Boite de nuit evangelique

21. naritsimba ( 29/01/2007 06:32)
ndrena> jereo ny Lioka 15, dia vakio fa tsy mifanipaka mihitsy ny voalaza ao @ Salamo 150 sy ny voalaza ao.

« Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy. » (Lioka 15:1)
« Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. » (Lioka 15:2)
« Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe: » (Lioka 15:3)
« Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? » (Lioka 15:4)
« ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; » (Lioka 15:5)
« ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. » (Lioka 15:6)
« Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. » (Lioka 15:7)
« Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely* folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?[*Gr.drakma] » (Lioka 15:8)
« Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely* izay very.[*Gr. drakma] » (Lioka 15:9)
« Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka. » (Lioka 15:10)
« Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. » (Lioka 15:11)
« Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. » (Lioka 15:12)
« Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany. » (Lioka 15:13)
« Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy. » (Lioka 15:14)
« Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. » (Lioka 15:15)
« Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. » (Lioka 15:16)
« Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! » (Lioka 15:17)
« Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho » (Lioka 15:18)
« ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho. » (Lioka 15:19)
« Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. » (Lioka 15:20)
« Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. » (Lioka 15:21)
« Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; » (Lioka 15:22)
« ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; » (Lioka 15:23)
« fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. » (Lioka 15:24)
« Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. » (Lioka 15:25)
« Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. » (Lioka 15:26)
« Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. » (Lioka 15:27)
« Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. » (Lioka 15:28)
« Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; » (Lioka 15:29)
« fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. » (Lioka 15:30)
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)
« Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. » (Lioka 15:32)

Diniho tsara fa misy ny fampiasana zava-maneno sy fandihizana rehefa hita ilay zanaka very, tanteraka eto ilay fifaliana lehibe izay voalaza etsy toy izao etsy ambony.
« Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? » (Lioka 15:4)
« ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; » (Lioka 15:5)
« ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. » (Lioka 15:6)
« Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. » (Lioka 15:7)
« Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely* folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?[*Gr.drakma] » (Lioka 15:8)
« Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely* izay very.[*Gr. drakma] » (Lioka 15:9)
« Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka. » (Lioka 15:10)

Ny angatahina dia ny andinihantsika tsara izay voalaza ao @ Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Aoka tsy isika mihitsy no handika vilana na hampifandray ny tsy tokony hifandray.
Manana ny atao hoe fifaliana aminy Andriamanitra fa tsy araka ny fiheverantsika olombelona ny atao hoe fifaliana.(zava-maneno, dihy)

FEHINY:
SALAMO 150 / LIOKA 15.
Sao tsy misy an'ireo ary ny Baiboly any aminao ry Ndrena?
22. diamondra27 ( 29/01/2007 07:47)
Ye, azo atao tsara ny manao hira evanjelika @ rythme rehetra fa tsy voatery toy ny ampiangonana reny foana.

Tsy misy andintsoratra masina mihintsy niteny we aza atao an'izao sy zao.

Ka raha atao zouk aza ve le hira toy an'i Marie Blanchard maninona zany sa ça dérange?
Tsy mahazo mifaly ve fa satria kristiana?
Tsy natao ho coincée mihintsy ny kristiana fa hanana fifaliana lalandava.Midera, mandihy etc... fa zany we ny rythme no tsy mitovy.

Raha misy toaka kosa aloha @ le izy de tsy hitako no maha samy hafa an'izany @ fiainan'izao tontolo izao e!
23. ndrena ( 29/01/2007 09:14)
Marina tsy azo lavina io voalazan'i Naritsimba io satria avy ao anaty baibboly,saingy jereo tsara fa fanoharana ny nataon'i jesosy teto fa tsy filazana ny tena zava-misy,aoka hazava tsara ny fijerena ny baiboly.Tsy misy manda koa ny tokony hiderana an'Andriamanitra @ karazanjavamaneno na izay rytme ampiasaina eo fa ilay dihy mihintsy no tsy mifanaraka @ sitrapon'A/tra.Ny avy ao ampo mantsy no tena jeren'A/tra ankehitriny fa tsy izay mivoaka @ vava na izay fihetsika aseho'ny tena.
Baiboly tenin'A/tra feno sy mirakitra ny sitrapon'A/tra no ato amiko.
24. prime ( 29/01/2007 12:40)
ndrena> Raha ny hevitro aloha dia mitovy hevitra tanteraka amin\'i naritsimba aho satria tsy misy teny mihitsy tokoa ao amin\'ny testamenta vaovao mikasika ny dihy, fa saingy ny testamenta taloha dia maneho an\'io tsara... \"fifaliana amin\'ny aponga tapaka sy dihy...\"

Fa ny fiheverana fa hoe vitan\'i Kristy ny sorona manambara ny fangataham-pamelan-keloka ka nasolo ny zanak\'ondry fotsy tsy misy pentina no ilazàna fa tsy mitombina intsony ny testamenta taloha amiko no diso tanteraka...

Toy izao mantsy no nolazain\'Andriamanitra ao testamenta vaovao mikasika ny fifaliana indrindra, amin\'ny anaran\'i Jesosy Kristy, Ilay velona sy masina, manan-kery avy any Nazareta :

\"Mifalia* mandrakariva amin\'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]\" Filipiana 4:4

\"Mifalia ianareo amin\'izany andro izany, ka mibitaha*; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon\'ny razany tamin\'ny mpaminany.[*Na: miantsambora]\" Lioka 6:23

\"Mifalia mandrakariva.\" I Tesaloniana 5:16

... Marina fa tsy mety tokoa angaha ny ohatra raisin\'i majesty eto mikasika ny fifaliana sy firavoravoana, boîte de nuit, striptizy... fa tsy miteny izany hoe : ny kolon-tsaina sy ny fahendrena ara-pirazanana no manova ny hevitry ny soratra masina...

Ekena fa amintsika malagasy dia misy kolon-tsaina mihitsy mandrara ny fifaliana imasom-bahoaka indrindra moa ny dihy... fa na fotoana oviana na toerana taiza, na t@ testamenta taloha, na t@ testamenta vaovao, ny fifaliana lazain\'ny soratra masina dia tena ilay fifaliana anaty no sady fifaliana ivelany, manaja ny fahamasinan\'Andriamanitra...

Ny tiana homarihina fotsiny dia ireo mpitondra fivavahana isantsokajiny no noferan\'ny Apostoly Paoly sy ny Mpianatra ho maotina noho ny asa masina iandraiketany fa tsy misy mihitsy ao amin\'ny testamenta vaovao miteny hoe tsy mahazo mandihy raha mifaly... ary izany no mahatonga ny Mpitandrina, Mpiandry, Diakona ohatra tsy handihy... tsy misy teny nefa ao @ testamenta vaovao na dia iray aza miteny hoe tsy azo atao ny mandihy... fa ho fanajàna an\'Andriamanitra noho ny asa masina iandraiketana ka itsaratsaran\'ny hafa ny mpino fa tsy noho ny tsy fitiavan\'Andriamanitra izany velively...

\"Aoka hidera ny anarany amin\'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin\'ny ampongatapaka sy ny lokanga.\" Salamo 149:3

\"Miderà Azy amin\'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin\'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.\" Salamo 150:4

\"Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.\" Lioka 15:25... na i Kristy aza tsy nandrara izany raha nanao fanoharana nentiny nanehoana ny fifaliana mikasika ilay \"zanaka adala\"... ary tsy nataony ho zava-dehibe fa notsipihiny mihitsy aza fa anisan\'ny fanehoam-pifaliana ny dihy...
25. naritsimba ( 30/01/2007 05:32)
« Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin\'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin\'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. » (Lioka 15:7)

« Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan\'ny anjelin\'Andriamanitra ny amin\'ny mpanota iray izay mibebaka. » (Lioka 15:10)

Ndrena, prime> raha ireo voalaza eo ambony ireo, dia iza izany no mifaly any an-danitra? moa tsy ireo olom-boavonjy sy ny anjely va? sa misy devoly na satana faly @ fibebahan\'ny mpanota iray?

« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an\'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apokalypsy 12:12)

« Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo. » (Apokalypsy 18:20)


ary ny fifaliana izay any an-danitra dia tahaka ny voalaza ato @ ny Lioka 15:25« Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. ».
Inona izany no fahadisoan\'ny mpitondra fiangonana pasitera, mopera, diakona, mpiandry, raha mandihy izy ireo rehefa midera ny Tompo? Moa va tsy tahaka ny fifalian\'ilay Ray izay nahita ny zanany very ka mifaly miaraka @ namany, sy toy ilay vehivavy nahita ny farantsa keliny very, ka manasa ny namany sy ny sakaizany hiara mifaly aminy @ alalan\'ny zavamaneno sy ny dihy?
Raha hanontany an\'i ndrena sy prime manokana aho hoe: fifaliana tahaka ny inona ary izany ny fifaliana any an-danitra tian\'ny Jesoa lazaina @ ireo fanoharana ireo? moa tsy fifaliana mitovy tsy misy valaka @ fifaliana any an-danitra?

« Mifalia ianareo amin\'izany andro izany, ka mibitaha*; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon\'ny razany tamin\'ny mpaminany.[*Na: miantsambora] »
Lioka 6:23

Inona moa no tiana ambara @ hoe Mifalia ianareo...ka mibitaha? inona moa no hevitry ny hoe mibitaha (mibitaka)? tsy io voalaza hoe \"miatsambora\", ary raha mbola halalinina dia hoe: manaova tahaka ny zanak\'omby mibitabitaka, afa-patorana.
26. ndrena ( 30/01/2007 08:16)
Tsoriko aloha fa raha misy olona manampifaliana eto ambonin'ny tany dia tsy misy afatsy ny olona manana an'A/tra velona ao anatiny.Io no tena fahasambarana tanteraka sy fiadanana azo antoka.Io fifaliana io anefa mety tsy ho hitan'ny olona aty ivelany satria Andriamanitra fanahy no mitoetra ao antiny sy manome an'io.Voalaza ao @ testamenta vao² fa MIHIRA SY MIKALO AO AMPONAREO HO AN'ANDRIAMANITRA.MIFALIA MANDRAKARIVA AO AMIN'NY TOMPO.MISY FALY VA AOKA IZY HIHIRA FIDERANA.Izany hoe ny fiderana an'An/tra dia miainga avy ao ampo mihintsy fa tsy @ fisehosehoana ety ivelany na @ fandihizana izay miteraka filana maro isankarazany.Hamasino ny tenantsika ts11 avy mba ho fanaka fanomezam-boninahitra an'A/tra.
Tsy manda ary tsy mitsipaka ny Testamenta taloha mihintsy aho fa kosa matoa misy ny testamenta vao² dia midika izany fa mbola tsy ampy ny testamenta taloha ka io no mameno azy.
27. majesty ( 30/01/2007 09:11)
Naritsimba:dia ôtran'ny ahoana zany fifalian'ny any an-danitra zany,mifaly mandihy ve,
Dia toy ny ahoana koa ny rytmn'ny hira sy ny fomba fandihy ao @ soratra masina,rock ve sa hip hop,sa reggae,sa kawitry sa salegy fa za manko ao @ soratra masina tsy mbola nahita hoe ary Jesosy nandihy toy izao indrindra t@ izy ilay natao investiture tao jerosalema ilay nohorakorahan'ny olona rehetra hoe hosana hosana....sns
:D:D:D
28. ndrena ( 30/01/2007 11:41)
Zany hono ry Naritsimba a!!!!!
29. prime ( 30/01/2007 14:58)
naritsimba> izaho hoy aho mitovy hevitra aminao ny amin\'ny hoe ny fanehoana ny fifaliana dia tokony ho feno... anaty satria firaisana tanteraka amin\'Andriamanitra, no sady ivelany satria tsy maintsy sady ambara amin\'ny vava no aseho amin\'ny asa sy ny atao... ka raha misy manana ilay fifaliana vokatry ny firaisany amin\'Andriamanitra sy ny finoany ary ny fitiavany izany Andriamanitra izany dia amin\'ny fahafenoana no anehoana izany...

Fa raha ny ao amin\'ny I Timoty toko faha-3 dia maneho ny toetra tsara tokony hotandreman\'ny olona nefa, ho an\'izay manana andraikitra lehibe eo amin\'ny fiangonana...
Tsy lalàna tokoa nefa izany fa fampianarana nentin\'i Paoly ho fitaizàna ny fiangonana mba ho arofanina tsy itenenan-dratsy ny anaran\'Andriamanitra no sady tsy hahavoafitaka ny maro amin\'ny fitaka ataon\'ny devoly...

ndrena:
...Tsy manda ary tsy mitsipaka ny Testamenta taloha mihintsy aho fa kosa matoa misy ny testamenta vao² dia midika izany fa mbola tsy ampy ny testamenta taloha ka io no mameno azy.
... tsy hoe tsy ampy ny testamenta taloha fa feno dia feno mihitsy aza, fa tandindon\'ny zavatra ho avy avokoa ny voalazany... ny testamenta vaovao tsy hoe famenony fa fahatanterahan\'ny faminiana lehibe mikasika ilay Mesia... fa na ny testamenta taloha na ny vaovao dia mbola samy tandindon\'ilay tena fiainana mandrakizay nefa fa tsy fahatanterahan\'ny Tenin\'Andriamanitra tanteraka... Izany no mbola isian\'ny Teny faminaniana ihany koa na dia ao amin\'ny testamenta vaovao aza...

Miala tsiny fa mivaona kely amin\'ny lohahevitra...

Ny baiboly dia tsy mandrara ny fifaliana misy dihy ary tsy mandrara izany velively, saingy mananatra kosa fandrao lavon\'ny devoly raha tsy mitandrina ny amin\'izany...
30. ndrena ( 31/01/2007 08:15)
Ny nahatonga ahy nilaza io mantsy dia misy olona milaza mintsy fa ampy azy izay voalaza ao @ testamenta taloha ary izay no tena mampivily ny olona hanaraka fampianaran-diso @ izao fotoana izao.Ka raha misy re filazana ao @ tesatamenta vao² fa sitrapon'A/tra ny mandihy @ hira arapilazantsara dia mba ampahafantaro anay ihany ny toko sy andininy e!tsy fanoharana an,fa tena izy.Io voalazan'i Naritsimba @ phrase farany io no tsinjon'A/tra mialoha ka mahatonga Azy hangataka fahamasinana hatrany.
31. naritsimba ( 31/01/2007 12:09)
Raha mahita ianareo @ ireo voalaza ireo dia mahamarika fa ny tompom-panasana dia tsy voalaza mihitsy hoe mandihy, fa ny olona nasaina no mifaly, sady mihira no mandihy. Izany hoe ny olona mahay mampifaly ny namany sy ny sakaizany dia mampiseho fa manam-pitiavana ny namany, izy, dia toy izay koa any an-danitra Jesoa Kristy no mampifaly
majesty> tsy haiko aloha ny rythme e, fa izaho dia mandihy rehefa mandihy ao am-piangonana. Ary dia na Hip Hop aza tsy olana.
32. petakorona ( 31/01/2007 12:21)
sao de "eksodosy" aza no tsy voanao ry majesty?

Henoko teto @ internet aloha le izy de tena rthme be tokoa an!

:-w:-w

tsy haiko aloha fa za manokana aleoko mijery olona mifaly midera an'Atra (na rythmé io na hira tsotra) toy izay mahita olona mivary lavo misotro toaka e!
33. prime ( 31/01/2007 15:16)
ndrena:
Io voalazan'i Naritsimba @ phrase farany io no tsinjon'A/tra mialoha ka mahatonga Azy hangataka fahamasinana hatrany.
... mitovy hevitra aminao...

ndrena:
Ka raha misy re filazana ao @ tesatamenta vao² fa sitrapon'A/tra ny mandihy @ hira arapilazantsara dia mba ampahafantaro anay ihany ny toko sy andininy e!tsy fanoharana an,fa tena izy.
... ndrena a, mivadika ny ambaranao... ny Tenin'Andriamanitra miteny hoe tsy mahazo mandihy no tokony hozahàna fa tsy ny mifanohitra amin'izany...

Matoa atao hoe fahotàna ny fijangajangàna dia satria ny Tenin'Andriamanitra miteny hoe "aza mijangajanga"... Matoa tsy azo atao ny mitsiriritra vadin'olona dia satria ny Tenin'Andriamanitra no miteny hoe : "aza mitsiriritra vadin'olona"...

Ny hoe ratsy ny dihy izany dia tokony tadiavinao ny teny mandrara izany... ka raha tsy misy izany dia tsy mety ny mamorona izany ho lalàna... fa na i Kristy aza tsy nanao izany ho lalàna fa nampitandrina mikasika ny fahamaotinana sy ny fahamasinana... nefa izany mbola dinika hafa indray...

Aza mamorona lalàna rehefa tsy notenenin'Andriamanitra fa lasa mamato-tena indray raha izany... izany no nahavoa ireo fariseo sy sadoseo ary mpanora-dalàna t@ fotoan'androny...
34. kitjo ( 31/01/2007 17:44)
zay aloha no mahafinaritra ahy @ fiangonana evanjelika kosa e...

@fony manontolo mihitsy ny sasany...mandihy mitehaka sns...fa araka ny voalazan' i Diam oe @fahamendrehana..tsy manala akanjo akory!!!

Misy fiangonana izay aty,
CIty Harvest Church http://www.chc.org.sg/english/main.cfm

tsy aho no mivavaka, mahafinaritra ilay izy saingy ny tsy andehanako any intsony dia latsaka ambany i Palais des Sports @ habetsahan'ny olona sy ny zava-maneno ary ny jiro manjelanjelatra...
Lasa variana @ ilay jiro sy ny mozika aho tena midanaka ka tsy mitombona ao @ ilay fivavahana intsony ny lohako...

Ny tena alehako any matetika dia misy olo-malaza ireny tahaka andry Benny Hinn na mpihira to andry Planet shakers sy ry Hillsongs sns

Matanjaka be ry zareo satria dia misy bus manao ramassage erak' i Singapour..kanefa misy fidirana im-be dia be (zoma hariva, sabotsy maraina atoandro hariva, alahady maraina atoandro, tolakandro, hariva) sns....

Ilay Pasitera vavy ao dia mpihira Pop taloha no lasa pstora ka aoka fts ny mozika oaa:{
35. kitjo ( 31/01/2007 17:51)
ty izao t@ 13-14janv teo
Tonga tao i Delirious ilay mpihira evanjelika malaza..



tohiny http://www.chc.org.sg/english/photo_gallery/photo_gallery_2007.cfm
36. majesty ( 05/02/2007 05:27)
Hoy naritsimba:

Raha mahita ianareo @ ireo voalaza ireo dia mahamarika fa ny tompom-panasana dia tsy voalaza mihitsy hoe mandihy, fa ny olona nasaina no mifaly, sady mihira no mandihy. Izany hoe ny olona mahay mampifaly ny namany sy ny sakaizany dia mampiseho fa manam-pitiavana ny namany, izy, dia toy izay koa any an-danitra Jesoa Kristy no mampifaly
majesty> tsy haiko aloha ny rythme e, fa izaho dia mandihy rehefa mandihy ao am-piangonana. Ary dia na Hip Hop aza tsy olana.


Ny atahorako manko dia ho lasa tsy ahazo aina intsony ny olona rehefa mivavaka raha vao tsy misy mandihy sy mitehatehaka sy mihorakoraka ka lasa hatory fotsiny sy monamonaina avy eo.

Hoy petakorona:

sao de "eksodosy" aza no tsy voanao ry majesty?

Henoko teto @ internet aloha le izy de tena rthme be tokoa an!



tsy haiko aloha fa za manokana aleoko mijery olona mifaly midera an'Atra (na rythmé io na hira tsotra) toy izay mahita olona mivary lavo misotro toaka e!


Tsy dia izay loatra ka,le mifaly anie azo atao e,fa ny fandraisan'ny olona azy mihitsy satria samy manao izay fantany fa mety dia lasa fikarohana fahafinaretana ho an'ny tena fotsiny ilay izy fa le Andriamanitra lasa couverture fotsiny,asa aloha e,fa fomba fijery fotsiny ny ahy.
37. Zina ( 05/02/2007 17:46)
Tsy dia izay loatra ka,le mifaly anie azo atao e,fa ny fandraisan'ny olona azy mihitsy satria samy manao izay fantany fa mety dia lasa fikarohana fahafinaretana ho an'ny tena fotsiny ilay izy fa le Andriamanitra lasa couverture fotsiny,asa aloha e,fa fomba fijery fotsiny ny ahy


marina mihitsy io
38. naritsimba ( 20/02/2007 06:08)
« Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe: » (Matio 11:16)
« Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo. » (Matio 11:17)

Ireo andininy ireo dia fanoharana ny olona tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra ka oharina toy ny olona mahare feon-tsodina nefa tsy mandihy, sy tahaka ny olona mandre ny feo fitarainana avy @ malahelo fa tsy mivaky loha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6715