Sarin'i Jesosy

1. niryna ( 09/02/2007 08:25)
Raha mijery ny tantaran'ny Ranavalona isika dia iny sariny iny no mandeha hatraiza hatraiza.Mahita boky na sary maro anefa ny tena ataon'ny olona ho sarin'i Jesosy.Tsy mba iray io sary io fa ataony misy volombava sy lavavolo.Ilay lehilahy lavavolo dia toa mifanohitra ny baiboly.Taiza no nahatonga ny olona hanome sary tahaka azy ary ahoana no tsy mitovy fa samihafa daholo ilay sary araka ny toerana izay aleha.Toa tsy mbola nisy mpakasary tamin'izany fotoana izany.Ohatran'iza marina izany ilay sarin'i Jesosy sa alain'ny olona resaka ara-tantara fotsiny?
novalian'i niryna ny 27/02/2007 07:39
2. Fiffi ( 09/02/2007 09:14)
http://pierre.souchier.free.fr/photo.jesus.html

"Sambatra zay mino nefa tsy nahita"
3. Fiffi ( 09/02/2007 09:15)
“Heureux ceux qui croient sans voir” disait le Christ
4. rakaroka ( 09/02/2007 09:20)
Io no manahirana @ "apparence" ety ivelany raha ifikirana: tahaka ny havako hitako fahakely, mila tsy ho fantatro intsony mifanena amiko ankehitriny,
sady maro koa anie ny personne miova "look" tsy voatery ny nahitanao azy farany no ahitana azy indray: ka tsy haiko hoe nisy sarin'i Jesoa lava volo,bory volo, coco rasé ve dia mamery ny repèren'ny kely finoana izany! hoe izy marina ary sa tsia?....:-D:-D:-D:oops::lol::lol::lol:
5. Fiffi ( 09/02/2007 09:21)
Fa inona ry niryna no voasoratra ao anaty baiboly ?

Nga ny sarin'i Jesoa tsy nalaina avy @ sary na dihan-tsara tao @ Lambam-paty ao Turin ?
6. prime ( 09/02/2007 10:33)
niryna> ianao ihany dia efa mamaly ny fanontanianao fa alain'ny olona araka ny tantara ny sariny...
7. hery ( 09/02/2007 11:57)
Fiffi> tsy ao anaty baiboly le Turin :-)

Ny sary dia tsy tena izy. Misy sariitatra (caricatures), misy eritreritra (imaginations), misy aza dia soloseho (réprésentations) fotsiny tsotra izao izay tsy misy ifandraisany akory (physiquement) amin'ilay tiana haseho.

Dia averiko ilay nolazain'i rakaroka eo ambony hoe izay no tsy ifikirana tanteraka amin'ny sary... ary izay koa no mahatonga ny olona sasany mampiasa sary rehefa mivavaka. Satria azony tsara fa tsy iny sary iny no tena izy fa izay azony sary ao antsaina ao.

Nareo ve rehefa mivavaka amin'Andriamanitra dia maka sary lehilahy antitra be volombava?... sa mba efa naka sary antsaina lehilahy fanaperana (raha vehivavy nareo) bogosy amin'ny lafiny rehetra, tsara feo, feno fahendrena, sns? Satria mantsy Andriamanitra izy dia angamba tokony izany no azo iheverana azy.
8. andry08 ( 09/02/2007 12:11)
Efa hoe aza mivavaka @ sary. Ny fanahy tsy sary.
9. dailynews ( 09/02/2007 14:14)
Noho ilay sary tao turin angaha? ary misy ihany koa ireo mpanompon Atra milaza fa nahita t@ vision fa mitovy amin ireny sary ireny i Jesoa. ohatra i nenilava, ary ity olona ity koa sns...http://www.tbm.org/whatdoes.htm

de hoy ny baiboly ihany koa hoe: sambatra izay tsy mahita anefa mino, na mitovy an io na tsy mitovy amin io..tsy izay no zava dehibe sa ahoana?
ilay hoe Jesoa lava volo ve??? fa angaha moa tsy izany ny fomba n izy ireo tany aloha tany, sa dia tena fohy fohy tsara mihitsy ny volony hoy nyrina? :D
10. Fiffi ( 09/02/2007 14:38)
hery:
Fiffi> tsy ao anaty baiboly le Turin :-)
Hery: marina zany ...fa hoy zah hoe "raha mijery le sary zay voasikotra sa moa voasokitra (tsy aiko ny miteny azy) la le sary tafajanona ao @ le lambam-paty no tiako lazaina an ! (andraso aloha hi-se documenter) ......


11. fijo ( 09/02/2007 22:12)
asa ianareo raha nahita ilay fandaharana tamin'ny arte tamin'ny volana decembara.
nisy fandaharana andiany telo ilay izy.ary dia nisy manampahaizana mahay mamerina hendrik'olona ireny nasaina namerina ny "mety "ho hendrika nisy tamin'iznay fotoana izany.io dia niainga avy amin'ny karandoha hita tamin'ny andron'i lery.
dia tsapa ary ,fa ny olona tamin'iny faritra nisy azy iny dia tsy fotsy akory fa somary "bronze".tsy dia malama volo koa fa somary henjana sy olioly be.ary tamin'iznay fotoana iznay dia tsy fanao ny lehilehy lava volo.
ka aza mino ny sary ahelin'ny vazaha ,fa aminy anie ka "fotsy no mahery e"dia atao fotsy koa na dia ilay "bazané" aza
12. niryna ( 10/02/2007 05:46)
Fiffi:

http://pierre.souchier.free.fr/photo.jesus.html

"Sambatra zay mino nefa tsy nahita"

Vao maika sary vaovao manaraka ny efa hitako indray io,ary miverina ny fanontaniana.
Omeo fanazavana hoe ilay sambatra zay mino nefa tsy mahita (ny sarin'i Jesosy)?

13. niryna ( 10/02/2007 05:49)
rakaroka:

Io no manahirana @ "apparence" ety ivelany raha ifikirana: tahaka ny havako hitako fahakely, mila tsy ho fantatro intsony mifanena amiko ankehitriny,
sady maro koa anie ny personne miova "look" tsy voatery ny nahitanao azy farany no ahitana azy indray: ka tsy haiko hoe nisy sarin'i Jesoa lava volo,bory volo, coco rasé ve dia mamery ny repèren'ny kely finoana izany! hoe izy marina ary sa tsia?....:-D:-D:-D:oops::lol::lol::lol:

Raha olombelona nofo sy ra fa izy dia omaly anio ary mandrakizay.Ny sariny omaly,ny sariny anio,ny sariny rahampitso dia tsy tokony hiova intsony.Satria ny Rabetafika ihany no Rabetafika tamin'ny mbola kely ohatra io a.Miala tsiny raha sendra misy Rab..ato

14. niryna ( 10/02/2007 06:01)
[quote=hery]

Fiffi> tsy ao anaty baiboly le Turin :-)


Vao maika niampy indray ilay sary k'ty


Ny sary dia tsy tena izy. Misy sariitatra (caricatures), misy eritreritra (imaginations), misy aza dia soloseho (réprésentations) fotsiny tsotra izao izay tsy misy ifandraisany akory (physiquement) amin'ilay tiana haseho.


Mino izany koa aho,fa mahatonga saina ahy fotsiny ilay izy karazany maro.Naka ohatra iray aho ka na taon-jato mifandimby aty aoriana ary Ranavalona dia iny ihany no nahalalana azy farany.Ny hoe tsara ny tsy mahita kanefa mino,tsy ampy ilay fanazavana.


Dia averiko ilay nolazain'i rakaroka eo ambony hoe izay no tsy ifikirana tanteraka amin'ny sary... ary izay koa no mahatonga ny olona sasany mampiasa sary rehefa mivavaka. Satria azony tsara fa tsy iny sary iny no tena izy fa izay azony sary ao antsaina ao.

Dia miverina tamin'ny teny hafa milaza fa iny sary iny indray no hivavahana izany.

Nareo ve rehefa mivavaka amin'Andriamanitra dia maka sary lehilahy antitra be volombava?... sa mba efa naka sary antsaina lehilahy fanaperana (raha vehivavy nareo) bogosy amin'ny lafiny rehetra, tsara feo, feno fahendrena, sns? Satria mantsy Andriamanitra izy dia angamba tokony izany no azo iheverana azy.

Ny anao toy inona no ao anaty sainao?
Tena tsy nieritreritra izany aho fa olona lehibe mipetraka eo ambony seza fiandrianana foana no ato an-tsaiko sy Atra hitako tato anaty nofiko.Ary io ihany fa tsy miova .

15. Fiffi ( 10/02/2007 08:07)
niryna:

Omeo fanazavana hoe ilay sambatra zay mino nefa tsy mahita (ny sarin'i Jesosy)?
ny fanazavana ? tsotra fotsiny ! Hoy Jesoa "“Heureux ceux qui croient sans voir” disait le Christ
Ataoko angamba fa mazava zay.......sa hampiako hoe hoy Jesoa "Homme de peu de foi"


16. rakaroka ( 10/02/2007 10:13)
niryna:

rakaroka:

Io no manahirana @ "apparence" ety ivelany raha ifikirana: tahaka ny havako hitako fahakely, mila tsy ho fantatro intsony mifanena amiko ankehitriny,
sady maro koa anie ny personne miova "look" tsy voatery ny nahitanao azy farany no ahitana azy indray: ka tsy haiko hoe nisy sarin'i Jesoa lava volo,bory volo, coco rasé ve dia mamery ny repèren'ny kely finoana izany! hoe izy marina ary sa tsia?....:-D:-D:-D:oops::lol::lol::lol:

Raha olombelona nofo sy ra fa izy dia omaly anio ary mandrakizay.Ny sariny omaly,ny sariny anio,ny sariny rahampitso dia tsy tokony hiova intsony.Satria ny Rabetafika ihany no Rabetafika tamin'ny mbola kely ohatra io a.Miala tsiny raha sendra misy Rab..ato




Fa ilay Jesoa aloha ve tena olona?sa....
17. Fiffi ( 10/02/2007 10:54)
rakaroka:
Fa ilay Jesoa aloha ve tena olona?sa....
fa....:?:


18. Fiffi ( 10/02/2007 10:55)
sa....:?:
19. dailynews ( 11/02/2007 19:00)
hihihi...ao ary dia aidinoina daholo fotsiny ilay hoe sariny sns e...sambatra izay tsy mahita nefa mino, sa ahoana? isika koa anie mivavaka amin ny fanahy e.
20. niryna ( 12/02/2007 03:21)
dailynews:

hihihi...ao ary dia aidinoina daholo fotsiny ilay hoe sariny sns e...sambatra izay tsy mahita nefa mino, sa ahoana? isika koa anie mivavaka amin ny fanahy e.


Tena realite no tenenina ry dailynews a.Feno sary betsaka ary efa ho 1000 no isany eraky ny fiangonana hono ka izany no mahatonga ahy hanontany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0394