Fanalana demony

21. cutie ( 27/01/2007 12:06)
:-D
22. booboo ( 27/01/2007 12:54)
:-D:-D:-D
23. andrea ( 27/01/2007 14:45)
niryna:

andrea:

Zina> =)) =)) marina izany 8) nikopol demony :twisted: :twisted: :twisted: ty wà tssss

Andrea a tsy azo atao ny manompa olona demony izany satria tsy fantatrao izy,ary tsy mbola niteny izy hoe izaho demony"Blasphemy" manompa fanahy masina.Voasoratra io hoe tsy voavela ny eloka ary io irery ihany no fahotana tsy voavela.Manendrikendrika ny fanahy masina.Aza miteny raha tsy mahita zavatra tsara ho tenenina.Avereno ange ny teninao e dia hoe Andrea ...ho faly ve ianao raha ataon'ny olona izany:cry::cry:





Kinga ery inao mitsara sy manome lesona ..
Mahasosotra : Eritrereto aloha izay vao miteny:

1- Andrea a tsy azo atao ny manompa olona demony:
Tsy fanopana amiko ny milaza hoe demony ilay olon.

2- satria tsy fantatrao izy..
Diso be ianao fantatro tsara i Niko.. ary fantany tsara fa betsaka ny namana no manala azy eto.

3- Lazainao hoe "Blasphemy" manompa fanahy masina : Iza no fanahy masina? Niko ve? ny namana eto ve ?
Raha masina daholo efa niakatra velona tany an-danitra fa tsy misy olona intsony eto an-tany...
Avereniko indray ny teboka : 1-: Tsy manopa akory ny miteny hoe olona hoe demony.

4- Voasoratra io hoe tsy voavela ny eloka ary io irery ihany no fahotana tsy voavela.Manendrikendrika ny fanahy masina
Ny Voasoratra aiza? sa boky ho anao irery. Ny hitako izao de ianao no manendrikendrika milaza hoe manopa olona manana fanahy masina izaho no sady manao Blasphema... Ny marina ho anao tazony ho anao irery fa tsy ilaiko akory.

5- Aza miteny raha tsy mahita zavatra tsara ho tenenina
De aza mitsara koa mba tsy ho tsaraina. Voasoratra io ary didy folo ho anao kristianina aho. Raha diso de ahitsio fa tsy maninona.

6- Avereno ange ny teninao e dia hoe Andrea ...ho faly ve ianao raha ataon'ny olona izany :

Fantaro fa efa nandeha teto amin'ny forum: izaho ihany no niteny hoa demony izaho tao amin'ny forum napetraky ny namana hafa .. Nefa tsy nisy nilaza hoe manopa tena. Amiko tsy mampaninona ahy satria tsy izay havoaky ny vava, na soratana rehetra tsy voatery ho marina .

fantaro fa ny namana rehetra afaka manoratra eto amin'ny forum, tsy nisy olona natokana ho mpitsara izay lazain'ny namana hafa akory eto, na ny admin sy ny mpandrindra aza manaja ny zon'ny tsirairay : izay no atao hoe serasera : atao ny resaka ampanajana tompoko, tsy misy endrikendrika. Tsara rehefa te hanao "animation ianao" fa aza mitsaingoka rehefa tsy azonao ny resaka ( Niko no nampiditra ny loha kevitra, Zina no novaliako, ianao no manao be moraly!!! :twisted: :twisted: )

Samoana> misaotra amin'ny 'conseil' de azafady raha tsy nampiatra .
24. Samoana ( 27/01/2007 17:32)
"conseil" be hanihany ny ahy fa tsy be moraly sô ataonjy manimba fahasalamana eo a :wink:! Mikonetaka eo ny zenfans fa tezitra neny:cry:
25. lanto ( 27/01/2007 17:42)
sujet mampiditra demony :twisted:
26. andrea ( 27/01/2007 18:04)
Samoana> =(( ieee marina izany ka ! fantatro fa hanihany ange .. hozy za we mila mamaly kely fa tohana .. de mody tsy henoina aloha ny resak'i samoana.. soa ihany fa mbola tsy mahay mamaky teny ny zenfants !
27. LazaDaddy ( 27/01/2007 22:50)
niryna:
tsy mbola niteny izy hoe izaho demony"Blasphemy" manompa fanahy masina



1) Raha "Fanahy masina" i Nikopol dia blasphemy tokoa ny nataon'i Andrea

2) Raha tsy "Fanahy Masina" i Nikopol dia i niryna no manompa ny Fanahy Masina mampitovy Azy @ i Nikopol.

>>>> Raha Fanahy masina anefa i Nikopol tsy nitady hevitra androahana ny demoniny. Noho izany tsy Fanahy Masina i Nikopol ka marina ilay (2) etsy ambony. Enga anie samy hibebaka isika ho voavela heloka.
28. Zina ( 28/01/2007 00:56)
andrea [ Valio ] 26-01-2007 22:27:26
Lohateny : Re : Fanalana demony
Zina> marina izany nikopol demony ty wà tssss

marina retsy ny anjy a....:-*

LD,
1) Raha "Fanahy masina" i Nikopol dia blasphemy tokoa ny nataon'i Andrea

2) Raha tsy "Fanahy Masina" i Nikopol dia i niryna no manompa ny Fanahy Masina mampitovy Azy @ i Nikopol.

hahahahha tsy ratsy ndray iny
29. booboo ( 28/01/2007 19:38)
Lanto > hihihihi
30. niryna ( 29/01/2007 02:21)
Samoana:

Andrea/ mody ataovy fantatra kosa hono le oul "tsy fantanjy io" @ zay tsy bedin'i nyrina njy e:wink:. Mody avadiho fotsiny hoe "opolnik demony":-D

aiza no tsy fantatra na avadika eo aza=))=))

31. niryna ( 29/01/2007 02:24)
chipie1:

eisy a oe ry nyrina e!:roll:


Eny hoy aho ry chipie1 ka inona no vaovao any aminjy any?
32. niryna ( 29/01/2007 02:31)
Andrea tena tsy azo hiaraha monina ianao.Miala tsiny aho raha miteny izany.Raha mpinamana ianao tsy misy dikany izany, fa tadidio fa olona maro dia maro no mandray anjara eto.Alaivo eo amin'ny toerako fotsiny hoe olona vao niditra aho dia olonA manontany zavatra no avadikao ilay zavatra hanontaniany.ooops Tonga dia mirefotra.Ndry mampalahelo.Miala tsiny raha nanohana anao ny teniko,mamelahy ahy.Izaho koa mamela anao 100%
33. LazaDaddy ( 29/01/2007 04:40)
niryna:
Andrea tena tsy azo hiaraha monina ianao...Izaho koa mamela anao 100%
8O Inona koa ity resaka mihatsaravelatsihy be ity?
niryna ihany:
Izaho koa mamela anao 100%
fa iza no meloka? Angaha i Andrea diso taminao no mila ny famelanao?
34. chipie1 ( 29/01/2007 11:16)
niryna > resaka manala azy ngé no hatao eto , fa tsy ho raisina ho serieux daolo , zay no nahatonga ahy hanoratra any io ambony io :°)
35. booboo ( 29/01/2007 12:01)
:°)
36. andrea ( 29/01/2007 13:53)
niryna:

Andrea tena tsy azo hiaraha monina ianao.Miala tsiny aho raha miteny izany.Raha mpinamana ianao tsy misy dikany izany, fa tadidio fa olona maro dia maro no mandray anjara eto.Alaivo eo amin'ny toerako fotsiny hoe olona vao niditra aho dia olonA manontany zavatra no avadikao ilay zavatra hanontaniany.ooops Tonga dia mirefotra.Ndry mampalahelo. Miala tsiny raha nanohana anao ny teniko,mamelahy ahy.Izaho koa mamela anao 100%


:D :D, Marina ve fa izaho no tsy azo hiaraha monina? mbo vakio tsara aloa izany nosoratako ....
Rehefa tsy tianao ny hevitro dia soratako hafatra aty amiko fa afaka hazavaiko aminao tsara fa tsy eto amin'ny forum no tonga dia manoratra ho ahy... Araky ny statistika dia 16011 no isan'ny namana rehetra tsy voatery hitovy hevitra daholo nany namana rehetra, na ny vaovao na ny namana vao tonga.....Tsy midika izany fa tsy afaka mifandray. Ary tsy fahotana akory ny mifanazava ka mila mifamela ... Tohana izaho tamin'ny zavatra nosoratanao dia voatery nanazava.. Fa efa tsy misy olona trony !!! Aleo izany hivalona any fa lasa mivoana amin'ilay lohahevitra "Fanalana demony" ny resaka ... sady manorisory ny namana hafa..fa mba atao hoe "Tsiky de ampy" :-* :-* .
37. papounette ( 29/01/2007 15:27)
nikopol:

Saika nataoko tao aminy fivavahana ty resaka ty saingy sao manohana ny hafa !
fa raha misy namana mahay manala demony na mahalala olona mahay manala dia mba hanoraty aho fa tsapako hoe misy demony lehibe ato anatin'ny kiboko, tsy dia lavitra ny foitrako eo.

Misaotra dieny mialoha :-*



Hazavao kokoa ny tinao ho tenenina fa tsy mazava.8O
38. dailynews ( 29/01/2007 17:30)
Misangisangy ve aloha i Nikopol sa tsia?

Raha tsia dia hazavao bebe eto ny antony mahatonga anao milaza io, dia ho tohizantsika ny resaka avy eo.
39. nikopol ( 29/01/2007 17:56)
Tena tsy arako intsony ry reto a fa za mihevitra hoe diso mieritreritra loatra .Tato ho ato, indraindray rehefa matory iny aho dia ohatrany misy lohan’olona kely balitika mivoaka tampoka eo aminy fotrako eo, sady miteny aminy teny tsy misy azoko no be feo be zany.. Dia rehefa sokafako nefa ny masoko dia tsy mahita anizaniza za.
Asa ? fa henoko hoe misy zavatra hafahafa fotsiny ao anatin’ny kiboko ao.

Misy fotoana tsapako tsy mahita ny masoko na misokatra aza, nefa misy sary efa taloha be ao andohako tsy mety miala , dia ireny sary ireny aty aoriana hitako any aminy olona hoe tena nisy, dia ny secret an’olona ireny ohatrany fantako zany nefa ilay olona tsy milaza na inona na inona amiko.

Fa tena tsy mampino ahy , dia lasa donto be zany aho, dia tsy maheno maharary mintsy za ,matetika io no miseho. Ary lasa mafy be zany za amin’iny fa mahavita zavatra be de be dia tsy mety reraka amin'iny fa rehefa avy eo nefa KO be
Asa e! Fa eo aminy kiboko eo indraindray misy ohatrany olatra zany dia tsy hita tampoka

misaotra e
40. chipie1 ( 29/01/2007 18:00)
sao dia mpandihy rock be i nikopol , dia tellement niodikodina dia ... :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2594