Hisaraka eto isika izao, hisaraka indray
Hirava ny lalao handeha izahay
Hokoboniko ao ilay afo mahamay
Manomboka ny ady amin'ny alahelo
Toa tsapako sahady injao mamelovelo
Mamoha ny voady sy ny tsiambaratelo
ref: Veloma ry tanana ,veloma ianao
Tsarovako mazàna ilay salovana
Aoriko ny lamba, ilaozako Ianao
Ny foko efa jamba nampahiratinao
Tsy ho haiko angamba ny hanadino anao
Midoboka mangina ny ao anatiko ao
Lanjaiko am-pitsikiana ny fandaozana anao
Zakaiko am-pitsikiana ny alahelo anao
Ref: veloma ry tanàna.....
Mihira finaritra ee