Raha miaraka amintsika foana Izy ahoana no sarotra tadiavina

21. cutie ( 05/02/2007 16:50)
fiffi
jereo fotsiny aza le resaka mpiandry ary @ forum hafa ary :lol:
22. Fiffi ( 05/02/2007 16:55)
cutie: heu....hitako akia io an ! efa namaly tao koh zah fa.....tsy de aiko loatra le izy na de efa mba nahazo fanazavana hiany aza ...
23. pissoa ( 05/02/2007 17:01)
xxx :-D:-D:-D
24. cutie ( 05/02/2007 17:01)
in no tsy hain-jy :roll:
25. Fiffi ( 05/02/2007 17:15)
le hoe "mpiandry" kah ! fa misy olona fantatro tena mahafantatra an'io fa tsy ho ela de ho azavainy ahy io ....
26. cutie ( 05/02/2007 17:20)
mpiandry= olona voantso (mahare feo avy @ Atra zany hono ) fa tsy azo idirana ohtran'ny we ze te hanao masera sy mopera io , fa tsy miditra mpiandry raha tsy tena nahazo an'le antso mitsy .
De ny ataon-dry zareo manala devoly sy manasitrana hono. Fa tsy haiko ndray alou raha mpitory ry zareo e :lol:
27. niryna ( 06/02/2007 08:13)
LazaDaddy:

Amin'i niryna angamba Izy no sarotra tadiavina fa tsy amin'ny olona rehetra. Ny sasany moa tsy te hitady Azy rahateo.



=))=))=))=))
28. prime ( 06/02/2007 08:16)
fiffi:
ka ny fitombohan'ny fahitana ny tavany ve tsy ny finoana azy aloha ?
... Anisany tokoa izany fa ny tena fiantombohan'ny fahitàna ny tavany dia ny fiainken-keloka sy ny fifonana aminy t@ ota natao rehefa avy mandray ny Teniny, ary ny fanekena ny sitrapony tanteraka ka Izy mihitsy no mandray an-tanana ny fiainana avy eo ...

Izany hoe tsy misy olona tonga dia mahita ny tavan'Andriamanitra raha tsy mihaino ny Teniny, manaiky ny Teniny ary mandray izany aloha... ary ny fandraisana izany no mampibaribary ny heloka sy ny fahotàna vita... eo no manomboka ny fahitàna na tsia ny tavan'Andriamanitra... na ekena ny Tenin'Andriamanitra dia ibebahana ny faharatsiana vita na lavina izany dia mitohy ihany ny dia amin'ny tsy fahitàna ny tavan'Andriamanitra...
29. niryna ( 06/02/2007 08:19)
Fiffi:

LazaDaddy:
Amin'i niryna angamba Izy no sarotra tadiavina fa tsy amin'ny olona rehetra.
heu....tena marina io Laza an ! zay foana no mba lazaiko hoe "raha misy zavatra tsy hain'i nyrina , na tsy nety , na io hoe sarotra tadiavina io , de an'i nyrina hiany zany satria samy manana ny finoany ry niryna aaahh ! raha @ nao izy sarotra tadiavina , sarotra takarina , tsy isika rehetra zany ! fantaro fa misy de misy ny olona zay eo akaikiny lalandava Andriamanitra , eo foana izy !!

Tsy mila takarina , tsy mila tadiavina zany satria EFA FANTATRA FA IO IZY eo anila'ny mpino andro aman'alina ....n'inona k'hitranga n'inon'kidona.....




Misaotra an'i fiffi niverina ato indray.Tsy ho ahy irery no hiresahiko ity fa hoantsika rehetra.Size hampidirina izy ity ary lalana hiainana.Toro-hevitra no tadiavina koa izay no tiako hivoaboasan'ny namana rehetra fa tsy hoe raha ho an'i niryna na hoe .....
Raha manontany fanontaniana anie efa tonga dia mahalala ny valiny matetika e.Maro ny olona mitady Azy ka izay no hilaina ny fanampiantsiaka rehetra hanome hery ny namana.Misaotra betsaka

30. niryna ( 06/02/2007 08:19)
xxx:

plutôt tsy mitady angamba isika no marina


miombon-kevita aho
31. niryna ( 06/02/2007 08:21)
Fiffi:

misy ny tsy mitady....fa raha mpino sy ny mpanaradia an'i Jesoa , mahafantatra ny lalana hizorany ary mahafantatra fa eo anilanao mandrakariva Izy .

Mora resahina izy rehefa tsy miaina ao anaty fahoriana sy ny olana maro isika.Tsy mora mihitsy ny mitady azy satria isika tsy manampaharetana

32. niryna ( 06/02/2007 08:23)
prime:

Sarotra tadiavina Izy satria ny ota no manakona ny olona tsy hahita Azy... eny fa na ny mpino aza dia maro no manana fisalasalàna ny amin'ny firaisana sy fiarahana amin'Andriamanitra eo amin'ny fiainana satria mbola maro ota manakona na dia efa mpino aza...

Hoy mantsy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :
"Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy." Isaia 59:2

Misaotra prime a.Izay indrindra mora ny mitondra tehina hono fa sarotra ny mitondra tena.

33. niryna ( 06/02/2007 08:27)
Fiffi:

prime:
Sarotra tadiavina Izy satria ny ota no manakona ny olona tsy hahita Azy... eny fa na ny mpino aza dia maro no manana fisalasalàna ny amin'ny firaisana sy fiarahana amin'Andriamanitra eo amin'ny fiainana satria mbola maro ota manakona na dia efa mpino aza...
heu....sarotra tadiavina izy raha toa ka tsy be ny finoana ...amiko aloha io ...

Sa ve hoe sarotra tadiavina izy noho ity voalazan'le hira hoe " efa tsotrakin'ny adin-tsaina , zay vao mba nahatsiaro anao ry Tompo.....Menatra aho tsy sahy mitaraina........
Tsara aky iny hira iny ry fiffi a.Indrindra rehefa manao voyage miaraka ny ankizy.
Fiffi a.Ny kristiana dia mijaly,maro mpanenjika,miha mitombo ny mpankahala azy.Matetika dia mitambatra ny olana.Eo no mandeha ny saina.Eo no mikaroka azy kanefa eo akaiky ihany izy fa toa tsy mamaly.





34. niryna ( 06/02/2007 08:30)
cutie:

Sa ve hoe sarotra tadiavina izy noho ity voalazan'le hira hoe " efa tsotrakin'ny adin-tsaina , zay vao mba nahatsiaro anao ry Tompo.....Menatra aho tsy sahy mitaraina........

efa we noho ny ota hono :lol:

cutie a dry ve aloha efa manana kahie nandikana izay lesona be dia be izay e?Mino aho fa manana cahier de chant aloha dry sa tsy mila an'ireny intsony.Mora ampianarina kely ny ahy io rahavaviko io a :lol:

35. niryna ( 06/02/2007 08:35)
prime:

fiffi> Tsara ny be finoana nefa Kristy efa nilaza fa na kely toa ny voatsinapy aza ny finoana dia ahavitàna zava-mahagaga maro...

Fa tsy miankina amin\'ny finoana ny tsy fahitàna an\'Andriamanitra raha araka ny Teniny fa miankina amin\'ny heloka sy ny fahotàna izay manakona ny tavan\'Andriamanitra... fa maro no milaza ho mino nefa tsy mety tena mahita ny tavan\'Andriamanitra sy ny herin\'Andriamanitra...

Mihombo-kevitra aminao koa aho.Na ny marina aza hono fisaka ka sarotra fantarina.Be ny milaza mino kanefa dia tsy manampifaliana.Ny fitiavana no nampianariny antsika.Voafoakan'io daholo ny maha-kristiana.Raha tsy manampitiavana izany isika dia tsy afaka manantanteraka ny didiny.

36. niryna ( 06/02/2007 08:41)
cutie:

fa maro no milaza ho mino nefa tsy mety tena mahita ny tavan'Andriamanitra sy ny herin'Andriamanitra

in ndray ny dikan'io :roll:

Misy milaza izany hoe mino an'Atra izy kanefa ny teny noteneniny tsy arahina.Finoana miaraka ny fahalalana ny teniny no ahitanao sy ahatsapanao ny fisiany.Inona izany hoe teneniny izany ? ohatra hoe tiava ny fahavalonao.Raha mahalala izany isika fa na ratsy toa inona aza ny fahavalon-tsika dia tsy afaka ny ankahala azy intsony isika satria isika efa manana ny herin'Atra ato amintsika.Na misy aza izany fankahalana izany dia manjary haintsika ny manova azy ho fitiavana.Izay no fahalalako azy.

37. niryna ( 06/02/2007 08:49)
prime:

[quote=fiffi]ka ny fitombohan'ny fahitana ny tavany ve tsy ny finoana azy aloha ?
... Anisany tokoa izany fa ny tena fiantombohan'ny fahitàna ny tavany dia ny fiainken-keloka sy ny fifonana aminy t@ ota natao rehefa avy mandray ny Teniny, ary ny fanekena ny sitrapony tanteraka ka Izy mihitsy no mandray an-tanana ny fiainana avy eo ...

Izany hoe tsy misy olona tonga dia mahita ny tavan'Andriamanitra raha tsy mihaino ny Teniny, manaiky ny Teniny ary mandray izany aloha... ary ny fandraisana izany no mampibaribary ny heloka sy ny fahotàna vita... eo no manomboka ny fahitàna na tsia ny tavan'Andriamanitra... na ekena ny Tenin'Andriamanitra dia ibebahana ny faharatsiana vita na lavina izany dia mitohy ihany ny dia amin'ny tsy fahitàna ny tavan'Andriamanitra...

Mila manetry tena mihitsy isika,miaky ny fahotantsika ary izany no mahatonga ilay teny hoe raha mino sy manaiky isika fa izy no tompon'ny tenantsika.ohatran'ireny mianatra mitendry piano ireny,mila mamerimberina.Toy izany koa isika ny fahalalana ny teniny ao anaty baiboly no ampinga iray hiarovan-tsika ny tenantsika sy ahafahantsika ny manao ny tsara sy ny marina lalandava


38. prime ( 06/02/2007 10:37)
Ny tena sarotra aza raha ny fahitako azy dia tsy ny fitadiavana ny tavan'Andriamanitra fa ny fiaikena heloka, tena amin'ny fo ka tsy hamerenana izany intsony ary hanetrena tena tanteraka mba handraisana ilay famonjen'i kristy...
39. cutie ( 06/02/2007 16:35)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 06-02-2007 09:30:36
Lohateny : Re : Raha miaraka amintsika foana Izy ahoana no sarotra tadi
Hoy i cutie:


Voalaza teo :
Sa ve hoe sarotra tadiavina izy noho ity voalazan'le hira hoe " efa tsotrakin'ny adin-tsaina , zay vao mba nahatsiaro anao ry Tompo.....Menatra aho tsy sahy mitaraina........

efa we noho ny ota hono


cutie a dry ve aloha efa manana kahie nandikana izay lesona be dia be izay e?Mino aho fa manana cahier de chant aloha dry sa tsy mila an'ireny intsony.Mora ampianarina kely ny ahy io rahavaviko io a

tsy mila za fa efa haiko tsianjery le kle:-D:-D:-D
40. prime ( 07/02/2007 06:06)
cutie> "kle" de inona?:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6988