Boite de nuit evangelique

1. majesty ( 25/01/2007 06:19)
Hono ho ah e,azo eritreretina ve indray andro any ny hisian'ny boite de nuit évangelique satria raha mandinika ntsika dia toa mangalatahaka ny fanao eo @ fiaraha monina izany ny fiangonana ankehitriny ohatra hoe rehefa manao fampisehoana ny artista iray dia milaza hoe Njakatiana sy ny mpandihiny sns,dia lasa misy mpandihy daholo koa ny groupe evangelique,dia raha tohizana izany dia ao aoriana kely ao koa mety hisy zany hoe sexy show evangelique,ny streap tease evangelique,ny t-shirt lemana evangelique sns.
Tsetsatsetra tsy aritra io an,fa ifonana mialoha raha misy tohina;tsiky d ampy:D
2. diamondra27 ( 25/01/2007 08:03)
Le we boite aloha mety ho mot fort ihany fa nahoana kosa moa no tsy possible ny hanaovana fifaliana @ samy mpiara-mivavaka raha azo atao izany.

Izaho izao aty an-tany lavitra aty tena manque be an'ny fanaovana veloma sy fiarahabana tratry ny taona izay karakarain'i GBT isan-taona.
Manao gala évangelique ry zareo de miara-misakafo de midera an'Atra misaotra Azy... Mitaona olona mba hanolon-tena ho an'i Jesosy

Dia ao koa ny ataon'ny Groupe AKO, izay tsy hitako zay maharatsy azy.

Amiko dia tsy tokony ho coincé ny kristiana satria izany no eritreretan'ny be sy ny maro azy. Izany tsy midika akory hoe: manao fihetsika tsy mendrika.

Izay zavatra ataonao hoy ny Tompo dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra.
3. prime ( 25/01/2007 09:08)
Mitovy hevitra tanteraka amin'i diams...=D

Ny dihy dia tena anisan'ny fanehoana voninahitra an'Andriamanitra... raha tsaroana etoana ny tantaran'i Davida fony izy lasa Mpanjaka, moa tsy nolazain'ny olona efa ho lasa adala satria sady nandihy imasom-bahoaka no nanala akanjo mihitsy aza...?:lol:

Izay no itoviako hevitra amin'i diams hoe aoka nefa ho amin'ny fahamendrehana sy ho an'Andriamanitra avokoa...
4. majesty ( 25/01/2007 14:23)
hoy diamondra27:

Izay zavatra ataonao hoy ny Tompo dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra.


na hoe eo ampisotroana toaka aza ve? (satria rehefa mifety dia tsy maintsy misy an'io,ary ny mahagaga aza indraindray ôtran'ny hoe tsy misy zany le ambiance refa tsy misy io)fomba fijery ihany ny ahy fa tsy midika akory zany hoe mi-blôqué an

5. prime ( 25/01/2007 15:32)
majesty> :-D:-D...

Ka hoe amin'ny fahamendrehana ihany koa...:)
6. cutie ( 26/01/2007 03:58)
majesty
voalaza ao @baiboly ve alou zany boite evangelika anareo zany :-D
7. dailynews ( 26/01/2007 04:06)
majesty>
ilay hoe sexy show evangelique sy strip tease sns...??? efa mihoatra ny tena izy kosa angamba izany fa ahona moa no hanalana akanjo eo imasonmbahoaka mba hahatonga azy ireo hieritreritra fijangajangana dia entina amin ny anaran i Jesoa izany???? angamba kosa trop be an....


8. majesty ( 26/01/2007 05:01)
Hoy cutie:

voalaza ao @baiboly ve alou zany boite evangelika anareo zany


ny fanaovana lavanty any ampengonana aza ange akia tsy misy ao @ baiboly fa dia lasa fomba amam-panao zao e,ka iza no mahita akia,:D
9. naritsimba ( 26/01/2007 06:04)
majesty> ny cabaret evangelika dia efa misy, ny boîte de nuit ange dia entina ilazana trano fandihizana isan'andro ary voatokana ho @ andro alina.
Noho izany dia tsy misy olana ny manorina boîte ho entina hankalazana an'Andriamanitra @ alalan'ny dihy,

« [Haleloia farany] Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. »
« Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. »
« Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. »
« Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. »
« Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo. »
« Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia. »
b]Salamo 150[/b]

Anjarantsika ny manaraka ny tokony ho izy, sy ny tokony atao.
10. ndrena ( 26/01/2007 09:25)
Tsara ny manome vononahitra an'Andriamanitra.raha mijery anefa isika dia maro ny olona milaza fa manome voninahitra an'A/tra nefa tsy izany fa manome voninahitra ny devoly.Tsy izay hira misy Jesosy na A/tra akory dia fiderana.Tadido fa Masina Andriamanitra ary mitaky fahamasinana koa Izy ho an'izay manompo sy midera Azy.Jreo ao @ testamenta vao² izay andrompahasoavana ao raha mahita olona mandihy zany ianao.Noho izany raha hira misy mpandihy dia tsy fiderana an'A/tra fa fanalambaraka Azy aza.Miainga avy ao ampo mantsy ny tena fiderana ary izay no tena fanomezamboninahitra an'A/tra.Koa na in na in zavamaneno entina midera Azy raha tanteraka io fahamasinana io dia izay no ilaina.
11. naritsimba ( 26/01/2007 10:59)
ndrena> dia ahoana izany ity voalaza ity: "Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina." dia tsy masina ve izany raha toa ka mandihy @ hiram-pivavahana?
12. ndrena ( 26/01/2007 11:28)
Mazava hoa azy izany ka.Ireo teny nomenao ireo dia hita ao @ testamenta taloha daholo fa tsy misy na dia iray aza milaza ny tokony hanaovana izany ao @ testameta vaovao
13. cutie ( 26/01/2007 13:42)
ny fanaovana lavanty any ampengonana aza ange akia tsy misy ao @ baiboly fa dia lasa fomba amam-panao zao e,ka iza no mahita akia,

hummmmm:-D
14. cutie ( 26/01/2007 13:44)
ndrena [ Valio ] 26-01-2007 12:28:39
Lohateny : Re : Boite de nuit evangelique
Mazava hoa azy izany ka.Ireo teny nomenao ireo dia hita ao @ testamenta taloha daholo fa tsy misy na dia iray aza milaza ny tokony hanaovana izany ao @ testameta vaovao

marin amitsy zany
raha mpanara-dia an'i kristy reo mpilaza ho krisitiana de tsy tokony any @ testmaenta taloha no raisina fa testamenta vao2 :lol:
15. dailynews ( 26/01/2007 14:38)
ndrena> fa iza no milaza aminao fa tsy manandanja intsony ny testamenta taloha? samy TA daholo ireo ary mifameno sy mifanohana.
ny fifanekena izay nataon Atra t@ mosesy teo anatrehan ny lalana isankarazany no lasa lalanan ny fitiavana(resaka lava be) nony tonga Jesoa fa tsy midika mihitsy izany fa ny testamenta taloha dia tsy miteny intsony.
16. diamondra27 ( 27/01/2007 05:37)
majesty:

hoy diamondra27:

Izay zavatra ataonao hoy ny Tompo dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra.


na hoe eo ampisotroana toaka aza ve? (satria rehefa mifety dia tsy maintsy misy an'io,ary ny mahagaga aza indraindray ôtran'ny hoe tsy misy zany le ambiance refa tsy misy io)fomba fijery ihany ny ahy fa tsy midika akory zany hoe mi-blôqué an






NON NON NON , tsy d'accord @ fisotroana toaka zany kosa aho e!

aiza ve de tsy hahay hifety raha tsy misy toaka?
Izany efa nolazaiko anao izany ilay izy: fa refa manao réveillon zahay miaraka @ mpino de tsy nisy toaka izany tao fa zava-pisotro tsotra daholo:fanta, coca, jus de fruit, sns... de sakafo samy nahandro tany antranony de miaraka apetraka eo de samy mihinana miaraka @ invités.

Na ny ao @ Mampiely Baiboly koa aza dia manao izany, fa anontanio ho an'izay te-hanandrana @ herintaona(veiller de prière en attendant le nouvel an)

Izaho efa niteny ihany teto indray mande hoe: tsy voatery hanaraka ny fanaon'izao tontolo izao ny kristiana, fa kosa tsy manakana azy hiditra na miara-mihosina aminy. Izany hoe: afaka miaraka aminy ianao fa mijoro hatramin'ny farany @ maha kristiana anao. Ianao no sira fanasin'ny tany, ianao no lumière du monde, de hazavao @ zay tsy mahalala izay zavatsoa noraisinao e! na any ] prison aza ange de afaka mijoro @ maha-kristiana anao ianao e!

17. diamondra27 ( 27/01/2007 05:42)
naritsimba:

majesty> ny cabaret evangelika dia efa misy, ny boîte de nuit ange dia entina ilazana trano fandihizana isan'andro ary voatokana ho @ andro alina.
Noho izany dia tsy misy olana ny manorina boîte ho entina hankalazana an'Andriamanitra @ alalan'ny dihy,

« [Haleloia farany] Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. »
« Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. »
« Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. »
« Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. »
« Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo. »
« Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia. »
b]Salamo 150[/b]

Anjarantsika ny manaraka ny tokony ho izy, sy ny tokony atao.




Ie 'zay mihitsy le izy amiko

Misy ihany koa ao @ baiboly ao milaza hoe: aza mety ho mamon-divay ianareo


18. jentilisa ( 27/01/2007 07:33)
Izaho rehefa mifety tsy mila toaka izany fa mety foana ny revy e! toe-tsaina ihany no mitondra an\'io!
19. ndrena ( 27/01/2007 08:07)
dailynews/Tsy milaza aho fa tsy manandanja ny testamenta taloha an!Fa jereo tsara fotsiny:ao @ testamenta taloha izao dia mila manao fanatitra (biby)vao voavela ny heloky ny olona izay mangataka izany @ A/tra.Fa rehefa tonga Jesosy dia Izy no tena fanatitra sitrak'A/tra ka izay manompo sy manaraka Azy no manana fiainana mandrakizay;izany hoe najanona na nofoanany mihintsy ilay fanatitra ao @ testamenta taloha,dia toy izany koa io resaka dihy voalaza io.
20. dailynews ( 27/01/2007 21:32)
ndrena:

Mazava hoa azy izany ka.Ireo teny nomenao ireo dia hita ao @ testamenta taloha daholo fa tsy misy na dia iray aza milaza ny tokony hanaovana izany ao @ testameta vaovao

hay ve e, ka ity zavatra nolazainao ity mantsy anie no hitako nahatonga ahy niteny izany e. Fa mazava amiko ny tianao lazaina saingy ny fomba filazanao azy teto angamba no nahavariana ahy kely.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1651