fanabeazana aizana
41. Zina
(
30/01/2007 17:28)
Zah tsy natao haminavina izay tian'i zina notenenina nefa tsy noteneniny
mora hay ny mi-kritika ka
42. Zina
(
30/01/2007 17:31)
Samy te-hihezaka ny hamaly daholo ny olona fa ilay mitsipona teny no tena mampalahelo eto.Raha zavatra hafa no tiany ho tenenina kanefa tsy fantany na diso ilay izy azo atao ny manintsy azy fa tsy atao farahehy latsaina.
Ny pilule mety tiany ho tenenina dia tsy mampiteraka, ny kapoty no mety hiaro ny aids.Ahitsiho kely toy izany dia tsy misy mifandatsa lava eto.Izay mahay tsy tokony hidedaka, izay manao diso azo atao ny mifanitsy.Izay no atao hoe namana ato amin'ny serasera.
misaotra ry nyrina:wink:
43. Zina
(
30/01/2007 17:35)
za ko anie efa tsy lanin'ny vavon'i Pissoa mihitsy e ....satria za milaza ny marina ka tsy tantiny hihihihih.. lasa ataony oe mirediredy sisa inn moa no azoko atao... Mamela azy aho fa tsy fantany izay ataony:wink:
45. pissoa
(
30/01/2007 19:33)
xxx:
Ny fikotiana andro ve izany tsy maninona?
De ny kapoty tsy maninona koa?
xxx hafa ngamba io:
De diso izany ny mampiasa kapoty amin i prime, tsy hiresaka ny pilina aho fa efa voalazan ny namana sasany ny maharatsy azy fa tokony hiteraka foana izany isaky ny manao firaisana?
:-D:-D:-D Tsia ka ! Tsy misy an'zany hoe isaky ny manao firaisana izany dia hiteraka foana.
Raha tsy diso aho, tamin'ny nahary ny vehivavy Andriamanitra dia efa nandamina an'zany rehetra izany. Ao amin'ny cycle menstruel ohatra dia misy ny fertile period sy ny infertile period. Rehefa bevohoka indray ny vehivavy dia misy fotoana lava be tsy hananany anaka na manao firaisana aza izy. Avy eo indray, tsy hoe mandra-pahafaty mamokatra foana isika vehivavy fa voafetra (menopause). Tsy nataon'Andriamanitra mitovy amin'ny bitro isika olombelona amin'ny resaka fananahana. Ny anjaran'ny couple kristianina tsirairay izany dia ny miara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny fampiasana io fiarovana efa nataon'Andriamanitra io rehefa ilaina ny fanabeazana aizana.
-----------------
Tena ilaina ve ny fanabeazana aizana ?
(Hevitro manokana)
Ny fahitako azy manokana dia tsy ny olona tena hoe mahantra ka tsy hahavelona zanaka izany no misisika amin'io fanabeazana aizana io fa ny olona manan-katao. Io foana mantsy no atao resa-be hoe manahirana rehefa be loatra.
Ny Kristianina miditra amin'ny fanambadiana dia efa tokony mivonona fa hisy olona ho adidiny. Raha mihaino tsara isika rehefa misy mariazy (any amin'ny Katolika no fantapantatro, io koa moa no resaka eto) dia tsy misy mihitsy amin'ny fanontaniana apetraka hoe "Vonona ve ianareo hitaiza ny zaza 3 na 4 na 5 ... araka ny fomba Kristianina" (na mitovitovy amin'io) ... tsisy famerana isa ao.
Izay tsy mbola manambady dia tsy tokony hanao firaisana akory ka tsy misy antony hidirany amin'izany fanabeazana aizana izany.
Ny fampidirana ireny karazam-piarovana rehetra ireny na ny hoe rapport protégé, na amin'ny vohoka izany na amin'ny karazan'aretina, dia mivoy ankoalaka (na mivoy tsy fidiny) ny fitiavan-tsex, fijangajangana ary ny karazana abus sexuel betsaka.
46. pissoa
(
30/01/2007 19:37)
zina : le common sense anjy eto alou tsy lanin'ny vavoniko mitsy e. Ny hafa njay ... izaho ve no tsy mahalany sa njy ! Io zao dia tsy nahatanty sahady njay raha tsy namaly in-3 an'ile teny ! :-D
:-D:-D:-D
Dia raha misy fanazavana lava be mikasika ny fomba hafa ve eo ambony eo dia mbola tsy mahalala na inona na inona ihany ? Sao tsy mahay mamaky teny no marina kokoa aminjy ... Mampieritreritra, sady izay olona nilaza tary ambadika hoe mazoto mamaky gazety mikasika fahasalamana ! Sa raha vao misy resaka an'io dia hidina haingana le gazety :-D:-D:-D
zina:
za tsy mahalala afa tsy ny kapaoty, satria za tsy mba manao na inn na inn...
:-D:-D:-D
Dia raha misy fanazavana lava be mikasika ny fomba hafa ve eo ambony eo dia mbola tsy mahalala na inona na inona ihany ? Sao tsy mahay mamaky teny no marina kokoa aminjy ... Mampieritreritra, sady izay olona nilaza tary ambadika hoe mazoto mamaky gazety mikasika fahasalamana ! Sa raha vao misy resaka an'io dia hidina haingana le gazety :-D:-D:-D
47. Zina
(
30/01/2007 19:45)
le common sense anjy eto alou tsy lanin'ny vavoniko mitsy e
Ka inona ndray ary no tokony ho lazaina tsy common sense ve ny fampiasana ny kapoty rehefa betsaka lotra ny ankizy????
mividiana vichy dia afaka ny aretin'ny vavon-njy
48. pissoa
(
30/01/2007 20:16)
zina:
Ka inona ndray ary no tokony ho lazaina tsy common sense ve ny fampiasana ny kapoty rehefa betsaka lotra ny ankizy????
aaa ! Efa io ambony io ny hevitro. :-D
Nga nga nisy niteny oe misy aretina ny vavoniko ry Zina ? Tsy laniny oa, d tsy rarahiny le izy fa avelany fotsiny eo :-D:-D:-D
49. prime
(
31/01/2007 14:45)
xxx:...:-D:-D... fa hono hoy aho, fa rehefa tsy manao fanabeazana haizana ve dia tonga dia \"extrême\" hoe hiteraka foana ny dikany ?...
De diso izany ny mampiasa kapoty amin i prime, tsy hiresaka ny pilina aho fa efa voalazan ny namana sasany ny maharatsy azy fa tokony hiteraka foana izany isaky ny manao firaisana?
xxx:... tsy folo tokoa aloha, satria izay no sahaza araka ny sitrapon\'Andriamanitra...
raha tsy mahadiso firy kay ny zanak i prime dia ahona no nahatonga azy tsy ho folo?
xxx:... satria ny fahendren\'Andriamanitra mbola mihoatra lavitra noho ny fahendren\'olombelona...
de ahoana ny resaka fahendrena eo anatrehan ny vola eo ampelatanana sns @ izany rah afanatra mazava izao fa ny zaza eo ampelatanana aza tsy voavelona?
xxx:... Teny faminaniana ny hoe \"mamenoa ny tany\" fa tsy raisina ara-bakiteny... dia Izy Andriamanitra ihany rahateo no manatanteraka izany fa tsy misy na dia iray aza olombelona afaka handingana Azy ka hanao izany ho filamatra...
Fa izao hoa prime..ohatry ny tsy matiko lolo...
satria ve hoe mamenoa ny tany hoy ny Tompo dia tokony hiteraka betsaka aminao ny olona tsirairay? Sao dia ilay mamenoa ny tany efa vitan ny tsirairay mitambatra fa tsy hoe hafatra ho an olona iray fotsiny ihany.
cutie:... misaotra retsy a... hay efa mahay mitso-drano an...
sa saika hiteny we miteraha 7 lahy fito vavy i prime
xxx:... tsy azoko ilay fanontaniana fa sao dia tokony tsy izaho no ametrahanao izany fanontaniana izany fa izay milaza hoe ilaina ny fanabeazana haizana?... raha niteny ianao hoe : ny fikotiana andro izany maninona? dia mitodika amiko izy amin\'izay?...
Ny fikotiana andro ve izany tsy maninona?
De ny kapoty tsy maninona koa?
cutie:... tsara izany raha mitondra fifaliana sy fihomehazana ho anao izay ambarako... fa tandremo fotsiny sao variana mihomehy ka adino ilay tena Izy...
ka i prime tsinona mampime ka
54. prime
(
21/02/2007 14:27)
cutie:...:-D:twisted::°)... hihihi
i prime sady mampime no mampatahotra no mampi te hamono
55. Fiffi
(
21/02/2007 15:01)
cutie:humm.....tandremo zany ry cutie fa hihafara any @ afobe raha hamono olona zany an ! de tsy ahazo an'le lakilé eo ndry an !
i prime sady mampime no mampatahotra no mampi te hamono :-D
56. prime
(
21/02/2007 16:03)
Ny fiarovana amin'ny aretina, ny famerana ny isan'ny olona (amin'ny alalan'ny fandrindram-piterahana)... dia tsy ara-tsoratra masina velively... sady rahateo ny zava-misy no maneho fa tsy mitombina izany...
Ny aretina azo avy amin'ny firaisana dia vokatry ny fijangajangàna fa tsy resaka fampiasàna kapoty na tsia... ny famerana ny fiterahana eritreretina ho antoky ny fampandrosoana firenena dia diso tanteraka satria i Chine izao no hiditra 3ème puissance économique mondiale, aorian'ny US sy Japon ary manary lavitra ny firenena eoropeana maro any aoriany aza toa an'i France, Allemagne...
Mitady ho lasa hors sujet aho (miala tsiny) fa dinika moa ity ary ny tenako dia mbola manamafy ary mitovy hevitra amin'ny lazain'ny Vatican eto satria mitombina ara-tsoratra masina izany...

57. cutie
(
22/02/2007 03:07)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 21-02-2007 16:01:54
Lohateny : Re : fanabeazana aizana
Hoy i cutie:
i prime sady mampime no mampatahotra no mampi te hamono
humm.....tandremo zany ry cutie fa hihafara any @ afobe raha hamono olona zany an ! de tsy ahazo an'le lakilé eo ndry an !
non
efa hitako mba niova kely i prime ka :-D:-D:-D:-D
tsy mampi te hamono tsony :-D