Naninona no natao Batisa Jesosy?
1. Mandefitra
(
22/02/2007 05:15)
Matio 3
13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.
14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe : Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko ?
15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe : Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Inona ireo "fahamarinana rehetra" tiana hambara eto?

novalian'i niryna ny 12/03/2007 03:28
2. soanja
(
22/02/2007 06:42)
Raha ny fanarahako ny tantara ao amin'ny baiboly dia teo izy no lasa Andriamanitra fa talohan'izay izy olombelona mitovy amintsika ihany. Zany hoe teo Andriamanitra Ray no nitonona ny mahazanany azy ary IRAY ihany izy ireo.
Ka raha te ho zanak'Andriamanitra raha ny baiboly no zohina dia amin'ny alalan'i Batisa na batemy amin'ny anaran'i Jesoa Kristy.
Ka raha te ho zanak'Andriamanitra raha ny baiboly no zohina dia amin'ny alalan'i Batisa na batemy amin'ny anaran'i Jesoa Kristy.
3. rabeflorian
(
22/02/2007 09:42)
Ny fanontaniana @ lohateny dia hoe:"naninona no natao batisa Jesosy?" ary mbola misy ny fanontaniana faharoa hoe inona ireo "fahamarinana rehetra" tiana ambara?
Asa na efa mahafantatra ny valiny ny mpanotra fa mba te hahalala ny hevitry ny namana sasany ihany.
Rehefa nodinihana io tenin'I Jesosy talohan'ny nanaovana batisa Azy io dia izao no fantatra:
-Hanomboka ny asam-pamonjena Izy
-Andriamanitra no naniraka Azy mba tsy ho very izay rehetra mino Azy
-Hamonjy ny olona izany hoe hanafaka azy amin'ny fahotana no antony nanirahana Azy
-Fmelan-keloka no dikan'izay nefa tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra latsaka
-Hatao fanatitra alatsa-dra izany Jesosy
-Ny fanaovana ny fanatitra dia voazava ao amin'ny Levitikosy ka anisan'ny tsy maintsy atao dia ny fametrahan-tanana eo amin'ilay fanatitra mba hamindrana ny ota aminy
-Fametrahan-tanana no nataon'i Jaona tamin'ny nanaovany batisa an'I Jesosy ka nafindrany Taminy ny fahotan'izao tontolo izao ka nitenenany hoe:"Indro ny Zanakondrin'Andriandriamanitra Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao"
Ny hoe fahamarinana rehetra eto dia midika hoe fanesorana ny heloka ka entin'I Kristy eo amin'ny hazo fijaliana izany mba hanefany ny tambiny.
Ny mino an'i Jesosy izany dia fanekena fa vitany izany asa izany ka izay manaiky Azy dia tsy manam-pahotana intsony fa efa nodioviny tanteraka.

4. Mandefitra
(
22/02/2007 09:59)
Misaotra an i rabeflorian @ fanazavana ny @ fanatitra noho ny ota sy ny fifandraisany @ batisa
Levitikosy 4:29 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.
Voalaza teo:
Levitikosy 4:29 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.
Voalaza teo:
Raha ny fanarahako ny tantara ao amin'ny baiboly dia teo izy no lasa Andriamanitra fa talohan'izay izy olombelona mitovy amintsika ihany.Ny marina kokoa angamba de hoe teo Andriamanitra no nanambara ampahibemaso fa Zanany Jesosy Kristy.Ahoana ny hevitry ny hafa?
5. bemalaza
(
22/02/2007 10:58)
Raha ny fanarahako ny tantara ao amin'ny baiboly dia teo izy no lasa Andriamanitra fa talohan'izay izy olombelona mitovy amintsika ihany. Zany hoe teo Andriamanitra Ray no nitonona ny mahazanany azy ary IRAY ihany izy ireo.?
tena mahagaga zany hay zany izy zaza nantsangana fa tsy zanaka nateraka, ,zany dia midika fa tsy hoa Atra velively izy.
mila mampahafantatra antsika izy fa olombelona fa tsy Atra zany
6. Mandefitra
(
22/02/2007 13:13)
Ka zay le nolazaiko teo hoe Jesosy Kristy de efa zanak'Andriamanitra,fa natao batisa izy mba ho fantatry ny olona fa Zanany Tokoa.Ary zay ko no antony hanavana batisa antsika mba ho zanak'Andriamanitra ... ny tohiny mo de hoe Mitafy an Kristy (niara nalevina taminy t@ Batisa ary niara nitsangana aminy koa), ary Tempolin ny Fanahy Masina
7. Fiffi
(
22/02/2007 13:36)
Ny rano manohatra ny batisan'i Jesosy teo amin'ny ony Jordana ary ny Baiboly milaza fa ny otantsika dia nifindra teo amin'i Jesosy avokoa rehefa nataon'i Jaona Batista batisa Izy. Jaona dia solon-tenan'ny olona rehetra ary taranak'i Arona mpisorona avo. Arona nametraka ny tànany teo amin'ny lohan'ny osilahy velona mba ho famelana ny fahotan'ny taona rehetran'i Israelita tamin'ny andro Fanavotana. Ity no alokin'ny zava-tsoa ho avy. Ny batisan'i Jesosy dia sarin'ny fametrahan-tànana. Ny batisan'i Jesosy dia natao tamin'ny fomba fametrahan-tànana teo amin'ny Jordana. Ka nalainy ny fahotana rehetran'izao tontolo izao amin'ny batisany ary nohomboana tamin'ny hazo fijaliana Izy handoavana an'izany ota izany. Nefa maro ny Kristiana tsy mahafantatra nahoana no nataon'i Jaona batisa teo amin'ny Jordana i Jesosy. Ny fototr'ity boky ity dia ny batisan'i Jesosy sy ny antoko tsy azo lavina ao amin'ny filazantsaran'ny Rano sy ny Fanahy Masina. Afaka ho ateraka indray isika raha mino ny batisan'i Jesosy sy ny Hazo fijaliany.
10. Zina
(
22/02/2007 18:58)
Matoa Jesosy natao batisa dia mba ho satatra, modely, ohatra ho antsika ary mba hanaraka an'izay ataony.
12. xxx
(
22/02/2007 21:59)
\"Raha ny fanarahako ny tantara ao amin\'ny baiboly dia teo izy no lasa Andriamanitra fa talohan\'izay izy olombelona mitovy amintsika ihany. Zany hoe teo Andriamanitra Ray no nitonona ny mahazanany azy ary IRAY ihany izy ireo. \"
1- Ny tenin\'Andriamanitra, izay raisin\'ny sasany tahaky ny boky tantara fotsiny, dia milaza zavatra mifanohitra amin\'io lazainao io. Jesosy Kristy dia Andriamanitra aloha fa tsy olombelona izany, izay vao nitafy nofo tahaka\'ny olombelona t@ nahatongavany tety an-tany.
\"Ary ny Teny [Jesosy Kristy] dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an\'ny Lahitokana avy tamin\'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana\" Jaona 1:14
\"..ary ny Teny dia Andriamanitra\" Jaona 1:1
\"Izy [Jesosy Kristy] dia tao amin\'Andriamanitra tamin\'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona\" Jaona 1:2-5
2- Ianao dia milaza fa Andriamanitra Jesosy Kristy. Marina izany. Ary maninona ianao no tsy mino fa tena misy ny afobe na helo, izay Jesosy Kristy mintsy no manamafy azy fa tena misy tokoa fa tsy zavatra noforon\'ny sain-olombelona fotsiny. Hoy ianao mantsy ao @ dinika ao ambadika: \"zah aloha tsy mino afobe velively\"
Nefa Jesosy Kristy, ilay Mpamonjy izao tontolo izao, mihintsy no miresaka betsaka sy manamafy ny fisian\'io teorana natokana ho an\'i fahavalon\'Andriamanitra [satana sy ny anjeliny] io.
Sa tsy mifanaraka amin\'ny sainao dia lavinao tsotra izao?
\"Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin\'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin\'ny fanjakan\'ny lanitra; fa ny zanaky ny fanjaka[n\'i satana] dia hariana any amin\'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.\" Matio 8
\"Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin\'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.\" Apokalypsy 20:10
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin\'ny bokin\'ny fiainana, dia natsipy tany amin\'ny farihy afo izy. Apokalypsy 20:15
\"Ka raha te ho zanak\'Andriamanitra raha ny baiboly no zohina dia amin\'ny alalan\'i Batisa na batemy amin\'ny anaran\'i Jesoa Kristy. \"
Ny Soratra Masina, izay tsy raisin\'ny sasany ho tenin\'Andriamanitra feno, dia milaza zavatra hafa noho io voalaza io.
\"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak\'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,\" Jaona 1:12
Marihiko tsara, izay mino ny anarany no tonga zanak\'andrimanitra ny voalza eo fa tsy hoe izay atao batisa.
14. LazaDaddy
(
22/02/2007 22:54)
soanja:Soanja ah, sao dia tsy izay no izy fa tena mifanohitra tanteraka @ foto-pinoana voalazan'ny Baiboly anie izany lazainao izany e? :wink:
Raha ny fanarahako ny tantara ao amin'ny baiboly dia teo izy no lasa Andriamanitra fa talohan'izay izy olombelona mitovy amintsika ihany.
Ny hita misongadina mahasamihafa ny finoana Kristianina @ finoana hafa dia: "Andriamanitra nanetry tena ka tonga niseho t@ endrik'olombelona (i Jesoa)" araka ny voalazan'ny Baiboly, ny finoana hafa kosa dia "olona manao izay tratry ny heriny no asandratra ho andriamanitra".
16. Mandefitra
(
23/02/2007 05:00)
Ndeha hafototra tsara ny fanontaniana : ho antsika zay mino an i Jesosy Kristy ho Zanak'Andriamanitra, midika inona ho antsika ny nanaovana Batisa Azy?
17. majesty
(
23/02/2007 06:02)
Ho fianarana ho antsika no tena antony fa tsy misy ankoatran'zay.Mandrary manao mpitari-bato vilambava mantsy izy raha milaza hoe izay mino sy atao batisa no ho vonjena nefa izy tsy mino no sady tsy atao batisa:D
19. niryna
(
23/02/2007 06:31)
[quote=xxx]
Izaho koa mitovy hevitra aminao.
Tamin'ny voalohany ny Teny ary ny Teny tao amin'Atra, ary ny Teny dia Andriamanitra,Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany.
Efa teo izany A/tra hatramin'ny voalohany fa tsy hoe izay izy vao natsangan'Atra ho zanany.
Misy ny mana-maso kanefa tsy mahita,mana-tsofina kanefa tsy mandre.Izay no antony tsy ahatokisany.
Ny fanaovana batisa dia fomba ilazana ny fanadiovany ny tena ary lasa ho olom-baovao fa tsy famonjena mihitsy. Raha atao amin'ny fiainana izany dia manome an'Atra ny fiainanao rehetra taloha ka lasa olom-baovao ianao.Ny vatanao ianao ihany fa ny ao anatinao kosa dia niova tanteraka nanaraka an'i Jesosy,milanja ny hazo fijaliany,izany hoe misy manenjika ianao ? Efa nilaza izy fa izy efa nataon'ny olona toa anao koa.Ny batisan'ny fanahy masina izay nampianarina antsika sy nampifantarina antsika no hanafaka antsika ary Fanahy Masina io no miaraka amintsika isan'andro. Asan'ny Apo 2:38-39 "Ary hoy Petera taminy:Mibebaha ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesos Kristy hianareo rehtra mba hahazo famelana ny helokareo ary hianaranareo handray ny famonjena dia ny Fanahy Masina.
1- Ny tenin'Andriamanitra, izay raisin'ny sasany tahaky ny boky tantara fotsiny, dia milaza zavatra mifanohitra amin'io lazainao io. Jesosy Kristy dia Andriamanitra aloha fa tsy olombelona izany, izay vao nitafy nofo tahaka'ny olombelona t@ nahatongavany tety an-tany.
Izaho koa mitovy hevitra aminao.
Tamin'ny voalohany ny Teny ary ny Teny tao amin'Atra, ary ny Teny dia Andriamanitra,Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany.
Efa teo izany A/tra hatramin'ny voalohany fa tsy hoe izay izy vao natsangan'Atra ho zanany.
2- Ianao dia milaza fa Andriamanitra Jesosy Kristy. Marina izany. Ary maninona ianao no tsy mino fa tena misy ny afobe na helo.
Sa tsy mifanaraka amin'ny sainao dia lavinao tsotra izao?
Misy ny mana-maso kanefa tsy mahita,mana-tsofina kanefa tsy mandre.Izay no antony tsy ahatokisany.
Marihiko tsara, izay mino ny anarany no tonga zanak'andrimanitra ny voalza eo fa tsy hoe izay atao batisa.