Benny Hinn
21. niryna
(
04/02/2007 06:48)
Efa nitantara anareo zavatra maro ihany aho ary mino aho fa tsy mahafantatra tanteraka isika hoe mpaminany sandoka ity na tena izy.Ireo roa ireo dia samy manasitra daholo ary samy miantso ny anaran'i Jesosy matetika.Ny iray ampiasain'ny fanahy masina avy amin'Atra ary ny iray am-piasain'ny devoly ka ny anaran'i Jesosy no atao.Tafiditra amin'izany ny fiangonana.Ny mahasamihafa azy roa ireo dia ny iray maharitra mandrakizay,manasitrana ,mahay manala devoly sy manampy ny olona hidiran'ny fanahy ratsy.Ny anankiray koa dia manasitra fa tsy anala devoly izany mihitsy,ny hampiditra aza no ataony.Samia mitandrina fotsiny fa tena maro dia maro no misandoka sy mampiasa ny anaran'i Jesosy.Efa misy taratra maromaro eny ihany izy,ireny mandositra vola, manana vady maro, ny mpihira ao am-piangonana ihany no alainy kanefa manambady,sns.Tadidio fa ity toerana ity dia fandalovan'ny kristiana fotsiny fa ny herin'ny maizina no tena manjaka ka izany no mahatonga azy feno amin'izao fotoana izao.Jesosy efa niteny hoe tsy izay rehetra miantso hoe tompoko ,tompoko no tena zanak'Atra fa izay manaraka sy manao ny didiny.Koa mitandrema, miambena fa maro ny mpisandoka.^:^^:^
22. Ruby
(
04/02/2007 12:57)
kitjo:
fa n ai Laza na i Dailynews na iza na za milaza izay filaza eto mety hisy diso ihany koa ny hevitra ka aoka tsy hifanenjika!
i laza dia efa spesialista ny manejika olona na iza na iza. Tsy haiko hoe izany ve no atao hoe fitiavana zaraina any ampiangonana fa toa tsy hitako amin i lery mihitsy izany na ny kely aza fa toa vao anarana hoe laza de ady sa ady hevitra izay no ao ambadika
i daily ndray, mba mihenjana ihany angamba indraindray.
mba fijeriko ireo fa zah nge na tsy eto foana aza mba mamaky rankizy e.
23. Ruby
(
04/02/2007 13:04)
zina, nyrina....> tsy haiko aloha zay lazainareo fa raha ny fahafantarako kely dia i mamanay na dia mailomailo be aza t@ voalohany dia nilaza tsy nahita zavatra hafahafa araka ny lazain i kitjo.
Ka asa re re olona o.
Ka asa re re olona o.
24. niryna
(
05/02/2007 04:22)
Ruby a mety misy tsy fitovian-kevitra eto fa ny hoe manenjika aloha dia araka ny size mipoitra angamba no hanazavainy azy.Fa matetika ny hitako dia misy fahamarinana ny olona sasany raha ny baiboly no hilazany azy ka voazavany tsara ny tiany ambara.Kanefa mihinambary aza misy latsaka kou
25. LazaDaddy
(
05/02/2007 05:10)
fa n ai Laza na i Dailynews na iza na za milaza izay filaza eto mety hisy diso ihanydia izay no mahatonga ahy nanokatra ito adihevitra ito hoe "ampilaharo @ Tenin'Andriamanitra" :)
Izaho indray na ataonareo ho manenjika aza tsy vao izao no nisy olona nanao ahy izany. :) Saingy tsy ho reraka mihitsy aho ny hanambara ny fahamarinana voarakitra ao @ Baiboly. Koa raha ny Teny ao @ Baiboly tateriko eto no ilazanareo ahy ho "manenjika" dia aoka aho hitsiky kely :)
27. niryna
(
06/02/2007 17:53)
LazaDaddy:
fa n ai Laza na i Dailynews na iza na za milaza izay filaza eto mety hisy diso ihanydia izay no mahatonga ahy nanokatra ito adihevitra ito hoe "ampilaharo @ Tenin'Andriamanitra" :)
Izaho indray na ataonareo ho manenjika aza tsy vao izao no nisy olona nanao ahy izany. :) Saingy tsy ho reraka mihitsy aho ny hanambara ny fahamarinana voarakitra ao @ Baiboly. Koa raha ny Teny ao @ Baiboly tateriko eto no ilazanareo ahy ho "manenjika" dia aoka aho hitsiky kely :)
Lz a vao nihaino toriteny mihitsy aho omaly tany am-piasana ka io no omeko anao sy izay rehetra mahatsiaro henjehin'ny olona,tafiditra koa ny tenako.
Ny fanantonana an'Atra sy ny fanantanterahana ny asany dia tsy ho mora hono fa jesosy efa nilaza fa enjehin'ny olona ianareo noho ny amiko.Mazava ho azy fa manana jiro, fanilo, fanazavana ny ao anaty maizina isika,tsy tian'ny satana izany ka tiany hianjera ilay fahazavana izay ao amintsika.Ahoana no hanaovany izany? Ampiasainy daholo ho fitaovana handringanana antsika ny vady, zanaka, namana, mpiara-miasa,namana ato amin'ny serasera,tsy tiany hivoaka ny tenin'Atra ka tonga dia ny azy no ataony mandratra fo antsika voalohany dia mihemotra isika.Tsarovy ny mivavaka ho azy rehetra ireo ary ataovy anie fa hitanao maivana ny alahelonao e,indrindra indrindra ny mamela azy ireo.Ampiariko amin'ny fiainako io ka tena mandaitra.
28. niryna
(
06/02/2007 18:00)
Misy mpaminany sandoka iray eto amerika,mety mahalala ilay olona ianareo fa izy no mitondra ny radio eto ary mampianatra soratra masina.Anisany nianatra tao amin'io fandaharana io aho ary tena kivy tanteraka aho raha naheno ny forum alefany satria in-droa izy no nilaza fa ho tonga ny faran'izao tontolo izao 1994 ary 2011 tonga ny 1994 dia nolazainy hoe tsy namaky baiboly tanteraka hono izy,izao indray asiany miala ao am-piangonana daholo ny olona.Inona no antony hitenenako an'io.Misy tena marina ao anaty teneniny,miala ao am-piangonana izay fantatra fa tsy misy herin'ny fanahy masina,fa tsy hoe foano ny fiangonana dia mivavaha any an-trano.Aiza no ahazahoantsika ny mofon'aina raha ao an-trano fontsiny?inona no nanomezan'Atra fahefana ireo olom-boafidiny.Maro ny olom-boafidiny,na izaho na ianao,na isika rehetra izay nandray azy tamin'ny fotsika rehetra.Zarao izay fahalalana notovozinao ary omeo ny mangetaheta.Izay olona milaza nahita maso an'i Kristy ka miteny hoe efa tany ananona na taty i Jesosy kanefa tsy nisy vaovao nilaza izany toy izy nohombohona ny hazofijaliana dia aza mino.
29. niryna
(
06/02/2007 18:23)
Tantara marina ity.Nisy olona mpanompon'Atra,nisy azy daholo tao am-piangonana,nanaja azy daholo ny olona,nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny fiangonana lehibe izy.Nanasitrana,nitory ny filazan-tsara.Nino azy daholo ny olona rehetra ary natoky azy tanteraka.Nilaza izy fa efa olom-baovao.Nananmbady izy fa nahita tovovavy tanora tao am-piangonana,nahoana no maika hoy ny mpitondra niaraka aminy.Vita soa amantsara ny raharahany ary nakotroka ny mariage tao am-piangonana.Ny olona rehetra nino azy ho olombaovao,izy ao anatiny mahalala fa tsy izy izy.Narary ity rangahy ary nivavahana, tsy nety sitrana ary niafara ny fangalan'Atra ny ainy.Andeha haka ny fanany ity ramatoa vao nahita fa nanambady roa izy ary dia hatezerana sy fanantenana diso no nahazo ireto mpiangona sy ny vady vao.Inona no tiako ho tenenina.Tsy misy tandroka ny ratsy.
30. LazaDaddy
(
06/02/2007 23:26)
niryna:[size=14]Harold Camping[/size] ny anaran'io rangahy tianao resahina io.
satria in-droa izy no nilaza fa ho tonga ny faran'izao tontolo izao 1994 ary 2011 tonga ny 1994 dia nolazainy hoe tsy namaky baiboly tanteraka hono izy,izao indray asiany miala ao am-piangonana daholo ny olona
Tokony hitandrina tsara ny mpino fa fitaovana ampiasain'i Satana koa ireny mba tsy hiomanantsika. Mety hihevitra mantsy isika hoe "miala any indray ilay faminaniana sandoka" dia tsy hiomana. Kanefa tokony handinika ny "famantarana" nambaran'i Jesoa mialoha ny fiverenany efa akaiky dia akaiky hatrany!
31. prime
(
07/02/2007 06:58)
Benny Hinn... tsy dia fantatro loatra ny momba azy ka tsy manana hevitra...
32. niryna
(
09/02/2007 07:21)
LazaDaddy:
niryna:[size=14]Harold Camping[/size] ny anaran'io rangahy tianao resahina io.
satria in-droa izy no nilaza fa ho tonga ny faran'izao tontolo izao 1994 ary 2011 tonga ny 1994 dia nolazainy hoe tsy namaky baiboly tanteraka hono izy,izao indray asiany miala ao am-piangonana daholo ny olona
Tokony hitandrina tsara ny mpino fa fitaovana ampiasain'i Satana koa ireny mba tsy hiomanantsika. Mety hihevitra mantsy isika hoe "miala any indray ilay faminaniana sandoka" dia tsy hiomana. Kanefa tokony handinika ny "famantarana" nambaran'i Jesoa mialoha ny fiverenany efa akaiky dia akaiky hatrany!
Fantatrao tsara mihitsy.Ny tena mahagaga dia manana hira masina tsarabe izy mandeha ny sabotsy hariva kanefa tsy avelany mandeha miangona intsony ny olona.
Efa hitan'i Lz ilay hoe baptism wash away of sins na ny batisa dia fanadiovana ny eloka.Tsy mitombona mihitsy io satria ny ran'i jesosy irery ihany no nanadiovana sy nanavontana antsika amin'ny eloka.:evil:
