Sarin'i Jesosy
22. prime
(
13/02/2007 10:13)
niryna> Zavatra samihafa izany resahinao izany raha ny fahitàko azy... ny iray Kristy tonga nofo, ohatr'ahy sy ianao, tena olombelona feno ary nanana endrika, nanana ny tontolo nisy Azy, nanana ny firazanbany sy ny fitaizàna nisy Azy, nanana ny antoko nisy Azy... ny iray Kristy ho avy amin'ny voninahiny feno amin'ny maha Mpanjakan'ny Mpanjaka Azy...
Fa na izaho ihany aza no izaho, fa rehefa nanambady aho, nampisalorana ny voninahitra sy ny famirapiratana dia hafa ny endrika isehoako...

23. niryna
(
14/02/2007 06:13)
Misaotra prime a. Ny fieritreretako azy dia nalain'ny olona ara-tantara sy an-tsofina ny sariny satria ny fanasana sary dia taty amin'ny taona vao haingana na ny sarin'izy niaraka ny mpianany aza dia vao taty aoriana.Asa aloha e
24. xxx
(
14/02/2007 06:37)
Jereo anie izany mba fomba famakin-dry Niryna izay voasoratra e ! Tena mahonena mihitsy :)
Ny sarin'i Jesoa mazava ho azy fa tsy sary nalaina tamin'ny digital camera manana resolution ambony be ary notehirizina tamin'ny fitaovana manara-penitra. Tsy izany fa araka ny efa nazavain'i Hery sy ny rohy omen'i Fiffi. Tsy tokony misy fiatraikany amin'ny finoan'ny TENA kristianina nefa izany, efa fantany fa tsy iny ilay Kristy fa fitaovana manampy azy fotsiny iny. Ny olona kely finoana no mora mirohirohy saina amin'ny zavatra toy izany, ka halalino ny finoana. :)
niryna:
Voalaza teo :
Dia averiko ilay nolazain'i rakaroka eo ambony hoe izay no tsy ifikirana tanteraka amin'ny sary... ary izay koa no mahatonga ny olona sasany mampiasa sary rehefa mivavaka. Satria azony tsara fa tsy iny sary iny no tena izy fa izay azony sary ao antsaina ao.
niryna:
Dia miverina tamin'ny teny hafa milaza fa iny sary iny indray no hivavahana izany.
Ny sarin'i Jesoa mazava ho azy fa tsy sary nalaina tamin'ny digital camera manana resolution ambony be ary notehirizina tamin'ny fitaovana manara-penitra. Tsy izany fa araka ny efa nazavain'i Hery sy ny rohy omen'i Fiffi. Tsy tokony misy fiatraikany amin'ny finoan'ny TENA kristianina nefa izany, efa fantany fa tsy iny ilay Kristy fa fitaovana manampy azy fotsiny iny. Ny olona kely finoana no mora mirohirohy saina amin'ny zavatra toy izany, ka halalino ny finoana. :)
25. lamie
(
14/02/2007 13:22)
ary tokony mianatra theologie niryna fa be fanontaniana be k'ty,ny tsy hita dia ao amponao sy anaty sainao, raha tena mpivavaka marina dia tsy mametraka fanontaniana izay tsy ho takatry ny sain'olombelona,izay mivavaka @ sary, vongan-javatra na hafa dia secte no anarany,oh maria renin'i Jesoa, nitondra ny zanak'andriamanitra fotsiny, voafidy tanatin'ny maro, fa rehefa avy eo izy nanana ny fiainany, mijanona hatreo ny tokony fankalazana azy, tsy renin'ny olona, mpino akory ka nahoana no hivavahana?tsy misy fitenenana anaty baiboly hoe mivavaha ianareo @ maria, ataovy sary antsaina fotsiny izy niteraka zaza masina,ny finoana foana no mitondra ny zvtr rehetra atao @ fiainanao, raha tsy ao io dia sasa-poana ianao
26. fijo
(
14/02/2007 22:49)
ka jesosy anie dia tantara namboarina hansoasoana ny finoana kristianina fotsiny e
27. niryna
(
15/02/2007 06:58)
lamie:
ary tokony mianatra theologie niryna fa be fanontaniana be k'ty,ny tsy hita dia ao amponao sy anaty sainao, raha tena mpivavaka marina dia tsy mametraka fanontaniana izay tsy ho takatry ny sain'olombelona,izay mivavaka @ sary, vongan-javatra na hafa dia secte no anarany,oh maria renin'i Jesoa, nitondra ny zanak'andriamanitra fotsiny, voafidy tanatin'ny maro, fa rehefa avy eo izy nanana ny fiainany, mijanona hatreo ny tokony fankalazana azy, tsy renin'ny olona, mpino akory ka nahoana no hivavahana?tsy misy fitenenana anaty baiboly hoe mivavaha ianareo @ maria, ataovy sary antsaina fotsiny izy niteraka zaza masina,ny finoana foana no mitondra ny zvtr rehetra atao @ fiainanao, raha tsy ao io dia sasa-poana ianao
Size navoakako ho an'ny olona izay tia hamaly ireo,matoa aho mametraka size na ny marina kokoa matoa ny olona mametraka size dia efa mahalala ny valiny.Toy ny mpamianatra mametraka fanontaniana ny mpianany.Raiso izay hitanao fa mahasoa,avelao eo izay fantatrao fa tsy mahasoa.
28. prime
(
15/02/2007 07:11)
aho:... izay no nahatonga ahy nilaza an'io...:)
niryna> ianao ihany dia efa mamaly ny fanontanianao fa alain'ny olona araka ny tantara ny sariny...
29. niryna
(
15/02/2007 07:17)
Ny fahitana ny sarin'i Jesosy dia mety tsy ho zaka.Maro ireo olona izay voasoratra ao anaty soratra masina toy Mosesy, Jaoba,Isaia,Tomasy,Saoly na Paoly no samy manana ny fomba nifankahitany Azy.Ao amin'ny Fanambarana no mampiseho ny fisehoan'ny voninahin'i Kristy raha nahazo nofy i Jaona.Raha ny voasoratra ao anaty Apo 1:14-16 ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy dia tahaka ny orampanala,ary ny masony tahaka ny lelafo,ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano,ary ny feony toy ny firohondrohon'ny ranobe..ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny
30. lamie
(
15/02/2007 16:59)
bravo niryna!hitanao izany fa nahita valiny ianao!mametraka fanontaniana ianao dia valinao iny!mety e!
31. xxx
(
15/02/2007 17:10)
niryna:
Size navoakako ho an'ny olona izay tia hamaly ireo,matoa aho mametraka size na ny marina kokoa matoa ny olona mametraka size dia efa mahalala ny valiny.Toy ny mpamianatra mametraka fanontaniana ny mpianany.Raiso izay hitanao fa mahasoa,avelao eo izay fantatrao fa tsy mahasoa.
izay no tena tsy mety amin'ny fihevitrao ! Heverinao fa hampianatra anay no tokony ataonao eto. Ady hevitra no atao eto, DINIKA fa tsy fampianarana. Izany hoe aza heverina mihitsy fa tsy maintsy "marina" izay teneninao ary tsy maintsy "henoin'ny mpianatra" satria ianao no "mpampianatra". Somary mampihomehy ahy ilay hoe mpampianatra nefa tsy mahalala akory ny tokony atao amin'ny toerana hitenanany. :lol:
32. xxx
(
15/02/2007 17:14)
lasa mpampianatra indray hono izy . Ka inona no hametrahana fanontaniana raha efa hay ny valiny ?
33. fijo
(
16/02/2007 06:18)
ary maninona le sary ny olona "voalaza fa masina ,"no olona fotsy aby e.ngaha ry zareo ireo europeanina????????
34. xxx
(
16/02/2007 07:05)
xxx:
lasa mpampianatra indray hono izy . Ka inona no hametrahana fanontaniana raha efa hay ny valiny ?
Tena tsy mety mihitsy kosa ny adin'ny xxx e ,toa manenjika an'i niryna foana.Efa nilaza izy ary isika rehetra koa toa izany,matoa mametraka fanontaniana dia efa mahay ny valiny.Avelao ny olona hitoriteny fa rehefa tsy tia ny tenin'Andriamanitra ianao dia ianao ihany no voan'ny nataonao.
Matio 7:6,18 Aza mitsara mba tsy ho tsaraina ianareo...Aza omena ny alika izay masina ary atsipy eo amin'ny kisoa ny vato soanareo,..ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara ary ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy
35. prime
(
16/02/2007 13:07)
niryna:... izay ilay ambarako hoe ny endriny amin'ny voninahiny feno hafa... fa ny endrika nahaolona Azy dia voalaza mihitsy ao amin'ny TT tamin'ny faminaniana...
Ny fahitana ny sarin'i Jesosy dia mety tsy ho zaka.Maro ireo olona izay voasoratra ao anaty soratra masina toy Mosesy, Jaoba,Isaia,Tomasy,Saoly na Paoly no samy manana ny fomba nifankahitany Azy.Ao amin'ny Fanambarana no mampiseho ny fisehoan'ny voninahin'i Kristy raha nahazo nofy i Jaona.Raha ny voasoratra ao anaty Apo 1:14-16 ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy dia tahaka ny orampanala,ary ny masony tahaka ny lelafo,ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano,ary ny feony toy ny firohondrohon'ny ranobe..ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny
36. xxx
(
16/02/2007 14:34)
fijo:
ary maninona le sary ny olona "voalaza fa masina ,"no olona fotsy aby e.ngaha ry zareo ireo europeanina????????
satria tsy fantatrao fotsiny hoe misy ny mainty :wink:
37. niryna
(
27/02/2007 07:39)
xxx:
fijo:
ary maninona le sary ny olona "voalaza fa masina ,"no olona fotsy aby e.ngaha ry zareo ireo europeanina????????
satria tsy fantatrao fotsiny hoe misy ny mainty :wink:
Mety noho ny toerana no nahatonga izany,ka izay nihevitra nahita aneritreritra ilay sariny dia iny no nahatonga azy nanao izany.