Inona no mety hitranga rehefa tonga amin'izay Kristy?

1. niryna ( 12/02/2007 05:18)
Rehefa mandalo ny fihomanana ny andro farany, ny fiambesana ,ny ady mahamay ary ny fahatongavan'i kristy dia inona no hitranga aorian'io ?
Vakio ny fanazavana ireo izay nalefako ao amin'ny fampianarana ny fahatongavan'i kristy.
Fanazavana ny zavatra hiseho alohan'ny fahatongavan'i kristy.
2. Fiffi ( 12/02/2007 06:33)
niryna:
ary ny fahatongavan'i kristy dia inona no hitranga aorian'io ?
iza no mahafantatra ny valin'io ? hapetraka eo am-pelatan'Andriamanitra fotsiny ny fiainana fa izy hiany no mahafantatra zay mety hitranga .........


3. prime ( 12/02/2007 10:42)
niryna> ankamantatra indray sa ahoana?:lol:... inona ry niryna?
4. xxx ( 12/02/2007 13:57)
Toa rehefa voalazan'ny tompo ireo mitranga rehetra ireo dia hanomboka amin'izay ny fitsarana .Izay no voalazan'ny bokin'ny Fiafarana:?::roll::?:
5. prime ( 13/02/2007 06:51)
xxx> mitovy hevitra...
Matio 13:25-40 dia maneho fanoharana mazava Kristy momba ny tsimparifary sy ny any am-parany...
6. niryna ( 13/02/2007 07:02)
prime:

niryna> ankamantatra indray sa ahoana?:lol:... inona ry niryna?

Aiza kosa e ,tsy manao ankamantatra izany aho.Vakio ny Apok 19:14,2 Tim 1:7-10,Mat 13:40-41 Isa 13:6-12

7. prime ( 13/02/2007 07:37)
Ny bokin'ny Daniela sy ny Apokalipsy no mampiseho ny farany amin'ny antsipiriany ara-paminaniana...
8. Achia ( 13/02/2007 10:20)
Mitsangana ny maty fany maty ao @ tompo ihany aloha a!
9. lamie ( 13/02/2007 19:51)
mahavariana koa i niryna an!mametraka fanontaniana izy dia izy ihany no mamaly azy,tokony mitory ianao fa tsy manontany e!
10. niryna ( 14/02/2007 06:17)
lamie:

mahavariana koa i niryna an!mametraka fanontaniana izy dia izy ihany no mamaly azy,tokony mitory ianao fa tsy manontany e!

Satria izy milaza fa ankamantatra ka :D

11. fijo ( 14/02/2007 22:45)
voalohany aloha,dia tsy hisy velively izany fahatongavan'i kristy izany.efa tsyhita na ny taolany aza ka aza miandry ny tsy misy.
12. majesty ( 15/02/2007 06:02)
nyrina: ataovy izay ahatongavana any dia rehefa any tantaraiko anao izay miseho :D
13. prime ( 15/02/2007 06:30)
Voavaly izany ny fanontaniana e?
14. niryna ( 15/02/2007 07:19)
majesty:

nyrina: ataovy izay ahatongavana any dia rehefa any tantaraiko anao izay miseho :D


Any ankoatra isika izany no mifanakahita ry majesty a
15. cutie ( 16/02/2007 02:34)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 14-02-2007 23:45:40
Lohateny : Re : Inona no mety hitranga rehefa tonga amin'izay Kristy?
voalohany aloha,dia tsy hisy velively izany fahatongavan'i kristy izany.efa tsyhita na ny taolany aza ka aza miandry ny tsy misy

:-D:-D:-D:-D
16. fijo ( 16/02/2007 06:10)
marina izany ko.ny taolany aza tsy voavonjiny.
17. majesty ( 16/02/2007 07:10)
fa voasoratra any anaty siansan'i fijo angah sa ao @ tantara nianaran'i fijo hoe mbola ao ny taolany :D,sao dia ny taolan'i Jodasy zany r'ise:D:D
18. xxx ( 16/02/2007 07:14)
fijo:

marina izany ko.ny taolany aza tsy voavonjiny.

Ho an'ny tsy mpino tahaka anao dia tsy ahita ny marina mihitsy ianao raha ny toetranao no hitadiavanao ny marina,izay manetri-tena no asandratra ary izay miseho azy milay tsy ahita ny fahasoavana mihitsy.

19. prime ( 16/02/2007 12:10)
Tapitra sa mbola mitohy???:lol:
20. fijo ( 16/02/2007 21:47)
majesty an tsy ao anaty boky io,fa zavatra misy.firy taona no mirava ny taolana iray???dia izay dia ampy hilazana fa ny taolany aza tsy hita intsony.tsy mila fahaizana sy finoan izay ka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0449