matavy loatra , dia mba tia hahia
61. soanja
(
22/02/2007 07:21)
xxx:
za dia 25 taona , tsy mbola niteraka , 1m55 ary 88 kilo , tena loza be , za ry reto mba tia hihena fa mba ampio an , za anefa dia efa tsy dia misakafo be loatra fa dia tsy mety fa dia mitombo foana iany vao mihinana kely dia lasa tavy daholo angamba , za koa alo manao regime indraydray dia avy eo dia mihena fa apres kelikely dia mahazo poids miotra an le teo alo dray manao an le regime yoyo hoy ny fiteneenanan tena kivy be za nijery fitaratra vao teo
izy no mba efa genza dia annao ergime dia nety , dia inona ny nataonareo
Ny hitako vahaolana amin'izany dia ny fialana amin'ny teny hoe diet na regime. Satria mihevitra foana isika fa raha manao regime de hihena.
Ny fametrahana fomba fiainana manaraka ny lalana omen'ny natiora no manome anao fahasalamana sy lanja mifanaraka aminao fa tsy hoe hahia akory. Ny mahia koa mantsy de mety tranon'aretina indraindray. Raha 1m 55 ianao dia tokony hoe o amin'ny 55 kg eo no lanja tsara mifanaraka amin'izany ohatra.
Ohatra mila fantarina hoe inona ny karazana type na ra na blood type nao. Ahoana inona ny toerana misy anao zany hoe ny tanana na zavatra vokatra eo aminareo eo antanana na 100 km miala eo. Efa naheno ny atao hoe microbatic ve ianao? Sakafo organika no hanina fa ny ankoatr'izay dia misy zavatra simika tsy mifanaraka amin'ilay nanamboaran'Andriamanitra ilay sakafo. lanjalanjaina tsara ny sakafo hanina: tsy atao be loatra ny hena ary tsy atao kely ny voankazo sy ny zavamainsto.
Natao hiasa ny vatantsika ka mila mifanaraka amin'ny sakafo hanina ny ezaka atao. Raha nihinambary dimy sotro ohatra dia mifanaraka amin'ny dia tongotra antsasaka kilometatra. Misy vitamina kokoa ny vary mena na ny vary brown noho ny vary fotsy satria efa nofotsiana loatra. Ary raha vao fotsy loatra ny sakafo de efa nanesorana be otrikaina eny aminy, na be siramamy na cholesterol. De toy izay hatrany atao miloko isankarazany ny sakafo, fa loko voajanahary.
Ary farany dia misotroa rano fa ialao ny rano tsy natoraly.
62. latina
(
23/02/2007 12:01)
Io tenenin'i Soanja io aloha no tena tokony ho izy e! Adoption ana fomba fiainana sy fisakafoanana vaovao mihitsy no ilaina, saingy sarotra tanterahana be, hanaiky an'izany ve ny saina sy ny vava tia manandran-tsira hihihi!
63. xxx
(
23/02/2007 15:28)
Fiffi::-@n'importe quoi !
de raha hidiana ny vava de mivoaka ery ambany ny setroka! =))=))=))
64. soanja
(
23/02/2007 16:45)
latina:
Io tenenin'i Soanja io aloha no tena tokony ho izy e! Adoption ana fomba fiainana sy fisakafoanana vaovao mihitsy no ilaina, saingy sarotra tanterahana be, hanaiky an'izany ve ny saina sy ny vava tia manandran-tsira hihihi!
Tena sarotra tanterahina tokoa aky io hevitro io saingy atao miandalana ny fanovana dia avy eo lasa zatra ihany. Matetika ny olona manaraka an'io dia tsy miova ny lanja elaela aloha fa tsy toy ny regime (ilay tonga dia hita miavaka hoe nihena be) saingy rehefa mitohy efa ho 5 mois io ohatra dia hitanao fa miha mandray ilay form mifanaraka amin'ilay sakafo sy ny asa ny vatana ary mihena ihany no iafarany. Fa saingy io dia tohizana foana fa tsy hoe ovana refa elaela toy ny diet na regime fanenana tena.
65. xxx
(
27/02/2007 10:50)
macrobiotique ve ilay microbatic lazain'i soanja ?
ny vidin'ny sakafo BIO koa anie tsy laitra e, mahita clementine aho izao 4 euros ny Kg raha BIO nefa 2 euros izy raha tsotra , ka aiza no hahatafavoaka anay 5 mianaka @ izany , iza no hihinana dia iza no tsy hihinana ?
ny siramamy sy menaka avy @ biby no tena hitako mampatavy
ny régime ho an'ny fampidinana poids, ny exercice c'est pour maintenir la forme (bien être fa tsy bika)
ny vidin'ny sakafo BIO koa anie tsy laitra e, mahita clementine aho izao 4 euros ny Kg raha BIO nefa 2 euros izy raha tsotra , ka aiza no hahatafavoaka anay 5 mianaka @ izany , iza no hihinana dia iza no tsy hihinana ?
ny siramamy sy menaka avy @ biby no tena hitako mampatavy
ny régime ho an'ny fampidinana poids, ny exercice c'est pour maintenir la forme (bien être fa tsy bika)