Mampirafy ve?

1. kantoirina ( 01/02/2007 16:31)
Izaho dia manambady efa ho 5 taona ary tato ho ato dia tsapako fa mampirafy ahy ny vadiko. Tsy haiko na misy ohatr'ahy fa raha vao misy zavatra na tsara na ratsy dia tsapako foana ary marina foana izany. Amiko dia ohatran'ny boky vakiana izy eo imasoko. Noteneniko izy dia lazainy fa izaho no tsy matoky azy, nefa betsaka ny zava-miseho porofo fa misy ny zavatra resahako.Izy dia fantatro fa tsy hiteny ahy mihitsy satria fantany ny avis-ko amin'io resaka io fa tsy misy fifanazavana lava be fa tonga dia misaraka.Tsy hitako izay hatao hahafantarako ny marina. Mba toroy hevitra.
novalian'i chipie1 ny 11/02/2007 17:05
2. nikopol ( 01/02/2007 16:46)
aza mitady hahalala ny marina raha tsy te hisaraka ianao
3. booboo ( 01/02/2007 16:47)
hum...
4. xxx ( 01/02/2007 17:14)
marina ny lazain i nikopol hoe aza mitady ahala ny marina ra tsy tia hisaraka , fa ra ohatra moa ianao tia hisaraka dia araho foana izy koa , tsy ho tratranao eo iany ve ,

5. chakkakkely ( 01/02/2007 17:18)
miombon kevitra am i nikopol koa aho hoe aza mitady ny marina ra ohatra ka tsy tia hisaraka ianao ,
fa ny tokony ataonao an , fantatro fa tsy mora fa toro hevitra moa no tadiavinao dia omeko ny ana , hoe aza miteny azy akory hoe ianao mampirafy ana sns , fa vao maika asehoy azy ny fitiavana azy , tena asehoy aminy lafiny rehetra mintsy , karakarao tsara izy atovy tsapany fa tena tia azy ianao , ary aza kivy mintsy , fa ho hitanao fa miova eo iany izy ny farany , satria ange ra misy ny tadiaviny rehetra ao antokantrano tsy andeha hitady any ivelany zany mintsy izy eh , matoa izy mandeha any ivelany misy tsy ampy tadiaviny ao ,
zay fa mahereza eh ,
6. booboo ( 01/02/2007 17:55)
hum...
7. pissoa ( 01/02/2007 18:15)
kenda angaha booboo zany :-D:-D:-D

cf niko e :-D:-D:-D
8. melody ( 01/02/2007 18:56)
satria ange ra misy ny tadiaviny rehetra ao antokantrano tsy andeha hitady any ivelany zany mintsy izy eh , matoa izy mandeha any ivelany misy tsy ampy tadiaviny ao ,

Tsy d'acc @izany kosa zà ry chakkakkely a! Toa ny vhvy fona no homena tsiny rehefa misita ny vadiny. Ary ilay voady nifanaovan'izy mitsamy tsy nilaza hoe 'helako izy rehefa tsy ampy ny homeny ahy ao an-tokantrano' fa hoe mandrakizay
9. sitlo ( 01/02/2007 19:31)
Manakarama mpitsikilo. Tsy haiko raha efa hitanao ilay film "Unfaithful".
10. xxx ( 01/02/2007 20:03)
tena marina lay hoe raha tsy te hisaraka aza manatratra;tena fitiavako anao no hilazako fa za efa tratran'io ary dia no tratrariko dia tratra tokoa arydia nisaraka zahay nanenina aho taty aoriana satria nanome zara ny hafa tano ny hazo fa sarotra ny mila
11. simplex ( 01/02/2007 20:05)
elabe kou i booboo zany kle 8)
12. Zina ( 01/02/2007 20:07)
Tsy hitako izay hatao hahafantarako ny marina. Mba toroy hevitra.


mividiana fanka-tsara ilay fakana sary indray mandeha ireny fotsiny dia mandehana indray andro manaraka azy atao tsy itany... alaivo ny sary dia ampisehovy azy. (ohatra io)...

5 taona mbola vo aingana zany kle...:(

ianao ko de ton cote manova izay mahatsaratsara anao ataovy itany ilay kala nalainy il y a 5 ans... tadiavo ko inn no atony hanaovany an'izany... misy antony mantsy ireny fa tsy tongatonga foana mety ohatra ti vavy izy taloha etc....
Dia avy eo tadiavo ny ala-olana raha azonao vonjena ny fanambadianao dia ataovy mihitsy...
13. chakkakkely ( 01/02/2007 20:39)
melody:

satria ange ra misy ny tadiaviny rehetra ao antokantrano tsy andeha hitady any ivelany zany mintsy izy eh , matoa izy mandeha any ivelany misy tsy ampy tadiaviny ao ,

Tsy d'acc @izany kosa zà ry chakkakkely a! Toa ny vhvy fona no homena tsiny rehefa misita ny vadiny. Ary ilay voady nifanaovan'izy mitsamy tsy nilaza hoe 'helako izy rehefa tsy ampy ny homeny ahy ao an-tokantrano' fa hoe mandrakizay



marina tokoa fa tsy nisy voady miteny hoe hialao rehefa misy tsy ampy , fa yn contraire an zay aza hoe na aminy ny alahelo na aminy fifalina , fa saingy misy antony ao eh , za ange tsy mitena hoe le vehivavy no diso eh , fa misy antony ao alo eh , tsy hampirafy fotsiny am zao izy ,
nefa koa hevero tsra fa ny tokan trano dia fandeferana fa tsy vao misy olana dia ny hisaraka no atao ao andoha , ary marina ny nolazain i tetsy ambony hoe tano ny hazo fa sarotra ny mila :lol:
14. fijo ( 01/02/2007 22:03)
mba asa tselika ny azy,ka aza asiana sira ,fa rehefa tonga ao antrano izy dia omeo azy koa ny anao,fa vizana izy ny farany hiasa roa,de hatsahatrany ilay asa iray.
15. Zina ( 02/02/2007 03:14)
fijo [ Valio ] 01-02-2007 23:03:47
Lohateny : Re : Mampirafy ve?
mba asa tselika ny azy,ka aza asiana sira ,fa rehefa tonga ao antrano izy dia omeo azy koa ny anao,fa vizana izy ny farany hiasa roa,de hatsahatrany ilay asa iray.


zany kosa tsy mety kle da ahona raha misy aretina ilay sipasipa any? beuuuurrrrrkkkk
16. kantoirina ( 02/02/2007 11:14)
Misaotra anareo rehetra namaly.Fa sarotra be ilay hoe karakarao tsara izy rehefa tonga ao an-trano. Olona efa mampatezitra anao ve de hiatsara velatsihy fotsiny. Tsy hitako aloha izay olanay e. Mety izay angamba, te hitady problème izy satria tsy manana. Hitako tsy nahy ny facturen'ny téléphone dia misy numéro 1 foana no miverina na antso na texto. Misy hoe ao anatin'ny 1 andro izy niantso in 12 an'io numéro io. Dia nojerevako dia numérom-behivavy ilay izy. Dia noteneniko izy dia lazainy fa namany io ary mifampiatantara fiainana no hifampiantsoiny. Mino izany ve ianareo hoe hifampiantso sy hifandefa message isan'andro eo sady fafany ny numéro rehefa avy miantso izy. Misy hatr@ 12 alina miafina izy mandefa texto. Tsy misy izany hoe manaova metimety izany. Izaho efa mety foana fa izy mihitsy no efa te hibolila fa mbola tsy matotra.Efa voaozona angamba
17. booboo ( 02/02/2007 11:34)
Kantoirina > Antsoy ilay vhv, dia anontanio azy ny raha aby aby, tsy miaka-peo fa tony tsara (na manompa an'eritreritra ihany aza mandritra an'izay :°)).
Antsoy ndray ny vadinao ahazoanao ny version-ny dia teneno hoe nantsoiko i anona ahitanao ny fihetsiny gniark gniark.
Tsy ho hitanao eny ihany ve hoe iza no naze kokoa @ zareo ? enao manana intuition tsy mamitaka anao mihitsy ouz enao.
Mandefa texto miafina sy mamafa numero zany terriblement et vachement louche zany amiko manokana....omany ny kibay :°):°):°)

18. andrea ( 02/02/2007 11:53)
kantoirina> Koa maninona raha omena fotoana ilay vehivavy dia miresaka ianareo .. Afaka mifanazava, dia tonga de lazao hoe samy vehivavy ianareo ka afaka mi-comprendre: tsy tianao ny "relation " ny vadinao aminy na dia namana fotsiny aza fa sao dia mampikorotana tokantranonareo: Normale no miteny an'izany, lazao izy hoe hoe aza adalana ny vadinao fa tianao .... Raha valiny hoe izy satria "tara" izy de atsovy za hanaovana tamba-be dia rangotina ny volony :twisted: :twisted: :twisted:...
Sangy sangy ihany .. aza manaiky ataon'ny vady an'izany kambony .. aleo mifanaja ihany dia rehefa tsy mifankatia intsony dia misaraka..
19. kantoirina ( 02/02/2007 12:06)
Marina izany. Sady tsy hitako anie izay hiresahako @'ilay vehivavy e! ny ana no mibolina dia ny ana no tokony teneniko fa tsy olona tsy fantatro ary no handeha ho antsoiko
20. booboo ( 02/02/2007 12:18)
ny antony hiresahana @ lé vhv ve ? hi-clarifier-na ny raharaha @ io lazain'i Andrea io

Afaka mifanazava, dia tonga de lazao hoe samy vehivavy ianareo ka afaka mi-comprendre: tsy tianao ny "relation " ny vadinao aminy na dia namana fotsiny aza fa sao dia mampikorotana tokantranonareo: Normale no miteny an'izany, lazao izy hoe hoe aza adalana ny vadinao fa tianao ...



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078