Ireo tena Andriamanitra dia ireo tsy nitonona

41. Zina ( 05/02/2007 18:34)
majesty [ Valio ] 05-02-2007 06:16:28
Lohateny : Re : Ireo tena Andriamanitra dia ireo tsy nitonona
Samy manana ny Andriamaniny ny olona tsirairay,ao ny vola ao ny harena,ao ny fitiavana,ao ny vato aman-kazo,ao ny olona lazainy fa masina (ho an\'ireo izay mivavaka @ tromba),nefa na ao amin\'ny Baiboly izay manambara ny Andriamanitry ny Kristiana aza dia mbola samihafa ihany koa ny fandraisany an\'ilay Andriamanitra fa angah tsy loza e!
fa ny ahy aloha sahiko ny milaza fa fantatro izay inoako e!


majesty a marina fa samy manana ny Andriamanitry ny olona tsirairay.
ahona no ahavitan-tsika ny fampielezana ny filazantsara raha tsy miteny @ ny olona momban\'i Jesosy isika.
Jereo ny matio 28:19-20
Allez, faites de toutes les nations des disciples, les baptisant au nom du Père, du Fils et du Saint Esprit,
28.20
et enseignez-leur à observer tout ce que je vous ai prescrit. Et voici, je suis avec vous tous les jours, jusqu\'à la fin du monde.

Manana adidy isika mba hanoro ny olona ny fahamarinana...

42. tsimiandravola ( 05/02/2007 23:58)
Allez, faites de toutes les nations des disciples, les baptisant au nom du Père, du Fils et du Saint Esprit,
28.20
et enseignez-leur à observer tout ce que je vous ai prescrit. Et voici, je suis avec vous tous les jours, jusqu'à la fin du monde.

Manana adidy isika mba hanoro ny olona ny fahamarinana...

Raha mieritreritra ny AT sy ny Agnostiques fa poizina ny Monoteisme (Judeo christianisme ary ny Silamo) dia manana adidy koa izy ireny izany hanohitra anareo.
Saingy voabaty sy voaompa ary aringanareo amin'ny afobe

Ndao ary ho'aho mba hatao loyale ny "ady":
-Na hatao matoam-pihetsika ny laisité=tsisy ankiteny finoana sns eny amin'ny fiainana andavan'andro.
-Na mba mifanaja de samy tsisy ankanompa amin'ny hoe Satanika,diabolika,very any amin'ny elo...

'Nareo ihany ange no tena mpamarina ny tsy mpino any amin'ny afobe e! Sady mpampiasa ny Andriamanitrareo ho "justicier" tsy mifaditr'ovana.

Mbola ho ela ny ady e!
Foano any izany hoe "Loza ho ahy raha tsy mitory ny filazan-tsara aho".Sa ady ara pivavahana no eritreretinareo hampandroso ny olona sy ny firenena.Sa izany no hahomby amin'ny fiadiana amin'ny rechauffement de la planette? Sa izany no hahomby amin'ny aroriaka amin'ny silamo!Sa izany no hahomby amin'ny ady atao amin'ny doroala?!!!

misaotra!
43. kiranil ( 06/02/2007 01:50)
Tsiminadravola> \"FITIAVANA\" no basen\'ny filazantsara. na ny anarany aza dia hoe \"Filazana Tsara\". Manambara zavatra tsara ary tsotra dia ny famonjena natolotry Jesosy Kristy ho an\'izao tontolo izao, ho an\'ireo karazan\'olona rehetra eto an-tany (atheist,agnostic,muslim,buddhist,christian,na ny mpanaraka ny eastern cults,na ny judaist,kabbalah,..]
ka manana safidy ny olona na hanaiky na handa izany fanomezana izany. Kanefa kosa tsy maintsy tenenina izay filazantsara izany fa tsy mi-forcer olona akory.

Raha tenenina amin\'ny teny hafa dia raha mbola mi-raisonner amin\'ny fankahalana olona sy ny fitenenana hoe \"andeha mankany amin\'ny afobe nareo rehetra\" dia tsy Fitiavana sy tsy filazana tsara intsony izany. Satria Andriamanitra tsy naniraka ahy hanompa olona fa ny hilaza kosa ny Fitiavan\'Adnriamanitra izao tontolo izao.

\"fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay\" Jaona 3:14

Jesosy Kristy rehefa avy nofantsihan\'ireo fahavalony Izy ary alohan\'ny ahafatesany dia mbola nampiseho fitiavana ireo olona namantsika azy ihany Izy:

\"Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony\" Lioka 23:34

Tsy niteny izy akory hoe : \"Raiko o, alefaso any amin\'ny afobe ireo olona ireo fa tsy misy ilana azy daholo..\"

Izany hoe Andriamanitra efa nanome famelan-keloka t@ alalan\'ny nahafatesan\'i Jesosy Kristy ka anjaranao na mino na manaiky izany na tsia.. tompon\'andraikitra feno ianao @ safidinao.

ka amiko dia tsy mitombona ny fitenenena hoe \"nareo dia mpandefa olona any amin\'ny afobe, sy hoe mampiasa an\'Andriamanitra ho fampitahorana olona fotsiny\"..

Ireto no tenin\'Andriamanitra nianarako:

\" Ary aoka ho ambonin\'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin\'ny fahatanterahana izany\" Kolosiana 3:14

aoka ambonin\'ny fitoriana filazantsara ny Fitiavana..

Jesosy Kristy koa dia nampianatra ireo tena mpanara-dia azy hitia fa tsy hankahala olona, eny na dia ny fahavalony aza, satria hoy Izy t@ fampianarany:

\"Efa renareo fa voalaza hoe: \" Tiava ny namanao\" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an\'izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin\'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin\'ny marina sy ny tsy marina.\"

\"tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin\'inona na amin\'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin\'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy.\" Lioka 6:35

Misaotra namaky hatramin\'ny farany.

Kiranil. :-*


44. kiranil ( 06/02/2007 02:02)
Tsiminadravola> "FITIAVANA" no basen'ny filazantsara. na ny anarany aza dia hoe "Filazana Tsara". Manambara zavatra tsara ary tsotra dia ny famonjena natolotry Jesosy Kristy ho an'izao tontolo izao, ho an'ireo karazan'olona rehetra eto an-tany (atheist,agnostic,muslim,buddhist,christian,na ny mpanaraka ny eastern cults,na ny judaist,kabbalah,..]
ka manana safidy ny olona na hanaiky na handa izany fanomezana izany. Kanefa kosa tsy maintsy tenenina izay filazantsara izany fa tsy mi-forcer olona akory.

Raha tenenina amin'ny teny hafa dia raha mbola mi-raisonner amin'ny fankahalana olona sy ny fitenenana hoe "andeha mankany amin'ny afobe nareo rehetra" dia tsy Fitiavana sy tsy filazana tsara intsony izany. Satria Andriamanitra tsy naniraka ahy hanompa olona fa ny hilaza kosa ny Fitiavan'Adnriamanitra izao tontolo izao.

"fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay" Jaona 3:14

Jesosy Kristy rehefa avy nofantsihan'ireo fahavalony Izy ary alohan'ny ahafatesany dia mbola nampiseho fitiavana ireo olona namantsika azy ihany Izy:

"Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony" Lioka 23:34

Tsy niteny izy akory hoe : "Raiko o, alefaso any amin'ny afobe ireo olona ireo fa tsy misy ilana azy daholo.."

Izany hoe Andriamanitra efa nanome famelan-keloka t@ alalan'ny nahafatesan'i Jesosy Kristy ka anjaranao na mino na manaiky izany na tsia.. tompon'andraikitra feno ianao @ safidinao.

ka amiko dia tsy mitombona ny fitenenena hoe "nareo dia mpandefa olona any amin'ny afobe, sy hoe mampiasa an'Andriamanitra ho fampitahorana olona fotsiny"..

Ireto no tenin'Andriamanitra nianarako:

" Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany" Kolosiana 3:14

aoka ambonin'ny fitoriana filazantsara ny Fitiavana..

Jesosy Kristy koa dia nampianatra ireo tena mpanara-dia azy hitia fa tsy hankahala olona, eny na dia ny fahavalony aza, satria hoy Izy t@ fampianarany:

"Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina."

"tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy." Lioka 6:35

Misaotra namaky hatramin'ny farany.

Kiranil. :-*


45. cutie ( 06/02/2007 03:52)
ka amiko dia tsy mitombona ny fitenenena hoe "nareo dia mpandefa olona any amin'ny afobe, sy hoe mampiasa an'Andriamanitra ho fampitahorana olona fotsiny"..

Raha tenenina amin'ny teny hafa dia raha mbola mi-raisonner amin'ny fankahalana olona sy ny fitenenana hoe "andeha mankany amin'ny afobe nareo rehetra" dia tsy Fitiavana sy tsy filazana tsara intsony izany. Satria Andriamanitra tsy naniraka ahy hanompa olona fa ny hilaza kosa ny Fitiavan'Adnriamanitra izao tontolo izao


voatsindrona tany ho any nga :-D

Tsara zany refa tsy enao alou , fa misy sasany mpilaza ho kristiana mpanao an'reo :-w
46. xxx ( 06/02/2007 22:07)
tsimiandravola:
Raha mieritreritra ny AT sy ny Agnostiques fa poizina ny Monoteisme (Judeo christianisme ary ny Silamo) dia manana adidy koa izy ireny izany hanohitra anareo.
Saingy voabaty sy voaompa ary aringanareo amin'ny afobe

Ndao ary ho'aho mba hatao loyale ny "ady":
-Na hatao matoam-pihetsika ny laisité=tsisy ankiteny finoana sns eny amin'ny fiainana andavan'andro.
-Na mba mifanaja de samy tsisy ankanompa amin'ny hoe Satanika,diabolika,very any amin'ny elo...


Somary mampihomehy sy mahagaga ahy ianao. Nahoana no ompa tampoka ireo teny ireo ? Rehefa manohitra mafy an'i Kristy ve, tsy toy ny manaraka ny fahavalon'i Kristy = Satana/Devoly. Tsy tokony ho doka ve ireo teny ireo ho "anareo" ? Raha tenenina hoe Kristianina ianareo vao tokony mahatsiaro voaompa raha ny hevitro. Aleo anie andramana e : tsimiandravola moa KRISTIANINA BE IRINGIRINY O :)

Toy izany koa ny "Very any amin'ny helo". Inona no ompa amin'io rehefa heverinao fa tsy misy ny helo, tsy inoanareo fa "ratsy" ny any ary tsy inoanareo fa misy tsara lavitra noho ny any dia "paradisa" araka ny nambaran'i Kristy ?

Sa mbola eo antenantenany ianao izao, mbola vao miezaka manohitra an'i Kristy fa tsy mahatohitra tanteraka ?

Hevitro io, fa asa raha azonao hazavaina ny mahatonga "anareo" mahatsiaro voaompa amin'ireo. Tsy vao androany fa isaky ny "mba" manoratra eto ianao.
47. prime ( 07/02/2007 06:45)
tsiminandravola:
Ireo tena Andriamanitra dia ireo tsy nitonona
...
Jesosy Kristy sy ny Ray dia iray ihany...:)
48. niryna ( 10/02/2007 04:36)
prime:

tsiminandravola:
Ireo tena Andriamanitra dia ireo tsy nitonona
...
Jesosy Kristy sy ny Ray dia iray ihany...:)

Andriamanitra iray ihany,fa ho an'ny olon-kafa dia izay tsy voatonona intsony ny anarany fa betsaka ireo ilay andriamanitra kely madinika.Tena misy ireo.

49. tsimiandravola ( 10/02/2007 23:31)
Jesosy Kristy sy ny Ray dia iray ihany...

Iza moa ilay Ray raha izany no izy?Moa ve tsy ilay Jehova ve?
Raha ENY no valiny dia malahelo aho milaza aminao ny momba an'ilay Kristy-nao izay Jehova dia Andriamanitra mpandringana amin'ny Safodrano (genocide),Mpanavakavaka ara-poko sy firenena satria mifidy vahoaka iray ary mandringana ny hafa.(Apartheid sy épurateur ethnique);Mpamono olona sy mpandroba firenen-kafa mba homeny ny vahoaka nofidiany (conquette de Canaan),Andriamanitra tsy mitsahatra ny mitsapa (Adam et Eve à propos du fruit;Job sous la coupe de Satan,Jesus avec Satan...).Toy ny tsy mbola fantany foana izay valiny fa tsapainy foana.Tsy fantany akory ny "Avenir",fa raha fantany ny Avenyr tsy nitsapa toy ny fanaony izy.

Alors on se fout de nos gueules ou quoi!
50. tsimiandravola ( 10/02/2007 23:43)
xxx:

tsimiandravola:
Raha mieritreritra ny AT sy ny Agnostiques fa poizina ny Monoteisme (Judeo christianisme ary ny Silamo) dia manana adidy koa izy ireny izany hanohitra anareo.
Saingy voabaty sy voaompa ary aringanareo amin'ny afobe

Ndao ary ho'aho mba hatao loyale ny "ady":
-Na hatao matoam-pihetsika ny laisité=tsisy ankiteny finoana sns eny amin'ny fiainana andavan'andro.
-Na mba mifanaja de samy tsisy ankanompa amin'ny hoe Satanika,diabolika,very any amin'ny elo...


Somary mampihomehy sy mahagaga ahy ianao. Nahoana no ompa tampoka ireo teny ireo ? Rehefa manohitra mafy an'i Kristy ve, tsy toy ny manaraka ny fahavalon'i Kristy = Satana/Devoly. Tsy tokony ho doka ve ireo teny ireo ho "anareo" ? Raha tenenina hoe Kristianina ianareo vao tokony mahatsiaro voaompa raha ny hevitro. Aleo anie andramana e : tsimiandravola moa KRISTIANINA BE IRINGIRINY O :)

Toy izany koa ny "Very any amin'ny helo". Inona no ompa amin'io rehefa heverinao fa tsy misy ny helo, tsy inoanareo fa "ratsy" ny any ary tsy inoanareo fa misy tsara lavitra noho ny any dia "paradisa" araka ny nambaran'i Kristy ?

Sa mbola eo antenantenany ianao izao, mbola vao miezaka manohitra an'i Kristy fa tsy mahatohitra tanteraka ?

Hevitro io, fa asa raha azonao hazavaina ny mahatonga "anareo" mahatsiaro voaompa amin'ireo. Tsy vao androany fa isaky ny "mba" manoratra eto ianao.

Misy fahamarinany ny fanamarihanao ra-XXX,lazaiko ho OMPA ireny satria ny tenako ihany no nanompa ny tsy mpino tamin'ny andro mbola naha mpino ahy.Ary tsy izaho ihany no mpanao an'izany,ary tsy tamin'izany andro izany ihany no fanao izany fa hatramin'izao koa.Izany no antony.
Ary raha mba anontaniako kely ianao,raha manao ahy ianao na miantso ny tsy mpino ho satana sy devoly,moa manompa ahy ianao sa mitso-drano?:lol:
51. xxx ( 11/02/2007 05:18)
Jehovah Andriamanitra dia masina. ary tezitra @ ireo mpanao ratsy rehetra sy ny faharatsiana manjaka eto an-tany.

\"ny tavan\'i jehovah tezitra amin\'ny mpanao ratsy, mba hofongorany tsy ho eo amin\'ny tany ny fahatsiarovana azy. \" Salamo 34:16

safidy ny hanao ratsy ka na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy handraisana valiny ny ratsy vita na ho ela na ho aingana. Ny olona rehetra anefa dia samy efa nifidy ny hanao ratsy.

\"tsy misy marina na dia iray akory aza\" rom 3:10

kanefa kosa Andriamanitra dia mbola miantso ny olona hiala @ ratsy sy hibebaka:

\"Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan\'ny ratsy fanahy, fa ny hialan\'ny ratsy fanahy amin\'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin\'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo,\" Ezekiela 33:11


>>>> Izao no nahatongavan\'i Jesosy Kristy, zanak\'Andriamanitra, dia ny hitondra ny vokatry ny ratsy vitan\'ireo izay mino Azy, hamonjy azy ireo ho afaka @ fahatezeran\'Andriamanitra, ary ny hampianatra ny olona izay tena manaraka Azy ny didin\'Andriamanitra dia ny Fitiavana izany.

Jaona 3:36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran\'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.



52. niryna ( 11/02/2007 07:28)
Tsimiandravola a. Izay tsy finoanao azy izay indrindra no mahatonga anao hitsikera ny zavatra rehetra satria tsy mba nahita fitia te-imasony ianao.Ny hany vavako dia omen'Atra hery anie ianao indray andro any.A/tra saropiaro izy ary efa fantany ny olona nofidiny.
53. menafotsy ( 11/02/2007 18:31)
Manaona!
Efa mba ela ihany no nanarahako ny dinikareo teto,indrindra ny an'i Tsimiandravola sy ny avalinareo azy.Hitako fa tsy mitovy ny longueur d'onde.Mahatsapa nefa aho fa i Tsimiandraaavola dia matetika miady irery ary itambaranareo mpivavaka.Mba manana ny zavatra marina ihany nefa izy na dia tsy dakoro amin'izany aza ny maro.Izay no mba hevitro.
54. xxx ( 12/02/2007 13:34)
menafotsy:

Manaona!
Efa mba ela ihany no nanarahako ny dinikareo teto,indrindra ny an'i Tsimiandravola sy ny avalinareo azy.Hitako fa tsy mitovy ny longueur d'onde.Mahatsapa nefa aho fa i Tsimiandravola dia matetika miady irery ary itambaranareo mpivavaka.Mba manana ny zavatra marina ihany nefa izy na dia tsy dakoro amin'izany aza ny maro.Izay no mba hevitro.


Satria efa kobonay ianao fa tsiamandravola ihany no menafotsy eto. Nataon'ny satana hanakorontana ny sain'ny mpivavaka. Efa hitsangana ny mpanohitra azy amin'izao fotoana izao.Ka indro ry serasera ny vaovao mahafaly nabaribarin'ny Tompo ho antsika.Miambena isika:roll::roll:
Tsy afaka ny hitazona paoma roa ianao ry menafotsy/tsimiandravola a na ianao ho an'ny maizina na ianao ho an'ny mazava. :evil::roll::twisted:
55. xxx ( 13/02/2007 07:03)
Misy fahamarinany ny fanamarihanao ra-XXX,lazaiko ho OMPA ireny satria ny tenako ihany no nanompa ny tsy mpino tamin'ny andro mbola naha mpino ahy.Ary tsy izaho ihany no mpanao an'izany,ary tsy tamin'izany andro izany ihany no fanao izany fa hatramin'izao koa.Izany no antony.

Ny antony mamparary "anareo" amin'ilay ompa mihitsy no tsy azoko. Izany hoe na "voaompa" amin'ireo aza, inona no tokony olana ? Maika moa fa tsy voaompa akory fa "voadoka".

tsimiandravola:
Ary raha mba anontaniako kely ianao,raha manao ahy ianao na miantso ny tsy mpino ho satana sy devoly,moa manompa ahy ianao sa mitso-drano?

Izaho manokana, tsy mpiantso olona ho satana sy devoly izany satria fantatro fa tsy izany izy. :) Na izany aza, toy ny tsy maha-ompa aminao ny antsoinay mahazatra hoe "ompa reny" no tsy mahaompa io amiko. "fitsarana vilana" fotsiny io amiko, fa sady tsy tsodrano no tsy ompa :wink:
56. prime ( 23/02/2007 12:16)
tsimiandravola:
Ireo tena Andriamanitra dia ireo tsy nitonona

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20

tsimiandravola:
Iza moa ilay Ray raha izany no izy?Moa ve tsy ilay Jehova ve?
Raha ENY no valiny dia malahelo aho milaza aminao ny momba an'ilay Kristy-nao izay Jehova dia Andriamanitra mpandringana amin'ny Safodrano (genocide),Mpanavakavaka ara-poko sy firenena satria mifidy vahoaka iray ary mandringana ny hafa.(Apartheid sy épurateur ethnique);Mpamono olona sy mpandroba firenen-kafa mba homeny ny vahoaka nofidiany (conquette de Canaan),Andriamanitra tsy mitsahatra ny mitsapa (Adam et Eve à propos du fruit;Job sous la coupe de Satan,Jesus avec Satan...).Toy ny tsy mbola fantany foana izay valiny fa tsapainy foana.Tsy fantany akory ny "Avenir",fa raha fantany ny Avenyr tsy nitsapa toy ny fanaony izy.

Alors on se fout de nos gueules ou quoi!
... Ka ny fijerin'olombelona ve izany no fahendrena mihoatra noho ny an'Andriamanitra? fa hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :
"Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona." I Korintiana 1:25
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2122