Racisme ,na fanavakavahana

1. patrick2002 ( 26/01/2007 17:02)
Asa ianareo zalahy na mba miombo-kevitra amiko fa tsy ho foana mihintsy ny racisme, eto an-tany ?
Ka raha miteny ianao hoe azo foananana tsara ny racisme ,inona ny hamoanana azy?
Raha miteny moa ianao hoe tsy azo foanana ny racisme
hatraiza izany ny limite tokony hiainana azy?
novalian'i vale ny 03/02/2007 11:25
2. patrick2002 ( 26/01/2007 17:14)
Isika rehetra izaho dia samy no beazina hafantatra ny tsara sy ny ratsy ,ny marina sy ny diso. Izay fanabeazana antsika izay no mahatonga asika hanavakavaka ny olombelona mitovy amintsika izay tsy mitovy fomba fiainana, na foto-=kevitra amintsika.
3. niryna ( 26/01/2007 17:24)
patrick2002:

Asa ianareo zalahy na mba miombo-kevitra amiko fa tsy ho foana mihintsy ny racisme, eto an-tany ?
Ka raha miteny ianao hoe azo foananana tsara ny racisme ,inona ny hamoanana azy?
Raha miteny moa ianao hoe tsy azo foanana ny racisme
hatraiza izany ny limite tokony hiainana azy?

Miverimberina eto foana io lohateny io ka inona marina no atao hoe racisme? Satria raha manome hevitra ny olona iray dia tonga dia misy mitsaingoka hoe racisme izany,fanavakavaham-bolokoditra? Misy anefa oditra maity noho ny antsika kanefa raha miresaka io firenena io isika dia hoe manavaka azy.
Tsy ho foana io fa mihezaka ny rehetra ka samy manome voninahitra ny manodidina azy.
NA INONA NO RAZANA NA INONA MENA DAHOLO NY RA MIKORINA AO ANATY.:):):)

4. patrick2002 ( 26/01/2007 18:50)
ka ho aminy olona mainty ve izany ry Niryna dia tsy misy intsony ny fanavakavahana :roll::?:
Amiko toa tena ireny mihintsy no tena mpanavaka kou
Izay no tsy hombonako hevitra aminao aminy ilay definition nomenao tetsy ambony.
5. vale ( 26/01/2007 19:31)
:lol:, ny mainty de mankahala ny fotsy, ny fotsy manankahala ny mainty, ets..; fa tsy ny fotsy ihany no raciste kah! :P.. sa inona marina aloha ny hatao hoe racisme e? :roll:
6. terra ( 26/01/2007 20:06)
Na fotsy na mainty, ny fomba fisainana ihany no mitondra anio (mentalité), za dé manana namana miloko fotsy, mavo, mainty, mifankatia tsara daholo izahay
Zany hoe ny fandeferana no zava-dehibe, dé ny respect culturel d'autrui koa.
Tsy misy fanavakavahana ny aminay rehetra.

7. cutie ( 26/01/2007 20:21)
marina zany :lol:
8. fijo ( 26/01/2007 20:59)
io tsy foana raha tsy hoe lasa metisy daholo ny ponina eto an tany.nefa izany dia nofy,ka dia mila fahaizana mandefitra sy fiezahana ahalala bebe kokoa ny hafa.izay ihany no hampahalefaka an'io
9. pissoa ( 26/01/2007 21:31)
patrick2002:

Asa ianareo zalahy na mba miombo-kevitra amiko fa tsy ho foana mihintsy ny racisme, eto an-tany ?
Ka raha miteny ianao hoe azo foananana tsara ny racisme ,inona ny hamoanana azy?
Raha miteny moa ianao hoe tsy azo foanana ny racisme
hatraiza izany ny limite tokony hiainana azy?

Tsy ho foana ny racisme. Farafaharatsiny ny fahitana azy hatramin'izao.

Ny limite tokony hiainana ny racisme : rehefa manaja ny aina sy ny zon'olombelona ianao - dia tsy hitako izay olana na misy "racisme" aza ao anatinao.

# Ny teniko amin'ny hoe mananja aina dia tsy mamono ny olona tsy mitovy fihodirana na fiaviana aminao.

# Ny manaja zon'olombelona kosa indray. Toy ny hoe samy manana zo ho salama ny olona. Noho izany, tsy tokony misy any amin'ny hopitaly hoe ity an'ny mainty, ity an'ny fotsy, ity an'ny mavo sns. Rehefa misy marary dia tsaboina.
Samy manana zo hianatra ny zaza : Na inona na inona lokony, na avy aiza na avy aiza fiaviany - rehefa tonga ao an-dakilasy izy hianatra dia tsy azo hodiana fanina ary tsy azo asaina mivoaka. Ampiana koa izy hanatona ny sekoly raha tsy manana fahafahana amin'izany.
sns

Ny ankoatra ireo tsy hitako izay olan'ny fiaraha-monina na misy racisme aza ao anatinao.
10. vale ( 27/01/2007 00:12)
terra: ianao izany fa misy ny racistes kah, misy ary zah tena mahatsapa izany , hiainako andavan'andro ilay izy, mifanerasera @ mainty hoditra aho ka de tsy maintsy misy resaka fanaratsiana ny fotsy, "les blancs" ets, patati patata...hihihihi, de ny fotsy indray (indd reto frantsay reo) "tena be" racista fa mody mahay manafina an'ile izy! ohatra iray ftsn ity> ny quartier ny banlieues ny paris, de tena hita miavaka fa nampiarahina quartier iray dol oh ny vahiny, oh be tavaratra, sy mainty sy aziatika (indiana ireny), ny quartier sasany indray de be sinoa be, ny be malagasy koa angamba moa efa fantatry ny tsi11 (cachan!),etc,... ireny matoa misy dia ny fanjakana frantsay no mametraka ilay olona any @ ilay toerana , araka ny firazanany,... asa, mety misy hiteny angamba hoe ka @ izay mahay miara-monina, etc, ...fa de mba nahalasa ny saiko ihany na de izany aza,.. be de be mihintsy ny zavatra na (droit) tsy azon'ny vahiny raha eto frantsa eto, fa tsy hatao mibaribary ftsn ny fampiharana an'ilay izy!
terra> tsy fantatro oe aiza no misy anao?:wink: fa raha ny hitako isan'andro eto aloha de izany no marina.
Inona koa ireny hoe, tsy mifanambady raha tsy samy mitovy fihaviana? ry zareo karana angamba tena mpanao an'ireny! amiko ireny de endrika racisme ihany koa, tsy ny fanambaniana nyhafa ihany fa miseho @ toe-javatra marobe ny racisme.:P
11. vale ( 27/01/2007 00:32)
terra: ok! france koa enao no mipetraka (raha ny ao @ momba2), ataoko fa afaka mandinika ireo toe-javatra voalazako ireo enao, ny tiako hahatongavana de misy ny racisme, ary tsy ho foana, araka ny teninao hoe ny mentalité no mitondra an'io, ny olon-drehetra anefa tsy hary itovy fisainana dol!:wink:

patrick2002: miombon-kvt @ fijo ah, zavatra tokana ny hahafoana ny racisme, de ny métissage, tsy ho tanteraka anefaio, raha mbola misy ny tsy mifaka vady fa hoe samy hafa firazanana...:P, ary ny tsi11 kou anefa samy manana ny tiany, hihihihi

...ny limite tokony hiainana azy hoy toi:P, tsy maintsy asiana ny limite koa!>> fandeferana, sns, tsisy afa-tsy izay, ny olona iray matoa racista mantsy, mety ho tsy fitiavana ny fomba2n'ilay "iray"(culture) raha tsy hiresa ka volon-koditra tsika, ka tsy afaka miresaka compréhension @ izany mihintsy, ny mba hitako mety hiainana azy aloha, de ny fananana fandeferana, :P, ny hitako mahafoana azy de fitiavana sy compréhension! hihihihi:)
12. dailynews ( 27/01/2007 21:39)
patrick2002:

Asa ianareo zalahy na mba miombo-kevitra amiko fa tsy ho foana mihintsy ny racisme, eto an-tany ?
Ka raha miteny ianao hoe azo foananana tsara ny racisme ,inona ny hamoanana azy?
Raha miteny moa ianao hoe tsy azo foanana ny racisme
hatraiza izany ny limite tokony hiainana azy?

hisy hatrany ny racisme eto antany saingy miantomboka amiko sy aminao ny hampihena azy.



13. dailynews ( 27/01/2007 22:22)
Amiko ihany koa ny toetra hahafantaranao fa raciste ny tenanao manokana dia eo @ fanambadiana satria samy milaza daholo hoe tsy raciste aho satria izaho manana namana izao sy izao sns..fa raha vao tonga eo amin ny resaka fanambadiana dia eo no mivoaka ilay tena toetra:

vitanao ve ny hanambady, na hampanambady ny zanakao na ny anadahinao na ny anabavinao

-merina?
-tanindrana?
-betsileo?
-afrikana?
-vazaha? eropeana?
-aziatika? karana sy sinoa sns..
-amerikana tatsimo
-amerikana tavaratra?
-arabo....

raha milaza hoe TSIA ianao amin ny iray amin ireo dia raciste izay amiko(amiko hoa an..mba famaritako izaho samy irery io), averiko indray..mora dia mora ny manana namana an ireo rehetra ireo ary samy afaka milaza fa tsy mpanavakavaka daholo fa rehefa tena hiditra lalina ve dia miahotra ianao noho ny fihavian io olona io.

aleo hazava tsara fa RACISME no resahiko eto fa tsy miditra @ resaka hoe mahantra na manankarena na finoana inona sy inona aho.

14. tywa68 ( 28/01/2007 00:15)
dailynews : tsy voatery racisme ny mampiseho hoe itsy no mety kokoa satria zay naka olona tsy mitovy taiza sy fiaviana ohatra dia tena sahirana tokoa aoriana eo @ fiarahamonina, dia tsy manjary ny fiarahana (indrindra fa misy zaza avy eo). Sarotra be aloha ê : arakarak'ilay anjaranao koa io sy ilay toerana misy anao (ary ny fahasahianao).
15. vale ( 28/01/2007 11:45)
tywa> be de beeeee akia ny olona mivady anefa tsy mitovy fihaviana fa mifanaraka tsara an!:wink:,de izay foana koa matetika le ao an-tsaina hoe itsy tsy mitovy izao sy izao, sns, de teraka lay sakana. :)
16. tywa68 ( 28/01/2007 12:11)
vale : ny fahasahiana hoa no mahasamihafa ny olona ! ny olona mifanerasera sy tsy tery saina anie tafita foana satria hainy ny mijery hoe hatraiza na hoe ahoana no hitondràna ny fiarahana ê ! (d mazava ho azy fa tian'olona @zay toetrany izay izy).:lol:
17. vale ( 28/01/2007 13:35)
ie, marina ! :D:wink:
18. Fiffi ( 28/01/2007 14:00)
humm......heu...@ fomba ahoana ozy nareo no tsy hisian'io racisme io intsony ? sa...hatao metisy arakin'voalzan'i fijo io ? io ve de ho possible ?
19. niryna ( 29/01/2007 02:38)
Fiffi:

humm......heu...@ fomba ahoana ozy nareo no tsy hisian'io racisme io intsony ? sa...hatao metisy arakin'voalzan'i fijo io ? io ve de ho possible ?

Mety tsy ho foana mihitsy io ka 8-)

20. Nafaya ( 29/01/2007 13:15)
Zao ry reto a!!! Na inona na inona teneninareo eo d ny vaniny d tsotra ihany: Tsy ho foana mihitsy zany racisme zany eto an-tany... Ny toe -tsaina mihitsy ni mila ovaina nefa tsy aiko oe aona ko no anovana azy.Oatra zao misy ra vao miteny oe olona rats d komoriana zay, nefa tsy misy manja ko reny ndraindray.tsy ho foana zany io satry mis efa mande ho azy fotsiny ny an'ny sasany, misy kosa ny an'ny hafa efa victime t@ sehon-javatra nisy izy d las generalisé-na le izy, oatra oe tsy tia amerikana za satry... sy ny sisa e!! Ny mety fotsiny d oe: Manaja zay manaja ahy aho, ary manalavitra zay tsy manaja ahy fa tsy manitatra..
Ny ahy zao zany no ataoko satry za manana zoky 4 tsy gasy, d ny 2 tia ana ,ny 1 tsy tia ary bny 1 tsy fantatro ny heviny...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2355