambanin'ny oronao ihany. Izany hoe tsy mahita afatsy ny ianana anio ihany. Alefaso lavitra ny saina raha efa maty ny fanahy hamatatra hoe: IZA AHO? AVY AIZA? HO AIZA? Sa ianao mino fa RAJAKO no niavianao ka miara- tapitra amin'ny fiainana eto ny aminao manontolo? Raha izay no marina dia tsy ho takatrao velively ny valin'ireo fanontaniana napetrakao ireo, ary ho fandaniana andro fotsony ny famaliana ny fanontanianao sy ny miady hevitra aminao.
Manaraka izay raha mba mamaky Baiboly ihany dia mba vakio manontolo, sy fantaro ny heviny fa aza tapatapahana ohatran'io. Misy zavatra voalaza nialohan'io nolazainao io fa tsy sanatria fanaovana tsinotsinona ireo raiamandreny teo aloha akory.
13. Fody ( 24/02/2007 18:03)
Fijo: Tena mila mandinin-tena kely ianao, satria ho anao dia tsy misy Andriamanitra nefa ny mahavariana dia ny mbola iresahanao ny momba azy ihany. Azo atao ve ny miresaka Olona tsy misy na zavatra tsy misy? Moa misy asa vitan'izay tsy misy ve? Ianao koa no niteny fa tsy misy dikany izy ho anao, ka tsy resaka adala ve raha zavatra tsy misy dikany no andeha handaniana fotoana? Fandrebirebena saim-bahoaka ny vavaka sy ny finoana hoy ianao, ka ahoana no mahaliana anao?

Raha mbola misalasala amin'ny tsy fisian'Andriamanitra ianao dia afaka miady hevitra aminao aho, sy afaka mitady ny marina miaraka aminao; fa rehefa be marenina tsy vonona ny hiady hevitra kosa fa hanao BOTOLO (sans raisonnement)dia tsara ho anao no tsy miresaka intsony ilay ILAY TSY MISY fa hadalana sy hagegena.
14. Fanambinana ( 24/02/2007 18:19)
Fijo: TSY MISY ANDRIAMANITRA ho anao, ka tsy misy dikany tokoa ny mbola hiresaka azy aminao. Tsy ilaina ny mamaly ny fanontanianao satria tsy hisy vokany velively aminao izany, satria efa tsy misy izy. Raha tsy misy izy dia tsy misy koa ny asa nataony rehetra, sy ataony ary mbola hataony.
Tiako anefa ny milaza aminao fa MISY IZY, ARY NISY TALOHAN'NY ZAVATRA REHETRA, SY HISY MANDRAKIZAY. Tsy misy ady hevitra ny amin'io, satria resy lahatra tanteraka ny amin'izany aho fa tsy toa anao velively, manda mafy ny fisiany nefa manafy aminay indray fa misy izy satria nisy teny navelany sy asa nataony. Ianao ihany no manohitra izay voalazanao sy hitompoanao teny fatratra.
15. Fiffi ( 24/02/2007 19:15)
Fanambinana:
Fijo: TSY MISY ANDRIAMANITRA ho anao, ka tsy misy dikany tokoa ny mbola hiresaka azy aminao. Tsy ilaina ny mamaly ny fanontanianao satria tsy hisy vokany velively aminao izany, satria efa tsy misy izy.
nefa hoy zah hoe: anjaran'ny mpino no manampy sy mamaly ny fanontanian'ny tsy mpino.....satria raha tsy misy mamaly ry zareo , heu...@ fomba ahoana no hinoany ? (tsy mikasika an'i fijo ireny akory no hilazako an'zany)

Fa diniho kely ange ity an : isika olon-dehibe zay mampianatra ireo ankizy @ katesisma , hampianarina izy ireo mba hihino....sy hampitombo ny finoany....ka raha tsy hamaly ny fanontaniany zay mahay....@ fomba ahoana no mba hampino azy sy hampitombohany ny finoany ?


16. tywa68 ( 24/02/2007 19:45)
Fiffi : efa fantany ny tantara, ary tsy mila ampianarina azy akory, fa raha tsy izy mihitsy no manandrana mihaino ny antso (mivavaka mba hahatsapa sy hahita fa miaro azy andavanandro Izy), dia mila hivavahana izy handroso @zay.

Tsy ny fiteny ohatran'io ataon'i Fanambinana io no hampiova azy, satria vao maika aza izy mitsoaka:-D, tandremo ihany e ! (aza tezitra mizara ny vaovao mahafaly, mivavaka ho azy isika dia efa zava-dehibe zay rehefa tsy te-hiresaka aminy).
17. Fanambinana ( 24/02/2007 20:08)
Fiffi sy tywa68: Efa firy volana moa izay (na firy taona)no niresahanareo tamin'io Lehilahy io teto? Nisy vokany taminy ve izay nolazainareo?

Ary mba vakio tsara hatramin'ny farany ny zavatra nambarako, fa tsy tezitra aho na leo ny hampafatra an'i Kristy amin'ny tsy mino, fa satriko aza. Hoy aho:
Tiako anefa ny milaza aminao fa MISY IZY, ARY NISY TALOHAN'NY ZAVATRA REHETRA, SY HISY MANDRAKIZAY. Tsy misy ady hevitra ny amin'io, satria resy lahatra tanteraka ny amin'izany aho fa tsy toa anao velively, manda mafy ny fisiany nefa manafy aminay indray fa misy izy satria nisy teny navelany sy asa nataony. Ianao ihany no manohitra izay voalazanao sy hitompoanao teny fatratra


Samy manana ny fomba fandreseny lahatra ny hafa ny rehetra. Mazoto
18. tywa68 ( 24/02/2007 20:34)
Fanambinana : Marina mihitsy zany hoe samy manana ny fandreseny lahatra, fa aza misendoatra ary ê !:wink:
Ilay tapany voalohany noteneninao io mihitsy no hitako masiaka !:(
19. Fiffi ( 24/02/2007 20:53)
Fanambinana:
Fiffi sy tywa68: Efa firy volana moa izay (na firy taona)no niresahanareo tamin'io Lehilahy io teto? Nisy vokany taminy ve izay nolazainareo?
heu.....firy taona ....no nampisehoan'i Jesoa ny olombelona fa Izy no Tompo ? moa ve mba najanony zany fampianarana ny olona sy zany fampisehoana zany na dia kely momnja aza nefa jereo ny zavatra nanjoa azy ? firifiry no olona tsy mbola mino azy ? nefa dia mbola mitohy hatrany ny fahamasinana azy............


20. Salut ( 24/02/2007 22:01)
Fiffi: ny tian'i Fanambinana ambara dia hoe: firy taona na firy volana izay no efa nitorianareo tamin'io olona io tamin'ny teny malefaka sy tambitamby, fa nisy vokany ve? Ilaina koa anie indraindray ny manao teny fampisainana ny olona e(na somary masika aza), toy izay nataon'i Kristy. Fiteny ohatra ny hoe: ry kely finoana..., ry donto saina...sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3021