Benny Hinn

1. LazaDaddy ( 31/01/2007 22:37)
Mba misy hafatra kely tiako ambara an'ireo manaraka ny fampianaran'ingahy Benny Hinn e, ary tokony ampiharina @ fampianarana rehetra mihitsy koa: "Aza miala sy misaraka @ Tenin'Andriamanitra, fa raha mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra dia ento eo @ mazava"


Toy izao ny soratra hita ao @ dokambarotra vavaka ao @ tranonkalan'i Benny Hinn.

"Amazing things can happen when people come into agreement. It's a principle directly from God's Word".
Dika teny malalaka: "Miseho ny fahagagana lehibe rehefa mifanaraka ny olona. Lesona notsoahina mivantana avy @ tenin'andriamanitra io"

Andeha dinihina akaiky:

- Tsy ny fifanarahan'ny olona no mampisy fahagagana fa ny herin'Andriamanitra.
- Asa tenin'Andriamanitra taiza no nangalany an'io fa tsy nanome "reference" izy. Hoy ny Tenin'Andriamanitra "ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra", "ny fihevitro tsy toy ny fihevitrareo ary ny lalako tsy lalanareo"
- Ny lesona azo tsoahina mivantana ao @ Tenin'Andriamanitra miresaka ny tilikambon'i Babela dia mifanohitra tanteraka @ io ambaran'i Benny Hinn & co. io. Nifanaraka tanteraka ny olona t@ izany kanefa dia tsy nahavita na inona na inona fa nofaizin'Andriamanitra :-)

Atsipy ny teny am-pon'ny mahalala :-*

répondu par niryna le 09/02/2007 07:21
2. dailynews ( 31/01/2007 23:27)
Efa noresahinsika sy ianao ihany ity fa miverina eto moa. Fa izaho efa taona maro be izao no manaraka ny fampianarany presque isanandro. Ary afaka milaza aho fa mpanompon Atra manaraka ny tenin Atrra sy ny baibloly izy ary manondrotra an i Jesoa Kristy ambonin ny zavatra rehetra fa tsy mandondrotra zavatra hafa hafa ankoatry ny anaran i Jesoa.
ary ny zavatra anisan ny lehibe indrindra anisan ny himasoany dia ny mitondra fanahy any andanitra fa tsy ho ao amin ny fiangonany na hanaraka azy. ny resak afanasitranana dia miara dia fotsiny ihany amin ny fampianarany.
Afaka milaza izany aho satria mahafantatra ny ministerany akaiky.
raha manana ny fanahy masina ny olona iray izay avy amin Atra, afaka manao discernement na fanahy ianao hoe iza no avy amin Atra ary iza no tsia.
3. LazaDaddy ( 31/01/2007 23:32)
dailynews:
Ary afaka milaza aho fa mpanompon Atra manaraka ny tenin Atrra sy ny baibloly izy
Ka io nosoratako ambony io izao dia porofo mivandravandra fa mifanohitra @ Baiboly ny fampianarany. Dia ahoana ny hevitr'i dailynews amin'io?

Saika mba hamaky zavatra betsaka tao @ site-ny aho saingy io no hitako tao @ pejy voalohany dia nampihemotra ahy
dailynews:
Fa izaho efa taona maro be izao no manaraka ny fampianarany presque isanandro.
tandremo sao tsy "mandevin-kanina" intsony izany i dailynews ka izay tonga rehetra eo dia arapaka.


4. dailynews ( 01/02/2007 02:11)
Raha ny fahitako an i LD dia faly fotsiny ihany manejika. Ny fanahy mihavery any amin ny helo mihabetsaka ihany, ny mpanompon Atra izay mitory sy mitondra olona amanarivony sy amanaliny ho an i Jesoa sy manao asan Atra goavana enjehin ny kristiana sasany henjehina amin ny teny tsitapatapaka. Mijereva ihany hoe fanahy avy aiza ny manenjika mpanompon Atra fa sao dia tsy mety.

Fa bon: io zavatra lazainao io dia bien sur raha io irery fotsiny dia tsy marina ny zavatra lazainy.
Fa izaho mino fa teny tapatapaka fotsiny ihany io tao anaty resaka na toriteny na tsy haiko izay nahitanao io.


Kristiana miara mivavaka no afaka mahita ny voninahitr Atra. Mahita fahagagana lehibe, fa tsy hoe olona miara manaiky fotsiny izao sans vavaka. Koa tsy sitrapon Atra va izany? afaka mahita fahagagana lehibe ianao raha miara mivavaka miaraka amin ny samy zanak Atra, ary mifanaiky fa hitondra ambavaka zavatra iray??
sa ianao tsy mba manao intercession miaraka aman olona hitondra ambavaka olon airay na sujet de priere iray fa onjoonjononao samirery fotsiny ny fianana ara panahy??

MIno aho fa ny TA mifono ao anatin nio hevitra io dia ity:
mat 18:18=> lazaiko aminareo marina dia marina tokoa; na inona na inona no fehezinareo ety ambonin ny tany dia hofehezina any andanitra ary na inona na inona no vahanareo ety ambonin ny tany dia vahana any andanitra

jakoba 5:16=> ny fisan ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.

5. dailynews ( 01/02/2007 02:14)
raha milaza aho fa kristiana miara mivavaka no mahita voninahitr Atra tsy midika izany fa ianao tsy tokony hivavaka samirery sao dia izany ihany koa no tsinginina. Tokony hivavaka samirery ihany koa ny mpino. Ary misy ny fotoana hiaraha mivavaka sy mifampizara izay mavesatra amin ny mpino hafa dia entina ambavaka miaraka iny fangatahana iny sns....
6. LazaDaddy ( 01/02/2007 02:56)
dailynews:
Raha ny fahitako an i LD dia faly fotsiny ihany manejika.
tsy misy fifaliako mihitsy manenjika ny DISO. Fa ny fifaliako dia ny fampisehoana ny fahazavan'i Kristy
dailynews:
Fa bon: io zavatra lazainao io dia bien sur raha io irery fotsiny dia tsy marina ny zavatra lazainy.
tsy marina izany ny lazain'i Benny Hinn aloha eo.
dailynews:
Fa izaho mino fa teny tapatapaka fotsiny ihany io tao anaty resaka na toriteny na tsy haiko izay nahitanao io.
Sokafy ny site-ny dia ho hitanao ao @ pejy voalohany io: dokambarotra vavaka.
7. prime ( 01/02/2007 10:25)
Tsy misy ambara satria sady mbola tsy nahaino no mbola tsy nahita...
8. jefra ( 01/02/2007 14:03)
Noheveriko hoe Benny Hill :oops::oops:, d saika mba hitafa aho, hay lanitra avo ka tsy takatro.:wink:
9. xxx ( 01/02/2007 15:32)
Marina tokoa fa isika dia tokony hilaza ny tena fahamarinana avy amin'Andriamanitra sy ny Fitiavany tao @ Jesosy Kristy @ olona rehetra fa tsy tokony hifanenjika.

Kanefa kosa ny tenin'Andriamanitra tsy azo lavina dia izao:

"Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy" Deotoronomia 18:22

Maro ny faminaniana notenenin'i Benny Hinn kanefa tsy nisy tanteraka akory.

jereo eto ny porofo miaraka @ feony mihintsy:

http://www.sherrytalkradio.com/hinn/index.htm

Ka anjaranareo no mieritreritra..

Marina fa ianao Dailynews mahafantatra ny tokony ho arahina dia Jesosy Kristy irery ihany kanefa maro no mbola voatariky ny mpaminany sandoka maro.

10. kitjo ( 02/02/2007 01:16)
Misaotra anareo aloha...

za aloha h@ izao tsy mbola nahatsikaritra zavatra hoe tsy mifanaraka @ Baiboly ny fampianarany kanefa isaorana ihany ianareo nilaza an' izany mila handinihina mba tsy hafana fo be lotra...

11. dailynews ( 02/02/2007 14:29)
mazotoa amin izay rehetra atao LD a.
12. xxx ( 02/02/2007 14:45)
Jesosy aza nolazain ny fariseo sy ny sadoseo fa misy demony koa tsy mahagaga ny zavatra miseho tahaka izao.
13. LazaDaddy ( 02/02/2007 14:49)
xxx> tsy mahagaga mihitsy. Fa i Jesosy koa efa hatry ny ela no nampitandrina hoe "na ny olom-boafidy aza mety ho voafitaka"
14. Ruby ( 02/02/2007 15:58)
Tamin ny 2004. Mamanay nisy tumeur efa ho 3 cm ny hangezany tao anaty lohany ary hahajamba azy hono izany hoy ny dokotera raha tsy miala tao haingana dia haingana. Ny fanalana azy tao anefa dia mbola zavatra hafa ihany koa.
Nentina tany ivelany izany. Ary tao amin ny hopitaly nisy an i mamanay hono dia tahaka ny nanakivy ihany ny dokotera fa fantany fa tsy nanambola ampy izy ireo handoavana ny operation. efa mahavidy trano telo tsara be eto tana angamba ny vidin ilay operation na mety hihoatra aza anefa na ny tena aza tsy manana trano goavambe sy tsara tarehy akory.
Fa nisy infirmiere iray somary sadaikatra nilaza taminy hoe te hiresaka manokana aminy izy, fa tsy ao ampiasana fa any ivelany fa tsy haiko hoe tsy azo atao angaha ny resaka tahaka izany ao ampiasana?
Dia nanaiky mamanay sy ny nenitoanay hoe hiresaka aminy fa tahaka ny ni-insiste izy. Dia izy no nanoro hoe, misy mpanompon Atra izany hono mandalo eo amin io toerana io ny zoma sy sabotsy ho avy io koa raha manaiky i mamanay dia tiany ho entina any (mazava ho azy fa kristiana ilay olona, sady tsara fanahy be mihitsy hoy mamanay)
Dia afoheziko ny tantara, dia io Benny Hinn io no nandehanandry zareo. Ny zoma dia nahafinaritra azy fa tsy sitrana izy ny zoma fa tahaka ny hoe tsy nino loatra angaha no sady mailomailo be, dia niverina ihany anefa ny sabotsy. Dia nony niverina ny sabotsy dia nahazo fanasitranana ihany koa izy fa lasa tahaka ny maivana be izany.
Niverina tany amin ny hopitaly ny talata dia gaga be ny dokotera fa tsy tao intsony ilay tumeur.

H@ izaho izao manoratra izao dia salama tsara izy ary tsy jamba izany, ary i mamanay nijoro vavolombelona tao ampiangonana no sady hitako niova be ny fianany fa tsy tahaka ny taloha. Lasa mazoto kokoa mivavaka sy mamaky baiboly izy ary mandeha miangona ary mitory teny amiko matetika. Fa ny olana dia izaho no mbola somary mafimafy loha izay.

15. kitjo ( 02/02/2007 16:20)
Za ko aloha h@ zao dia mahazo hery hatrany ary mampitombo ny finoako ny fampianarany...

na izany aza Jesosy no inoana fa fitaovana ampiasainy ireny..ny fitaovana tokoa mety ho simba, tsy fantatra iznay fa dia apetraka amin' Andriamanitra mba ny Fanahy Masina ihany no hampiteny azy

fa n ai Laza na i Dailynews na iza na za milaza izay filaza eto mety hisy diso ihany koa ny hevitra ka aoka tsy hifanenjika!
16. Zina ( 02/02/2007 16:51)
oy i Ruby
Dia nony niverina ny sabotsy dia nahazo fanasitranana ihany koa izy fa lasa tahaka ny maivana be izany.
Niverina tany amin ny hopitaly ny talata dia gaga be ny dokotera fa tsy tao intsony ilay tumeur


Mahafinaritra ny maheno fa salama tsara ny mamanao
amiko ndray dia izao: Nanana finoana be i mamanao izay no naha afaka an'ilay izy t@ fony manontolo mihitsy izy no naniry ny ho sitrany. ny miracle dia misy foana eto an-tany... dikan'io tsy milaza oe henoy izay lazaiko...
Lasa mazoto kokoa mivavaka sy mamaky baiboly izy ary mandeha miangona ary mitory teny amiko matetika. Fa ny olana dia izaho no mbola somary mafimafy loha izay.

Miteny fotsiny aho... tsara mihitsy izany ary asaivo tohizany mihitsy kanefa kosa raha tsy mahadiso asaivo tohizany mandra-pahitany ny fahamarinana rehetra AO anatin'ny baiboly.
17. HESHA ( 03/02/2007 10:33)
Mahaliana sy mahatalanjona !!!!
Za kou gagagaga tam le anarana de nanontany tena hoe iza no nangalatra tamty in-1 mitoraka ty, Benny Hill sa Benny Hinn :lol::lol:
Fa teo angamba tsy hoe nanenjika i LD kosa e, fa mba nisintona ny saina oe misy diso fa mitandrema sa ....
Araka ny hitako am tantara ao am Baiboly ao (Tsy afaka milaza toko sy andininy za fa tsy mahay an zay mihitsy, ialako tsiny), maro ireo omen'Andriamanitra Teny ka rehefa ela ny ela (na indraindray angamba no tokony ilazana azy) dia lasa mihevitra izy ireo fa izay teneniny REHETRA dia avy amin'Atra avokoa. Ohatra i Moizy le namaky rano tam vatolampy tamin'ny anarany nefa Andriamanitra no naniraka azy.
18. HESHA ( 03/02/2007 10:37)
Amiko mety kokoa izany raha misy mahita toy izao ilay fahadisoana kely mety hitarika fiviliana goavana aoriana ao raha tsy voaova dieny izao.
Anjaranareo manaraka ny fampianarany sy akaikin ny ministerany ny mampahafantatra azy ny resaka toy izao ahafahany manova na mandray fepetra mifanaraka am zany raha hitany fa ilaina.
Raha heveriny fa tsy misy antony tokony handraisana fepetra moa dia efa izay zany e, ny tsirairay indray no mandinika avy eo
19. bichette ( 03/02/2007 13:03)
izay mahasoa raisina, izay tsy mahasoa aza raisina, mangataka ny fanahy masina avy mba hanana esprit de discernement, olombelona ihany isika, mety diso fandraisana ny amin'ny tenin'ny hafa ary olombelona ihany koa isika mety diso "mot" rehefa miteny kanefa manova zavatra betsaka :-*
20. Zina ( 04/02/2007 03:57)
Bichette a misy marina io lazaina-njy io
izay mahasoa raisina, izay tsy mahasoa aza raisina, mangataka ny fanahy masina avy mba hanana esprit de discernement, olombelona ihany isika

nefa kosa tsy tokony hijanona ao satria hita fa ny akamarohan'izay lazainy dia mifandipatra amin'ny baiboly...
Satana anie ka tsy kely lalana e...ainy ny manafangaro ny marina sy ny diso... mba hanasavoritaka ny sain'ny olona...

Mila mailoka isika:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0977