Raha miaraka amintsika foana Izy ahoana no sarotra tadiavina

41. Fiffi ( 07/02/2007 08:53)
:roll:
samy manana ny heviny daholo ny tsirairay....fa raha ny amiko manokana aloha de tsy misy afatsy ny finoana azy no hitombohany..........
42. prime ( 08/02/2007 06:48)
aho:
Araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy." Isaia 59:2
43. Fiffi ( 08/02/2007 07:28)
eny hoa...zah ange tsy mandaha an'io voalazanao io an ! fa kosa hoy aho hoe: alohan'ny zavatra rehetra ve tsy ny finoana an'Andriamanitra no fitombohany ? manaraka ny fahatsapana ny heloka natao .....@ fomba ahoana aza no haneken'ny olona an'io voalaza io raha tsy misy aloha ny finoana ?
44. niryna ( 08/02/2007 17:39)
Mino sy manatanteraka ny asany ary manao izay lazainy ka mampiantra izany amin'ny fiainana.Sarotra tadiavina izy satria tsy tena ao amintsika ny finoana azy.Rehefa ilaina izy vao tadiavin'ny hafa.Misy zavatra telo miaraka izay tokony tsy hisarahana dia ny fitiavana Azy, ny fitiavanao ny tenanao ary ny fitiavanao ny olon-kafa.Raha misy iray banga ireo dia tsy ho lavorary ny fitadiavantsika azy.Ohatra ahoana no hitiavantsika sy hinoantsika fa miaraka amintsika isan'andro izy kanefa ny tenantsika aza tsy tiantsika( fanimbana ny tenantsika amin'ny karazana ota) ahoana no hilazantsika fa tia azy isika kanefa (rar, ny havana, manodidina ) aza ankahalantsika?.Mianatra mitia isika ary io fitiavana io no iray ahitantsika fa eo amintsika mandrakariva izy,an'isany iray io.
45. xxx ( 12/02/2007 13:38)
Ny ota no mahatonga ny olona tsy ahatsapa ny maha eo akaikiny aminy.
46. fijo ( 21/02/2007 23:49)
tsy sarotra tadiavina izy fa tsy misy fotsiny .
47. niryna ( 22/02/2007 06:30)
fijo:

tsy sarotra tadiavina izy fa tsy misy fotsiny .



:roll:
48. soanja ( 22/02/2007 06:56)
niryna:

Raha eto amintsika foana Atra ahoana izy no sarotra tadiavina? "If God is always with us,why is he so hard to find?"
Kanefa Izy hakaiky anao mihitsy tsy araky ny fiheveranao azy."God is closer than you think"


Manerana Andriamanitra. Tsy saro-tadiavina izy saingy mila finoana vao hahita azy. Io ihany no lakile ahitana azy. Ka raha tsy manana an'io dia ho sasapoana raolombelona.


49. fijo ( 23/02/2007 00:00)
hi hi hi ka hitady zavatra tsy misy ve ry soanja an.
50. niryna ( 23/02/2007 03:23)
fijo:

hi hi hi ka hitady zavatra tsy misy ve ry soanja an.

Satria tsy manana finoana ka izany no mety mahatonga ny tsy hinoany azy.
Raha manana finoana toy ny voan-tsinampy iray aza hianareo.....

51. prime ( 23/02/2007 11:06)
fiffi:
eny hoa...zah ange tsy mandaha an'io voalazanao io an ! fa kosa hoy aho hoe: alohan'ny zavatra rehetra ve tsy ny finoana an'Andriamanitra no fitombohany ? manaraka ny fahatsapana ny heloka natao .....@ fomba ahoana aza no haneken'ny olona an'io voalaza io raha tsy misy aloha ny finoana ?
... Dia ahoana no tonga dia ananan'ny olona iray finoana nefa ny otan'ilay olona mbola mitoetra...

Ny finoana anie avy amin'ny Tenin'Andriamanitra no ahazoana azy fa tsy hoe azoazo ho azy amin'izao hoe izaho te hanam-pinoana dia manana e... tena tsy novakianao tsara ity Tenin'Andriamanitra ity e? :
"Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy." Isaia 59:2...

Ny finoana dia azo araka ny Tenin'andriamanitra manao hoe :
"Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy." Romana 10:17... rehefa resy lahatry ny Tenin'Andriamanitra ny olona ka mino izay voambara dia mahay miverina Aminy sy miaiky heloka ary mahita ny tavan'Andriamanitra avy eo...

Fa na milaza ho manam-pinoana aza ny olona nefa tsy miaiky heloka sy mifona ary miverina amin'Andriamanitra dia mamita-tena ihany satria tsy mitoetra ny Tenin'Andriamanitra...
52. fijo ( 24/02/2007 06:20)
niryna,tsy tadidy ngah any tsianjery no notapahana?
53. niryna ( 24/02/2007 06:50)
fiffi:
. Dia ahoana no tonga dia ananan'ny olona iray finoana nefa ny otan'ilay olona mbola mitoetra...

prime:

Ny finoana anie avy amin'ny Tenin'Andriamanitra no ahazoana azy fa tsy hoe azoazo ho azy amin'izao hoe izaho te hanam-pinoana dia manana e... tena tsy novakianao tsara ity Tenin'Andriamanitra ity e? :

Manaiky an'io tenin'i prime io koa aho.

"Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy." Romana 10:17... rehefa resy lahatry ny Tenin'Andriamanitra ny olona ka mino izay voambara dia mahay miverina Aminy sy miaiky heloka ary mahita ny tavan'Andriamanitra avy eo...

Satria avy amin'ny fahalalana ny tenin'Atra ihany koa no mahatonga ny olona hino sy hanaraka ny teniny,ny fihainoana ny teny,ny fitadidiavana ny teny ireo dia manampy ny fampiasana azy amin'ny fiainana ka mahatonga hino fa misy izy,miaraka amintsika izy,miaro antsika izy.

54. fijo ( 28/02/2007 06:35)
io tenin'andriamanitra io ve efa nisy naheno sa novinavinaina???????raha tsy diso aho mantsy dia tsy mbola nisy anhita akory aza ny fisiany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1928